2018
Ny zavatra tian’ny eveka tsirairay ho fantatr’ireo mpikambana ao amin’ny paroasiny
Ôktôbra 2018


Ny zavatra tian’ny eveka tsirairay ho fantatr’ireo mpikambana ao amin’ny paroasiny

Monina any Utah, Etazonia ny mpanoratra.

Ireto misy fahamarinana miisa valo nianarako nandritra ny naha-eveka ahy.

Nanana fahafahana tena tsara mba ho lasa eveka aho. Nandritra ireo taona ireo dia nianatra lesona bebe kokoa izay azoko tanisaina aho. Fa nianatra fahamarinana miisa valo aho izay inoako fa iainan’ny eveka rehetra. Na dia tsy tafiditra ato amin’ity lisitra ity avokoa aza ny zavatra rehetra dia ezaka nataoko ity mba hizarana ny zavatra andrasan’ny eveka tsirairay ho fantatry ny mpikambana ao amin’ny paroasiny.

1. Tia ny mpikambana tsirairay ao amin’ny paroasiny amin-kitsim-po ny eveka.

family

Mifandray amin’ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy antsika ny fitiavan’ny eveka iray ny paroasiny. Rehefa mitazana ireo mpikambana ao amin’ny fivoriana fanasan’ny Tompo iray ny eveka iray, dia mitoetra eo aminy amin’ny fomba izay tsy mbola tsapany hatrizay ny fangorahana sy ny fiombonam-po amin’ny mpikambana. Rehefa mijoro eo amin’ny polipitra ny eveka iray ka milaza ny halehiben’ny fitiavany an’ireo mpikambana ao amin’ny paroasiny, dia tena avy amin’ny fo sy tena marina ny zavatra tsapany. Fantaro fa ny evekanareo dia tia anareo, mieritreritra ny aminareo, ary miraharaha anareo mihoatra ny hahafantaranareo izany.

2. Ny eveka dia tohanana amin’ny lafiny ara-batana sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy amin’ny alalan’ny finoana sy vavaka ataon’ireo mpikambana.

man standing at the pulpit

Mandany ora marobe mba hanompoana ny eveka iray. Matetika izy no mandany ora maro any am-piangonana rehefa alahady sy mandany fotoana fanampiny amin’ny hariva mandritra ny herinandro rehefa avy miasa mba hamangiana, hanaovana dinidinika, ary hikarakarana ny mpikambana ao amin’ny paroasiny.

Afaka manao izany isan-kerinandro ny eveka noho ny finoana sy ny vavak’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy. Fony aho eveka vao nantsoina, dia nilatsaka ho azy ny ranomasoko isak’izay nandre mpikambana iray nivavaka mba “hitahiana ny eveka.” Ny vavaka ataonareo amim-pinoana dia tena voavaly tokoa, ary mandray sy mahatsapa ny fitaomana manohana avy amin’ireo vavaka ireo ny eveka. Mamaly ireo vavaka feno fahatokiana ireo eo ambony lohan’ireo evekan’ny Fiangonana ny Tompo.

3. Matetika ny eveka no mahatsapa ho faran’izay tsy mendrika ilay antso (na dia afaka telo na efa-taona taorian’ny niantsoana azy aza).

man with head in his hands

Vitsy dia vitsy ny eveka fantatro izay nahatsapa fa tena “vonona” ny hanao ilay antso. Fantatro kosa anefa fa “izay antsoin’ny Tompo dia ny Tompo no manomana azy.”1 Rehefa mahafantatra ny eveka iray fa manomboka ho voaomana ny hanao ilay antso izy, dia sahirana ihany koa izy amin’ny fahatsapana fa toa tsy hahavita tsara ilay antso mihitsy. Hanao izay tsara indrindra vitany izy hanome torohevitra hendry rehefa ilaina izany, sy tsy hanafintohina olona, ary ho vonona tsara hahatsapa ny Fanahy, kanefa mbola hanontany tena ihany izy indraindray raha toa ka azo ekena ny fomba hanatanterahany ny antsony.

4. Afaka miasa amin’ny alalan’ny eveka ny Fanahin’ Andriamanitra rehefa manoro hevitra an’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy izy.

two men talking

Rehefa nanontaniana momba ny zavatra mampanembona ahy indrindra tamin’ny naha-eveka ahy aho, dia nolazaiko tamin’ny olona fa malahelo ny fitaomana mahery vaikan’ny Fanahy izay niaraka tamin’ny fahefana nananan’ny eveka iray aho. Na rehefa mampionona ireo izay namoy havan-tiana, na miresaka amin’ireo izay sahirana noho ny vady tsy mahatoky, na miantso olona hibebaka, dia ny Fanahin’ Andriamanitra sy ny fanahin’ny fanambarana no Fanahy afaka miaraka amin’ny eveka mahatoky iray.

Vao haingana no nisy mpikambana tao amin’ny paroasy efa nifindra nangataka fanampiana tamiko mba hamahana olana an’ny tena manokana vitsivitsy. Nifindra tany amin’ny paroasy iray vaovao izy ka tsy hainy hoe te handeha any amin’ny evekany vaovao ve izy sa tsia mba hangataka fitarihana. Nozaraiko taminy ny zavatra izay efa nozaraiko imbetsaka hatramin’ny nisaorana ahy, dia ny hoe na dia faly ny hanampy aza aho dia tsy mihazona ny fanalahidy hazonin’ny eveka iray intsony, ary ireo fanalahidy ireo dia mety ho tena manan-danja lehibe amin’ny fanomezana ny fanampiana izay ilainy. Nandroso hevitra aho ny mba hiresahany amin’ny evekany. Niresaka taminy aho roa herinandro taty aoriana, dia nilaza izy fa nihaona tamin’ny evekany, ary toy ireny hoe efa nahafantatra ny olana nananany sy ny fomba tsara indrindra hanampiana azy ireny ilay eveka. Raha toa ka azo antoka fa mety ho diso tokoa ny eveka, ny Tompo kosa dia mitaona ny fanahiny, mitarika azy, ary mitahy fiainan’olona amin’ny alalan’ny torohevitra avy amin’ny fitaomam-panahy izay omeny.

5. Tsy tonga lafatra ny eveka. Indraindray izy dia manao fahadisoana ary indraindray dia tsy mety ny ataony.

man falling

Na izany na tsy izany ireo eveka dia olombelona ihany. Tsy lavorary izy ireo, manana fahalemena, ny fiheviny manokana, ary ny olany manokana. Ny Fanahy masina no manomana ilay lehilahy izay mihazona ny anjara fanompoan’ny eveka, fa ilay eveka dia mbola olona iharan’ny olana sy ny fahalemena izay mihatra amintsika rehetra ihany.

Tsy tokony hampihena ny fanajantsika ny antsony na ny fihainoantsika ny toroheviny izany zavatra fantatsika izany. Mahafantatra tsara ny fahalemeny ny eveka iray ary miezaka ny handresy izany, na tsy mamela izany, farafaharatsiny, hanimba ny fanompoany amin’ny maha-eveka azy. Na dia eo aza ny ezaka mafy ataony dia tsy ho lavorary foana izy.

6. Ny eveka dia mahatsapa fa tsy hanana fotoana ampy na oviana na oviana izy hijerena ireo mpikambana ao amin’ny paroasy na hahafahana hanao soa betsaka.

people talking

Isan’andro ny eveka iray dia manontany tena ny amin’izay olona hafa azony nampiana na tokony ho nampiana tamin’io andro io. Tiako raha mba afaka niresaka matetika tamin’ny mpikambana tsirairay aho, saingy nanana asa tamin’ny fotoana feno aho, manana ny fianakaviako, nanana ny fandaharan’asa ho an’ny zatovo, ary nanana ireo mpikambana sasantsasany tao amin’ny paroasy izay nila fanampiana lehibe. Tsy nisy fotoana ampy tsotra izao mba hiresahana matetika tamin’ny mpikambana tsirairay.

Na izany aza anefa, tamin’ny naha-eveka ahy, dia nitaona ahy ny Fanahy indraindray mba hamangy mpikambana iray izay nanana olana. Imbetsaka ireo famangiana ireo no nanomboka tamin’ny fitenenan’izy ireo hoe: “Fantatro fa ho avy ianao.” Ny Fanahy tsapanay dia matetika no nanenika anay rehefa samy tonga saina izahay fa ilay famangiana dia porofo fa mamaly vavaka Andriamanitra.

Nankafiziko ihany koa ny fomba fandraisan’ireo mpikambana mavitrika “nanana fijoroana ho vavolombelona matanjaka” ahy tany an-tranony. Mandeha mivavaka isan-kerinandro ireo olona mahafinaritra ireo, manompo amim-pahatokiana amin’ireo antso, tsy hita tety ivelany hoe manana olana goavana, ary mazàna no tsy voavangin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana matetika. Feno fankasitrahana izy ireo nanana fotoana nifanatrehan-tava tamin’ny evekany. Mamelà ahy hiteny aminareo rehetra hoe “Misaotra! Tohizo hatrany! Fantaro fa tia anareo ny evekanareo ary hamangy anareo bebe kokoa izy raha afaka.”

7. Tena ilain’ny evekanareo marina tokoa sy amin-kitsim-po ny hifanompoanareo.

man on the phone

Fony aho eveka, rehefa nisy nilaza tamiko fa nisy mpikambana iray nanana olana, dia nanontany foana aho hoe: “Iza no mpampianatra sy mpamangy azy isan-tokantrano?” Fomba iray nanaovana tomban’ezaka izany fa ho voaray an-tanana ny fanomezana ny zavatra ilain’ilay mpikambana tamin’ilay fotoana sy amin’ny ho avy. Ny eveka izay manompo kanefa tsy mahazo fanampiana avy amin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny paroasy sy ny tsatòka dia voafetra ihany ny loharanom-panampiana ananany. Azo antoka fa afaka, ary ho afaka, ny hamangy olona mandalo fotoan-tsarotra izy. Kanefa raha miaraka amin’ny olona ao amin’ny fisoronana sy ny Fikambanana Ifanampiana izay afaka miara-miasa aminy izy, dia ho betsaka kokoa ny olona azony tompoina.

Izany no atao hoe fanompoana. Misy fotoana hanadinoan’ny sasany amintsika ny antony hifanompoantsika: Nandidy antsika ny Tompo mba “hifankatia” (Jaona 13:34). Fantaro fa ny evekanareo dia mampiasa ny fanompoana ho toy ny fomba nentanim-panahy mba “handraisany anjara bebe kokoa” eo amin’ny fiainan’ireo mpikambana ao amin’ny paroasy.

8. Maniry mba ho afaka hanao ny zava-drehetra ho an’ny ondriny ny eveka.

man walking up

Amin’ny fotoana rehetra, na andro na alina, na tsodranon’ny fisoronana izany, na fanoroana hevitra ny ankizy iray mania, na fihazakazahana ho any amin’ny toerana iray nisehoan’ny loza, dia tiany ny hanao izay rehetra ilain’ny mpikambana iray. Tsy afaka manao foana ny zavatra rehetra izy, ary mety tsy ho izy no olona ilaina amin’ny toe-java-misy rehetra, kanefa aza matahotra ny hangataka fanampiana rehefa mila izany ianareo. Fantaro fa eo ny eveka mba hanompo amin’ireny fotoana ireny ary samy mahazo fitahiana lehibe ianareo noho ny fiarahanareo miasa.

Feno fankasitrahana aho noho ny fahafahana masina nananako mba hanompo tamin’io antso masina io. Nandritra ny fanompoako dia niainga tamin’ny zavatra ninoana nankany amin’ny fahalalana aho. Tsy mino fotsiny intsony aho hoe marina ny filazantsara. Fantatro fa marina izany. Tsy mino fotsiny intsony aho hoe mahafantatra ahy Andriamanitra. Fantatro fa Andriamanitra dia tena mahafantatra tanteraka ny tsirairay avy amintsika, ny amin’ny fiainantsika isan’andro ary ny olana ananantsika manokana. Ankoatra izay dia fantatro fa miasa amin’ny alalan’ireo mpanompony Izy, indrindra fa ireo izay mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana. Fantatro fa tsy afaka nanompo tamin’ny naha-eveka ahy aho raha tsy teo ny firotsahan’ Andriamanitra an-tsehatra ao anatin’ity asa ity. Ny fahamarinan’ny filazantsara sy ny fitiavan’ Andriamanitra ny zanany no mahatonga ny eveka tsirairay afaka manompo.

Fanamarihana

  1. Thomas S. Monson, “Duty Calls,” Ensign, mey 1996, 44.