2018
Atody, kiadin’aratra, ary finoana
Ôktôbra 2018


Atody, kiadin’aratra, ary finoana

Alvaro Alcaino

Antofagasta, Chili

pencil sharpener

Sary nataon’i Carolyn Vibbert

Ny iray amin’ireo tanjon’ny fianakavianay dia ny hanangona vola ampy mba hapetraka ho vodiondrimbarotra hividianana ny tranonay. Raha tsy nisy izany tanjona izany dia mety ho nandany ny faran’ny herinandroko nijery fahitalavitra aho, niandry fahafahana hahazo vola ho tonga eo amiko.

Amin’ny maha-mpamily fiarakodia ahy ao amin’ny orinasa mitrandraka akoran-javatra any ambany tany any avaratr’i Chili, dia miasa mandritra ny efatr’andro lavitra ny fonenako any amin’ny foibe fitrandrahana akoran-javatra any ambany tany aho, ary avy eo tsy miasa mandritra ny telo andro, dia ny sabotsy hatramin’ny alatsinainy izany. Mba hanampiana ny vola miditra ao aminay sy ny tahirinay hividianana trano, dia nanapa-kevitra ny hanomboka hivarotra atody izahay. Ny drafitray dia ny handray ireo isan’ny atody ilain’ireo namana sy ireo mpifanolobodirindrina aminay ary ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonana. Hividy atody eo amin’ny 1000 eo ho eo isan-kerinandro any amin’ny mpivarotra ambongadiny izahay ary haka sy hanatitra ireo atody isaky ny sabotsy sy alatsinainy.

Nanapa-kevitra izaho sy i Laura vadiko fa hoentinay miaraka aminay ny zanakay anankiroa rehefa manatitra entana ka hiaraka hankafy izany fotoana izany. Rehefa teny an-dalana hividy ny amboaran’atodinay voalohany izahay anefa dia nisy loza nitranga. Nilalao fandranitam-pensilihazo kely vita amin’ny vy ny iray tamin’ireo zanakay, dia natsipiny izany ka tonga dia namantana teny amin’ilay fandrehetan-tsigara anaty fiarakodia izay tsy nisy na inona na inona. Nisy zavatra nitselatselatra, ary tsy nisy rianaratra intsony ny fiaranay ka lasa tafajanona tampoka teo afovoan’ny lalambe roazotra izahay. Nosimbainay ny kiadin’aratra (fusible).

Rehefa nipetraka teo izahay sady nampitohana ny fifamoivoizana ary nieritreritra ny tokony hatao dia lasa sorena ka te hitomany. Saingy tamin’izay fotoana izay dia tsaroako fa ny Tompo dia nampanantena ny hampitraka antsika sy hanampy antsika raha toa isika ka mametraka ny fitokiantsika Aminy. Nisy fahatoniana nanenika ahy. Nahatsapa aho fa tsy afaka ny hipetraka fotsiny eo dia himenomenona. Nanana olana izahay ary miaraka amin’ny fanampian’ Andriamanitra dia ho voavahanay izany.

Nifampijery izaho sy i Laura ary nilaza hoe: “Mila mampiseho finoana isika.” Nivavaka izahay ary nofafanay ny ranomasonay. Avy eo dia nivoaka nanosika ilay fiara aho ary i Laura no namily. Olona maro no nivoaka ny fiarany ary nanampy ahy.

Natosikay teo amin’ny 200 metatra teo ilay fiara izay vao nahita toerana azo antoka nijanonana tany ivelan’ny lalambe roazotra izahay. Rehefa nandeha hatreny amin’ny toeram-piantsonana iray ilay fiara dia tsikaritro fa nijanona teo anoloan’ny toeram-pivarotana fampivainganam-peo ao anaty fiara mihitsy izahay.

Hitako ilay kiadin’aratra simba, dia nandeha tao amin’ilay fivarotana aho ary nanontany hoe: “Moa ve ianareo manana anankiray amin’itony?”

Namaly ilay mpivarotra hoe: “mazava ho azy.”

Nividy kiadin’aratra iray aho ary napetrako teo amin’ny toerana tokony hisy azy izany. Tonga dia velona ilay fiara ary lasa izahay. Efa kely sisa dia hikatona ilay toeram-pivarotana atody ambongadiny rehefa tonga teo izahay. Novidinay ny atodinay ary nanao ny fanaterana izahay.

Rehefa manana olana isika dia ilaintsika ny mahatsiaro ny tokony hangatahana fanampiana avy amin’ny Ray any An-danitra. Fantatro fa hamaly antsika Izy rehefa mandroso hatrany isika ary mampiseho ny finoantsika Azy.