2018
Ny fisarahana nampalahelo ahy indrindra raha ny marina no iray tamin’ireo fitahiana lehibe indrindra azoko
Ôktôbra 2018


Amin’ny endrika nomerika ihany

Ny fisarahana nampalahelo ahy indrindra raha ny marina no iray tamin’ireo fitahiana lehibe indrindra azoko

Indraindray isika dia mahatakatra ny antony hahazoantsika bitsika avy amin’ny Fanahy ary indraindray dia tsy mahatakatra. Fa na mahatakatra isika na tsia dia tokony hanao asa amim-pinoana.

Sary
young woman looking out at the ocean

Nisaraka tamin’ny olon-tiako voalohany aho indray alin’ny fahavaratra ary tsara ny andro tamin’izay.

Tany am-piandohan’io andro io, dia niady izaho sy i Carter (novaina ireo anarana), izay efa nahazatra tao anatin’ny telo taona niarahanay, izay fiarahana nahitana fisarahana sy fifamerenana matetika. Nampiady anay daholo ny zavatra rehetra, niainga tamin’ny zavatra nohanina ka hatramin’ny drafitray momba ny ho avy. Tany am-piandohana dia tsy noraharahaiko ny fahasamihafana nisy teo aminay noho ilay fitenenana hoe “mifanintona ny zavatra mifanohitra.” Saingy ilay sangisangin-teny nifamelimelezanay tsindraindray dia nivadika ho tohivakan’ny tsy fifanarahan-tsaina nandreraka taty aoriana.

Tamin’izay alin’ny fahavaratra izay, dia nitondra télescope tany an-tany foana izahay mba hijery ireo planeta. Saingy hitanay fa nanelingelina ny fahitanay ny hazavan’ny volana nifanohitra tamin’ny haizina. Rehefa diso fanantenana izahay dia nanomboka nifamaly indray.

Vokatr’izany dia niala teo aho mba hampitony ny tenako. “Tsy toy izany mihitsy aho,” hoy aho nieritreritra. Ny fahafantaran’ny olona ahy dia mpampihavana teo anivon’ireo mpiray tampo amiko, ary niresaka tamin-kalemem-panahy sy hatsaram-panahy tamin’ireo namako hafa aho. Koa nahoana ary aho no mivazavaza amin’ilay tovolahy izay lazaiko fa tiako?

Nijery ny lanitra mainty aho ary nivavaka mba hahafantarako ny fomba hahafahako manatsara ny fifandraisako tamin’i Carter. Tampoka teo dia nisy fiadanana nanenika ahy nisolo ny fahatezerako, ary nahatsapa fitaomam-panahy aho fa ny zavatra tsara indrindra azoko atao ho anay roa dia ny mamarana ny fiarahanay.

Ela aho vao sitrana tamin’izany. Nisy fotoana aho nalaim-panahy tsy hiraharaha an’ilay bitsika mba hisaraka tamin’i Carter satria nalahelo ny fifandraisanay akaiky aho. Indraindray aho dia tezitra tamin’ Andriamanitra, noho ny finoako fa nofaranany hatreo ny fahafahana iray nananako nefa tsy mba nanome ahy fahafahana iray hafa Izy. Na dia izany aza dia nifikitra mafy tamin’ny torohevitry ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo aho hoe: “Amin’ny fotoan’ny tahotra na ny ahiahy na ny tebiteby … hazony mafy izay efa fantatrao ary mahatanjaha hatrany mandra-pahazoanao fahalalana misimisy kokoa” (“Tompo ô, mino aho,” Liahona, mey 2013, 93–94).

Tsy nandray izany “fahalalana misimisy kokoa” izany aho nandritra ny volana maro, ary nanomboka nanontany tena aho raha toa ka mety hahazo izany ihany. Rehefa avy nivavaka tamin-kitsim-po momba ilay fisarahana aho dia nitaona ahy ny Fanahy, ka nilaza tamiko fa natao hanasoa ireo zanany ny bitsika avy amin’ny Ray any An-danitra. Tsy manan-danja noho ny finoako Azy ny antsipiriany momba ny antony nanaovany izany.

Ny fahafantarako fa nanana drafitra ho ahy ny Ray any An-danitra dia nanome ahy fanantenana ny amin’ny hoaviko ary nanampy ahy hanomboka hampiaraka indray. Indray maraina dia namaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:40 aho, izay ampianaran’ny Tompo fa “ny fahazavana miraikitra amin’ny fahazavana.” Tonga saina tampoka teo aho fa azo ampiharina amin’ny fampiarahana io fitsipika io. Fantatro fa ho faly kokoa aho miaraka amin’ny olona iray izay miaina soatoavina sy fahazavana mitovy amin’ny ahy.

Nihaona tamin’i Austin aho nony farany. Nifandray tsara avy hatrany izahay, niainga avy amin’ny fitiavanay tacos nankany amin’ny firesahana momba ny fari-piadidiam-panjakana nanaovan’ny tsirairay taminay asa fitoriana tao Etazonia. Tsapako ho toy ny efa nifankahazo sy nifanaraka tsara tamin’ny ahy ny toe-panahiny malefaka, ka dia nanambady azy aho nony farany. Tsy fifandraisana feno firehetam-po toy izay mety andrasanareo ao anatin’ny tantaram-pitiavana amin’ny horonan-tsary malaza ny anay. Mamy sy miorim-paka tsara izany. Zavatra izay inoako fa afaka ny haharitra mandrakizay.

Maro amintsika no maniry hahazo fanazavana iray rehefa mandray bitsiky ny Fanahy sarotra tanterahina. Nianarako avy amin’ny zavatra niainako fa ny finoana ny Tompo dia afaka manampy antsika hijanona ho mpankatò na dia tsy mahafantatra ny antony aza. Rehefa matoky an’ilay Andriamanitra mahalala ny zavatra rehetra isika dia afaka mahatsapa fiadanana ao anatin’ny fanapahan-kevitra raisintsika mba hanaraka ireo bitsika mandra-pahazoantsika ilay “fahalalana misimisy kokoa” izay nampanantenainy an’ireo mahatoky.

Hamoaka printy