2018
Fanantenana tany Hollande
Ôktôbra 2018


Finoana sy fanantenana ary fahasoavana—Tapany faha-3

Fanantenana tany Hollande

Mipetraka any New Jersey, Etazonia ny mpanoratra.

Tovovavy 15 taona nipetraka tao Hollande nandritra ny Ady Lehibe faha-II i Grace. Efa naharitra ela dia ela ny ady. Maty mosary ny vahoaka tao Hollande, ary nanantena izy ireo fa hifarana tsy ho ela ny ady.

Sary
Hope in Holland

Ny taona farany tamin’ny Ady Lehibe faha-II no ratsy indrindra ho an’i Hollande. Nalain’ny Nazi avokoa ny zavatra rehetra. Tsy afaka nandeha tany an-tsekoly i Grace. Tsy nisy arina hanafanana ny tranon’izy ireo. Tsy maintsy nihinana vodina tulipe ny fianakaviany mba tsy ho maty mosary. Ratsy be ny tsiron’izany! Fa ny tena ratsy indrindra dia mbola babo an’ady i Dada.

Kanefa mbola nisy ihany ny fanantenana. Nilaza ny olona fa efa ho resy ireo Nazi. Ary tamin’ny volana mey tamin’ny taona 1945 dia nitolo-batana ny Nazi. Afaka indray i Hollande nony farany! Nankalaza izany teny an-dalambe ny olona. Tamin’izay dia afaka niverina tany an-tsekoly i Grace. Tsy nisy miaramila natahorana.

Ary ny tena tsara indrindra, indray andro rehefa nody avy any an-tsekoly i Grace sy ireo anadahiny, dia hitan’izy ireo fa nihofahofa teo anoloan’ny tranon’izy ireo ny sainan’i Hollande. Fantatr’izy ireo fa tsy misy afa-tsy zavatra iray ihany no tian’izany hambara.

“Tonga i Dada!” hoy i Heber nihorakoraka.

Nihazakazaka niditra i Grace sy ireo anadahiny. Nampiantsampy ireo sandriny teo amin’i Dada i Grace dia namihina azy mafy. Nofihinin’i Dada mafy ihany koa i Grace. Tena nahafinaritra ery ny nahita an’i Dada tao an-trano.

Fotoana fohy taorian’izay dia nanomboka tonga tao Hollande ireo baoritra feno sakafo, akanjo, ary fanafody. Nandefa vatsy marobe ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana tao Salt Lake City mba hanampiana ny olona taorian’ny ady. Nahazo akanjo vaovao mihitsy aza i Grace! Akanjo iray ihany no nanaovany nandritra ny dimy taona, ka dia faly be izy nahazo iray vaovao.

Izay no fotoana voalohany tao anatin’ny taona maro nahafahan’i Grace nihinana sakafo ampy azy tsara. Ny fiadidian’ny misiôna sy ny governemanta tao Hollande dia nanapa-kevitra ny hanomboka tetikasa fambolena ovy mba hamokarana sakafo bebe kokoa. Namboly ovy be dia be teo amin’ireo saha teny akaiky teny ny mpikamban’ny Fiangonana. Rehefa tonga ny fararano dia hanana ovy an’arivony maro hohanina izy ireo.

“Jereo anie e!” Hoy i Grace tamin’i Dada, sady nanondro ny zanak’ovy vao nitsiry iray. “Tsy ho noana intsony isika!”

Nanaiky tamin’ny alalan’ny fihetsika tamin’ny lohany i Dada kanefa tsy nitsiky. Hoy izy: “Niresaka tamin’ny Filoha Zappey aho. Nilaza tamiko izy fa mbola maty mosary ny Olomasin’ny Andro Farany any Alemaina, tahaka izay nahazo antsika mihitsy. Tsy mahazo fanampiana avy amin’ny governemanta tahaka antsika izy ireo.” Napetrak’i Dada manodidina ny sorok’i Grace ny sandriny. “Nanontany ahy ny Filoha Zappey raha azontsika omena an’ireo Olomasina Alemanina ny ovintsika.”

“Omeo azy ireo ny ovintsika!” Hoy i Grace nihiaka mafy. Fa angaha moa ny Nazi tsy avy any Alemaina? “Mety hoe Olomasin’ny Andro Farany izy ireo ry Dada a! Saingy mbola Alemanina ihany izy ireo.”

“Fantatro fa tsy mora izany,” hoy i Dada. “Fa zanak’ Andriamanitra ihany koa izy ireo. Tiany koa izy ireo. Namela azy ireo aho tamin’ny nanagadrany ahy. Afaka manampy antsika rehetra hamela heloka ny Tompo.”

Niandrandra nijery an’i Dada i Grace. Izy no olona be herim-po indrindra fantatr’i Grace, kanefa tsy fantatr’i Grace raha nanana herim-po hamela heloka tahaka azy izy. Dia tadidiny avy eo ny iray tamin’ireo mpampianatra azy tany an-tsekoly nandritra ny ady. Nilaza ny mampianany fa tsy Nazi daholo ny Alemanina rehetra, ary tsy olon-dratsy daholo ny miaramila Nazi rehetra. Ary tamin’izay dia maty mosary tahaka ny nahazo an’i Grace koa ny ankizivavy sy ny ankizilahy tany Alemaina.

Nisento mafy i Grace. “Azoko,” hoy izy. “Andao omentsika azy ireo ny ovintsika”

Namihina azy i Dada dia nitsiky. “Zazavavy be herim-po tokoa ianao. Zavatra sarotra atao izany. Fa mpianatr’i Jesoa Kristy isika, ary toy izay koa ireo Alemanina izay rahalahy sy anabavintsika.”

Nitsiky i Grace. Nisinda ilay hatezerana tsapany tao am-pony, dia nahatsapa ho tony sy feno fitiavana izy. Afaka namela ireo Alemanina izy. Ary afaka nanampy azy koa i Jesoa mba ho tia azy ireo.

Hamoaka printy