Seminera
Fifehezana fotopampianarana: 1 Petera 4:6


Fifehezana fotopampianarana: 1 Petera 4:6

“Fa noho izao no nitoriana ny filazantsara tamin’izay maty aza”

Sary
I Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty mitory amin’ireo fanahy ao amin’ny tontolon’ny fanahy.

Tamin’ny fandalinanao ny 1 Petera 4 dia nianatra ianao fa nanangana ny asa fitoriana ny filazantsara tany amin’ny tontolon’ny fanahy ny Mpamonjy mba hahafahan’ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra hanana fahafahana hahazo famonjena. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny 1 Petera 4:6. Afaka manampy anao hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andinin-tsoratra masina io ihany koa izany. Rehefa avy eo dia hanana fahafahana hampihatra izany fotopampianarana izany sy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny rafi-tantara tena misy ianao.

Tadidio ary hazavao

Makà fotoana kely hanaovana ny kisary ny drafitry ny famonjena.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nampianarina ny filazantsara tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Inona no nitranga tamin’ireo izay nanaiky ny filazantsara tamin’ny alalan’ny fisafidianana ny drafitr’ Andriamanitra? Inona no nitranga tamin’ireo izay nandà izany?

  • Ahoana no ampianarana ny filazantsara eto an-tany?

  • Inona no mitranga ho an’ireo izay tsy nanana fahafahana mihitsy hianatra momba an’i Jesoa Kristy na nandray ny ôrdônansin’ny fisoronana nahazoana alalana teo amin’ny fiainany?

  • Aiza no ahafahantsika mamaky momba izany ao amin’ny Testamenta Vaovao?

Soraty amin’ny taratasy kely ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny “1 Petera 4:6: -Fa noho izany [no] nitoriana ny filazantsara tamin’ireo izay maty.-”. Fafao na afeno ny teny na isa telo na efatra, ary miezaha mitanisa ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny miaraka amin’ireo ampahany tsy hita. Tohizo ity dingana ity mandra-pahazoanao mitanisa ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Fizàrana mampihatra

Tao amin’ny lesona teo aloha, dia nianatra ity fahamarinana manaraka ity ianao tao amin’ny 1 Petera 4:6: Toriana amin’ny maty ny filazantsara mba hananany fahafahana mitovy amin’ireo izay mandre ny filazantsara mandritra ny fiainana an-tany.

Ampiasao ity toe-javatra manaraka ity mba hampiharana ity fahamarinana ity sy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

Rafi-tantara: Fizarana 1

Alaovy sary an-tsaina hoe manana namana iray antsoina hoe Jason izay mihaona amin’ireo misiônera ianao. Mangataka ny hiaraka aminao any amin’ny seminera i Jason mba hianatra bebe kokoa momba ny filazantsara. Amin’ny andro voalohany ao amin’ny seminera, ny mpampianatra anao dia mangataka ny iray kilasy hamerina hijery miaraka amin’ny namany ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Nitodika tany aminao i Jason ary nanontany hoe: “Inona avy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy?”

  • Ahoana no hampahafantaranao ireto fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manaraka ireto? (Hevero ny hamerina mijery ireo andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) raha mila fanampiana ianao amin’ny famaliana io fanontaniana io.)

Rafi-tantara: Fizarana 2

Taty aoriana tamin’io herinandro io dia nihaona tao an-tranonao i Jason sy ireo misiônera. Manampy ireo misiônera ianao hampianatra momba ireo fitsipika sy ôrdônansin’ny filazantsara voalohany, anisan’izany ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny batisa asitrika ho famelana ny fahotana. Mampiasa ny Jaona 3:5 ny misiônera mba hampianarana fa ilaina ny batisa amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana mba ho voavonjy ao amin’ny fanjakan’ny lanitra. Nieritreritra an’izany nandritra ny fotoana fohy i Jason, dia toa nalahelo kely. Nanontany ny iray tamin’ireo misiônera ny antony mampalahelo azy, ka namaly i Jason hoe: “Tsy mbola natao batisa mihitsy ny dadabeko, kanefa lehilahy tena tsara izy izay nilaza foana fa te hiaina fiainana tsara mba hahafahany mankany an-danitra. Afaka hankany ve izy?” Manao vavaka mangina ianao, mangataka amin’ny Ray any An-danitra ny fomba ahafahanao manampy an’i Jason. Tonga ao an-tsainao ny hevitra hampiasa ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny 1 Petera 4:6.

2. Vitao ao anatin’ny diary fandalinanao ity manaraka ity:

Manaova drafitra amin’ny fomba ahafahanao mampiasa ireo fitsipika telo amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny 1 Petera 4:6 mba hanampiana an’i Jason hahita ny valin’ny fanontaniany sy hahatsapana fiadanana momba ny dadabeny. Rehefa vita ny drafitra dia manomàna valiny ho an’i Jason. Eritrereto izay fanontaniana apetrakao mba hanampiana azy hahita sy hahatsapa ny fahamarinan’ny fotopampianarana. Ataovy azo antoka ny hampiditra ireo fitsipika telo momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny 1 Petera 4:6 ao amin’ny valinteninao.

Raha ilaina dia azonao atao ny mampiasa ny sasany na ny rehetra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto mba hitarihana anao.

  • Ahoana no ahafahanao manampy an’i Jason hanana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay? Inona no holazainao an’i Jason momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay afaka manome fiadanana azy momba ny dadabeny?

  • Ankoatra ny 1 Petera 4:6, inona avy ireo loharanom-pahalalana voafidin’ Andriamanitra hafa azonao zaraina amin’i Jason mba hanampiana azy hahatsapa fanantenana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy? Ahoana no hampiasanao ireo andinin-tsoratra masina ireo mba hanampiana an’i Jason hahita ilay fahamarinana?

  • Inona no mety ho endriky ny fanaovana asa amim-pinoana eo amin’ny toe-javatra misy an’i Jason? Inona ny zavatra mety hasainao ataony?

  • Inona no zavatra niainanao tamin’ny fanaovana asa atao any amin’ny tempoly na ny tantaram-pianakaviana ho an’ny razambenao izay azonao zaraina amin’i Jason?

  • Inona no hijoroanao ho vavolombelona mba hanampiana ny namanao?

Hamoaka printy