Seminera
Teny fanolorana ny fifehezana fotopampianarana


Teny fanolorana ny fifehezana fotopampianarana

Ny tanjon’ny Fifehezana fotopampianarana

Sary
Zatovolahy mandalina ny soratra masina

Ity lesona ity dia hampahafantatra anao ny fifehezana fotopampianarana sy ny fomba ahafahan’izany mitahy ny fiainanao sy manampy anao hanorina ny fototrao ara-panahy eo amin’i Jesoa Kristy.

Manorina fototra eo amin’i Jesoa Kristy

Sary
rambondanitra

Nampitandrina ny amin’ny tadio ara-panahy ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

Mampiahiahy kokoa noho ireo horohoron-tany sy ady [amin’ny andro farany] izay naminaniana ireo tadio ara-panahy izay mety hanaisotra anao amin’ireo fototra ara-panahy hiorenanao ka hametraka ny fanahinao amin’ny toerana tsy mbola neritreretinao mihitsy hoe hahatongavanao, indraindray zara raha tsikaritrao akory hoe nafindra ianao.

(Neil L. Andersen, “Tadio ara-panahy,” Liahona, mey 2014, 18)

  • Inona avy ireo tadio ara-panahy izay miezaka manongotra antsika amin’ny fototra ara-panahintsika?

Eritrereto ny tadio ara-panahy iray izay mety atrehinao. Vakio ny Helamàna 5:12 dia tadiavo ireo fomba hanoherana an’io tadio io.

  • Inona no tsikaritrao fa afaka manampy anao hanohitra ireo tadio ara-panahy?

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe manorina ny fototra eo amin’i Jesoa Kristy?

  • Amin’ny fomba ahoana no hahazoanao manokana tombontsoa amin’ny fanorenana fototra mafy eo amin’i Jesoa Kristy?

Ny fototra iorenako ara-panahy

Eritrereto ny fototra iorenanao ara-panahy ary tombantombano ny tenanao amin’ireto teny manaraka ireto amin’ny alalan’ny hoe “Manaiky”, “Manaiky ihany”, “Tsy tena manaiky,” na “Tsy manaiky.”

  1. Manorina fototra mafy eo amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany aho.

  2. Mampitombo ny fahalalako momba an’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany aho.

  3. Mahatsapa ho mahazo aina aho mampiasa ny soratra masina mba hanazavana ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy.

  4. Afaka mahita ny valin’ireo fanontaniana ananako na ananan’ny hafa momba ny filazantsara aho.

Fifehezana fotopampianarana

Ny Seminera dia afaka manampy anao hanorina ny fototra iorenanao eo amin’i Jesoa Kristy rehefa mianatra ny Fotopampianarany sy manatona Azy, ary lasa mpianany ianao (jereo ny 3 Nefia 11:39). Vakio ny andiam-pehezan-teny roa voalohany ao amin’ny toko “Fanolorana ny fifehezana fotopampianarana” amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022), ka tadiavo ireo fomba ahafahan’ny seminera manampy anao hanorina ny fototrao amin’i Jesoa Kristy.

  • Inona no hitanao?

Misy tanjona fototra roa ho an’ny fifehezana fotopampianarana izay hanampy anao hanorina ny fotrao eo amin’i Jesoa Kristy. Vakio ireo tanjona roa ho an’ny fifehezana fotopampianarana ao amin’ny toko “Fanolorana ny fifehezana fotopampianarana” amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana.

Isan-kerinandro ianao ao amin’ny seminera dia hiasa amin’ny fifehezana fotopampianarana. Ao amin’ny ankamaroan’ireo lesona ireo ianao dia handalina iray amin’ireo andinin-tsoratra masina 24 avy ao amin’ny Testamenta Vaovao izay fantatra amin’ny hoe andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Ity kisary manaraka ity dia maneho ny zavatra hataonao ao amin’ireo lesona fifehezana fotopampianarana.

Sary
tabilao fanehoana ny fifehezana fotopampianarana

Fantaro sy hazavao ny fotopampianarana

Tany am-piandohan’ny lesona ianao dia nanao tombantombana ny tenanao hoe mahatsapa ho mahazo aina ve ianao amin’ny fampiasana ny soratra masina mba hanazavana ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy. Na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny tombantombana nataonao ho an’ny tenanao, ny fandalinana ny fifehezana fotopampianarana dia hampitombo ny fahalalanao ny Mpamonjy sy ny fotopampianarany. Hitombo ny fahaizanao manazava ny fotopampianarany amin’ny fampiasana ny soratra masina.

Jereo ilay lisitra misy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao sy ireo fehezan-teny manan-danja izay miaraka aminy. Izany lisitra izany dia hitanao any akaikin’ny faran’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana. Safidio ny iray amin’ireo andinin-tsoratra izay mahaliana anao, na afaka manampy anao amin’ny filana manokana iray, na afaka manampy amin’ny fanontaniana iray izay anananao.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no andinin-tsoratra masina nosafidinao?

  • Inona no ampianarin’io andinin-tsoratra masina io anao momba an’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany?

  • Amin’ny fomba ahoana ny fahaizana manazava ny fotopampianarana avy amin’io andinin-tsoratra masina io no mitahy ny fiainanao?

Mahazo fahalalana ara-panahy

Ao amin’ireo lesona momba ny fifehezana fotopampianarana ianao dia hanana fahafahana hianatra bebe kokoa momba ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy sy hampihatra ny fampiasana izany hanampiana anao hamaly ireo fanontaniana anananao manokana sy ananan’ny fiarahamonina ary koa ireo fanontaniana momba ny fotopampianarana na fombafomba na tantaran’ny Fiangonana. Ny fianarana momba ireo fitsipika ireo sy ny fampiasana izany dia hanampy anao hanorina ny fototrao eo amin’ny Mpamonjy sy hitodika any Aminy rehefa miatrika fanontaniana. Ireto avy ny telo amin’ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy izay hataonao fampiharana ny fampiasana azy ao amin’ny seminera:

  • Manao asa amim-pinoana.

  • Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

  • Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

Raha mbola tsy mahazatra anao ireo fitsipika ireo dia azonao atao ny mamaky ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny toko “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana.

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina farafahakeliny ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no fantatrao momba ireo fitsipika ireo?

  • Inona no zavatra efa niainanao tamin’ireo fitsipika ireo?

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ireo fitsipika ireo manampy anao hanorina ny fototrao eo amin’i Kristy sy hanohitra ireo tadio ara-panahy?

Andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Isan-taona ao amin’ny seminera ianao dia hamporisihana hanao tsianjery andian-teny manan-danja iray ho an’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 24.

Ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba ny fanaovana tsianjery ny soratra masina nanao hoe:

Sary
Loholona Richard G. Scott

Hery lehibe no azo avy amin’ny fanaovana tsianjery ny soratra masina. Toy ny manomboka finamanana vaovao ny fanaovana tsianjery soratra masina. Toy ny fiezahana mamantatra olona iray vaovao izay afaka manampy amin’ny fotoana ilana fanampiana izany, sy afaka manome fitaomam-panahy sy fankaherezana, ary ho loharano hahazoana risi-po hanaovana ny fanovana izay ilaina.

(Richard G. Scott, “Ny herin’ny soratra masina,” Liahona, nôv. 2011, 6)

Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mety hanampy ny fanaovana tsianjery andinin-tsoratra masina samihafa?

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny fanaovana tsianjery soratra masina manampy anao hanorina ny fototrao eo amin’i Jesoa Kristy sy hanohitra ny tadio ara-panahy?

Makà fotoana fohy hanaovana famerenana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 24 sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny taranja Testamenta Vaovao. Azonao ampiasaina ny application Maitrise de la doctrine na ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana. Azonao atao ny manomboka manao tsianjery ilay andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ho an’ilay andalan-tsoratra masina nosafidinao teo aloha.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Nahoana no manan-danja ny fifehezana fotopampianarana?

Toy izao no nampianarin’ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Ny Filoha M. Russell Ballard

Ity tetikasa ity dia hifantoka amin’ny fanorenana sy amin’ny fanamafisana ny finoan’ireo mpianatsika an’i Jesoa Kristy ary amin’ny fampahatanjahana azy ireo hitombo fahaizana miaina sy mampihatra ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo. Amin’ny alalan’ny fisintonana lesona avy amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany, dia hianatra ny fomba fanaovana asa amim-pinoana an’i Kristy mba hahazoana fahalalana ara-panahy sy hahatakarana ny filazantsarany izy ireo. Ary hanana fahafahana hianatra ny fomba hampiharana ny fotopampianaran’i Kristy sy ireo fitsipiky ny filazantsara izy ireo amin’ireo fanontaniana sy olana izay henony sy hitany isan’andro eo anivon’ny mpiara-mianatra aminy sy ao amin’ny tambajotran-tserasera.

(M. Russell Ballard, “Ireo zavatra azo atao sy andraikitry ny mpampianatra ao amin’ny DFF amin’ny taonjato faha-21” [takariva hiarahana amin’ny Manampahefana ambony, 26 feb., 2016], ChurchofJesusChrist.org)

Hamoaka printy