2018
Tsiky maneho fankasitrahana
Ôktôbra 2018


Tsiky maneho fankasitrahana

Franklin Romero

Manabí, Équateur

Nanao fiaraha-mientana ny paroasinay indray alina izay nandanianay ora maro ny fanomanana azy. Taorian’ilay fiaraha-mientana dia nisy zatovo iray naman’ny Fiangonana nanao veloma ahy, saingy minitra vitsy taty aoriana dia niverina izy ary nanontany ahy hoe: “Eveka a! Rahoviana aho no mila miverina?” Nilaza taminy aho hoe amin’ny alahady. Dia niteny haingana ilay zatovoIahy hoe: “An! an! an! Angaha tsy misy fiaraha-mientana iray hafa?” Tena nankafy ny fotoana niarahany tamin’ny zatovon’ny paroasinay izy ka te hiverina.

Niresaka tamin’ny mpivady tonga nitsidika izay nanatrika ilay fiaraha-mientana koa aho ary nanontany izay eritreritr’izy ireo. Hoy ilay lehilahy hoe: “Hatramin’ny nahatongavanay teto dia nahatsapa fiadanana sy fahatoniana izahay,” izay nohamafisin’ny vadiny tamin’ny fanetsehana ny lohany. Nahagaga ahy izany satria tamin’ny vao tonga izy ireo dia nisy olona maro be niresaka sy nikotaba. Saingy notohizany ny teniny ary nijery sy nanontany ahy izy hoe: “Ny Fanahy Masina izany, sa tsy izany?” Taitra aho ka eny sisa no voateniko.

Maro ireo zavatra natao ho fanomanana izany fiaraha-mientana izany, ka rehefa tapitra ny zavatra rehetra tamin’io alina io, dia ny hody ary hatory no hany zavatra tiako natao. Satria aho reraka loatra dia tsy afaka nieritreritra ireo resaka nifanaovako tamin’ireo naman’ny Fiangonana. Rehefa tonga tany an-trano aho dia nivavaka ary nandeha natory, saingy tsy nahita tory. Azoko sary an-tsaina ny Tompo nitsiky. Tsiky maneho fankasitrahana. Tamin’izay fotoana izay dia nanomboka nahatsiaro ireo zavatra mahafinaritra izay nitranga nandritra ilay fiaraha-mientana aho.

Takatro fa ny fahavitrihana sy ny fitiavana nasehon’ireo mpikambana tao amin’ny paroasy dia nahatonga ny fon’ireo naman’ny Fiangonana anankitelo ireo ho voakasika. Takatro fa ilay tsiky maneho fankasitrahana dia natolotra noho ny zavatra nataonay. Tsy voatanako ny ranomasoko ary nahatsapa ho tena feno fankasitrahana aho noho ny fanomezana nomen’ny Tompo anay. Nomeny tsiky maneho fankasitrahana izahay. Mijoro ho vavolombelona aho fa marina ny tenin’ny Tompo, fa raha mitondra olona iray monja ho Azy isika dia akory ny halehiben’ny fifaliantsika ao amin’ny fanjakan’ny Ray (jereo ny F&F 18:15).

Hamoaka printy