2018
Mankaiza ny vola avy amin’ny fahafolonkarena
Ôktôbra 2018


Ny zavatra inoantsika

Mankaiza ny vola avy amin’ny fahafolonkarena

Inona no mitranga amin’ny vola izay arotsakao ho fahafolonkarena?

Sary
where tithing money goes
  • Mandray vola ianao.

  • Manolotra ny ampahafolon’ny vola miditra aminao ianao mba ho fahafolonkarena (jereo ny F&F 119).

  • Omenao ny mpikambana iray ao amin’ny epîskôpà na ny fiadidian’ny sampana ny fahafolonkarenanao na alefanao en ligne ao amin’ny donations.lds.org.

  • Any amin’ny Foiben’ny Fiangonana, ny Fiadidiana Voalohany, ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary ny Episkôpà Mpiahy no mandrafitra ny Filankevitra misahana ny Fampiasana ny Fahafolonkarena (jereo ny F&F 120). Araka ny fomba hitarihan’ny Tompo dia mandray fanapahan-kevitra hendry izy ireo mikasika ny fomba hampiasana ireo vola avy amin’ny fahafolonkarena ireo.

Ny fahafolonkarena dia mety ampiasaina amin’ny:

  • Fanorenana sy fikarakarana ireo tempoly sy ireo fiangonana ary ireo trano hafa an’ny Fiangonana

  • Fanatanterahana ireo fandaharan’asan’ny Fiangonana momba ny fianarana

  • Fanontana printy ireo soratra masina na boky hafa

  • Fanaovana fikarohana momba ny tantaram-pianakaviana

  • Fanaovana asa fifanampiana sy fanasoavana

  • Fanaovana asa fitoriana

  • Fanatanterahana fiaraha-mientana eo anivon’ny Fiangonana mba hanamafisana ny finamanana eo anivon’ny ireo mpikambana any amin’ny paroasy sy sampana

Sary nataon’i David Habben

Hamoaka printy