2018
Mampitampita ny fitiavan’ Andriamanitra
Ôktôbra 2018


Mampitampita ny fitiavan’ Andriamanitra

Sary
Passing Along Gods Love

Taona vitsivitsy lasa izay dia nifindra tao Kentucky ny fianakaviako. Tena tezitra aho satria nandao ny namako sy ireo havako rehetra. Hafa be tamin’izay efa nahazatra ahy ny tao Kentucky. Tamin’ny fotoana voalohany nandehananay tany am-piangonana dia hitako fa tsy dia betsaka ny olona tao. Rehefa hitako fa vitsy olona tokoa tao amin’ny sampana nisy ahy, dia nanapa-kevitra aho hoe aleoko manao zavatra ho an’ilay sampana toy izay manaratsy an’ilay izy.

Ny ampitson’io dia nandeha niantsena izaho sy ny reniko. Talohan’ny nialanay tao an-trano dia naka antontan-karatra fizara aman’olona aho. Rehefa tonga tao amin’ilay toeram-pivarotana izahay dia naka barre chocolatée iray aho ary nandeha nandoa vola. Nampandalovin’ilay mpandray vola teo amin’ny fitaovana fanamarinam-bidy ilay barre chocolatée, dia natolony ahy. Naveriko taminy ilay izy. Toa gaga izy ary niteny hoe: “Vao avy nandoa ny vidin’ity ianao teo.”

Hoy aho hoe: “Eny tokoa, fa ataoko fanomezana ho anao ity.” Dia nampiarahako tamin’ny karatra fizara amin’ny olona ilay barre chocolatée. Nitsiky izy dia nisaotra ahy. Nojereny tao ambadik’ilay karatra fizara amin’ny olona, izay nasiako soratra hoe “Zanak’ Andriamanitra daholo ny olona rehetra.” Nandeha nivoaka tamin-kafaliana aho, nahafantatra fa na tsy hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana aza izy dia nanao zavatra tsara foana aho.

Nony afaka elaela tamin’io andro io, dia tadidiko fa navelako teo amin’ilay toerana fandoavam-bola ny sisa tamin’ireo karatra fizara! Tamin’ny fotoana nanaraka nandehananay tao amin’ilay toeram-pivarotana dia nandeha nanontany aho raha mbola tao ireo karatra. Dia nahita zavatra aho ka nijanona tsy nandeha intsony. Toerana fandoavam-bola teo ho eo amin’ny dimy teo no nanana karatra fizara amin’olona izay ahitana soratra hoe “Zanak’ Andriamanitra daholo ny olona rehetra.” Nozarain’ilay mpandray vola tamin’ny olona ireo karatra! Faly ery aho noho ny zavatra nataoko.

Hamoaka printy