2018
Fikambanan’ny mpamaky ny Bokin’i Môrmôna
Ôktôbra 2018


Fikambanan’ny mpamaky ny Bokin’i Môrmôna

Miaraha aminay amin’ny alalan’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna! Afaka mamaky irery ianao na miaraka amin’ny fianakavianao na miaraka amin’ny namanao. Dia andefaso sarinao anankiray mamaky ny Bokin’i Môrmôna izahay ary lazao aminay ny zavatra nianaranao na tantara tena tianao avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Alefaso ao amin’ny liahona.lds.org izany (tsindrio ny “Submit an Article”).

Sary
Book of Mormon Reading Club

Ny soratra masina amin’ity volana ity: Môrônia 10:4

“… Raha manontany amin-kitsimpo ianareo, omban’ny tena finiavana, sady manam-pinoana an’i Kristy, dia haneho ny fahamarinan’izany aminareo Izy amin’ny herin’ny Fanahy Masina.”

Ny tantara tiako indrindra avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia hita ao amin’ny 3 Nefia 17, ary mikasika an’i Jesoa nitsodrano ireo ankizy madinika izany. Tiako ilay tantara satria miteny amintsika izany fa tena tia antsika i Jesoa sy ny Ray any An-danitra. Afaka mahatsapa ny zavatra tsapan’ireo ankizy ireo aho ary maka sary an-tsaina ny tenako aho hoe nijoro teo.

Barbora J., age 11 taona, République Tchèque

Tiako ny Bokin’i Môrmôna satria boky marina izany. Nosoratan’ireo mpaminany izany. Manampy ahy hisafidy ny tsara izany ary rehefa manana olana aho dia manampy ahy izany. Mino izany aho.

Jason S., 10 taona, Maharashtra, Inde

Hamoaka printy