Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Jakoba 1:5–6


Fifehezana fotopampianarana: Jakoba 1:5–6

“Mangataha amin’ Andriamanitra”

Sary
I Joseph Smith Zanany tao amin’ilay Ala Kely Masina (ao Manchester, New York) nandritra ny nandraisany ny Fahitana Voalohany. I Joseph Smith aseho an-tsary teo am-pandohalihana teo anatrehan’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy. Naseho an-tsary samy manao akanjo lava fotsy Andriamanitra Ray sy i Kristy. Mampahafantatra an’i Kristy amin’i Joseph ny Ray: Misy hazo ao ambadika. (Joseph Smith - Tantara 1:15–20)

Tao amin’ny lesona teo aloha, “Jakoba 1,” dia nianatra ianao fa manome antsika fahendrena Andriamanitra raha mangataka Aminy amim-pinoana isika. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Jakoba 1:5–6, sy hanaza ny fotopampianarana, ary hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy eo amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Ianaro tsianjery sy hazavao

Alaovy sary an-tsaina hoe sahirana ny namana iray handray fanapahan-kevitra lehibe eo amin’ny fiainany. Fantatrao fa io namana io dia tsy nino fa afaka miresaka mivantana amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka isika.

Tsarovy fa tamin’ny lesona teo aloha dia nandalina ity fahamarinana manaraka ity ianao tao amin’ny Jakoba 1:5–6: Hanome antsika fahendrena Andriamanitra raha mangataka Aminy amim-pinoana isika.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ity fanontaniana manaraka ity:

  • Ahoana no ahafahanao mampiasa ny Jakoba 1:5–6 hanazavana ny fifandraisana izay anasan’ny Ray any An-danitra antsika mba hananantsika Aminy? (Mety hanampy ny mampiditra ohatra amin’ireo fanontaniana mety hapetraky ny olona iray na fahendrena izay mety hokatsahin’izy ireo amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka, ary koa ireo zavatra niainana manokana na ohatra ao amin’ny soratra masina.)

Ny fahafahanao mahita sy manazava ity andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia afaka manampy anao rehefa mizara ny filazantsara amin’ny hafa mandritra ny fiainanao ianao. Mba hanampiana anao hametraka ity andinin-tsoratra masina ity mba ho tadidy dia jereo ny sarin’ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith any am-piandohan’ny lesona no sady avereno imbetsaka araka izay vitanao ao anatin’ny iray minitra ity andian-teny manan-danja manaraka ity: “Raha misy aminareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra” (Jakoba 1:5–6).

Fizàrana mampihatra

Sary
I Joseph Smith tovolahy mipetraka eo amin’ny seza iray mamaky ny baiboly.

I Joseph Smith dia iray amin’ireo ohatra maro ao amin’ny soratra masina momba ny olona izay nahazo fitahiana tamin’ny fanarahana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Ho an’ity fizàrana mampihatra manaraka ity dia handalina ohatra iray momba ny fomba nampiharany ireo fitsipika ireo teo amin’ny fiainany ianao. Mialoha ny hanombohanao izany, dia makà fotoana fohy hamerenana mijery ireo fitsipika ao amin’ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny “Mahazo fahalalana ara-panahy izay hita ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022).

  • Eritrereto ny zavatra efa fantatrao momba ny zavatra niainan’i Joseph Smith. Inona no fanontaniana nananan’i Joseph? (Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:8–10.)

  • Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny mikatsaka valiny avy amin’ Andriamanitra ho an’ireo fanontaniantsika manokana tahaka ny nataon’i Joseph Smith?

Eritrereto izay fanontaniana anananao na fahendrena tadiavinao. Rehefa mamita ity sahanasa manaraka ity ianao dia eritrereto ny fomba ahafahan’ny ohatra nasehon’i Joseph amin’ny fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manampy anao amin’ny toe-javatra izay mitaky fahendrena avy amin’ Andriamanitra.

Halalino ny Joseph Smith—Tantara 1:8, 11–17, ary asio marika ny andian-teny tsirairay izay mampiseho ny fomba nanarahan’i Joseph ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy tamin’izy mbola zatovo. Na dia mety efa mahazatra anao aza ny tantarany dia tadiavo ny antsipiriany ao amin’ireo andininy ireo izay manambara ny fanirian’i Joseph sy ny toe-tsainy ary ny finoany mihoatra noho izay mety ho tsikaritrao teo aloha.

  • Inona no ohatra hitanao momba an’i Joseph nanao zavatra tamim-pinoana, nihazona fomba fijery mibanjina ny mandrakizay, ary nampiasa loharano notendren’ Andriamanitra?

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao farafahakeliny ny efatra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana izay nofinidin’ Andriamanitra

  • Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe tamin’i Joseph Smith ny nikatsaka mivantana ny valin’ireo fanontaniany tamin’ Andriamanitra?

  • Inona no ninoan’i Joseph fa hitranga raha tsy manatona an’ Andriamanitra izy mba hitady valiny? (Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:13.)

  • Ankoatra ny vavaka, ahoana koa no ahafahanao mikatsaka valiny avy amin’ Andriamanitra?

Fakafakao ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Inona araka ny hevitrao no fantatr’i Joseph momba an’ Andriamanitra ka nanome azy fahatokiana mba hangataka valiny mivantana Aminy?

  • Rehefa tsy tonga haingana ny valin’ireo fanontanianao dia amin’ny fomba ahoana no manampy ny fahatakarana ny fomba hanambaran’ny Ray any An-danitra ny fahamarinana amin’ireo zanany?

  • Nahoana i Satana no te hanakana an’i Joseph—sy anao—tsy hivavaka amin’ Andriamanitra mba hahazoana valiny?

Manao asa amim-pinoana

  • Ahoana no nanehoan’i Joseph Smith ny “[mangataka] amin’ny finoana, tsy miahanahana” (Jakoba 1:6), na dia niezaka nisakana azy tsy hivavaka aza i Satana? (Jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:15–16.)

  • Ahoana no ahafahan’ny ohatra nasehon’i Joseph manampy anao amin’ny fanontanianao sy ny ahiahinao? Manaova drafitra manokana momba ny fomba hiasanao am-pinoana.

Hamoaka printy