Seminera
Mianatra amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy


Mianatra amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy

Anjara asan’ireo mpianatra

Sary
Youth studying the scriptures in their seminary class.

Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny manao asa am-pinoana an’i Jesoa Kristy rehefa mianatra ao amin’ny seminera ianao. Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia hianatra ny fomba hahazoana tombony betsaka indrindra avy amin’ny zavatra iainanao ao amin’ny seminera.

Vakio ity rafi-tantara manaraka ity:

Misy zatovovavy roa miray kilasy ao amin’ny seminera. Ilay zatovovavy iray dia mahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina sy ny fitiavan’ny Tompo ao amin’ny seminera . Mahazo ireo valin’ny fanontaniany izy, mitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny Mpamonjy sy ny Fiangonany, ary tena mivoatra tokoa izy eo amin’ny fiainany. Ilay zatovovavy iray hafa kosa, anefa, dia matetika no sorisorena any amin’ny seminera ary mahatsapa fa tsy dia mahazo zavatra firy avy amin’izany.

  • Inona avy ireo antony sasantsasany azo heverina fa mahatonga ireo zatovovavy roa ireo hiaina zavatra tsy mitovy tahaka izany ao amin’ny seminera?

Mba hanampiana anao hanombantombana ny fianaranao manokana ny filazantsara dia eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona izao no ataonao mba hianarana ara-panahy?

  • Mahatsapa fa mahazo ilay vokatra tadiavinao sy ilainao ve ianao?

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia eritrereto ny fomba tianao hianarana sy hivoatana ao amin’ny seminera amin’ity taona ity. Ny fianarana dia ahitana izay mety ho fomba hivoarantsika eo amin’ny fiainantsika. Azonao atao koa ny mieritreritra izay mety ho ahiahy na fanontaniana anananao. Amin’ny alàlan’ny vavaka amin-kitsimpo dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahafantatra ny fomba hampiharana ity lesona ity eo amin’ny fiainanao.

Ny iray amin’ireo lafin-javatra misy fiantraikany lehibe indrindra eo amin’ny fianarantsika dia ny hoe hatraiza ny fianteherantsika amin’i Jesoa Kristy sy ny fanarahantsika Azy. Ny fitsipika iray hifantohan’ity lesona ity dia ny hoe rehefa miezaka mianatra amim-pahavitrihana amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy isika dia afaka mahazo fitahiana sy mampivoatra ny tenantsika.Rehefa mamaky ity teny manaraka nambaran’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ianao dia tadiavo ireo hevi-baovao mikasika ny dikan’ny hoe mianatra amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Sary
Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

Rehefa mijery ny hoavy isika ary mieritreritra mialoha ilay tontolo misavoritaka sy mikorontana izay honenantsika, dia mino aho fa tena ilaina ho antsika rehetra ny mampitombo ny fahafahantsika mikatsaka fianarana amin’ny alàlan’ny finoana. … Ny finoana marina dia mifantoka amin’i Jesoa Kristy Tompo sy ny momba Azy ary mitarika foana any amin’ny fanaovana asa. … Mitaky fiezahana ara-panahy, ara-tsaina, ary ara-batana ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana fa tsy vitan’ny mihaino fotsiny ihany ny hafatra. Ao anatin’ny fahamarinana sy ny tsy fahatapahan’ny asa avy amin’ny fitaoman’ny finoana izay ataontsika no hanehoantsika amin’ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanakalahiny, Jesoa Kristy, ny fahavononantsika hianatra sy handray torolalana avy amin’ny Fanahy Masina.

(David A. Bednar, “Seek Learning by Faith,” Ensign na Liahona, Sept. 2007, 61, 63–64)

  • Inona no zavatra nianaranao avy tamin’io teny nambara io?

Handray soa betsaka avy amin’ny fianaranao ara-panahy ianao rehefa miezaka mafy hianatra sy hampifantoka ny ezaka ataonao amin’i Jesoa Kristy. Ireto andinin-tsoratra masina sy horonan-tsary manaraka ireto dia mampiseho olona nanatona an’i Jesoa Kristy ary notahiny. Mamakia tantara iray farafahakeliny ao amin’ny soratra masina ary mijere horonan-tsary iray farafahakeliny, raha azo atao. Hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org ireo horonan-tsary rehetra. Rehefa mamaky sy mijery ianao dia eritrereto ny fifandraisan’ny zavatra niainan’ireo olona ireo amin’ny fianarana ny filazantsara.

  • Horonan-tsary: “Staying Spiritually Fit” (3:30)

  • Horonan-tsary: “Ask of God (2017 Mutual Theme)” (3:21)

  • Horonan-tsary: “Seminary Can Change Lives” (4:13)

1. Misafidiana olona iray avy amin’ilay tantara ao amin’ny soratra masina izay nohalalininao na avy amin’ilay horonan-tsary nojerenao, ary valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nataon’ilay olona ao amin’ireo andinin-tsoratra masina na horonan-tsary ireo mba hampisehoana amim-pahavitrihana ny finoana an’i Jesoa Kristy? Ahoana no nanehoan’ny fihetsik’izy ireo ny finoan’izy ireo ?

  • Inona avy ireo sakantsakana resin’ilay olona?

  • Ahoana no nitahian’ny Tompo azy ireo?

  • Inona no azonao ianarana avy amin’ny zavatra niainan’ity olona ity ka azonao ampiharina eo amin’ny fianaranao manokana ny filazantsara?

Vitao ao amin’ny diary fandalinanao ity asa atao manaraka ity:

2.

Zarao hisy tsanganana telo ny taratasy kely iray, ary soraty araka izao manaraka izao ny anaran-tsokajin’ny tsanganana tsirairay Mialoha ny fotoam-pianarana, Mandritra ny fotoam-pianarana, ary Aorian’ny fotoam-pianarana. Eritrereto ny zavatra nataonao na azonao atao mialoha ny fotoam-pianarana, mandritra ny fotoam-pianarana, ary aorian’ny fotoam-pianarana mba hanampiana anao hianatra amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Katsaho ombam-bavaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina rehefa mieritreritra ohatra ianao ary soraty na ataovy sary ao amin’ny tsanganana tsirairay ny ohatra hitanao.

Ny tanjonao manokana

Rehefa mianatra ao amin’ny seminera ianao dia hanana fahafahana:

  • Hiomana amin’ny fotoam-pianarana. Ny fikatsahana fanambarana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina sy ny famakiana soratra masina isan’andro no fomba tsara indrindra hiomanana. Mety asaina koa ianao hisaintsaina fanontaniana mialoha ny fotoam-pianarana na handalina ampahany fohy amin’ny Avia, hanaraka Ahy.

  • Manehoa finoana an’i Jesoa Kristy mandritra ny fotoam-pianarana. Hasaina ianao haneho finoana an’i Jesoa Kristy ary hianatra amim-pahavitrihana mifanaraka amin’ny fampianarany, amin’ny alalan’ny fandalinana soratra masina, amin’ny alalan’ny fanaovana asa, amin’ny alalan’ny fizarana ny eritreritrao ary amin’ny alalan’ny fikatsahana ombam-bavaka fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina mba hampiharana eo amin’ny fiainanao ireo fahamarinana nianaranao.

  • Tombano izay ianaranao. Hanana fahafahana matetika hanatanterahana ny tanjonao manokana ianao sy hanombantombanana ny fianaranao manokana sy ny fivoaranao. Ho afaka hametraka fanontaniana koa ianao ary hikatsaka fitarihana eo anatrehan’izay mety ho olana na ahiahy.

  • Mizarà. Hamporisihina ianao hizara amin’ny hafa ny zavatra nianaranao, tafiditra ao anatin’izany ny fianakavianao.

Soraty ao amin’ny diary fandalinanao na ao amin’ilay taratasy izay nanoratanao na nanaovanao sary ireo asa atao izay manampy anao hianatra sy hanakaiky kokoa ny Tompo ny zavatra tianao hatao mialoha, mandritra ary aorian’ny fotoam-pianarana hianaranao amin’ny alalan’ny finoana. Azo atao tsotra fotsiny izany toy ny hoe fanasiana faribolana na fametrahana kintana eo akaikin’ireo hevitra izay tsapanao fa tian’ny Tompo handramanao. Hevero ny hametraka ny tanjonao eny amin’ny toerana izay hahitanao izany matetika sy hahatsiarovanao izany.

Tsy voatery atao: Te hianatra bebe kokoa ve ianao?

Ahoana no ahafahako mandray andraikitra bebe kokoa amin’ny fianarako manokana?

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Elder David A. Bednar, Quorum of the Twelve Apostles official portrait. 2020.

Ny mpikambana tsirairay ao amin’ny Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia manana andraikitra manokana hianatra sy hiaina ny fampianaran’ny Tompo. … Tsy tokony horaisintsika ho toy ny fikambanana iray natao hampianatra antsika sy hilaza amintsika ny zavatra rehetra ilaintsika fantarina sy atao mba hahatonga antsika ho mpianatra feno fanolorantena sy haharitra amim-pahavitrihana hatramin’ny farany ny Fiangonana. Fa andraikitsika manokana kosa ny mianatra ny zavatra tokony hianarantsika, sy ny miaina araka izay fantatsika fa tokony hiainantsika, ary ny ho lasa ilay tian’ilay Mpampianatra hahatongavantsika.

(David A. Bednar, “Vonona hahazo ny zavatra rehetra ilaina,”Liahona, mey 2019, 102)

Fa maninona aho no tokony hiezaka hianatra amim-pahavitrihana ao amin’ny seminera?

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Arakaraka ny hanarahanao ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy no hahombiazanao bebe kokoa.

Inona ary no hanampy anao ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy feno fanolorantena? Ny valiny iray dia ny seminera sy ny institiota—tsy ny fanatrehana fotsiny fa ny fandraisana anjara mavitrika ao am-pianarana ary ny fanarahana am-pahatokiana ireo anjara asa nomena. …

Ny fahazoana diplaoma ao amin’ny seminera sy institiota dia hampitombo ny fahafahanao hihatsara amin’ireo zavatra manan-danja indrindra izay hataonao eo amin’ny fiainana. Ho anao ny tena fifaliana!

Nampianatra izao manaraka izao momba ny fandraisana anjara amin’ny fianarana ny filazantsara ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Final official portrait of Elder Richard G. Scott of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004. Passed away 22 September 2015.

Ny fanapahan-kevitr’ [ireo mpianatra] handray anjara dia fampiasana ny fahafahana misafidy izay mamela ny Fanahy Masina hampita hafatra manokana mifanaraka amin’ny filan’ny [mpianatra] tsirairay. Ny famoronana tontolo ahafahana mandray anjara dia mampitombo ny fahafahan’ny Fanahy hampianatra ireo lesona manan-danja kokoa izay azon[’ny mpampianatra] ampitaina.

Izany fandraisana anjara izany dia hitondra fitarihan’ny Fanahy eo amin’ny fiainan[’ny mpianatra]. Rehefa manangan-tànana … ireo mpianatra … mba hamaly fanontaniana iray, na dia tsy tsapany aza izany, dia mampiseho amin’ny Fanahy Masina ny fahavononany hianatra izy ireo. Izany fampiasana ny fahafahana misafidy ara-pitondrantena izany dia hanome fahafahana an’io Fanahy io mba handrisika ny mpianatra sy hanome fitarihana matanjaka kokoa ho azy ireo mandritra ny fotoana iarahanao aminy. Ny fandraisana anjara dia ahafahan’ny tsirairay miainaizany hoe tarihin’ny Fanahy izany. Mianatra mamantatra sy mahatsapa ny atao hoe fitarihana ara-panahy izy ireo.

(Richard G. Scott, “To Learn and to Teach More Effectively” [Brigham Young University Education Week devotional, Aug. 21, 2007], 4–5, speeches.byu.edu)

Hamoaka printy