2018
Lesona 4 momba ny namoahan’i Joseph Smith ny Bokin’i Môrmôna
Ôktôbra 2018


Amin’ny endrika nomerika ihany

Lesona 4 momba ny namoahan’i Joseph Smith ny Bokin’i Môrmôna

Fony izy 24 taona monja, dia niatrika olana i Joseph Smith rehefa niasa mba hanatanteraka ny didin’ Andriamanitra. Kanefa dia nandresy niaraka tamin’ny fanampian’ Andriamanitra izy, ary afaka ny handresy ihany koa isika.

Sary
young adult woman holding an old Book of Mormon

Amin’ny maha-tanora antsika, dia mety ho angatahina isika hanao zavatra izay toa tsy azo tanterahina raha tsy eo ny fanampian’ Andriamanitra. Tahaka izany koa, i Joseph Smith, fony izy 24 taona monja, dia niatrika olana ary nahatsapa ho tsy nanana ny fahazai-manao nilaina rehefa nikatsaka ny hanatanteraka didy lehibe iray, dia ny hamoaka ny fandikana ny Bokin’i Môrmôna. Kanefa noho ny fanampian’ Andriamanitra dia vitany ny zavatra rehetra nangatahina taminy, ary ny ohatra nasehony dia maneho fomba maro azontsika hanatanterahana izay zavatra heverina fa tsy ho azo tanterahina rehefa miara-miasa amin’ Andriamanitra isika.

  1. Tsy voatery ho olona tena tsara isika mba hanatanterahan’ Andriamanitra fahagagana amin’ny alalantsika. Rehefa niomana ny hamoaka ny Bokin’i Môrmôna i Joseph, dia tanora tsy nanam-bola firy sy tsy nandranto fianarana be izy, ary tsy nananany akory aza ny fahalalana mikasika ny fomba handikana sy hamoahana rakitsoratra manan-danja lehibe toy izany. Na izany aza dia nandroso niaraka tamin’ny finoana sy ny fanomezam-pahasoavana ary ny herin’ Andriamanitra izy mba hamita ilay asa izay nangatahana taminy. Raha matoky ny Ray any An-danitra isika, dia hanome antsika fahafahana hanao ny asany Izy.

  2. Rehefa manome antsika asa iray Andriamanitra, dia hanome antsika fomba iray hahombiazana Izy. Ho an’i Joseph, dia tsy maintsy hoe toy ny tsy ho azo tanterahina izany nanonta printy tahadika miisa 5.000 an’ny boky iray misy pejy 590 izany. Kanefa rehefa tonga ny fotoana namoahana an’ilay rakitsoratra, dia nanome fitaomam-panahy an’i Martin Harris ny Tompo mba hanao ho antoka ny toeram-pamboleny sy fiompiany izay niroborobo tokoa, ka nahazoana $3.000 (izay mitovy sanda amin’ny $76.000 amin’izao fotoana izao) mba hanampiana an’i Joseph hanatanteraka ny asa nanirahana azy. Nampianatra i Nefia hoe: “[ny Tompo dia h]anomana lalana ho azy mba hahazoany manatontosa ny zavatra izay andidiany azy” (1 Nefia 3:7). Nametraka ny loharanom-pitaovana nilaina mba ho azon’i Joseph ampiasaina ny Ray any An-danitra mba hamitana ilay tetikasa. Ary hanao izany ho antsika koa Izy.

  3. Manome antsika fahafahana hanarina izay tsy nety foana Andriamanitra. Nanao fahadisoana i Joseph Smith ka nitarika ho amin’ny fahaverezan’ireo pejy niisa 116 tamin’ny Bokin’i Môrmôna izay nosoratana tamin’ny tanana. Noho ny namerezany ireo pejy niisa 116 ireo dia very nandritra ny fotoana elaela ihany koa ny fahafahan’i Joseph nandika teny. Kanefa noho izy nisafidy ny hibebaka, dia voavela heloka izy taty aoriana ary nomena fahafahana fanindroany hanatanteraka ny asa nanirahana azy. Hoy ny Tompo hoe: “Nefa tsarovy fa feno famindram-po Andriamanitra; koa mibebaha amin’izay efa nataonao ka mifanohitra amin’ny didy izay nomeko anao, dia mbola voafidy ihany ianao ary antsoina indray ho amin’ny asa” (F&F 3:10). Ho feno fahadisoana ny fiainantsika eto amin’ny fiainana an-tany, kanefa raha mibebaka isika ary manana faniriana tsara, dia hanome antsika fahafahana vaovao hanaovana zavatra foana ny Tompo.

  4. Ny fikatsahana mafy an’ilay fifaliana nampanantenaina dia afaka manampy antsika handresy ireo olana. Na dia teo aza ireo olana rehetra izay tsy maintsy natrehan’i Joseph, dia nahazo fitahiana maro izy ary nahatsapa fifaliana marina tao anatin’ny asa nataony mba hamoahana ny Bokin’i Môrmôna. Taorian’ny namoahana ny Bokin’i Môrmôna dia natsangana ny Fiangonana ary natao batisa ny ray aman-drenin’i Joseph. Tamin’izay andro izay dia nandeha irery tany anaty ala i Joseph ary nanomboka nitomany tamim-pifaliana. Raha manohy miaritra amin-kerimpo ireo fitsapana lalovantsika isika, sady mametraka tanteraka ny fitokiantsika amin’ Andriamanitra, dia ho afaka ny hahazo fifaliana sy fiadanana ihany koa isika.

Hamoaka printy