Seminera
Jakoba 2


Jakoba 2

“Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy”

Sary
Youth doing a service project in Australia

Mety hisy fahasamihafana ve eo amin’ny olona iray izay milaza fa mino an’i Jesoa Kristy sy ny olona iray izay mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy? I Jakoba dia nanolotra fanavahana manan-danja hoe ny finoana marina an’i Jesoa Kristy dia tsy hita taratra fotsiny amin’ny zavatra izay eritreretin’ny olona iray na lazainy, fa amin’ny zavatra ataony ihany koa. Ity lesona ity dia hamela anao hamakafaka ny fomba ahafahanao mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy kokoa amin’ny alalan’ny fanaovana asa amim-pahamarinana.

Fandraisana fitahiana—toy ny fandrehetana afo

Mitady fitahiana na valim-bavaka avy amin’ny Ray any An-danitra ve ianao? Mety hanampy ny mampitaha ny fizotry ny fikatsahana ireo fitahiana ireo amin’ny fandrehetana afo mba hahazoana hazavana sy hafanana.

  • Inona avy ireo dingana tokony hataonao raha handrehitra afo?

  • Inona no maha zava-dehibe ny fampirehetana afokasoka anankiray?

Vakio ity teny izay nataon’ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity mba hianarana ny maha toy ny fandrehetana afo ny fandraisana fitahiana. Azonao atao ihany koa ny mijery ny “Abound with Blessings,” izay azo jerena ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny mari-potoana 1:02 ka hatramin’ny 3:27.

Finoana an’i Jesoa Kristy

I Jakoba dia nampiasa fanoharana hafa mba hampianarana antsika ny maha zava-dehibe ny fanaovana asa mifototra amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Vakio ny Jakoba 2:14–16 , ary ezaho alaina sary an-tsaina ny mety ho eritreritrao raha mahita an’io toe-javatra io ianao. (Ny teny hoe “mitanjaka” ao amin’ny andininy 15 dia midika hoe ratsy akanjo.)

  • Inona no zavatra ianaranao avy amin’ny fanoharana nataon’i Jakoba?

Vakio ny Jakoba 2:17–18, 26 (jereo ihany koa ny Jakoba 1:22) ary tadiavo ny fahamarinana iray nasehon’i Jakoba tamin’ny alalan’io fanoharana io.

  • Ahoana no azonao hamintinana ny zavatra izay nampianarin’i Jakoba?

Ohatra amin’ny fanaovana asa amim-pinoana

Mety hanentana ny fanahy ny mieritreritra ohatra momba ireo izay manao zavatra araka ny finoany an’i Jesoa Kristy. Vakio ny Jakoba 2:21–25 , ary mitadiava ohatra momba ireo olona izay nanao asa tamim-pinoana tao amin’ny Testamenta Taloha.

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Iza no olona azonao eritreretina, na avy amin’ny fiainanao izany na avy amin’ny soratra masina, izay maneho ny fampiharana ny finoana an’i Jesoa Kristy? Inona no ianaranao avy amin’io ohatra io?

  • Amin’ny lafiny inona anankiray no maha ohatra amin’ny fanaovana asa am-pahamarinana an’i Jesoa Kristy? Ahoana no hanampian’ny asa am-pahamarinana ataontsika antsika ho tonga tahaka Azy kokoa?

Manokatra fitahiana amin’ny alalan’ny fanaovana asa am-pinoana nentanim-panahy

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanome izao fanamby manaraka izao mikasika ny finoantsika sy ny asa ataontsika:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Mitaky ezaka ny fahombiazana amin’ny zava-drehetra. Tsy maningana amin’izany ny fahalasana ho mpianatra marina an’i Jesoa Kristy. Mitaky ezaka ny fampitomboana ny finoanao sy ny fahatokianao Azy. …

…Inona no hataonao raha toa ka nanam-pinoana bebe kokoa ianao? Saintsaino izany. Soraty. Ary avy eo dia mandraisa finoana misimisy kokoa amin’ny alalan’ny fanaovana zavatra izay mitaky finoana bebe kokoa .

(Russell M. Nelson, “Nitsangana i Kristy; hamindra tendrombohitra ny finoana Azy,” Liahona, 2021, 103)

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no hataonao raha toa ka nanam-pinoana bebe kokoa ianao?

  • Inona avy ireo dingana azonao atao mba hanaovana asa mifanaraka amin’ny fahatsapana anananao?

Makà iray minitra hanombohana mampihatra ireo zavatra tsapanao. Ohatra, miankina amin’izay heverinao fa tokony hatao, ianao dia afaka mandefa hafatra an-tsoratra, manolotra vavaka, mametraka fampahatsiahivana ao amin’ny kalandrie, na manomana izay zavatra hataonao manaraka.

Moa ve ny fampianarana sy ny asa izay nataon’i Jakoba momba ny finoana nanohitra ny fampianaran’i Paoly?

Raha ny sahan-kevitry ny Jakoba 2:14 dia nampiasain’i Jakoba tamin’ny heviny hafa izay tsy nitovy tamin’ny nampiasan’i Paoly Apôstôly izany ilay teny hoe asa. Rehefa nampiasa ny teny hoe asa i Paoly, dia niresaka voalohany indrindra momba ny asa ao amin’ny lalàn’i Mosesy (jereo ny Romana 3:27–31 sy ny Galatiana 2:15–16). Rehefa nampiasa ny teny hoe asa i Jakoba, dia ireo asa feno fanolorantena na ireo asan’ny fahamarinana no tiany hambara.

Ny finoana tsy arahin’asa dia maty, fa ahoana kosa ny asa tsy misy finoana?

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

Ny finoana marina dia mifantoka amin’i Jesoa Kristy Tompo sy ny momba Azy ary mitarika foana any amin’ny fanaovana asa tsara. … Ny fanaovana asa fotsiny dia tsy finoana ny Mpamonjy, fa ny fanaovana zavatra mifanaraka amin’ireo fitsipika marina no singa fototry ny finoana.

(David A. Bednar, “Ask in Faith,” Ensign na Liahona, May 2008, 95)

Hamoaka printy