Seminera
1 Petera 3:18–22; 4:1–6


1 Petera 3:18–22; 4:1–6

Ny asa famonjena ho an’ny maty

Olona ao amin’ny fianakaviana any Taiwan mijery alibaoma misy sary fahiny.

Inona no hitranga amin’ireo zanaky ny Ray any An-danitra an-davitrisany maro izay niaina sy maty nefa tsy nanana fahafahana handre ny amin’i Jesoa Kristy na hanaiky ireo ôrdônansy nahazoana lalana amin’ny anarany? Nampianatra ny Apôstôly Petera fa i Jesoa Kristy dia nitory ny filazantsara tany amin’ny tontolon’ny fanahy taorian’ny nahafatesany, ka nahatonga ireo fitahian’ny filazantsara ho azon’ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra. Ity lesona ity dia hanampy anao hikaroka fomba hanampiana ny Mpamonjy amin’ny asany amin’ny fanavotana ny maty.

Fanontaniana maha sadaikatra anankiray

Nilaza toy izao ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sarin’ny Loholona D. Todd Christofferson. Nalaina tamin’ny martsa 2020.

Efa ela ireo teôlôjiana [manam-pahaizana] Kristianina no sahirana tamin’ny famaliana ilay fanontaniana hoe: Inona no hiafaran’ireo olona an-davitrisany maro izay velona dia maty kanefa tsy nahalala na inona na inona ny amin’i Jesoa?

(D. Todd Christofferson, “The Redemption of the Dead and the Testimony of Jesus,” Ensign, nôv. 2000, 9)

  • Inona no mety havalinao ny olona iray izay mametraka io fanontaniana io aminao?

Notohizan’ny Loholona Christofferson izany hoe:

Sarin’ny Loholona D. Todd Christofferson. Nalaina tamin’ny martsa 2020.

Tonga niaraka tamin’ny Famerenana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny ny fahatakarana ny fomba hanavotana ireo olona nodimandry tsy vita batisa sy ny fomba ahafahan’ Andriamanitra ho “Andriamanitra marina, fanaperana, ary ho Andriamanitra feno famindram-po koa” [Almà 42:15].

(D. Todd Christofferson, “The Redemption of the Dead and the Testimony of Jesus,” 9)

Ny Mpamonjy tany amin’ny tontolon’ny fanahy

Na dia naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny fahalalana momba ny famonjena ho an’ny maty, ny Baiboly dia mirakitra andinin-tsoratra masina izay mampiseho amintsika fa ireo fahamarinana ireo dia takatra sy nampianarin’ireo Apôstôly tany am-boalohany. Ohatra, ny Apôstôly Petera dia nampianatra momba ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy ho an’ireo izay maty tsy nahalala ny filazantsara.

Vakio ny 1 Petera 3:18–20; 4:6 hahitana ny zavatra nampianarin’i Petera momba ny fomba nanohizan’i Jesoa Kristy ny asany mba hamonjena ireo zanaky ny Raintsika any An-danitra, na dia taorian’ny nahafatesany aza. Diniho ny tsy mampitovy an’ireo andininy ireo ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith (jereo ny 1 Petera 3:20, Dikantenin’i Joseph Smith—Tovana, sy ny 1 Petera 4:6, Dikantenin’i Joseph Smith—Tovana).

Sary famantarana ny fifehezana fotopampianarana (manga). Sarina boky misokatra ny sary.Ny 1 Petera 4:6 dia andin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana.

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo anao momba ny asa fanompoan’ny Mpamonjy tany amin’ny tontolon’ny fanahy?

  • Araka ny 1 Petera 4:6, nahoana no torina amin’ireo maty ny filazantsara?

  • Amin’ny fomba ahoana no anehoan’ny fotopampianaran’ny famonjena ny maty ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny famindram-pony ho an’ireo zanany?

Fanambarana maoderina momba ny tontolon’ny fanahy

Ny fanambarana maoderina dia afaka manampy antsika hianatra kokoa momba ny zavatra nataon’ny Mpamonjy fony Izy tao amin’ny tontolon’ny fanahy.

Sarin’i Joseph F. Smith

Rehefa namaky sy nisaintsaina ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny 1 Petera ireo ny Filoha Joseph F. Smith (1838–1918) dia nahazo fahitana momba ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teo anivon’ny maty izy. Izany fanambarana izany dia voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138 ary ahitana antsipiriany izay tsy fantatry ny mpikamban’ny Fiangonana teo aloha. Azonao atao ny manoratra andinin-tsoratra masina mifandray na mampifandray ny 1 Petera 4:6 amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138 ao amin’ny soratra masinao.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:29–34, 57–58 ary tadiavo ireo hevi-baovao fanampiny momba ny asa fanompoan’ny Mpamonjy tany amin’ny tontolon’ny fanahy.

Manoratra amin’ny penina na penisilihazo eo amina sombin-taratasy. 1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nianaranao avy amin’ny fandalinanao ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138 izay tsapanao fa manan-danja manokana? Nahoana?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny zava-mitranga any amin’ny tontolon’ny fanahy miantraika amin’ny zavatra iainanao amin’ny fanaovana asan’ny tempoly sy tantaram-pianakaviana?

  • Inona amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo no manaporofo ny fitiavan’i Jesoa Kristy sy ny famindram-pony?

Ny andraikitsika

Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia niresaka momba ny andraikitsika amin’ny fanampiana ny Mpamonjy amin’ny asa fanavotana ny maty. Azonao atao ny mijery ilay horonan-tsary “Tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly: Famehezana sy fanasitranana,” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny mari-potoana 3:01 ka hatramin’ny 3:47, na mamaky ity teny nambara manaraka ity:

2:3

Tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly: Famehezana sy fanasitranana

Mampianatra ny Loholona Renlund fa rehefa manao asa momba ny tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly ho an’ireo razambentsika isika, dia mandrotsaka fitahiana amin’ny lafy roan’ny voaly Andriamanitra.

Sary ôfisialin’ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, janoary 2016.

Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia manana andraikitra masina isika hikaroka ireo razambentsika ary hanangona tantaram-pianakaviana. Mihoatra lavitra noho ny fialamboly izay anentanana antsika izany, satria ireo ôrdônansin’ny famonjena dia ilain’ny zanak’ Andriamanitra rehetra. Isika dia tokony hamantatra ireo razambentsika izay maty nefa tsy nandray ireo ôrdônansin’ny famonjena. Afaka manatontosa ireo ôrdônansy isoloana tena any amin’ny tempoly isika, ary afaka misafidy ny hanaiky izany ôrdônansy izany ireo razambentsika. Amporisihina koa isika hanampy ireo mpikambana ao amin’ny paroasy sy tsatòka misy antsika amin’ny anaran’ireo fianakavian’izy ireo. Tena mahavariana sy mampientanentana tokoa fa, amin’ny alalan’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly dia afaka manampy amin’ny fanavotana ireo maty isika.

(Dale G. Renlund, “Tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly: Famehezana sy fanasitranana,” Liahona, mey 2018, 46–47)

  • Inona no fiantraikan’ny fandraisana anjara amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly eo amin’ny fiainanao na ny fiainan’ny hafa? Raha mbola tsy nandray anjara tamin’izany ianao, araka ny hevitrao, inona no mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny fiainanao?

Makà fotoana dieny izao mba handraisana anjara na hianarana kokoa momba ny asa famonjena ho an’ny maty. Miankina amin’ny fotoana sy ny loharanom-pitaovana misy ao amin’ny faritra misy anao sy ny fiteninao, dia misafidiana iray na maromaro amin’ireto safidy manaraka ireto ho an’ity sahanasa ity:

  • Tsidiho ny FamilySearch.org na ampiasao ny application Family Tree an’ny FamilySearch. Jereo raha afaka mahita ny anaran’ireo razambe izay mbola mila mandray ireo ôrdônansin’ny fisoronana ianao. Azonao atao ny mitahiry ireo anarana ireo ary mitondra azy ireo any amin’ny tempoly na manolotra ireo anarana any amin’ny tempoly mba hahafahan’olon-kafa manatanteraka ireo ôrdônansy ho azy ireo. Ilay endri-javatra hoe Ôrdônansy Vonona dia azo ampiasaina mba hanampiana anao hamantatra haingana ireo razambe izay mila ôrdônansin’ny fisoronana. (Mba hahazoana torolalana amin’ny fomba fampiasa io endri-javatra io dia jereo ny “Family Tree App: Ordinances Ready,” New Era, jan. 2019, 45.)

  • Tsidiho ny fizarana “Histoire familiale” ao amin’ny Sujet de l’Évangile (topics.ChurchofJesusChrist.org) mba hahitana fanazavana, soratra masina, hafatry ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ary horonan-tsary momba ny tantaram-pianakaviana.

  • Tsidiho ny “Histoire familiale” ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile (videos.ChurchofJesusChrist.org) mba hahitana ireo horonan-tsary manentana ny fanahy mikasika ny fandraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana.

  • Manaova lisitra fanontaniana momba ny razambenao izay azonao apetraka amin’ny ray aman-dreninao na amin’ny havanao hafa. Apetraho amin’ny fotoana maha-mety izany ny fanontanianao ary mifanakaloza hevitra ny amin’ny fomba ahafahan’ny fianakavianao mandray anjara miaraka amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana.

Farito eo amin’ny malalaka etsy ambany hoe inona ny safidy nofidinao sy ny zavatra nianaranao na tsapanao rehefa nanao ity sahanasa ity ianao.

sary famantarana ny diary2. Farito ao anatin’ny diary fandalinanao ny safidy nofidinao sy ny zavatra nianaranao na tsapanao rehefa nanao ity sahanasa ity ianao.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Inona no andraikitro amin’ireo razambeko efa nodimandry?

Nampianatra ny Loholona Quentin L. Cook avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

16:23

Faka sy Sampana

Nampianatra ny maha-zava-dehibe ny fanafainganana ny fanaovana ny tantaran’ny fianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly amin’izao androntsika izao i Quentin L. Cook, ka tafiditra ao anatin’izany ny fampiasana teknôlôjia maoderina.

Sary ôfisialin’ny Loholona Quentin L. Cook. Nantsoina ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny 06 ôktôbra 2007.

Mazava tsara ny fotopampianarana momba ny fianakaviana izay mifandray amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly. Ny Tompo tao amin’ny torolalana fanambarana voalohany dia niresaka momba ny “batisa ho an’ny maty eo aminnareo” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 127:5; nampiana fanamafisana]. Ny andraikitsika araka ny fotopampianarana dia miompana amin’ireo razambentsika manokana. Ny anton’izany dia satria ny lamina selestialy any an-danitra dia mifototra amin’ny fianakaviana. Ny Fiadidiana Voalohany dia namporisika ireo mpikamban’ny Fiangonana, indrindra fa ireo zatovo sy ireo tanora tokan-tena, mba hanome lanja manokana ny asa fanaovana ny tantaram-pianakaviana sy ireo ôrdônansy ho an’ireo anaran’ny fianakavian’izy ireo manokana na ho an’ny anaran’ireo razamben’ny mpikambana ao amin’ny paroasiny sy ny tsatòkany. Mila sady mifandray amin’ny faka nipoirantsika isika no mifandray amin’ny sampana mipoitra avy amintsika.

(Quentin L. Cook, “Faka sy sampana,” Liahona, mey 2014, 45)

Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) hoe:

Sary ôfisialin’ny Filoha Thomas S. Monson, 2008.

Araka ny fahalalako azy, ny Tompo dia tsy mbola nilaza mihitsy fa voafetra ho amin’ity fiainana ity ihany ny asany. Raha ny marimarina kokoa dia mahafaoka ny mandrakizay ny asany. Mino aho fa manafaingana ny asany ao amin’ny tontolon’ny fanahy Izy. Mino ihany koa aho fa manomana fanahy maro ny Tompo, amin’ny alalan’ireo mpanompony ao amin’ny tontolon’ny fanahy, mba handray ny filazantsara. Ny asantsika dia ny mikaroka ny maty, ary avy eo dia mankany amin’ny tempoly sy manatanteraka ireo ôrdônansy masina izay hitondra ny tombontsoa ananantsika ho any amin’ireo izay any ampitan’ny voaly. …

Ry rahalahiko sy anabaviko, mijoro ho vavolombelona aho fa hitahy antsika ny Tompo rehefa manaiky sy manatanteraka ity andraikitra sarotra ity isika.

(Thomas S. Monson, “Hastening the Work,” Ensign, jona 2014, 4–5)

Ahoana no fomba ahafahako mandray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana?

Mba hahitana ny zavatra ampianarin’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifolo momba io asa lehibe io dia jereo ny “The Time Is Now” (3:19), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

2:3

The Time Is Now

Elder Bednar and youth talk about doing family history research and the importance of engaging in the work of the temple.

Nanambara ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Sary ôfisialin’ny Filoha Russell M. Nelson nalaina tamin’ny janoary 2018

Isaky ny manao zavatra izay hanampy olona—amin’ny andanin’ny voaly anankiroa ianao, hanao dingana—mitondra any amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy handray ireo ôrdônansin’ny batisa sy ny tempoly manan-danja, dia manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely izay ianao. Tena tsotra tahaka izany ilay izy.

(Russell M. Nelson sy Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 03 jona 2018], fanampin’ny New Era sy ny Ensign, 15 ChurchofJesusChrist.org)

Ahoana no ahafahan’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana mitahy ahy?

Tao amin’ny hafatry ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 2018, ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nitanisa ireo fitahiana maro azontsika raisina avy amin’ny fandraisana anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana. Jereo ity ampahany ity na vakio ny hafatra iray manontolo (Dale G. Renlund, “Tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly: Famehezana sy fanasitranana,” Liahona, mey 2018, 46–49).

2:3

Tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly: Famehezana sy fanasitranana

Mampianatra ny Loholona Renlund fa rehefa manao asa momba ny tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly ho an’ireo razambentsika isika, dia mandrotsaka fitahiana amin’ny lafy roan’ny voaly Andriamanitra.

Vakio ny “Redeeming the Dead Redeemed Me” (4:57), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, mba hahitana ny fomba nitahiana ny lehilahy iray tamin’ny alalan’ny firotsahana tamin’io asa io.

2:3

Redeeming the Dead Redeemed Me

Stephen Jezek was able to feel the Spirit again, overcome addictions, and get baptized because of his experience indexing. Learn how family history can increase personal righteousness in your ward and stake.