2018
Ny pejintsika
Ôktôbra 2018


Ny pejintsika

Sary
Our Page
Sary
Ayana

Rehefa mandeha mivavaka aho dia mahatsapa ny Fanahin’ Andriamanitra sy ny fitiavako Azy sy i Jesoa Kristy Mpamonjy ahy. Tiako ny Mpanavotra ahy.

Ayana B., 7 taona, Frantsa

Sary
drawing by Omar

“Ny Filoha Monson sy ireo mpanolotsainy”

Omar A., 9 taona, Pérou

Sary
Aldo

Tiako ny mankao amin’ny tempoly miaraka amin’ny fianakaviako. Toerana tsara tarehy izay azoko handehanana izany rehefa feno 12 taona aho. Tranon’ny Tompo izany.

Aldo C., 10 taona, Mexique

Sary
Allison

Tiako ny mizara ny filazantsara amin’ireo namako any am-pianarana, indrindra fa amin’ny zazalahy iray izay manana olana amin’ny fitenenana sy ny fanoratana ary ny famakian-teny. Ny fomba iray hizarana ny filazantsara araka ny nampianarin’i Jesoa Kristy dia amin’ny alalan’ny fanampiana sy ny fanompoana ny hafa. Rehefa manome anay asa atao ao amin’ny bokin’ny enti-mody ny mpampianatra dia vonona ny hanampy an’io zazalahy io foana aho. Tia manompo ny hafa aho satria manampy ahy hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra izany.

Allison M., 10 taona, Salvador

Hamoaka printy