2018
Nampianarin’ny Fanahy Masina
Ôktôbra 2018


Nampianarin’ ny Fanahy Masina

Ireto tanora ireto dia niomana mialoha ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany mba ho ampianarin’ny Fanahy. Ireto ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ny fihaonambe iray teo aloha sy ny fomba fanao novain’izy ireo vokatr’izany.

Torolalana avy amin’ny fitaomam-panahy

Sary
Madelyn

Sary ankoatra ny sarin’olona avy amin’ny Getty Images

Nahazo fitaomam-panahy avy tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aho. Raha teo am-pihainoana ny torolalana avy amin’ireo mpitarika antsika mba hanompo ny hafa, hatoky an’i Kristy, ary hifikitra mafy tamin’ny anja-by aho, dia nahatsapa ny Fanahy Masina nijoro ho vavolombelona tamiko fa marina ity filazantsara ity ary afaka mahazo ny fiainana mandrakizay isika amin’ny alalan’ny fitandremana ny didy sy ny fanarahana ny tenin’ Andriamanitra. Nametraka tanjona aho mba hanao asa fanompoana bebe kokoa eo amin’ny fiaraha-monina misy ahy sy hanamafy orina ny fijoroako ho vavolombelona amin’ny alalan’ny vavaka isan’andro sy ny fandalinana ny soratra masina. Fantatro fa zanakavavin’ny Ray any An-danitra aho. Velona Izy ary tia ahy foana sy mandrakizay.

Madelyn B., 16 taona, Delaware, Etazonia

Valin’ireo fanontaniana

Sary
Isaak

Talohan’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany dia nanana fanontaniana roa aho: (1) Ahoana no ahafahako manana fomba fisainana tsara hatrany ary hanampy ny namako rehefa mandray fanapahan-kevitra ratsy izy ireo? Sy ny hoe (2) Ahoana no ahafahako mijoro ho vavolombelona momba ny Fiangonana kanefa tsy manesoeso ahy izy ireo? Nijoro ho vavolombelona tamiko ny Fanahy nandritra ny fihaonambe fa tsy irery aho. Ankehitriny dia fantatro fa amin’ny alalan’ny fandalinana soratra masina amin’ny foko manontolo no hahazoako ny valin’ireo fanontaniako momba ireo namako. Fantatro fa mihaino ny vavako ny Raiko, ary hiezaka ny ho tsaratsara kokoa aho isan’andro.

Isaak R., 13 taona, Pichincha, Équateur

Vonona ny hianatra

Sary
Ben

Nahatsapa tamin’ny fomba mahery vaika ny Fanahy aho tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Hatramin’ny nanombohako nanomana fanontaniana sy nanomanako ny tenako ara-panahy ho an’ny fihaonambe, dia lasa nisy lanjany bebe kokoa teo amin’ny fiainako izany, ary afaka nianatra bebe kokoa hatrany aho tao anatin’ny lahateny tsirairay. Feno fankasitrahana ny mpaminany sy ny apôstôly aho, ary fantatro fa nirahin’ny Ray any An-danitra izy ireo mba hitarika antsika sy hanoro antsika eo amin’ny fiainantsika!

Ben H., 17 taona, Kentucky, Etazonia

Nahazo fanasana mba hivoatra

Sary
Vincente

Nampatanjaka ahy ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny alalan’ny fanomezana ahy faniriana ny hanaraka ny lalan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Nanampy ahy izany mba hahafantatra sy hahatakatra fa ity no Fiangonana marina, izay mitondra fahazavana sy fahasambarana ho antsika. Tsapako ny Fanahy nanasa ahy hivoatra isan’andro sy hamaky ny Bokin’i Môrmôna mba hahazoako fijoroana ho vavolombelona matanjaka momba ny filazantsara. Mino aho fa tian’ny Ray any An-danitra ny hihainoako ireo hafatra nentanim-panahy ireo.

Vicente A., 16 taona, Région Métropolitaine, Chili

Mikatsaka ny hazavana

Sary
Olivia

Fotoan-tsarotra ho ahy ny tamin’ny roa taona lasa. Niady tamin’ny homamiadana ny dadako, ary nisy fanafihana nataon’ny mpampihorohoro tao amin’ny tanàna nisy ahy. Feno tebiteby aho, nanontany tena hoe ahoana no ahafahako mahatsapa fiadanana kanefa aho natahotra ireo loza nananontanona ahy ara-panahy sy ara-batana. Nianarako avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany fa afaka ny hahita fiadanana isika rehefa miaina amim-pahamendrehana, mamonto ny fontsika amin’ny finoana, ary miezaka ny hanana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay hatrany. Notaomim-panahy aho mba hitodika tany amin’i Kristy tao anatin’ny fotoan-tsarotra fa tsy hiantehitra fotsiny tamin’ny fahatakarana nananako. Fantatro fa afaka mandresy ny fitaoman’ny haizina aho amin’ny alalan’ny famirapiratan’ny hazavan’i Kristy.

Olivia H., 17 taona, Belgique

Hamoaka printy