2018
Ny dingana voalohany mankany amin’ny fibebahana
Ôktôbra 2018


Ho an’ny tanora

Ny dingana voalohany mankany amin’ny fibebahana

Monina any Ouest, Haïti ny mpanoratra.

Nahatsapa haizina nandrakotra ny fiainako aho. Dia fantatro tamin’izay fa nila niresaka tamin’ny evekako aho.

Sary
man praying, thinking of Christ

Sary nataon’i Joshua Dennis

Tadidiko aho nametraka ny datin’ny batisako niaraka tamin’ny misiônera. Nanontany ahy izy ireo raha vonona ny hanao io fanekempihavanana io tamin’ny Raintsika any An-danitra aho. Tsy nieritreritra an’ilay izy akory aho fa nilaza tamin’ny fo feno fifaliana hoe “Eny!” Naniry ny hanaiky ilay fanomezana manokana efa nomen’ny Raiko be fitiavana ahy aho, ary fantatro fa tsy ho faly toy izany aho raha tsy misy ny Mpamonjy eo amin’ny fiainako. Saingy tena tsy fantatro mihitsy izay hoentin’ny ampitso ho ahy.

Noho ny farany dia tonga ihany ilay andro lehibe. Tsy hay hadinoina ilay izy, ary tena faly tokoa aho.

Ireo fotoan’ny haizina

Taorian’ny batisa sy ny fandraisana ahy ho mpikambana, dia toa lasa maizina tampoka teo ireo andro. Niatrika olana teo anivon’ny fianakaviana aho, ary sahirana aho tamin’ny fankatoavana ireo lalàn’ Andriamanitra rehetra. Tsy fantatro izay tokony hataoko, ary te hilavo lefona aho. Toy tsy nisy olona nahazo an-tsaina izay nahazo ahy.

Tia namaky ny Bokin’i Môrmôna foana aho, fa nandritra izany fotoana izany dia tsy namaky mihitsy aho. Indray andro, rehefa irery tao an-trano aho, dia tsapako ny hamamin’ny Fanahy nibitsika tamiko mba hamaky ny Bokin’i Môrmôna. Nivavaka aho aloha, nanam-paniriana ny hahazo valinteny afaka hitondra fiadanana hampitony ny fijaliako. Nosokafako avy hatrany tao amin’ny Almà toko faha-5 ny boky. Mivaky toy izao ny andininy faha-27 hoe: “Efa nandeha ve ianareo, nitandrina ny tenanareo ho tsisy tsiny eo anoloan’ Andriamanitra? Raha toa, hono, ka antsoina ho faty ianareo izao ankehitriny izao, moa va ianareo afaka miteny anakampo fa ampy tokoa ny fanetren-tenanareo? Fa ny fitafianareo dia efa nodiovina sy nofotsiana tamin’ny ran’i Kristy izay ho avy hanavotra ny olony amin’ny fahotany?”

Nony farany dia nahatsapa fitaomana mahery vaika avy tamin’ireo teny ireo aho. Fantatro fa nila nibebaka aho, ka noho izany dia nandamina fotoana hiresahana tamin’ny evekeko aho. Tsy azo lavina fa natahotra aho, saingy notereko ny tenako handeha dia hiresaka taminy.

Mahatakatra ny fampanantenan’ Andriamanitra

Rehefa tonga tao amin’ny biraon’ny eveka aho, dia nahatsapa ho meloka tokoa ka dia te hiverin-dalana tsy hiresaka taminy tsotra izao. Saingy nivavaka aho mba hanana ny herim-po hilazana ny zavatra rehetra nilaiko nolazaina. Nandray tsara ahy tao amin’ny biraony ny eveka, ary avy eo izy dia nanonona vavaka mba hahazo ny fanampian’ Andriamanitra. Niresaka tamiko toy ireny zanany lahy ireny izy ary naneho ny fitiavany ahy tamin’ny alalan’ny teniny. Nanome torohevitra ahy izy ary nangataka ahy hanao zavatra vitsivitsy mba handraisako ny famelan-keloka avy amin’ Andriamanitra, ary avy eo dia hiverina hihaona aminy indray.

Faly ery aho noho izany fahafahana izany. Narahako ny toroheviny ary taty aoriana aho dia lasa nahatakatra ny fampanantenana nomen’ Andriamanitra an’i Almà manao hoe: “Raha miaiky ny fahotany eo anatrehanao sy eo anatrehako izy ary mibebaka amin’ny fahitsin’ny fony, dia hamela azy ianao ary Izaho koa hamela azy” (Môsià 26:29). Rehefa avy nibebaka tamin-kitsim-po aho, dia fantatro fa namela ahy Andriamanitra. Afaka nahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra ahy tao am-poko aho nony farany, ary nisinda ilay haizina. Faly aho ary nirehareha noho ny amiko.

Eo ny eveka mba hanampy

Ny eveka no solontenan’ny Tompo ho an’ny paroasy. Tokony ho fantatrao fa eo izy mba hanampy anao hahazo ny fifaliana marina izay natokan’ Andriamanitra ho anao. Matokia azy. Raha manana olana ianao, na mila mibebaka dia mandehana mitady azy. Hanampy anao izy.

Fantatro fa tsy mora indraindray ny mandeha miresaka aminy. Kanefa nanazava toy izao momba ny drafitra mandrakizain’ny Raintsika any An-danitra ny Filoha Lorenzo Snow (1814–1901) hoe: “Mino aho fa tany amin’ny [fiainana talohan’ny nahaterahana] tontolon’ny fanahy, rehefa naroso tamintsika ny hevitra mba … handalo izao zavatra iainana izay omena antsika izao, dia tsy tena nahafinaritra antsika tanteraka izany. … Kanefa tsy isalasalana fa hitantsika sy takatsika mazava tsara tany amin’ny tontolon’ny fanahy fa, mba hahafahana manatanteraka ny fisandratana sy ny voninahitsika, dia traikefa nilaina ho azo izany.” Dia mbola notohizany hoe: “Vonona ny hanoa ny sitrapon’ Andriamanitra isika, ka noho izany dia tonga ety isika” (Enseignements des Présidents de l’Église: Lorenzo Snow 2012).

Anisan’ny fanoavana ny sitrapon’ Andriamanitra ny fibebahana. Ka noho izany dia aleo atao namana ny eveka toy izay hatahorana. Nofidian’ Andriamanitra izy, ary afaka manampy anao hibebaka sy hanasitrana ny fanahinao amin’ny alalan’ny fanatonana an’i Jesoa Kristy. Te hanampy antsika ny Tompo, kanefa mila manao izany dingana voalohany mankany amin’ny fibebahana izany isika. Raha izay no ataontsika dia afaka ny hahita ny fahatanterahan’ilay fampanantenana ao amin’ny Isaia 1:18 isika hoe: “Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala.” Ary eo ny eveka mba hanampy amin’izany dingan’ny fibebahana izany.

Mijoro ho vavolombelona aho fa velona Andriamanitra ary i Jesoa Kristy no Mpamonjy antsika. Samy tia be antsika Izy ireo!

Hamoaka printy