2018
Fomba miisa 5 azonao hanampiana ny evekanao mba hanampiany anao
Ôktôbra 2018


Amin’ny endrika nomerika ihany

Fomba miisa 5 azonao hanampiana ny evekanao mba hanampiany anao

Manao izay vitany izy saingy indraindray dia mila fanampiana.

Sary
young adult talking with bishop

Miarahaba anao amin’ny alalan’ny fihin-tanana mafy izy isaky ny mihaona aminao, ary mipetraka eny amin’ny toerana voatokana eny amin’ny lampihazo mandritra ny fivoriana Fanasan’ny Tompo, ary fotoana betsaka no afoiny mba hanompoana anao sy ny Tompo.

Evekanao izy: mpitarika iray ao amin’ny fisoronana izay nantsoin’ Andriamanitra mba hiahy ny paroasinao. Tsy mety tapitra velively ny lisitry ny zavatra tokony hataony. Mihaona amin’ireo mpikambana ao amin’ny biraony izy na dia avy niasa nandritra ny andro iray manontolo aza. Mijanona maharitra ao amin’ny trano fiangonana mandritra ny ora maro aorian’ny niravan’ny Fiangonana izy mba hanatanteraka ireo adidiny rehetra.

Mety toy ny manana tanjaka tsy misy fetra ny evekanao, kanefa mety tena mandreraka ny fitarihana paroasy iray manontolo! Manao izay vitany izy saingy indraindray dia mila fanampiana. Ireto misy fomba dimy izay ahafahanao manampy ny evekanao mba hanampiany anao:

  1. Mivavaha ho azy. Ny antson’ny eveka dia mety hitaky ny tanjaka ara-tsaina sy ara-panahy ary ara-batana faran’izay ananany. Mila tanjaka izy izay Andriamanitra ihany no afaka manome azy izany, kanefa afaka ny ho tonga izany noho ny finoanao sy ny vavaka ataonao (jereo ny Jakoba 5:16).

  2. Matokia an’ilay anjara fanompoana. Nanohana azy ho eveka ianao, kanefa tsy voatery hipetraka amin’ilay lehilahy ny fitokianao fa amin’ilay anjara fanompoan’ny eveka na ny antson’ny eveka ary amin’ilay Andriamanitra izay niantso azy sy nanohana azy. Ahoana no ahafahanao maneho ny finoanao? Mivonòna hanatanteraka antso sy andraikitra ampanaovina. Rehefa hihaona amin’ny evekanao ianao dia aoka ho vonona: mivavaka, mifady hanina raha ilaina, ary manao akanjo araka ny tokony ho izy mba hanehoana ny fanajanao ny Tompo. Eritrereto tsara ny toroheviny. Solontenan’ny Tompo izy.

  3. Fantaro izy. Miezaha hahafantatra azy. Anontanio azy ny mikasika ny fiainany sy ny traikefa ananany ary ny zavatra efa niainany. Aoka ho fantany fa ankasitrahanao ny asa fanompoana ataony ary mino ny fananany fahaiza-manao eo amin’ny fanatanterahana ny antsony ianao. (Jereo ny 1 Tesaloniana 5:12–13.)

  4. Aza manao izay hampareraka azy be loatra. Te hanampy anao ny evekanao, saingy raha manana olana ianao izay azon’ny mpampianatra isan-tokantranonao, na ny iray amin’ireo mpanolotsain’ny eveka na ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana na ny filohan’ny kôlejin’ny loholona vahana, dia mandehana aloha any amin’izy ireo. Misy antony ny mampisy ny antson’izy ireo! Eo izy ireo mba hanampy anao sy hanome fahafahana koa ny evekanao mba hifantoka amin’ireo zavatra izay izy ihany no afaka manao azy.

  5. Raiso ho toy ny olombelona ihany izy. Na dia toa tena natao ho an’ny evekanao aza ilay antsony dia tsy tonga lafatra izy. Miahiahy ny amin’ny tenany izy ary manao fahadisoana. Kanefa tena tia anao izy ary manao izay vitany mba hanatanterahana ny antsony. Miresaha malalaka aminy. Arakaraka ny hahafantarany bebe kokoa momba anao sy ny toe-javatra iainanao no ahafahany manampy anao bebe kokoa.

Hamoaka printy