2018
Fitahiana avy amin’ny sora-tanan’ny reniko
Ôktôbra 2018


Fitahiana avy amin’ny sora-tanan’ny reniko

Douglas Hedger

Nevada, Etazonia

Sary
Preach My Gospel and mothers photo

Sary nataon’i Dilleen Marsh

Indray andro dia nieritreritra aho hoe inona no hafatra hozaraina mandritra ny fihaonamben’ny paroasy izay hatao atsy ho atsy. Nandalina ny soratra masina aho nandritra ny herinandro, ary na dia nandray torolalana sy hevi-baovao aza aho dia tsy mbola nahazo fitarihana mazava ny amin’izay tian’ny Tompo hozaraiko amin’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy aho amin’ny maha-filohan’ny tsatòka ahy.

Tao anatin’ny vavaka amim-kafanampo no nangatahako fitarihana avy amin’ny Fanahy mba hitarika ny eritreritro. Dia nanokatra ny soratra masina aho ary nanomboka namaky indray. Tonga dia nankany amin’ireo tanjon’ny paroasy izay vao noresahanay sy ny evekako vao haingana ny saiko. Ny iray amin’ireo tanjona ireo dia ny hampiasa ny Torio ny Filazantsarako mba hizarana ny filazantsara amin’ireo namana sy mpifanolobodirindrina.

Nisy nanosika ahy hampiditra ny Torio ny Filazantsarako ho ao anatin’ny zavatra hohalaliniko tamin’izay hariva izay. Nalaiko ny tahadikan’izany ary nosokafako teo amin’izay pejy nisokafany fotsiny izany. Nahita toko sy andinin-tsoratra masina anankiroa nosoratana tanana teo amin’izany pejy izany aho, 1 Nefia 8:8–11 ary 1 Nefia 11:21–22. Rehefa nijery akaiky aho dia fantatro fa ireo toko sy andinin-tsoratra masina nosoratana ireo dia sora-tanan’ny reniko. Efa nodimandry taona maro talohan’izany ilay reny malalako, roa volana taorian’ny naha-feno 80 taona azy. Ohatra teo amin’ny fananana herim-po sy fahalalahan-tanana izy, izay nahita foana ny tsara ao amin’ny olona. Ary tiany ny soratra masina.

Nosokafako tany amin’ireo andininy ireo ny soratra masiko mba hahitana ny zavatra nanosika azy hanoratra azy ireo. Rehefa namaky azy ireo aho, dia tonga haingana tao an-tsaiko ny hafatra tokony hozaraiko. Izany dia hafatra tsotra izay matetika mety hadinon’ireo mpikamban’ny Fiangonana efa nanandrana ilay voa mafilotra an’ny filazantsara hoe, misy olona maro hafa mitady izany voa izany. Mila manolo-tanana isika ary miteny amin’izy ireo ny toerana ahitana izany.

Nieritreritra an’ilay reniko tsara fanahy aho rehefa namadibadika ny ambin’ny Torio ny Filazantsarako. Tsy nisy anarana na soratra hafa na zavatra izay nahafahana namantatra fa azy ilay boky. Nipetraka tao anatin’ny fahazendanana aho rehefa nieritreritra ny fitohitohizan’ireo bitsika ara-panahy izay nitondra teo amin’io fotoana io. Nanamafy tamiko ny Fanahy fa notarihina ny eritreritro toy ny nangatahiko tao anatin’ny vavaka nataoko mihitsy. Tsy fantatry ny reniko anefa na dia taona maro lasa aza no nanoratany an’ireo toko sy andinin-tsoratra masina ireo fa ho ampiasain’ny Tompo izy ireo ho valin’ny vavaka tamim-panetrentena nataon’ny zanany lahy.

Hamoaka printy