2018
Moa ve ny fijoroana ho vavolombelona mihoatra noho ny fahatsapana fotsiny?
Ôktôbra 2018


Mivantana

Moa ve ny fijoroana ho vavolombelona mihoatra noho ny fahatsapana fotsiny?

Sary
young woman reading the Book of Mormon

Ny fijoroana ho vavolombelona dia ilay zavatra noresahan’ny Mpamonjy raha niteny tamin’i Petera izy hoe: “Sambatra hianao, ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-dra no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra” (Matio 16:17). Fahalalana avy amin’ Andriamanitra izany izay nambara tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Ny Fanahy Masina dia miteny amin’ny feo izay tsapantsika kokoa noho ny hoe henontsika, kanefa sady “avy ao an-tsainao izany no avy ao am-ponao” (F&F 8:2; nampiana fanamafisana). Eritreritsika ary koa fahatsapantsika izany.

Ny Mpaminany Joseph Smith dia namaritra ny fanahin’ny fanambarana ho toy ny fahatsapana “fahalalana madio mirotsaka ao anatinao, ka [manome] anao hevitra tonga tampoka” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 132).

Rehefa mampitodika ny saintsika sy ny fontsika, ny eritreritsika sy ny fahatsapantsika ary ny faniriantsika, any amin’ Andriamanitra isika, dia afaka miresaka ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika amin’ny alalan’ilay feo tony sy malefaka an’ny Fanahy Masina Izy. Rehefa miresaka amin’ny fanahintsika Izy dia toa misy karazana fahatsapana sy eritreritra mirotsaka ao amintsika. Izany no fijoroana ho vavolombelona omeny antsika.

Hamoaka printy