2018
Loholona Ulisses Soares: Lehilahy iray tsy misy fitaka
Ôktôbra 2018


Loholona Ulisses Soares: Lehilahy iray tsy misy fitaka

Sary
Elder and Sister Soares

Tany amin’ny fiandohan’ny asa fanompoany, rehefa nisafidy ireo Apôstôliny i Jesoa, dia nahita an’i Natanaela nanatona Azy Izy. Fantany avy hatrany ny hatsarana tao amin’i Natanaela, ka nanambara Izy nanao hoe: “Indro ny tena Isiraelita tsy misy fitaka!”1

Fantatr’i Jesoa fa i Natanaela dia lehilahy iray feno fahadiovam-po, marin-toetra tamin’ireo fikasany, ary tsy nisy fihatsaram-belatsihy na famitahana. Tian’ny Tompo ny toetrany feno fahitsiana marina, dia nantsoiny ho Apôstôly i Natanaela.2

Toa an’i Natanaela fahiny i Ulisses Soares, ary nantsoin’ny Tompo ihany koa izy.

“Ny hazavan’ireo ray aman-dreniko”

Teraka tany São Paulo, Brésil tamin’ny 2 ôktôbra 1958 i Ulisses, izay zandriny indrindra tamin’ny mpirahalahy efatra. Nanana fiainana tsotsotra izy ireo, kanefa olona mendri-kaja sy niasa mafy izay nihaino ireo misiônera ny ray aman-dreniny, dia i Apparecido sy Mercedes Carecho Soares. Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana izy ireo tamin’ny 1965, fony i Ulisses enin-taona.

“Tsy mbola nahita an-drahalahy Appareciodo tsy namonjy fivoriana aho,” hoy i Osiris Cabral, izay filohan’ny tsatòka fony i Ulisses mbola zatovolahy. “Tena nahatoky i Mercedes. Nandova ny fanolorantenan’ny ray aman-dreniny i Ulisses.”

Sary
young Elder Soares and parents wedding portrait

“Lehibe tao amin’ny Fiangonana aho, nanaraka ny hazavan’”ireo ray aman-dreniny, Apparecido sy Mercedes Soares (ankavia) ny Loholona Soares. Rehefa natoky ny Tompo i Ulisses na dia teo aza ny fanoherana, dia nianatra izy fony zazalahy mba hihazona mafy amin’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany.

Namony ho azy ny fo tsaran’i Ulisses rehefa nianatra ny fomban’ny Tompo izy. “Nitombo tao amin’ny Fiangonana aho, nanaraka ny hazavan’ireo ray aman-dreniko,” hoy ny Loholona Soares. Rehefa nanaraka izany hazavana izany izy dia nihanatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona nananany na dia teo aza ny fanoherana.

“Izaho irery no mpikamban’ny Fiangonana tany an-tsekoliko, ary niezaka hatrany ny hisintona ahy sy hanosika ahy hanao ireo zavatra ratsy ireo zazalahy hafa,” hoy izy. “Nila nianatra niaro tena aho tao anatin’ireo olana ireo, kanefa natoky mandrakariva ny Tompo tamin’ny foko manontolo aho mba hanampy ahy hahomby. Raha mbola zatovolahy aho dia nianatra fa raha manao ny anjaranao ianao dia hanao ny Azy ny Tompo. Kanefa mila mihazona mafy ny tanany sy ny filazantsarany ianao.”

Rehefa 15 taona i Ulisses, dia nangataka azy mba hampianatra ny kilasy Sekoly Alahady ho an’ny zatovo ny evekany. Nifototra amin’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara ny iray tamin’ireo lesona nampianariny. Nandalina ny Bokin’i Môrmôna i Ulisses, tsapany hatrany fa marina ny Fiangonana, ary nino ny Mpamonjy Jesoa Kristy izy.

Rehefa nanomana ny lesony izy dia naniry ny hijoro ho vavolombelona mafy tamin’ny kilasiny momba ny fahamarinan’ny filazantsara. “Nandalina sy nivavaka mafy aho,” hoy ny Loholona Soares. “Rehefa avy nandohalika aho, dia nisy fahatsapana tena malefaka tonga tao am-poko, feo kely iray izay nanamafy tamiko fa teo amin’ny lalana marina aho. Tena nahery vaika izany ka tsy ho afaka nilaza hoe tsy nahafantatra velively aho.”

Rehefa nitombo saina i Ulisses dia nianatra izy fa raha toa ka manao mihoatra noho izay nandrasana na nangatahina izy dia hitahy be azy ny Tompo. Tonga ny lesona toy izany rehefa niomana ny hanao asa fitoriana izy. Nandritra ireo dinidinika niarahana tamin’i Ulisses dia nohamafisin’ny evekany ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana ireo didy sy ny fananana fiainana mendrika. Nohamafisiny ihany koa ny fiomanana ara-bola.

Ankehitriny dia mitondra anjara biriky amin’ny fandaniana ilaina amin’ny asa fitorian’izy ireo ny misiônera rehetra avy any Brésil, ka fianakaviana maro no mandoa ny fandaniana rehetra. Rehefa nanakaiky ny taona hanaovana asa fitoriana dia nanapa-kevitra i Ulisses fa hitady ny vola rehetra ilainy amin’ny asa fitoriany izy. Tamin’ny alalan’ny fampiasany ny fahaizana miasa mafy izay nianarany raha niasa tao amin’ny orinasa kelin’ny rainy ka nanjary nahaizany nanindry faingana ireo bokotra eo amin’ny milina fanoratana, dia nahita asa iray atao amin’ny andro mazava izay nanampiany ny orinasa iray hanomana ny karaman’ny mpiasa i Ulisses.

Rehefa afaka tamin’ny fanadinana sarotra iray izy dia nanomboka nanaraka fampianarana amin’ny hariva izay niompana tamin’ny haitoebola tao amin’ny lisea miompana amin’ny fampianarana teknika iray. Isam-bolana, rehefa avy nandoa ny fahafolonkarena izy, dia nanangona vola ho an’ny asa fitoriany. Herintaona taty aoriana dia nafindra tao amin’ny departemanta misahana ny toebola tao amin’ny orinasa nisy azy izy.

“Izany no fomba nanangonako vola handoavana ny asa fitoriako,” hoy ny Loholona Soares. “Ary isam-bolana, nandritra ny telo taona nialoha ny fotoana nandehanako, dia nividy zavatra izay hilaiko aho—lobaka iray, pataloha iray, ba kiraro, karavato iray, valizy iray.” Nila sy nahazo fitiavana sy fanohanana matanjaka avy tamin’ny ray aman-dreniny sy ireo mpitarika teo an-toerana ihany koa izy.

Nantsoina hanompo tao amin’ny misiônan’i Rio de Janeiro Brésil i Ulisses. Ny ampahany voalohany tamin’ny fotoana nanaovany asa fitoriana dia teo ambany fiahian’ny Filoha Helio da Rocha Camargo, izay lasa Manampahefana Ambony nantsoina voalohany avy any Brésil taty aoriana. Nanomboka ny asa fitoriany tany amin’ny fiandohan’ny taona 1978 i Ulisses. Ny tempoly voalohany tany Amerika Latina tao São Paulo dia notokanan’ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) taty aoriana tamin’io taona io.

Sary
Elder Soares as a young missionary

Tamin’ny janoary 1980, i Ulisses sy ny mpiara-manompo taminy, izay tsy mbola nahazo ny fanafiana masiny, dia niditra ny fiara fitaterana iray tao Rio de Janeiro ka nandeha nandritra ny adiny valo nankany amin’ny tempolin’i São Paulo Brésil. Nihaona taminy tany ny ray aman-drenin’i Ulisses sy ireo iray tampo aminy, ary nofehezina mandritra izao fotoana izao sy amin’ny mandrakizay ny fianakaviana Soares. Tsy hadinon’i Ulisses na oviana na oviana ireo adiny dimy niarahana tao amin’ny tempolin’i São Paulo. Tamin’io andro io ihany, dia niverina tany amin’ny sahan’ny misiôna izy sy ny mpiara-manompo taminy.

Mametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana

Nankamamy asa fitoriana nahomby izay nampatanjaka kokoa ny fijoroana ho vavolombelona nananany i Ulisses. Rehefa nody izy dia nahita asa iray ary nanomboka nandalina ny haitoebola sy ny toe-karena tao amin’ny oniversite iray teo an-toerana.

Fito volana taorian’ny niverenany dia nifanena tamin’ny “Rahavavy Morgado” nandritra ny dihy niraisan’ny tsatòka maromaro izy. Mpitarika ny faritra nisy azy i Ulisses nandritra ny fotoana iray tamin’ny asa fitoriana, ary niaraka nandritra ilay takariva izy roa mba hiresadresaka sy hifampizara ireo tantara nandritra ny asa fitoriana. Nanomboka nampiaraka izy ireo telo herinandro taty aoriana.

Valo taona i Rosana Fernandes Morgado rehefa nanomboka nitondra azy tany am-piangonana i Margareth zokiny vavy. Taty aoriana dia nahazo lalana avy tamin’ny rain’izy ireo mba hatao batisa ireto naman’ ny Fiangonana mahatoky roa ireto, saingy nila niandry ny faha-17 taonany avy izy ireo. Nandeha niangona nandritra ny sivy taona i Rosana mialoha ny nahazoany lalana mba hatao batisa.

Nipetraka tany São Paulo avaratra i Ulisses, ary niara-nipetraka tamin’ny ray aman-dreniny tany amin’ny faritra atsimon’ny tanàna i Rosana. Nandaniana adiny roa ka hatramin’ny adiny telo mandeha fiara fitateram-bahoaka ny famakivakiana ny tanàna midadasika. Soa ihany fa nipetraka teo akaikin’ny tranon’ny ray aman-dreniny i Margareth sy i Claudio vadiny.

“Rehefa tonga mba hampiaraka amin’i Rosana i Ulisses rehefa faran’ny herinandro dia sarotra taminy ny niverina nody lavitra amin’ny alina,” hoy ny Loholona Claudio R. M. Costa, Fitopololahy Manampahefana Ambony, nitantara momba ilay ho zaodahiny. Koa, nasain’izy mivady mba hatory ao an-tranony i Ulisses rehefa avy nampiaraka. “Natsanganay nandritra ny fotoana elaela izy,” hoy ny Loholona Costa nanampy izany.

“Natory teo amin’ny seza lava tao amin’ny efitra fandraisam-bahiny izy,” hoy ny Rahavavy Costa. “Vao nivady vao haingana izahay ka tsy nanana bodofotsy fanampiny. Saingy nampirakofanay an’ilay lambam-baravarankely tranainy izay nanananay izy. Faly izy satria afaka ny hahita an’i Rosana indray ny ampitso. Tsara fanahy tamin’ny anabaviko izy, ary tena tia azy ny ray aman-dreniko.”

Nivady tao amin’ny tempolin’i São Paulo Brésil tamin’ny 30 ôktôbra 1982 i Ulisses sy i Rosana.

Sary
Elder and Sister Soares

Raha miaraka amin’ny Loholona sy ny Rahavavy Soares mandritra ny minitra vitsy ianao dia ho hitanao haingana ny fifankatiavana, ny fifankamamiana, ary ny fifanajan’izy ireo. Ho an’ny Loholona Soares, i Rosana dia “ohatra teo amin’ny hatsaran-toetra sy ny fitiavana ary ny fanolorantena tanteraka amin’ny Tompo sy amiko ary amin’ny fianakaviako.”3 “Fanomezana avy amin’ Andriamanitra” i Ulisses ho an’ny Rahavavy Soares.

Nanampy ny Rahavavy Soares hoe: “Tena tompon’andraikitra sy olo-marina mandrakariva izy, nikarakara tsara hatrany ny fianakavianay, ary tena nitondra ahy tsara mandrakariva. Nanao ny tsara indrindra vitany izy tamin’ny antsony rehetra tato amin’ny Fiangonana. Mandeha sy manatanteraka izy. Mametraka ireo zavatra momba an’ Andriamanitra ho lohalaharana foana izy teo amin’ny fiainany. Latsa-pitia aminy foana aho satria fantatro fa mametraka ireo zavatra momba an’ Andriamanitra ho lohalaharana izy, ary mametraka ahy ho lohalaharana ihany koa izy.”

Momba ny vadiny, dia hoy ny Loholona Soares hoe: “Tena olona be herim-po sy manentana ny fanahy ao amin’ny fianakavianay izy.” Feno fitiavana izy, tsara fanahy ary manana faharetana amin’ny olona rehetra. Mampiray ny fianakavianay izy, ary mahita ny tsara ao amin’ny olona rehetra. Nandray anjara lehibe tamin’ny zavatra nitranga teo amin’ny fiainako izy. Nihanihany aho nilaza taminy momba ny antsoko ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo nanao hoe: -Ianao mihitsy no tompon’andraikitra amin’izao satria notanterahinao teo amin’ny fiainako tokoa ny herin’ny filazantsara.-”

Be fitiavana

Tsaroan’i Gustavo, lahimatoan-dry Soares mivady, ny alina iray, fony izy zazalahy, izay tsy nankatoavany ny ray aman-dreniny ka nivoahany tsy an-kiera mba hijery ny fankalazana fanao isan-taona iray fantany amin’ny hoe Festa Junina tao akaikin’i São Paulo.

“Teo afovoan’ny vahoaka maro aho mankafy ny fotoana rehefa nandre ny mpanao filazana iray niantso ahy ho eny anoloana,” hoy izy. “Tamin’izany fotoana izany no nahitako ny raiko.”

Tena natahotra be ny ray aman-dreniny, saingy tsy nanala-baraka nibedy mafy an’i Gustavo ampahibemaso i Ulisses fa namihina azy mafy kosa.

“Nifampidinika tamin’ny fomba matotra momba ny tsy fahitana ahy izahay, kanefa nitondra ahy tamim-panajana ny ray aman-dreniko,” hoy i Gustavo nitantara. “Nahatsapa ho voaro aho, ary fantatro fa tena tia ahy izy ireo.”

Manolo-tena ho an’ny fianakaviany i Ulisses. Na dia eo aza ny asany mafy sy ny fivezivezena fatratra nandritra ny taona maro, dia nanome fotoana hanorenana fifandraisana tamin’ny zanany hatrany izy.

Sary
Soares family photo

Rehefa notohanana ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Loholona Soares tamin’ny 31 martsa 2018, dia angamba tsy nisy olona gaga noho i Gustavo sy ireo anabaviny roa, i Lethicia Caravello sy i Nathalia Soares Avila. Kanefa raha toa ka maha-mendrika ny ho antsoina ho apôstôly ny fitiavana, asa mafy, fitserana, ary fanetrentena, hoy izy ireo, dia afaka mahatakatra ny antony niantsoan’ny Tompo ny rainy izy ireo.

“Rehefa niantso ny apôstôliny i Jesoa dia tsy naka ireo Fariseo manam-pahaizana be Izy fa nifidy mpanarato,” hoy i Lethicia. “Toy izany ny raiko sy ny reniko. Matoky tanteraka ny Tompo izy ireo, ary mampiasa azy ireo Izy mba hanatanterahana ny asany satria fantany fa tsy tia tena izy ireo, vonona ny hiasa mafy, ary ampy fanetrentena mba hanekena fanitsiana.”Ilay hoe “be fitiavana” izay toetra ananan’ny

rain’izy ireo dia hanampy azy amin’ny firosoany ho iray amin’ireo vavolombelona manokan’ny Mpamonjy, hoy i Nathalia nanampy. “Manana ny fo hanatanterahana izany izy,” hoy izy. “Mahatsapa ny fitaoman’ny lanitra izy ary tia ny olona rehetra sy maniry ny hanao ny marina.”

“Hilamina ny zava-drehetra”

Tamin’ny Loholona Soares filohan’ny Misiônan’i Porto Portugal Soares nanomboka ny taona 2000 ka hatramin’ny 2003 dia nanjary lasa fanta-daza tamin’ny fampiasana ilay fehezan-teny amin’ny teny pôrtogay manao hoe: “Tudo vai dar certo”—hilamina ny zava-drehetra.

“Nampianatra izany anay izy,” hoy i Ty Bennett, iray tamin’ireo misiônerany. “Miaina fiainana fiainana feno finoana sy fijerena ny lafi-tsaran-javatra izy hoe, raha toa ka manao izay irin’ny Tompo isika dia hilamina ny zava-drehetra.”

Nampianariny ihany koa ireo misiônerany tsy hampiasa ireo teny hoe sarotra na tsy ho tanteraka, hoy i Richard Shields, misiônerany iray hafa. “Nantsoinay hoe -fanamby- ireny. Izany torohevitra izany dia namolavola ny fiainako rehefa nijery ireo zavatra ho -fanamby- mba horesena fa tsy -zava-tsarotra- na -tsy ho tanteraka.- aho.”

Tsy tonga avy amin’ny fiainana mora ny finoana sy ny fijerena lafi-tsaran-javatra toy izany. Fantatry ny Loholona sy ny Rahavavy Soares tsara ny fahakiviana avy amin’ny tsy fananana, ny harerahana avy amin’ny asa sy fandalinana mandritra ny tontolo andro, ireo olana ara-pahasalamana, ary ny ratram-po avy amin’ny tsy fahazoana zaza, zanaka maty eo am-piterahana, ary ny famoizana iray tampo sy ray aman-dreny.

Kanefa mandritra ny lalam-piainana, dia nametraka ny finoan’izy ireo teo amin’ireo teny ao amin’ny soratra masina tian’ny Loholona Soares indrindra izy ireo: “Aoka ianao hanetry tena; ary ny Tompo Andriamanitra dia hitarika anao amin’ ny tanana sy hanome anao ny valin’ ny fivavakao.”4

“Ampahan-javatra ao amin’ny fivoarantsika ireo fanamby,” hoy ny Loholona Soares. “Kanefa rehefa maharitra isika amin’ny fahoriana, rehefa mianatra ny mihoatra an’ireo fanambin’ny fiainana isika, rehefa mijanona ho mahatoky isika, dia hiahy antsika lalina ny Tompo ary hanome antsika an’ireo fitahiana nampanantenainy.”

Ary rehefa mihazona mafy ny anjam-by isika, hoy izy nanampy, dia tsy hamela antsika ho irery ny Tompo.

Nijoro ho vavolombelona ny Loholona Soares hoe: “Ny fihazonana mafy tsy tapaka amin’ireo didy, amin’ny filazantsara, amin’ireo soratra masina, ary amin’ny Tompo Jesoa Kristy dia hanampy antsika handresy ireo fanambin’ny fiainana.” “Rehefa mandohalika mba hivavaka isika, dia hiaraka amintsika Izy ary hitarika antsika. Hitarika ny fanahintsika any amin’izay lalana tokony haleha sy izay zavatra tokony hatao Izy. Rehefa mankatò sy manetry tena isika dia hamaly ireo vavaka ataontsika ny Tompo.”

Mpianatra feno fanolorantena

I Ulisses Soares dia lehilahy mahavita zavatra sy tsara omana. Ny fianarana nataony, anisan’izany ny maîtrise amin’ny fitantanana orinasa, dia nanomana azy hiasa ho mpahaitoebola sy mpanamarina ny fampiasana vola ho an’ny orinasa hita manerana ny firenena maro tany Brésil. Izany traikefa izany dia nanomana azy hiasa ho an’ ny Departemanta misahana ny fitantanam-bola ao amin’ny Fiangonana, ka izany koa avy eo rehefa feno 31 taona izy dia nanomana azy ho lasa tale faran’izay tanora indrindra ny raharaha ara-nofo tao amin’ny Fiangonana. Nanampy be azy izany fiomanana izany rehefa lasa filohan’ny misiôna izy sy tamin’ny niantsoana azy ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny 2 aprily 2005.

Talohan’ny niantsoana azy ho ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy tamin’ny 6 janoary 2013, dia mpanolotsaina ary avy eo Filohan’ny Fiadidian’ny Vondrom-paritra Brésil izy ary mpanolotsaina tao amin’ny Vondrom-paritra Afrika Atsimo Atsinanana. Mpanolotsain’ny Loholona Dale G. Renlund, izay Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’izany izy tany. Ny Loholona Dale G. Renlund izay mpikambana ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo amin’izao fotoana izao, dia mahatsiaro fatratra ny fotoana niarahan’izy ireo.

“Ny Loholona Soares dia mpianatr’i Jesoa Kristy feno fientanentanana sy feno fanoloran-tena,” hoy ny Loholona Renlund. “Tsy mahafantatra olona aho izay mahatsapa ho matanjaka kokoa satria eo amin’ny faritry ny Tompo izy. Ary raha asaina manao zavatra iray izy, dia ataony amin’ny heriny rehetra izany.”

Sary
Elder Soares with Saints around the world

Teo anivon’ireo Olomasina tany Pérou (havia), Ghana (ambany), ary ireo firenena hafa nanompoan’ny Loholona Soares, “mora tia olona” ny Loholona Soares hoy ny Loholona Claudio R. M. Costa.

Nilaza izy fa “latsa-pitia” haingana tamin’ireo Olomasina tany Afrika ny Loholona Soares. Ny iray amin’ireo asa nanirahana azy voalohany tao amin’io vondrom-paritra io dia ny hiahy ny fihaonamben’ny tsatòka tany Kananga, Repoblika Demôkratikan’i Congo. “Rehefa niverina izy dia tsy nitsaha-niresaka momba ny hatsarana sy ny fanoloran-tenan’ireo olona nihaona taminy,” hoy ny Loholona Renlund.

Ny Loholona L. Whitney Clayton, izay niara-nanompo tamin’ny Loholona Soares nandritra ny dimy taona sy tapany tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy, dia miantso ny Loholona Soares ho mpanangana fifanarahana. “Mihaino sy mandrefy ny eritreriny izy. Mitandrina ny fomba hitondrany ny tenany izy ao amin’ireo fivoriana mba ho lasa toy ny an’ny amboaram-peo ny feonay, fa tsy ho toy ny mpihira feo tokana mifaninana.”

Maneho fanetrentena ny Loholona Soares eo amin’ny fahafahany miresaka amin’ny teny pôrtogay, anglisy, espaniôla, ary frantsay. Kanefa izany fanomezam-pahasoavana izany, izay mitaky fitandremana tsy tapaka, dia fitahiana ho an’ny Fiangonana, hoy ny Loholona Clayton. Afaka miresaka amin’ny ankamaroan’ny mpikamban’ny Fiangonana amin’ny fitenin’izy ireo ny Loholona Soares.

“Mpitarika efa hatramin’izy mbola zazalahy i Ulisses,” hoy ny Loholona Claudio Costa momba ny zaodahiny. “Tena marani-tsaina izy ary tena mahavita zavatra, ary tsapany ilay andraikitra hoe hanolotra ny tsara indrindra vitany. Mora aminy ny mitia ireo izay manodidina azy. Manana ny fon’ny tena mpianatry ny Mpamonjy izy, ary manana ny fijoroana ho vavolombelona azo antoka fa i Jesoa no ilay Kristy. Tiako izy ary feno fankasitrahana aho manohana azy amin’ny maha-Apôstôlin’ny Tompo azy.”

Ary ny Loholona David A. Bednar, raha niresaka momba ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, dia nanampy hoe: “Ny Loholona Soares dia mpianatry ny Mpamonjy tsy misy pentina, tsy misy fitaka, ary tsy manan-tsiny. Olona sy fianakaviana tsy tambo isaina no nahazo sy mahazo ary hahazo fitaomam-panahy mba hanana faniriana lehibe kokoa hanaraka ny Mpamonjy sy hiaina ireo fitsipiky ny filazantsarany amin’ny alalan’ny hazavana eny amin’ny endriny, sy ny tsikiny mahafinaritra, ary ny fihetsiny feno fitiavana.”

Sary
Elder Soares with grandchildren and wife

Sary miaraka amin’i Rosana vadiny, eo anoloan’ny Tempolin’i Salt Lake, nalain’i Kristin Murphy, Deseret News

Amin’izao fotoampitantanana misy antsika izao dia nilaza momba an’i Edward Partridge ny Tompo nanao hoe: “Ny fony madio eo anoloako, fa izy dia tahaka an’ i Natanaela fahiny izay tsy misy fitaka ao aminy.”5 Ny Tompo dia nilaza momba an’i Hyrum Smith hoe: “Fa Izaho Tompo dia tia azy noho ny fahitsian’ ny fony, ary satria tia izay marina eo anoloako izy.”6

Torak’izany koa no lazain’ny Tompo momba an’i Ulisses Soares.

Hamoaka printy