Seminera
Jaona 1:35–51


Jaona 1:35–51

“Avia fa ho hitanareo”

Sary
Christ walking on seashore beckoning to Peter and Andrew to become his apostles--fishers of men. Figures are crude; nice glow about Christ.

Nanasa ireo mpianany tany am-boalohany i Jesoa mba hijeren’Izy ireo hoe iza Izy sy mba hanarahan’izy ireo Azy. Ny fandalinana ireo tantara ao amin’ny Jaona ireo dia hanampy anao hahatakatra ny fomba ahafahanao mamaly ny fanasan’ny Mpamonjy hoe “Avia fa ho hitanareo”.

“Avia fa ho hitanareo”

Alao sary an-tsaina hoe hody any an-trano avy any am-pianarana ianao sy ny namanao ary milaza ianao fa henonao hoe ho avy tsy ho ela hiresaka ao amin’ny fivoriana any amin’ny faritra misy anao ny Apôstôly iray.

  • Nahoana ny namanao no holazainao mba hiaraka aminao sy ny fianakavianao hijery sy hihaino ity Apôstôly ity, fa tsy ny hitantara ny mombamomba ilay fivoriana aminy fotsiny no hataonao rehefa vita izany?

Ny Apôstôly Jaona dia nanoratra momba ny fomba nampahafantaran’i Jaona Mpanao Batisa an’i Jesoa Kristy tamin’ireo mpanara-dia azy. Halalino ny Jaona 1:35–51 , ka tadiavo izay mety hitranga rehefa mikatsaka ny hianatra sy hanaraka an’i Jesoa Kristy isika (jereo ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:42 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ).

  • Inona tamin’ireo fanasana ao amin’ireo andininy ireo no neken’ny mpianatry ny Mpamonjy mba hanampiana azy ireo hanaraka Azy?

  • Inona no nianaranao avy amin’ny zavatra niainan’i Andrea sy Filipo sy avy amin’ny fihetsik’izy ireo ao amin’ireo andininy ireo?

  • Inona no ampianarin’ity tantara ity anao momba ny Mpamonjy?

Inona no azonao atao mba hamaliana ny fanasan’ny Mpamonjy hoe “Avia fa ho hitanareo”?

Makà 30 segondra handraisana an-tsoratra ireo eritreritra voalohany tonga ao an-tsainao momba ny fomba ahafahan’ny olona iray ankehitriny mamaly ny fanasan’i Jesoa Kristy hoe “Avia fa ho hitanareo.”

Ny loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome ireto hevitra manaraka ireto momba ny fomba ahafahantsika mamaly ny fanasan’ny Mpamonjy hoe “Avia fa ho hitanareo.” Vakio ny fanambarana etsy ambany.

Tsy voatery atao: Te hianatra kokoa ve ianao?

Jaona 1:38 . Ahoana no fomba iharan’ny fanontanian’ny Mpamonjy hoe “Inona no tadiavinareo?” aminao?

Talohan’ny nanasan’i Jesoa ny mpianatra roa lahy hoe “avia fa ho hitanareo,” dia nametraka fanontaniana tamin’izy ireo Izy hoe: “Inona no tadiavinareo?” ( Jaona 1:38).Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba ny lanjan’ny fieritreretana izay tena irintsika amin’ny fiainana rehefa mihevitra ny fanasan’ny Mpamonjy hanaraka Azy isika.

He Hath Filled the Hungry with Good Things

Jaona 1:43-46 . Ahoana no ahafahako manasa ny hafa hoe “avia fa ho hitanareo” amin’ny fomba tsotra?

Ny fanasana ny hafa handray anjara amin’ny asan’ny filazantsara dia mety ho sarotra sy tsy mampahazo aina.

Ahoana raha mandà ny fanasako ireo olona nasaiko hoe “avia fa ho hitanareo”?

Indraindray isika manahy sao handà ny fanasana ataontsika hianatra bebe kokoa momba ny filazantsara na ny Fiangonana ny olona. Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara izao hevitra manaraka izao:

Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Ny olona sasany izay ho avy sy hizaha dia mety tsy hiditra ho mpikambana ao amin’ny Fiangonana mihitsy angamba; ny sasany ho avy fa any aoriana any. Safidin’izy ireo izany. Kanefa tsy manova ny fitiavantsika azy ireo izany. Ary tsy manova ireo ezaka ataontsika feno fientanentanana izany mba hanohy hanasa ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana mba [h]andeha ka hizaha, ho avy ka hanampy, ary ho avy ka hitoetra ho mazoto ao amin’ny filazantsara.

… Aoka ho takatrao fa tsy asanao ny mampiova fo ny olona. Izany no anjara andraikitry ny Fanahy Masina. Ny anjara andraikitrareo dia ny mizara izay ao am-ponareo sy miaina tsy tapaka araka ireo zavatra inoanareo.

Noho izany dia aza kivy ianareo raha misy olona tsy mandray avy hatrany ny hafatry ny filazantsara. Tsy hoe tsy fahombiazan’ny tena manokana izany.

Raharahan’ilay olona sy Andriamanitra izany.

Ny anao dia ny mitia an’ Andriamanitra sy mitia ireo mpiray monina aminao, eny dia ireo zanany.

(Dieter F. Uchtdorf, “Asa fitoriana: Mizara ny zavatra tena inoana sy tsapanao,” Liahona, mey 2019, 17)

Hamoaka printy