Seminera
Efesiana 5:21–33; 6:1–4


Efesiana 5:21–33; 6:1–4

Fifandraisana tahaka ny an’ Kristy

Sary
Fianakaviana miara-miriaria eo an-tokotany anoloan’ny Tempolin’i Oakland.

Ny fifandraisan’ny mpianakavy no anisan’ny zavatra mahasoa indrindra azontsika iainana amin’ny fiainana eto an-tany. Ny fifandraisana eo amin’ny ray aman-dreny, ny mpiray tampo ary ny mpivady dia afaka mitondra fifaliana lehibe kanefa mety hiteraka fanamby ihany koa. Nampianatra i Paoly fa afaka mandray an’i Jesoa Kristy ho ohatra amin’ny fifandraisana milamina sy sambatra amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana isika. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanaraka ny ohatra izay nasehon’ny Mpamonjy mba hanatsaranao ny fifandraisanao amin’ny hafa.

Ny fianakavianao

Soraty ny anaran’ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay tena akaiky anao sy zavatra anankiray izay mahafinaritra anao amin’izy ireo tsirairay avy.

Eritrereto ity fanambarana ity ho an’ny olona ao amin’ny fianakaviana tsirairay avy: “Entiko amin’ny fomba izay tsapako fa tian’ny Mpamonjy hitondrako azy ireo ity olona ao amin’ny fianakaviana ity.” Avy eo dia omeo naoty ny fomba fitondranao ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana amin’ny alalan’ny fampiasana ity mari-pandrefesana manaraka ity.

Sary
Testamenta Vaovao: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra Seminera (2023)

Rehefa mandalina ianao androany dia eritrereto ireo fifandraisana misy eo aminao sy ireo olona ao amin’ny fianakavianao ary ny fomba ahafahanao manaraka ny ohatry ny Mpamonjy momba ny tokony hitiavana sy hanampiana azy ireo.

Nanome torohevitra momba ny fifandraisana misy eo amin’ny fianakaviana i Paoly

Zava-dehibe ny manamarika fa ny tenin’i Paoly ao amin’ny Efesiana 5:22–24 dia nosoratana tao anatin’ny sahan-kevitry ny fomba fanao teo amin’ny fiarahamonina tamin’ny fotoan’androny. Ireo mpaminany sy apôstôly ankehitriny dia mampianatra fa ny lehilahy dia tsy ambony kokoa noho ny vehivavy ary ny mpivady dia tokony ho “mpiara-miasa mitovy lenta (“Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org). Na dia hafa aza ny fomba amam-panao tamin’ny andron’i Paoly, dia mbola afaka mandray torohevitra manan-danja tsara avy ao amin’ireo fampianaran’i Paoly ianao. Fahamarinana iray izay namafisin’i Paoly ny hoe isika dia afaka manaraka ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny fomba izay itondrantsika ny olona ao amin’ny fianakaviantsika.

Vakio ny Efesiana 5:21–27; 6:1–4, mba hitadiavana ny porofon’izany fahamarinana izany. Rehefa mandalina ianao, dia mety hanampy ny mahafantatra fa ny hoe “mifanaiky” (Efesiana 5:21) dia entina ilazana ny fahavononana hiara-hiasa sy hifankatia ary hifampitsinjo, ary ny hoe “fahatahorana an’i Kristy” (Efesiana 5:21) dia midika hoe fitiavana sy fanajana an’ Andriamanitra.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo fomba izay nanehoan’ny Mpamonjy ny fitiavany ny Fiangonana sy nanolorany ny tenany ho azy?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahafantaranao fa nanolotra ny tenany ho an’ny Fiangonana Kristy no mitondra fahatsapanao Azy?

  • Inona ny zavatra izay tokony ho tsapan’ny lehilahy amin’ny vadiny raha toa ka manaraka ny ohatra izay nasehon’ny Mpamonjy momba ny zavatra izay tsapany amin’ny Fiangonany Izy?

  • Inona no torohevitra nomen’i Paoly izay sady azo ampiharina amin’ny lehilahy no azo ampiharina amin’ny vadiny ihany koa? na ampiharina amin’ny olona hafa ao amin’ny fianakaviana?

  • Inona ny zavatra izay azonao atao ankehitriny mba hahafahanao hiomana amin’ny fomba izay tokony hitondranao ny vadinao araka izay itiavan’ny Mpamonjy hitondrana azy?

  • Ahoana no ahafahan’ny fankatoavana sy ny fanajanao ny ray aman-dreninao manampy anao ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa?

Jereo ireto sary manaraka ireto ary ampifanaraho amin’ireto tantara ao amin’ny soratra masina ireto izany: Lioka 2:51–52, Jaona 2:1–11, ary Lioka 22:39–42. Eritrereto hoe ahoana no mahatonga ny Mpamonjy ho ohatra tamin’ny fitiavany sy fankatoavany ary ny fanajany ny ray aman-dreniny teto an-tany sy any an-danitra.

Sary
Hoy i Jesoa tamin-dreniny: “Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ny [eto amin’ny raharahan’ny] Raiko Aho?”
Sary
I Jesoa niresaka amin’i Maria mandritra ana fety fampakaram-bady.
Sary
I Kristy mandohalika ao Getsemane. Ny andian-tsary nalaina dia ahitana ny avy ao an-damosin’ny Mpamonjy aseho ary Izy kosa mandohalika ao anaty bozaka lava; sarin’ny tarehiny nalaina akaiky izay ahitana soritra tahotra; sary nalaina avy lavitra ka misy rà eo amin’ny tarehiny sy ny tànany ary manamorina renirano Izy; misy anjely iray mampionona azy; sariny mioririna ary anjely manjelanjelatra manatona an’i Kristy izay mitampify eo amin’ny tany.
  • Ahoana ny fomba izay nitiavan’ny Mpamonjy sy nankatoavany ary nanajany ny ray aman-dreniny? Inona araka ny hevitrao no fiantraikan’ny zavatra izay nataony teo amin’ny fifandraisany tamin’ireo ray aman-dreniny?

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany izay ataonao mba hanajana sy hankatoavanao ireo ray aman-dreninao?

  • Nitahy anao tamin’ny fomba ahoana ny ohatr’i Kristy, ary ahona ny fomba nanampian’izany anao hanamafy orina ny fifandraisana eo amin’ny fianakavianao, na ahoana no fieritreretanao izany?

Manaova fanazaran-tena ho tahaka ny Mpamonjy

2. Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity.

Manorata oha-pifandraisana misy eo amin’ny zatovo anankiray sy ny olona iray ao amin’ny fianakaviany izay mety hampananosarotra ny fitondrana ilay olona ao amin’ny fianakaviana araka izay itiavan’ny Mpamonjy hitondrana azy. Rehefa avy namorona ilay fifandraisana ianao, dia soraty ny mety ho fihetsiky ny Mpamonjy manoloana izany sy ny antony nanaovany izany araka ny fiheveranao azy. Tsarovy ny zavatra izay tsapan’ny Mpamonjy sy ny zavatra nataony tamin’ireo hafa.

Ireo ohatra izay mety ho tafiditra anatin’izany:

  • Kianin’ny ray amandreny ny fomba fandanian’ny zanany ny fotoana malalaka ananan’izy ireo.

  • Maka tsy miera ny zavatry ny zoky ny zandry sady mandainga mikasika izany.

Manaraha ny ohatra izay nasehon’ny Mpamonjy

Saintsaino ny fomba fifandraisanao amin’ireo olona ao amin’ny fianakavianao. Eritrereto ireo fotoana izay nanarahanao ny ohatra izay nasehon’ny Mpamonjy sy nitondranao ny hafa tahaka ny fomba izay nitondran’i Kristy azy ireo. Avelao ihany koa ny Fanahy Masina hanampy anao hahafantatra ny zavatra izay azonao atao mba hanarahana ny ohatra izay nasehon’ny Mpamonjy momba ny fitiavana ny hafa.

Soraty ny zavatra izay tsapanao fa tokony ho nataonao mba hitarafana ny Mpamonjy eo amin’ny fifandraisana misy eo amin’ny fianakavianao. Hevero ny hizara ny zavatra izay nosoratanao tamin’ny mpampianatrao na tamin’ny ray aman-dreninao izay manampy anao hanaraka ny zavatra tsapanao fa tokony hatao.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Efesiana 5:22–24. Inona ny zavatra izay mila takatsika avy amin’ny fampianarana nataon’i Paoly ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

I Paoly dia nampianatra fa ny mpikambana ao amin’ny Fiangonana rehetra dia tokony hifanaiky, na koa hoe, hametraka ny hafa ho eo alohany hatrany (jereo ny Efesiana 5:21). Rehefa avy eo izy dia nanazava ny fomba fampiharana ny fitsipiky ny fifanekena eo amin’ny fifandraisan’ny fianakaviana sy ny tokantrano. Ny andininy 22–24 dia mora azo amin’ny heviny diso sady mora ampiharina amin’ny fomba tsy mety amin’izao androntsika izao. Ireo mpaminanin’ny andro farany dia nampianatra mazava tsara fa ny mpivady sy ny ray aman-dreny dia tokony hanatanteraka ny adidiny masina amin’ny maha-“mpiara-miasa mitovy lenta” azy ireo (“Ny fianakaviana: fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org). Raha tena miray saina tokoa ny mpivady, dia tsy azo ihodivirana fa mitondra fitahiana ho an’ny tena ny fahafoizan-tena rehetra ho an’ny vady; noho izany , “izay tia ny vadiny dia tia ny tenany” (Efesiana 5:28).

Ahoana ny fomba hitondran’ny lehilahy na ny vehivavy ny vadiny tahaka izay itiavan’ny Mpamonjy hitondrana azy ireo?

Ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008) dia nilaza fa:

Sary
Sarin’ny tapany ambonin’ny Filoha Gordon B. Hinckley izay manatrika. Miankina eo amin’ny lamosin’ny seza ireo tanan’ny Filoha Hinckley. Io sary io no sary tapaka ôfisialy nalain’ny Fiangonana ho an’ny Filoha Hinckley tamin’ny 1995. Io no sary tapaka ôfisialy farany an’ny Filoha Hinckley. Maty tamin’ny 27 janoary 2008 ny Filoha Hinckley.

Ny fahasambarana ao amin’ny fanambadiana dia tsy dia resaka tantaram-pitiavana loatra fa ny fieritreretana mafy izay hahasoa sy hahatsara ny namanao. Na iza na iza lehilahy hanao lohalaharana ny fahasambaran’ny vadiny dia hijanona ho tia azy mandritra ny androm-piainany sy mandrakizay hatrany izy. (Anchorage, Alaska, fihaonambe isam-paritra, 18 Jona 1995)

(“Speaking Today: Excerpts from Recent Addresses of President Gordon B. Hinckley,” Ensign, Apr. 1996, 72)

Ny Loholona L. Whitney Clayton ao aminʼny Kôlejin’ny Fitopololahy dia nilaza fa:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona L. Whitney Clayton. Sary nalaina tamin’ny martsa 2017.

Voalohany dia tsikaritro fa samy mandray ny fifandraisan’izy ireo ho toy ny vatosoa tsy voavidim-bola sy harena tsy hay sandaina avokoa ireo mpivady ao anatin’ny fanambadiana feno fifaliana. Samy nandao ny rainy sy ny reniny izy ireo ary niara-nipetraka mba hanorina fanambadiana izay hiroborobo mandrakizay. Takatr’izy ireo fa mandeha amin’ny lalana voatendrin’ Andriamanitra izy ireo. Fantany fa tsy misy karazana fifandraisana hafa afaka mitondra fifaliana lehibe toy izany, sy hiteraka zavatra tsara betsaka toy izany, na mamokatra fahatsaran’ny tena manokana lehibe toy izany. Mijere ary mianàra: mandray ny fanambadiany ho toy ny tsy voavidim-bola ny mpivady tsara indrindra.

(L. Whitney Clayton, Ny Fanambadiana: Mijere ary mianàra,” Liahona, mey 2013, 83)

Inona ny zavatra azoko atao mba hanamafisana ny fifandraisana izay misy eo amin’ny fianakaviako?

“Hajao ny ray aman-dreninao amin’ny alalan’ny fanehoana fitiavana sy fanajana azy ireo. Ankatoavy izy ireo rehefa mitarika anao mankany amin’ny fahamarinana. Ampio an-tsitrapo ny ao an-tranonao. Mandraisa anjara amin’ny fiaraha-mientana sy fomba amam-panao izay mety hahasoa ny fianakaviana. Miaraha amin’ny fianakavianao amin’ny vavaky ny mpianakavy, ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina ary amin’ny takarivan’ny mpianakavy. Ny fitandremana ireo didy ireo dia manamafy sy mampiray ny fianakaviana” (For the Strength of Youth [Ho zatovo mahery!] [kiboky, 2011], 14–15).

Azonao atao ny mamaky ity lahatsoratra izay manolotra fomba fanorenana sy fanamafisam-pifandraisana manaraka ity: “Building Meaningful Relationships [Fitsipiky ny fanompoana: Fanorenana fifandraisana mafy orina],” Ensign, Aug. 2018, 6–9.

Hevero ny hijery ity horonan-tsary manaraka ity, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, ary mampiseho ohatra momba ny olona izay miezaka manaraka ny ohatra izay asehon’ny Mpamonjy mikasika ny fomba izay itondrany ny hafa.

Ao amin’ilay horonan-tsary hoe: “You Are My Hands [Vous êtes mes mains]” (manomboka eo amin’ny mari-potoana 10:26 ka hatramin’ny 12:39), ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia niresaka momba ny fomba ahafahantsika lasa ho tanan’ny Mpamonjy.

Ao amin’ny “L’amour durable” (4:16), ny mpivady iray dia mifankatia sy mifanompo na dia tsy maintsy niharitra fahoriana ara-batana nahaosa aza izy ireo.

Ao amin’ny “Le foyer et la famille - Par de petites choses” (3:33), ny eveka iray dia manome fanamby zatovo telo mba hianatra ireo zavatra takina mba hahatonga ny tokantrano ho fitoerana masina.

Ao amin’ny “Mères et filles” (5:06), ireo zatovovavy ao Alberta, Canada, dia miresaka momba ny antony maha olona faka tahaka tsara aoka izany ho azy ireo ny renin’izy ireo.

Ao amin’ny “Pères et Fils” (6:02), ny zatovolahy iray dia mizara momba ireo zavatra nataony mba hampivoatra ny fifandraisany tamin’ny rainy.

Hamoaka printy