2018
Vavaka teny amin’ny canyon
Ôktôbra 2018


Vavaka teny amin’ny canyon

Sary
Canyon Prayer

Tamin’ny herintaona dia nandeha an-tongotra nitsangantsangana niaraka tamin’ny dadako sy ny rahalahiko aho. Namakivaky lalina an’ilay canyon izahay. Vetivety teo izahay dia nanomboka nandeha tamin’ny lalan-kely iray nanara-tsisiny. Nahita lava-bato lehibe sy toerana tsara hitazanana ny hatsaran’ny zavaboary izahay. Nihanika avoavo kokoa hatrany teo amin’ireo vato somary nihozongozona sy ireo tendrombohitra nideza izahay.

Nony afaka elaela dia very tanteraka izahay. Tsy fantatray ny lalana tokony haleha mba hahatongavana any amin’ny farany ambanin’ilay canyon. Raikitra teo amin’ireo kirihitra matevina izahay, ka tsy hitanay intsony na ny tampon’ilay canyon na ny farany ambanin’ilay canyon. Nanomboka natahotra tokoa aho. Tsy fantatro ny toerana tokony haleha, ary tsy nahafantatra koa ny dadako!

Nanomboka nihamaizina sy nangatsiaka ny andro, ary mbola ho ela izahay vao ho tafavoaka tao amin’ilay canyon. Fantatro fa ny Ray any An-danitra dia nahafantatra ny lalana tokony haleha.

Hoy aho hoe: “Raha te ho tafavoaka ato isika dia mila mivavaka!” Ka dia nandohalika nivavaka izahay telo, nangataka ny Ray any An-danitra mba hitarika anay hivoaka avy ao amin’ilay canyon.

Rehefa nanomboka nandeha izahay dia nisy fahatsapana nilaza tamiko fa rehefa mahita hazo lava mahitsy iray aho dia tokony hivily miankavia. Rehefa avy nivily niankavia aho dia hitako ny fiaranay. Fantatro fa nanampy anay ny Ray any An-danitra mba hivoaka tao amin’ilay canyon. Namaly ny vavakay ny Ray any An-danitra, ka dia tafavoaka soa aman-tsara izahay, raha iny nody iny mihitsy ny masoandro.

Feno fankasitrahana aho noho ny herin’ny vavaka sy ny fihainoan’ny Ray any An-danitra anay.

Hamoaka printy