2018
Loholona Gerrit W. Gong : Tiava ny Tompo ary matokia Azy
Ôktôbra 2018


Loholona Gerrit W. Gong: Tiava ny Tompo ary matokia Azy

Sary
Elder and Sister Gong

Vao nanambady tsy ela sy nivoaka fianarana avy tao amin’ny Oniversiten’i Oxford Angletera, i Gerrit W. Gong dia nianatra tamin’ny alalan’ny traikefan’ny tena manokana fa rehefa tia ny Tompo sy matokia Azy isika dia hanampy antsika, hitarika antsika, ary hampatanjaka antsika Izy.

I Geritt dia nahazo ny vatsim-pianarana Rhodes ka niasa mafy mba hahazo mari-pahaizana anankiroa. Doctorat ny iray tamin’izany. Sady tao amin’ny episkôpà tao amin’ny paroasin’i Oxford izy tamin’io fotoana io. Tsaroan’izy sy i Susan vadiny ny torohevitra nomen’ny Loholona David B. Haight (1906–2004) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo rehefa nanatanteraka ny fanambadian’izy ireo tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake izy. “Nilaza taminay izy mba hanana antso lalandava,” hoy ny Loholona Gong. “Fantatray fa raha toa ka natoky an’ Andriamanitra izahay ary nanao ny tsara indrindra vitanay, dia hanampy anay Izy.”

Nahazo “fanampiana avy any an-danitra sy famindram-po lehibe” tokoa i Gerrit sy i Susan, hoy izy. Raha nanohy tao amin’ny episkôpà i Gerrit dia nahatontosa ireo fitakiana rehetra hahazoana mari-pahaizana doctorat, ankoatra ny bokiny, izy. Nangataka tsodranon’ny fisoronana tamin’ny evekan’ny paroasin’i Oxford izy, dia i Alan Webster. Tao anatin’ilay tsodrano dia nandray izao fampanantenana izao i Gerrit: “Mitozoa amin’ny fanaovana izay rehetra vitanao, dia hitahy anao ny Tompo.”

Ny mpikambana roa izay mpitantsoratra momba ny lalàna nanan-traikefa dia nanolo-tena ny hanampy hanoratra amin’ny milina ny sora-tanany, ary afaka namita ny bokiny tao anatin’ny volana vitsivitsy i Gerrit. Raha ny marina dia sady nahavita ny maîtrise sy ny doctorat izy tao anatin’ny telo taona mahery kely monja. Rehefa nahavita fianarana izy dia nanaiky ny toerana iray misahana ny fikarohana ataon’ny oniversite. Nampatanjaka ny fahatokiany ny Tompo ny traikefany tao Oxford, fahatokiana izay maharitra hatramin’izao ary hitohy hitahy an’i Gerrit W. Gong amin’izy manompo ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo amin’izao fotoana izao.

Mofo sy hazandrano

“Ny Tompo dia tsara fanahy sy feno indrafo ary mikatsaka ny hitahy antsika,” hoy ny Loholona Gong. “Raha toa ka manao ny tsara indrindra vitantsika isika, dia hanao izay ahafahantsika manao mihoatra noho izay vitantsika Izy. Tahaka ny fampitomboana ireo mofo sy hazandrano izany. Raisin’ny Tompo izay efa misy ary hatsarainy mihoatra lavitra noho izay azontsika atao samirery izany.”

Ny fitsipiky ny mofo sy hazandrano dia marina ihany koa amin’ny fianarana, hoy izy. “Na dia tsy misy aza ny fahafahana mankany am-pianarana dia ny fananana toe-tsaina tia mianatra no zava-dehibe, satria mandrakizay ny fianarana. Afaka mikatsaka fahazavana sy fahamarinana isika rehetra na inona na inona toe-javatra iainantsika. Rehefa manao izany isika dia hanampy antsika hahita izany ny Tompo.”

Fiombonana ao amin’ny fanekempihavanana

Raha tao Oxford ny Loholona Gong, dia nianatra fitsipika iray hafa an’ny filazantsara izy, anankiray izay antsoiny hoe “fiombonana ao amin’ny fanekempihavanana.”

“Rehefa manakaiky bebe kokoa ny Tompo isika dia lasa mifanakaiky bebe kokoa ihany koa,” hoy izy. “Fony tao Oxford izaho sy i Susan dia sarobidy taminay avokoa ny zavatra niainana ara-pianarana sy ny zavatra niainanay tao amin’ny paroasy. Maro amin’ireo namana tianay indrindra hatramin’izao no olona avy tao amin’ny Paroasin’i Oxford.”

Anisan’ireo namana ireo i Tim sy Katherine Witts izay mahatsiaro ny fandehanana any amin’ny tempoly niaraka tamin-dry Gong. “Tsaroako mazava tsara fa nanaisotra ny famantaranandrony mba tsy ho variana na ho voafehin’ny fotoana rehefa mandinika ireo zavatra momba ny mandrakizay ny Rahalahy Gong,” hoy ny Rahavavy Witts. “Izany fihetsika kely izany dia nanampy ahy ho mazoto kokoa amin’ny fitsaohako manokana ao amin’ny tempoly.”

Mihaona matetika amin’ireo namana fantatr’izy ireo ry Gong mivady ny amin’ny filazantsara. “Hisy olona hanao hoe, niara-niasa taminao izahay fony ianao tao amin’ny filankevitra avo, na zavatra mitovitovy amin’izany,” hoy ny Loholona Gong, “ary afaka mifamadika izany. Feno fankasitrahana aho noho ny filohan’ny tsatòka iray sy ny filankevitry ny paroasy izay nanampy ahy fony aho eveka tena tanora. Isika rehetra dia manan-trosa amin’ireo ray aman-dreny, rafozana, mpiray vodirindrina, filohan’ny misiôna, anabavy, ary mpitarika ao amin’ny fisoronana izay tsara fanahy amintsika, mitarika antsika, ary mankahery antsika mba hanatona an’i Kristy.”

Lovam-pianakaviana

Ny tantaram-pianakavian’ny Loholona Gong dia voasoritra manomboka eo amin’ny taranaka miisa 34 miverina hatrany amin’ny Dragona Gong Voalohany izay teraka tamin’ny 837 taona taorian’i J.K. Nifindra monina avy tany Chine nankany Etazonia ny raibe sy ny reniben’ny Loholona Gong. I Jean reniny dia niditra ho mpikamban’ny Fiangonana fony izy zatovovavy tany Hawaii, Etazonia, ary nianatra tao amin’ny Brigham Young University tao Provo, Utah, Etazonia taty aoriana, toerana izay nipetrahany niaraka tamin’ny fianakavian’i Gerrit de Jong, Mpiandraiki-draharaha voalohany tao amin’ny College of Fine Arts (Ivon-toeram-pampianarana ambony miompana amin’ny haikanto). “Nanampy ahy hahatakatra hoe manao ahoana izany fianakaviana ao amin’ny filazantsara izany ry de Jong,” hoy izy.

Taorian’ny BYU, dia nianatra tao amin’ny Stanford University tao Palo Alto, Californie, Etazonia i Jean, izay toerana nihaonany tamin’i Walter A. Gong. “Efa Kristianina izy ary nahatakatra haingana izay natolotry ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny,” hoy i Jean. Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana izy, ary nivady tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake izy ireo herintaona taty aoriana. Lasa mpampianatra za-draharaha izy ireo ary raha atambatra dia nandany mihoatra ny 70 taona nampianarana.

“Lasa patriarika ihany koa i dada,” hoy ny Loholona Gong, “ary satria nomena tao an-tranonay ireo tsodranon’ny patriarika, dia heniky ny fanajana lalina noho ny fitiavan’ Andriamanitra ny tsirairay amin’ireo zanany ny tokantranonay.”

Sary
Elder Gong as a baby with his parents

Tamin’ny 23 desambra 1953, tao Redwood City, Californie, no teraka ny voalohany tamin’ireo zanak’i Jean sy i Walter anankitelo. “Ny fanampin’anarany, Gerrit, dia holandey, mba hanomezam-boninahitra an’i Gerrit de Jong,” hoy i Jean nanazava. “Ny fanampin’anarany hafa dia Walter, mba hanomezam-boninahitra ny rainy. Ary ny anaram-pianakavianay dia sinoa, izay manome voninahitra ny lovany.”

Nilaza i Jean fa i Gerrit dia tsara fanahy tamin’ireo zandriny, i Brian sy i Marguerite. “Tiany ny manampy azy ireo,” hoy izy, “na dia amin’ny zavatra kely toy ny fampianarana azy ireo mamatotra ny tadin-kiraron’izy ireo aza.” Tsaroany ny fodiana tany an-trano avy any am-piangonana indray andro ary naheno an’i Gerrit sy Brian nilaza fa nahakamo ny lahateny iray nandritra ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo. “Koa nomeko fanamby izy ireo: -Dia mila manao lahateny tsara kokoa ianareo izany.- Nanaiky hanao ilay fanamby izy ireo ary nanomboka nifantoka bebe kokoa tamin’ireo lahateny izy ireo,” hoy izy.

Fony zatovo i Gerrit dia tia mandeha mibaby kitapo ary manao dia an-tongotra miaraka amin’ireo zatovolahy hafa tao amin’ny paroasiny. I Wally Salbacka, namany hatrizay, dia mahatsiaro ny dia nandritra ny filasiana manokana iray. “Niaraka tamin’i Gerrit sy i Brian rahalahiny aho, ary namana iray izay tsy mpikamban’ny Fiangonana. Noho ny antony tsy haiko dia nanomboka nihira avy tao amin’ny fihirana izahay. Nihira ny feo voalohany i Gerrit, nihira ny feho fahatelo i Brian, ary nihira ny beso aho. Nihira hira 10 na 20 angamba izahay, noho ny fitiavana nihira fotsiny. Zavatra niainana nahafinaritra izany. Gaga ilay namanay tsy mpikamban’ny Fiangonana.”

Tsaroan-drahalahy Salbacka ihany koa fa tany amin’ny lisea dia nangataka tamin’ireo mpitarika ny fanentanana mandritra ny lalao fifaninanana mba hitarika fanentanana mangina ho an’ny ekipa mpanao échecs i Gerrit. “Nandresy lahatra azy ireo izy fa ny fanohanana ara-tsaina dia tsara ho an’ny rehetra,” hoy izy, “ary tena tonga tamin’ilay fifaninana izy ireo!”

Sary
Elder Gong as a missionary and later with a missionary

Avy any ankavia: I Marjorie sy Gordon B. Hinckley miarahaba an’i Gerrit sy Susan tamin’ny fanambadian-dry Gong mivady. Ny Loholona Gong dia nampianatra fianakaviana iray fony izy misiônera tany Taiwan, ary taona maro taty aoriana rehefa lasa Manampahefana Ambony izy, dia nihaona tamin’ny zafikelin’ny iray tamin’ireo zanakavavy tao amin’ilay fianakaviana. Tany Vietnam, nandoko rindrindra iray hitondrana fifaliana ho an’ireo ankizy miatrika olana ny Loholona sy ny Rahavavy Gong. Nivondrona niaraka tamin’ireo izay nanampy tamin’ny fandokoana rindrina tany Vietnam ireo olona ao amin’ny fianakaviana Gong.

Taorian’ny lisea dia nianatra tao amin’ny Brigham Young University ny Loholona Gong. Nanompo tao amin’ny Misiônan’i Taipei Taiwan izy nanomboka tamin’ny 1973 ka hatramin’ny 1975, dia niverina tao BYU, izay nahazoany ny license en études asiatiques sy études universitaires.

Fihontihontiana sy fanambadiana

Taorian’ny asa fitoriany dia nilatsaka an-tsitrapo ny Loholona Gong mba hanolotra takariva amorom-patana isaky ny alahady tao amin’ny Ivon-toerana Fanofanana Misiônera ao Provo. Ireo takariva amorom-patana dia nanampy ireo misiônera handeha ho any Taiwan mba hahafantarana ny momba ireo olona, fomba amam-panao, ary kolotsaina any. Anisan’ireo misiônera ireo ny Rahavavy Susan Lindsay avy any Taylorsville, Utah, zanakavavin’i Richard P. sy Marian B. Lindsay. Mpikambana tao amin’ny Kôlejy Faharoa ao amin’ny Fitopololahy ny Rahalahy Lindsay. “Tsapako fa ho toy ny olona efa fantatro hatrizay i Susan,” hoy ny Loholona Gong.

Roa taona taty aoriana, volana vitsy taorian’ny niverenan’i Susan tao BYU taorian’ny asa fitoriany, dia tao Provo i Gerrit sy ny fianakaviany. Nampianatra tao amin’ny oniversite ny rainy, ary nanao drafitra ny hitsidika mandritra ny roa herinandro i Gerrit. Niitatra ho efatra herinandro ilay fitsidihana, rehefa nampiaraka isan’andro izy sy i Susan. Dia nandeha nanao fiofanana arak’asa tany Hawaii i Gerrit mialoha ny niverenany tany Oxford.

“Nihontihonty avy tany amin’ny ilam-bolantany roa samy hafa izahay,” hoy ny Loholona Gong nitantara. “Niezaka ny nianatra tany Angletera aho raha teo am-pamantarana ny zavatra rehetra azoko fantarina momba azy avy tany am-pitan’ny Ranomasina Atlantika.”

“Tamin’ny alalan’ny telefaonina no nanatanterahana ny fifamofoana,” hoy ny Rahavavy Gong. “Nody indray izy tamin’ny Thanksgiving, ary nivady izahay ny andro voalohany nisokafan’ny tempoly rehefa tonga ny taona vaovao.” Roa herinandro taty aoriana dia nisidina nankany Angletera izy ireo mba hanomboka fiainam-baovao miaraka.

“Rehefa mivady ny olona dia miresaka momba ny fianakaviana anankiroa lasa iray izy ireo,” hoy ny Loholona Gong. “Ary tena nitranga tamiko izany. Mahatsapa ho isan’ny fianakaviana Lindsay tahaka ny maha-anisan’ny fianakaviana Gong ahy aho.

Sary
Gong wedding photo with the Hinckleys

Lalan-kasa mamiratra

Rehefa avy nandalo kely tao amin’ny Oxford University izy dia nifindra niasa ho an’ny governemanta tao Washington, D.C., Etazonia i Gerrit. Tamin’ny 1984 dia niasa tao amin’ny fampielezan-kevitra handaniana indray an’i Reagan na Bush izy, izay nizarany toeram-piasana tamin’i Mike Leavitt izay lasa governoran’i Utah taty aoriana. “Mpandinika sy mpieritreritra lalina i Gerrit,” hoy Rahalahy Leavitt, “kanefa nampiavaka azy ny hatsaram-panahiny miavaka.”

Mpanampy manokana ny Sekreteram-panjakana lefitra i Gerrit tamin’ny 1985. Lasa mpanampy manokana ny ambasadaorin’i Etazonia tany Pékin, Chine izy tamin’ny 1987. Ary nanomboka tamin’ny 1989 ka hatramin’ny 2001, dia nitana toerana maro izy tao amin’ny Center for Strategic and International Studies tao Washington, D.C. Dia niverina teo amin’ny tontolon’ny fianarana ambony izy rehefa nanaiky ny toerana ho mpanampy ny filoha teo amin’ny lafin’ny fanaovana drafitra sy fanombantombanana tao amin’ny Brigham Young University. Sivy taona no nihazonany izany anjara toerana izany.

Tao amin’ny birao nifanila taminy i Carri Jenkins, mpanampy ny filoha teo amin’ny lafin’ny seraseran’ny oniversite tao BYU. Tsaroany ny fahaizan’i Gerrit Gong mankahery ireo izay manodidina azy. “Raha toa ka tsy matoky tena ianao fa afaka manatanteraka asa nampanaovina iray izay sarotra, dia nanana izany fahatokian-tena izany ho anao izy,” hoy izy. “Nataony avokoa izay rehetra vitany mba hanoroana hevitra anao, hanomezana fanantenana ho anao, ary hamelana anao handroso sy hampiseho ny fahaizanao.”

Ny mpitsara federaly Thomas B. Griffith, izay nahafantatra ny Loholona Gong tany Washington sy tao BYU, dia namariparitra ny fifandraisana taminy ho toy izao: “Rehefa mifarana ny fifanakalozan-kevitra iray dia tsikaritrao fa ianao no nifantohana. Mpihaino tsara izy. Mametraka fanontaniana izay mahatonga anao hieritreritra izy.”

Cecil O. Samuelson, Fitopololahy Manampahefana Ambony nisaorana tamim-boninahitra sy filohan’ny BYU teo aloha dia nilaza fa ny Loholona Gong dia “mangina amin’ny ankapobeny, kanefa miasa tsy tapaka ny sainy.”

Sary
Gong family in Vietnam

Fiainam-pianakaviana

I Gerrit sy i Susan dia lasa ray sy renin’ny zanakalahy efatra—Abraham, Samuel, Christopher, ary Matthew—izay nihalehibe tao anatin’ny toe-javatra maro samihafa.

“Rehefa tany Pékin izahay dia fitahiana ho an’ireo zanakay ny lasa mpinamana be,” hoy ny Loholona Gong.

“Tetsy andaniny dia nanana fahafahana hahita fomba fijery mivelatra momba an’izao tontolo izao izy ireo,” hoy ny Rahavavy Gong nanampy. “Tetsy ankilany kosa dia nanampy anay hanjary ho fianakaviana nifandray be izany. Ireo zanakay lahy dia mbola milaza hatrany fa ny zavatra tsara indrindra nataonay amin’ny maha-ray aman-dreny anay dia ny nanomezanay rahalahy ho azy ireo.”

“Indray andro dia nampiasanay ny dia maimaim-poana azo noho ny fisidinanay matetika,” hoy ny Loholona Gong. “Navelanay hisafidy ny toerana haleha ny tsirairay. Nanomboka tao Washington, D.C., izay nonenanay izahay, dia nankany Angleterre, République Tchèque, Grèce, Turquie, Inde, Chine, ary Japon.

“Nanana lalàna iray tsy azo nihodivirana izahay nandritra izany dia izany,” hoy Susan. “Na taiza na taiza nalehanay dia nihinana izay nohanin’ny mponina teo an-toerana izahay.” Farany, tany Japon rehefa nifarana ilay dia, dia nilaza tamin’ireo zanany lahy ny Loholona Gong fa hoentiny any amin’ny trano fisakafoanana malaza eran-tany amin’ny henomby izy ireo. Nihinana hamburger niisa 17 tao amin’ny McDonald’s ireo zanakalahy efatra ary ny rainy sy reniny noana be.

“Na i Neny na i Dada dia samy nanome lanja ambony momba ny fianarana amin’ny alalan’ny zavatra iainana,” hoy i Abraham. “I Dada dia nieritreritra lalina momba ny fomba hamolavolan’ny zavatra iainana ny olona, ka anisan’izany ireo kolontsaina manontolo.” Nomarihin’i Abraham ihany koa fa ny rainy dia “miresaka am-pitandremana satria ilainy hoe voaheviny tanteraka sy tena inoany izay lazainy.”

Tsaroan’i Sam fa “na dia sahiran-dava aza izy tao amin’ny Departement d’État, dia nanokana fotoana i Dada isan-kalina nanazatra sy nanofana ahy tamin’ny fifaninana matematika ho an’ny kilasy fahatelo, nantsoina hoe -Challenge 24-, izay tiako nidirana. Nolazainy fa raha toa aho ka mandresy dia hanao fety izahay miaraka amin’ny gilasy sundaes misy karazana fangarony miisa 24.” Tody hatrany amin’ny fifaninana nasiônaly i Sam fa tsy nandresy. Nihinana sundaes ihany anefa ny fianakaviana Gong. Kanefa tsy mora ny nahita karazana fangarony niisa 24, ary ny anankiray tamin’izany dia hena nohamainina.

I Christopher sy i Matthew dia nanao fanamarihana ny amin’ny “fankasitrahana ny fifampitokisana sy ny fifankatiavana ary ny fifanoloran-tena ataon’ny rainay sy ny reninay.” Fitiavana izay ifampizaran’ny Loholona sy ny Rahavavy Gong izany ary koa zarain’izy ireo amin’ny tsirairay amin’ireo zanakalahiny sy ny havany.

“Ankoatra ny maha-ray feno fanolorantena an’i Gerrit, dia zanakalahy sy rahalahy feno fanolorantena ihany koa izy,” hoy i Susan. “Manan-danja ho azy ireo anjara asa ireo. Ampiany izahay hahatakatra fa ny fifandraisan’ny fianakaviana no manan-danja indrindra amin’ny zavatra rehetra.”

Traikefa tao amin’ny Fiangonana

Na dia teo aza ny asa mahatototra be sy ny fianakaviana, ny Loholona Gong dia nanohy nanompo an-tsitrapo tao amin’ny Fiangonana, ka efa mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, mpitarika ny vondron’ny mpisorona avo, filohan’ny Sekoly Alahady teo anivon’ny amin’ny tsatòka, mpampianatra seminera, eveka, filohan’ny misiônan’ny tsatòka, filohan’ny tsatòka, ary Fitopololahin’ny Vondrom-paritra.

Na inona na inona niantsoana azy, sy teo amin’ny fiainam-pianakaviany ihany koa, dia naneho tsy tapaka toetra miavaka izy. “Mijery ny rehetra ho zanakalahy sy zanakavavin’ny Ray any An-danitra izy,” hoy ny Rahavavy Gong. “Fa ambonin’izany rehetra izany dia tia ny Tompo izy. Tena iriny amin’ny fony manontolo ny hanangana ny fanjakana sy hitahy ireo zanaky ny Ray any An-danitra.”

Tia ny vadiny izy. “Na inona na inona asaina ataoko,” hoy izy, “dia eo akaikiko foana i Susan. Mifandray amin’ny rehetra izy ary mahay mitodika any amin’ny olon-kafa. Vonona foana ny handeha any amin’ny toeram-baovao izy sy hanandrana zava-baovao, izay tena ankasitrahako.”

Fanompoana tao amin’ny Fitopololahy

Ny Loholona Gerrit W. Gong dia notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny 3 aprily 2010. Nantsoina izy ho ao amin’ny Fiadidian’ny Vondrom-paritra Azia izay tao Hong Kong ny foibeny. Dia lasa Filohan’ny Vondrom-paritra Azia izy taty aoriana. Tamin’ny 6 ôktôbra 2015 dia notohanana ho ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy ny Loholona Gong, ka nitohy tao ny traikefany maneran-tany, anisan’izany ireo fitondrana fanovana teo amin’ny vondrom-paritra tany amin’ny toerana maro samihafa manerana izao tontolo izao toa an’i Afrika sy Amerika Afovoany.

“Mihaona amin’ireo Olomasina any amin’ireo toerana ireo ianao dia lasa tia azy ireo,” hoy izy. “Mahatsiaro ho voatahy ianao satria misy olona miresaka aminao momba ny finoany, satria manjary ampahany amin’ny fahatakarana ny hoe iza Andriamanitra sy ny fomba hitiavany antsika tsirairay ny zavatra iainan’izy ireo mahakasika ny fiasan’Andriamanitra eo amin’ny fiainan’izy ireo.”

“Rehefa mandefa ny Loholona Gong any amin’izay mety ho toe-javatra misy izahay, dia mahatsapa ho nahita namana iray ireo izay voakasik’izany,” hoy ny Filoha Russell M. Nelson. “Manana fahalalana ambony izy, kanefa manetry tena. Mifandray amin’ny olona amin’ny ambaratonga rehetra izy ary vonona lalandava sy maharesy lahatra mandrakariva.”

Sary
Gongs in Thailand

Avy any ankavia: Tany Thailande, nihaona tamin’i Francis Xavier Kardinaly Kriengsak Kovithavanij, Arseveka Katolika any Bangkok ny Loholona Gong. Mankamamy ireo dia hiarahana manokana amin’ny tsirairay amin’ireo zanany lahy ny Loholona Gong, toy ity dia nankany Kanadà niaraka tamin’i Sam zanany lahy ity. Nizara ny eritreriny momba ny Mofon’aina tamin’ireo mpampianatra seminera sy institiota ny Loholona Gong tamin’ny taona 2017. Mifampiarahaba ao an-tokantranon’ny mpikambana kambojiana iray ny Rahavavy Gong.

Antso ho Apôstôly iray

Rehefa niantso ny Loholona Gong mba ho mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Filoha Russell M. Nelson, dia “nandray ny tanako tamim-pitiavana ny mpaminany, niaraka tamin’i Susan malalako teo anilako, ary nanolotra ahy ity antso masina avy amin’ny Tompo ity izay tsy nampoiziko mihitsy” (“Tafatsangana i Kristy,” Liahona, mey 2018, 97). Manetry tena, kanefa manana antoka amin’ny fitiavany sy ny fahatokiany ny Tompo ny Loholona Gong, ary dia nanaiky ilay antso. Notohanana izy tamin’ny 31 martsa 2018. Rehefa nomanin’ny Tompo tamim-pitandremana tokoa, dia manompo amin’ny maha- “[vavolombelona] manokan’ny anaran’i Kristy eran’izao tontolo izao” (F&F 107:23) izy izao.

Hamoaka printy