Ny naha-feno famindram-po ny Tompo
Ilay andiam-boky vaovao miompana amin’ny tantaran’ny Fiangonana dia hanampy antsika hitandrina ny fanekempihavanantsika amin’ny alalan’ny fampitomboana ny fahatsiarovantsika ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho antsika.
Vao voalohany efa akaiky ho zato taona izao, no misy andiam-boky vaovao ahitana ny tantaran’ny Fiangonana izay navoaka eo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Ity tantara ity, izay mitondra ny lohateny hoe Olomasina: Ny tantaran’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy amin’izao andro farany izao, dia mitantara ny tantara marina momba ireo olon-tsotra izay lasa Olomasina tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (jereo ny Môsià 3:19). Ny boky voalohany, Ny fanevan’ny fahamarinana, 1815–1846, dia efa vita amin’izao ary efa nadika ho amin’ny fiteny miisa 14 mba haparitaka any amin’ny faritra maro eto amin’izao tontolo izao.
Ny Olomasina dia tantara mikasika ny fomba namerenan’ Andriamanitra ny fanekempihavanany maharitra mandrakizay noho ny fitiavany an’ireo zanany. Izany dia maneho ny fomba namerenan’ny Tompo ny filazantsarany mba hitondra fanantenana sy fiadanana ao anatin’ny fotoan’ny hotakotaka sy ny fitsapana ary ny fahoriana. Izany koa dia maneho ny fomba hitarihan’ireo fanekempihavanana naverina tamin’ny laoniny ho amin’ny fisandratana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
Mety hieritreritra ianao hoe hanomboka amin’i Joseph Smith ilay tantara, saingy ny Olomasina dia manomboka ny taona 1815 izay miresaka ny fipoahan’ny Vôlkano iray tany Indônezia, izay niteraka fahafatesan’olona maro sy aretina ary fikatsoana. Io zavatra nentina nanomboka io dia nofidina niainga avy tamin’ny zavatra nambaran’ny Tompo mikasika ny fomba namerenany tamin’ny laoniny ny fanekempihavanana izay mamatotra antsika amin’ny Mpamonjy ka manome fahafahana antsika handresy ireo olan’ny fiainana rehetra:
“Izaho Tompo dia mahalala ny antambo izay hanjo ny mponin’ny tany, ka niantso an’i Joseph Smith zanany mpanompoko sy niteny taminy avy any an-danitra ary nanome azy didy; …
“Mba ho azo aorina ny fanekempihavanako maharitra mandrakizay” (F&F 1:17, 22).
Manomboka amin’ny fiandohan’ilay boky ka hatramin’ny fizarana izany maneran-tany, ny Olomasina dia mampahafantatra ny zanak’ Andriamanitra na aiza na aiza fa tantaran’ny fanekempihavanana nataon’izy ireo tamin’ Andriamanitra izany, izay mahafantatra ny zava-tsarotra iainan’izy ireo. Nohavaozin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminaniny ireo fanekempihavanana izay tsy manafoana ny faharatsiana, ny alahelo, ny fijaliana ary ny fisarahana amin’ny fahafatesana, kanefa mampanantena fanasitranana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, manamasina sy manafy hery ny fiainantsika amin’ny fomba tena manan-danja, ary manome toky antsika fa ny fifandraisana izay ankamamiantsika eto an-tany dia afaka ny haharitra mandrakizay, “homban’ny voninahitra mandrakizay” (jereo ny F&F 130:2).
Ireo toko valo voalohany ao amin’ny Ny fanevan’ ny fahamarinana dia efa navoaka tamin’ny laharan’ity gazetiboky ity mandritra ny taona. Ny laharana amin’ity volana ity no mamarana ireo toko navoaka tsikelikely avy ao amin’ny Olomasina, fa mbola mitohy ny tantara, izay azo jerena ao amin’ny saints.lds.org, ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile, ary amin’ny endriny voatonta printy (afaro ao amin’ny store.lds.org). Manasa anareo aho hanohy hamaky izany ao amin’ny iray amin’ireo famoaham-baovao ireo.
Lamina sy drafitra avy amin’ Andriamanitra
Ny Olomasina dia mampitohy lamina iray avy amin’ Andriamanitra izay ampiasan’ireo mpaminany, ao anatin’ny asa fanompoana ataony, ny lasa mba hanampiana antsika hianatra hoe iza isika ary hahitantsika ny tanjon’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika. Maro ireo mpaminany ao amin’ny soratra masina no manomboka ny fampianarany amin’ny alalan’ny fitantarana tantara momba ny famindram-pon’ny Tompo tamin’ireo razambeny.1 Namporisika ireo mpamaky ny Bokin’i Môrmôna i Môrônia mba “[hahatsiaro] ny naha-feno famindram-po ny Tompo” tao anatin’ny fotoana maro “sy [hisaintsaina] izany ao am-ponareo” (Môrônia 10:3). Ny fieritreretana ny hatsaram-pon’ Andriamanitra dia manomana antsika mba handray ny tenivavolombelon’ny Fanahy, izay mampianatra antsika “ny amin’ny zavatra araka ny tena toetrany sy ny amin’ny zavatra araka ny ho tena toetrany” (Jakôba 4:13; jereo koa ny Môrônia 10:4–5).
Ny fahafantarana fa ny Ray aman-drenintsika any An-danitra dia nanao drafitra mba hahazoantsika ny fahasambarana faratampony ary ny fisandratana, dia manome antsika fahafahana hijery lavitra, manome antsika ny maha-izy antsika amin’ny maha-zanaka malalan’ny ray aman-dreny masina antsika, ary mampitombo ny fahatokiantsika ny Tompo, na dia ao anatin’ny fotoam-pahoriana aza. Ny fahatsiarovana ny hatsaram-pon’ ny Tompo dia afaka ihany koa miaro antsika amin’ny avonavona sy ny loza mananontanona avy amin’ny firoboroboana. Nanoratra mikasika ny fotoana izay “[nanombohan’ny Nefita] nitombo harena fatratra tokoa” i Môrmôna. Tsy nitovy tamin’ireo vanim-potoana hafa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay namelan’ny olona ny avonavona sy ny harena hampianjera azy ireo anefa, fa nanaraka lalana hafa izy ireo tamin’ity indray mitoraka ity: “Nefa na dia teo aza ny hareny, na ny tanjany, na ny firoboroboany, dia tsy tafasondrotra tao amin’ ny avonavon’ ny fony izy; tsy nitaredretra koa izy tamin’ ny fahatsiarovana ny Tompo Andriamaniny; fa izy kosa dia nanetry tena izaitsizy tokoa teo anoloany.” Nitandrina ny fanekempihavanany izy ireo ary nijanona ho marina satria “nahatsiaro ny mahalehibe ny zavatra efa nataon’ny Tompo ho azy izy” (jereo ny Almà 62:48–50).
Ny Olomasina dia mampianatra lesona tahaka an’ireo sy ny maro hafa. Hanampy anao hahita ny fitarihan’ny Tompo eo amin’ny fiainanao izany rehefa miaina tsy mivantana ny fizahan-toetra ny finoana, ny ratram-po sy ny fifaliana, ny fanambarana sy ny fahavononan’ny olona tsy tanteraka izay tia ny Tompo sy nahatsapa ny fitiavany ianao.
Rehefa mamaky izany ianao, dia hahita hevi-baovao indray na dia ao anatin’ireo tantara efa renao teo aloha aza. Tsy misy zava-nitranga be mpahafantatra mihoatra ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith ao amin’ny tantaran’ny Fiangonana, fa ny Olomasina anefa dia manampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny fomba niadian’i Joseph mafy mba hampifanaraka ny zavatra tsapany tao am-pony sy ny zavatra neritreretiny tao an-tsainy.
Ny faniriana tena avy amin’ny fo nananan’i Joseph mba hahatsapa ny famelan-keloky ny Mpamonjy dia tsy tanteraka satria nilaza izy fa tsy nisy na dia iray aza tamin’ireo fiangonana efa nisy no nampianatra “ny filazantsaran’i Jesoa Kristy araka izay voarakitra ao amin’ny Testamenta Vaovao.”2 Nisaintsaina i Joseph hoe iza no fiangonana marina, sa miara-diso avokoa izy ireo? Nanantena mafy tao am-pony izy hoe mba ho marina ny iray tamin’izy ireo mba hahafahany mahita ny fiadanana nokatsahany. Rehefa sahiran-tsaina noho ny tsy fitovian’ny zavatra hitan’ny masony sy izay tsapany tao am-pony i Joseph, dia lasa fantany fa afaka mangataka amin’ Andriamanitra izy. Nandeha tany anaty ala izy mba hivavaka. Nahita ny Ray sy ny Zanaka tao izy, izay namela ny helony ary namaha ny olany tamin’ny fomba izay tsy mbola azony an-tsaina mihitsy.3
I Joseph sy ny fianakaviany ary ireo olona maro hafa izay nanaiky ny fanekempihavanan’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny dia naniry ny hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra azy ireo, ny hianatra ny fomba hahafahan’izy ireo manakaiky Azy bebe kokoa, ary ny hanatsara ny fifandraisan’izy ireo amin’ireo olon-tiany. Ny Olomasina dia mitantara ny tantaran’izy ireo.
Matoky ny Tompo mandritra ireo fitsapana
Ny boky 1 an’ny Olomasina dia ahitana ilay tantara tena mampalahelo momba an’i Amanda Barnes Smith sy ny fianakaviany, izay nankatò ny didin’ Andriamanitra sy nanao ny sitrapony.4 Nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana niaraka tamin’ny Olomasin’ny Andro Farany niisa 15 hafa izay nilasy teo amin’ny toeram-ponenana kely iray teo Shoal Creek tany Missouri ny vadin’i Amanda sy ny iray tamin’ireo zanany lahy. Nanampy an’i Amanda tao anatin’ilay zavatra niainana tena nahatsiravina ny Tompo, namaly ny vavaka nataony, nanome azy herim-po, ary nanome hery azy hahafahany manasitrana an’ilay zanany lahy naratra mafy.5
Ny Olomasina dia maneho ny fomba nahaizan’i Amanda natoky ny Tompo tao anatin’ny fahoriana lalina. Izy io ihany koa dia mitantara ny zavatra nianaran’i Joseph Smith momba ny hatsaram-pon’ Andriamanitra na dia tao anatin’ny fotoana nampijaly aza. Izy io dia mampiseho fa ny asan’ny Tompo dia manome antsika fomba fijery mibanjina ny mandrakizay, manampy antsika hahita ireo zavatra araka ny tena toetrany sy ny ho tena toetrany, ary manampy antsika hampihatra finoana fa hanampy antsika hiaritra ireo fotoan-tsarotra ny Tompo.
Rehefa nahafantatra ny zavatra nitranga tamin’ny fianakavian’i Amanda sy ireo hafa teo Shoal Creek ny Mpaminany Joseph dia tsapany fa aleony mandeha any am-ponja na hovonoina toy izay hamela ny Olomasina hatao sorona. Ny ampitson’io dia nanandrana nanao fifampiraharahana mba hitady vahaolana tamim-pilaminana tamin’ireo milisy tao Missouri izy, izay vonona ny hanafika ilay tena foiben’ny toeram-ponenan’ny Olomasina tao Far West. Tsy izay anefa no nitranga fa nosamborina sy notanana am-ponja i Joseph.
Efa hadiva ho dimy volana taorian’izay, dia mbola voatazona am-ponja ihany i Joseph, nahiboka tao anatin’ny tranomaizina ambanin’ny tany izay nangatsiaka sy tery tao Liberty Missouri. Nanontany tena izy hoe niafina taiza ary Andriamanitra ary hafiriana no mbola hahavitany hihaino ny kiakiakan’ireo mananotena sy kamboty. Nivavaka izy hoe: “Tompo ô, mandra-pahoviana no hiaretany ireny hadisoana sy fampijaliana tsy ara-dalàna ireny vao hohalefahana aminy ny fonao ary hoentanin’ny fangorahana azy ny kibonao?” (F&F 121:3).
Ny Olomasina dia mampianatra antsika fa ny fahoriana dia tsy porofon’ny tsy fahafalian’ny Tompo, na ny fisintonana ny fitahiana nomeny. Ny fifanoherana dia tafiditra ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra mba hanatsarana antsika sy hanomanana antsika hahazo anjara mandrakizay sy selestialy (jereo ny 2 Nefia 2:11). Nianatra i Joseph fa ny fijaliana tsy takatry ny saina niainan’ny Mpamonjy dia nanome Azy fahafahana hamonjy antsika ary hanandratra antsika amin’ny farany (jereo ny Almà 7:11–13). Ho valin’ny fitalahoan’i Joseph tao anatin’ny alahelo lalina dia nitanisa ireo karazana olana rehetra ny Tompo talohan’ny namaranany hoe:
“Raha ireo valanoranon’ ny helo no hampitanatana ny vavany mba hitelina anao, dia fantaro anaka, fa ireo zavatra rehetra ireo dia hanome anao traikefa ary ho soa ho anao izany.
“Efa nidina tambanin’izany rehetra izany ny Zanak’ Olona. Moa ve ianao lehibe kokoa noho Izy?” (F&F 122:7–8).
Ny fiainantsika an’ ireo zavatra ireo dia afaka manome antsika fangorahana tahaka ny an’i Kristy ho an’ireo izay mijaly. “Ho malefaka kokoa mihoatra ny teo aloha foana ny foko taorian’izany,” hoy i Joseph rehefa tonga saina fony mbola tao am-ponja. Naniry ny ho afaka hiaraka tamin’ireo Olomasina izy mba hampahery sy hampionona azy ireo. “Tsy hanana fahatsapana tahaka izay tsapako amin’izao mihitsy aho,” hoy izy nanazava, “raha tsy nijaly noho ny zavatra tsy nety natao tamiko izay niaretako.”6
Antony iray nanomezan’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo andraikitra mba hanoratana sy nankatoavan’izy ireo ny Olomasina ny hoe afaka manampy ny tsirairay avy amintsika izany mba hiaina ireo zavatra ireo amin’ny alalan’ny tantaran’ny hafa. Afaka ianarantsika avy amin’i Amanda fa na dia amin’ny fotoana ahitan’ Andriamanitra ao amin’ny fahendreny tsy misy fetra aza fa mahasoa ny tsy hanakanana ny faharatsiana na ny fahoriana, dia tia antsika Izy ary mahafantatra antsika. Mandre ny vavaka ataontsika Izy ary mamindra fo sy tsara fanahy.
Fitahiana avy amin’ny tempoly naverina tamin’ny laoniny
Tsy misy toerana hafa hanehoana amintsika tsaratsara kokoa ny famindram-po sy ny hatsaram-panahy mihoatra ny ao amin’ny tempoly. Amin’ny ankapobeny, ny Olomasina dia tantaran’ny fitahiana avy amin’ny tempoly naverina tamin’ny laoniny. Ny boky voalohany dia mifarana amin’ny fotoana izay nandraisan’ireo Olomasin’ny Andro Farany an’arivony an’ireo ôrdônansy masina tao amin’ny Tempolin’i Nauvoo tamin’ny 1846. Ny boky faharoa dia hifarana amin’ny fanokanana ny Tempolin’i Salt Lake sy ny fanombohan’ny Olomasina nandray ireo ôrdônansy tao tamin’ny 1893. Ny boky fahatelo dia hifarana amin’ny fanombohan’ireo Olomasina Eorôpeana nivory tao amin’ny tempolin’i Suisse tamin’ny 1955. Ny boky fahaefatra dia hanohy ny tantara ho tonga amin’izao fotoana izao, izay fotoana ahitana ny tempoly maneran-tany sy andraisan’ny Olomasina manerana izao tontolo izao ny ôrdônansin’ny fisandratana, araka ny nahitan’ireo mpaminany fahiny elabe.
Manao fanekempihavanana ao an-tranon’ny Tompo isika ary mandray hery mba handresena ny vokatry ny Fahalavoana, tafiditra ao anatin’izany ny faharatsiana sy ny fijaliana eto amin’ity fiainana ity. Mahazo fiarovana isika ary mahazo hery any aoriana any mba hivoahana amin’ny Fitsanganana amin’ny maty, ary voafehy amin’ireo olon-tiantsika mandrakizay.
Ny Olomasina dia hanampy antsika hitandrina fanekempihavanana amin’ny alalan’ny fampitomboana ny fahatsiarovantsika amin’ny fomba masina. Hanampy antsika izany mba hahatsiaro mandrakariva ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho antsika. Raha tsy misy an’ireo rakitsoratra momba ny asa nataon’ Andriamanitra tany amin’ny lasa, dia tsy afaka ny “[hahatsiaro] ny naha-feno famindram-po ny Tompo tamin’ny zanak’olombelona” (Môrônia 10:3) isika. Noho ireo antony ireo dia raiki-trosa amin’ny Tompo sy amin’ireo Olomasina izay nirakitra an-tsoratra ny fiainan’izy ireo ny fitiavan’ny Tompo azy ireo isika. Nandidy an’i Joseph Smith ny Tompo mba hirakitra an-tsoratra ny zavatra niainany (jereo ny F&F 21:1). Nanome didy ny olona iray mpanoratra ny tantaran’ny Fiangonana izay niasa teo ambany fitarihan’i Joseph Izy mba “hanoratra lalandava ny rakitsoratra sy ny tantaran’ny Fiangonana” (F&F 47:3). Nandidy izy mba ho voarakitra ao amin’ilay tantara “ny zavatra rehetra ho tombontsoan’ny fiangonana sy ny taranaka vao misondrotra” (F&F 69:8).
Rehefa nieritreritra ireo fanambarana sy fampanantenana avy amin’ny fanekempihavanana mba hahatsiaro mandrakariva ny Mpamonjy ireo ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia nanomboka namolavola drafitra handrafetana ny Olomasina izy ireo 10 taona lasa izay. Ankehitriny izahay dia mamporisika anao hamaky izany, amin’ny fananana toky fa hanampy anao izany amin’ny fanakarana ny drafitr’ Andriamanitra, amin’ny fahitana ny naha-feno famindram-po ny Tompo, amin’ny faharetana amim-pahatokiana ao anatin’ny fotoam-pifaliana sy ny fotoam-pahoriana, amin’ny fahazoana fangorahana tahaka ny an’i Kristy ho an’ny hafa, ary amin’ny fitandremana ireo fanekempihavanana izay mitarika anao ho any amin’ny fisandratana.