2018
“Ahoana no ahafahako manasa ny Fanahy ho ao an-tranoko rehefa miady na mifamaly ny olona?”
Ôktôbra 2018


“Ahoana no ahafahako manasa ny Fanahy ho ao an-tranoko rehefa miady na mifamaly ny olona?”

Sary
young man looking out the window

Mitenena hoe azafady

Rehefa avy nifamaly tamin’olona aho dia hitako fa ny fitenenana hoe azafady sy ny fiaikena hoe diso ianao, na dia mihevitra aza ianao na mahafantatra fa manana ny rariny ianao, dia mamerina ny filaminana ao anatin’ilay efitrano. Dia mialà eo amin’izay, aza miteny intsony, na ovao ny resaka, na mitadiava zavatra hitoviana hevitra. Vetivety dia hiverina eo ny Fanahy.

Dylan M., 15 taona, Californie, Etazonia

Tiavo fotsiny ny olona

Nianatra aho fa ny fanehoana fitiavana madio ho an’ny fianakaviako dia manasa ny Fanahy hitoetra ao an-tranonay. Ny mpaminany dia nilaza fa ny fitiavana no fitaovana izay mahatonga ny fiovana ary balsama izay mitondra fanasitranana ho an’ny fanahy. Ny toe-tsaina feno fitiavana dia mitondra fiarovana sy fiadanana ao an-tokantranontsika.

Joseph C., 18 taona, Arizona, Etazonia

Miresaha amin’ny fianakavianao

Raha tsy mpikamban’ny Fiangonana ny fianakavianao, dia lazao azy ireo ny halehiben’ny alahelonao rehefa mifamaly izy ireo, dia asao izy ireo mba hivoatra. Raha tsy mahomby izany dia mivavaha, ary andramo indray. Raha mpikambana izy ireo, dia ampahatsiahivo azy fa zanak’ Andriamanitra izy ireo ary tokony hisoroka ny fifandirana izy ireo.

Carolina S., 19 taona, Goiás, Brésil

Mivavaha mba hahatsapa ny Fanahy

Raha vao mifamaly ny fianakaviana manodidina anao dia sarotra ny mahatsapa ny fisian’ny Fanahy, fa tsy midika akory izany hoe tsy afaka ny hahatsapa izany ianao raha mendrika. Mivavaha ao am-ponao mba hahatsapa bebe kokoa ny Fanahin’ny Tompo ary mifantoha misimisy kokoa amin’ireo bitsika izay alefany. Afaka manampy anao ny Ray any An-danitra mba hahatsapa fiadanana sy hahafantatra ny fomba tsara indrindra hitondrana filaminana ao an-tokantranonao.

Katie G., 17 taona, Utah, Etazonia

Miezaha mitady marimaritra iraisana

Miresaha amin’ny fianakavianao mba hamahana ilay olana amin’ny fomba izay hahazoan’ny rehetra tombontsoa avy amin’izany, na mizarà soratra masina, na mihirà hira ao amin’ny fihirana. Afaka mangataka fanampiana amin’ny Ray any An-danitra koa ianao mba hamaha ilay olana. Raha izay no ataonao dia hitony ny rehetra ka ho afaka ny hamaha ilay olana tsy amin-tabataba na amin’ny herisetra. Azo antoka fa hameno anareo amin’ny fiadanana ny Fanahy Masina ary hampitsiry faniriana ao amin’ny rehetra mba tsy hiady intsony.

Luis F., 14 taona, Playa del Carmen, Mexique

Hamoaka printy