Seminera
Jaona 1:1–16


Jaona 1:1–16

“Ary ny Teny dia tonga nofo”

Sary
One oil on wood panel painting of the creation of the earth and the heavens. a large red orb is at left with Christ in white robes at left. His robes and hair are billowing around him as though in a great wind. He is barefoot and has both hands stretched out toward the orb.

Ny Apôstôly Jaona dia nanoratra ny filazantsarany mba hanampy antsika hino fa i Jesoa no Kristy (Jereo ny Jaona 20:30–31). I Jaona dia nampianatra fa i Jesoa Kristy dia nandao ny fonenany tany an-danitra mba honina ety an-tany ary ho tonga Mpanavotra antsika. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy anao hahatakatra ny momba an’i Jesoa Kristy talohan’ny nahaterahany teto an-tany sy hankasitraka ny fitiavana nasehony tamin’ny alalan’ny fanatanterahany ny asany teto an-tany.

Inona no lanjan’izany?

Sary
soccer ball
  • Araka ny hevitrao, ohatrinona ny vidin’ity baolina ity?

  • Ahoana raha toa ka nampiasaina tamin’ny lalao fifaninanana iraisam-pirenena ity baolina ity na nosoniavin’ny mpilalao malaza iray?

Ny fahafantarana ny tantaran’ny zavatra iray dia afaka mampitombo ny fahatakarantsika ny lanjany. Marina ihany koa izany amin’ny olona.

  • Ahoana no mety hahatonga ny fahatakaranao ny mombamomba an’i Jesoa talohan’ny nahaterahany hanampy anao hahatakatra ny lanjan’ny fiainany sy ny asany teto an-tany?

Ny filazantsaran’i Jaona dia afaka manampy antsika hahatakatra marina hoe iza i Jesoa avy any Nazareta ary inona no antony tokony hiezahantsika mianatra avy amin’ny teniny sy ny ohatra nasehony. I Jaona dia nanoratra mba hanamafy ny finoanao fa i Jesoa no Kristy, ilay Mesia nampanantenaina (jereo ny Jaona 20:30–31). Ny Filazantsaran’i Jaona dia miantomboka amin’ny fanoritsoritana ny voninahitra sy ny herin’i Jesoa Kristy talohan’ny nahatongavany teto an-tany.

I Jesoa Kristy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana

Adikao ao anatin’ny diary fandalinanao ity tabilao manaraka ity:

I Jesoa tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana

Ny Fiainan’i Jesoa teto an-tany

Ampiasao ny fahalalanao an’i Jesoa Kristy amin’izao fotoana izao ka soraty ao amin’ny tsanganana ankavia ireo teny na andian-teny izay manoritsoritra ny momba an’i Jesoa Kristy, tahaka ny ahoana Izy ary inona no nataony talohan’ny nahaterahany.

Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto sy ilay fanambarana nataon’ny Loholona Robert E. Wells ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy, dia raiso an-tsoratra ao amin’io tsanganana io ihany koa ireo fanoritsoritana fanampiny momba an’i Jesoa Kristy. (Ilay andian-teny “tamin’ny voalohany” araka izay voalaza ao amin’ireto andinin-tsoratra masina ireto dia miresaka ny fiainana talohan’ny nahaterahana.)

Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:1-5 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina na ny application Bibliothèque de l’Évangile)

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:21

Abrahama 3:22-24

Sary
Portrait of Elder Robert E. Wells. He received emeritus status on 4 October 1997

I Jesoa dia nofinidy sy nirahin’ Andriamanitra mba handamina sy hamorona ity tany ity, sy ny rafi-masoandro misy antsika, sy ny vahindanitra misy antsika, ary ireo tontolo maro tsy hita isa.

I Jesoa Kristy no Jehovah ao amin’ny Testamenta Taloha hatrizay ka hatramin’izao, Ilay Andriamanitr’i Adama sy Noa, Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba. I Jehovah dia niseho ary niresaka tamin’ireo mpaminany fahiny. Rehefa niteny Izy dia nisolo vava ny Ray, ary nilaza izay tokony holazain’ny Rainy. I Jehovah tany amin’ny Testamenta Taloha no lasa i Jesoa Kristy taty amin’ny Testamenta vaovao rehefa teraka teto an-tany.

(Robert E. Wells, “Our Message to the World (Ny hafatray ho an’Izao tontolo izao),” Ensign, Nov. 1995, 65)

Avereno jerena ilay lisitra nataonao amin’ny ilany havia amin’ny takelaky ny diarinao ary fintino amin’ny fehezan-teny iray ny momba an’i Jesoa Kristy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahany.

Ny Fiainan’i Jesoa teto an-tany

Jereo ity sary manaraka ity. Eo amin’ny tsanganana havanana amin’ny tabilaonao dia manorata famariparitana vitsivitsy maneho ny toe-java-nisy izay feno fietrena nanodidina ny fahaterahan’ny Mpamonjy.

Sary
Art depicting the Baby Jesus in a manger. There are animals in the background.

Anisan’ny dikan’ny teny hoe miambany ny hoe “midina ho eny anivo.” Noho izany ny fidinan’ny Mpamonjy hiara-honina amintsika ety an-tany dia matetika antsoina hoe “ny fiambanian’ Andriamanitra” ( 1 Nefia 11:26). I Jesoa Kristy dia nandao an-tsitrapo ny seza fiandrianany tany an-danitra ary tonga teto amin’ny tontolo lavo izay hiatrehany fitsapana sy fahoriana lehibe.

Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary tadiavo ireo zava-tsarotra nozakain’ny Mpamonjy sy ny anton’izany. Ataovy eo amin’ny ilany havanana amin’ny takelaky ny diary fandalinanao ireo famariparitana ireo.

Jaona 1:10-11

1 Nefia 11:26, 32–33

1 Nefia 19:7–10

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6

Avereno jerena ilay lisitra nataonao amin’ny tsanganana havanana ary fintino amin’ny fehezan-teny iray ny zavatra nozakain’i Jesoa Kristy teto an-tany.

Makà minitra iray hampitahanao ny zavatra nafoin’i Jesoa Kristy sy ny zavatra nozakainy an-tsitrapo teto an-tany.

Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto farafahakeliny:

1.

  • Inona no voarainao na tsapanao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy rehefa nandalina ireo andinin-tsoratra masina ireo ianao?

  • Araka ny hevitrao, inona no antony naneken’i Jesoa Kristy hidina “ambanin’ny zava-drehetra” ( Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:6)?

  • Inona no fiantraikan’ny fahatakaranao ny fiambanian’i Jesoa Kristy eo amin’ny zavatra tsapanao mikasika azy?

Tsy voatery atao: Te hianatra bebe kokoa?

Inona no mampiavaka ny Filazantsaran’i Jaona?

Ny 92 isan-jaton’ny zavatra voasoratra ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona dia tsy hita ao amin’ireo fitantaran’ny Filazantsara hafa. Ny mety ho anton’izany dia noho i Jaona nanoratra ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana izay efa nanana fahatakarana momba an’i Jesoa Kristy, izay mpamaky tena hafa tokoa raha oharina amin’ny mpamaky ny bokin’i Matio sy i Marka ary i Lioka. Ny Filazantsaran’i Jaona dia feno fotopampianarana, ary ny ankamaroan’ny lohahevitra lehibe raketiny dia momba ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa amin’ny maha-Zanak’ Andriamanitra Azy, ny Sorompanavotan’i Kristy, ny fiainana mandrakizay, ny Fanahy Masina, ny ilàna ny fahaterahana indray, ny maha-zava-dehibe ny fitiavana ny hafa, ary ny maha-zava-dehibe ny finoana ny Mpamonjy. Ny iray amin’ireo fandraisana anjara lehibe indrindra nataon’i Jaona dia ny fampidirany ny fampianarana nomen’ny Mpamonjy ireo mpianany tao anatin’ireo ora maromaro nialoha ny fisamborana Azy, ka tafiditra ao anatin’izany ilay Vavaka Fanalalanana lehibe.

1 Nefia 11:26.

Moa ve samy antsoina hoe Andriamanitra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ao amin’ny soratra masina?

Misy olona telo miavaka tsara ao amin’Ny Andriamanitra: Andriamanitra Ray Mandrakizay; i Jesoa Kristy Zanany; ary ny Fanahy Masina.

Ilay Andriamanitra fantatra amin’ny anarana hoe Jehovah dia i Jesoa Kristy ilay Zanakalahy ( Isa. 12:2 ; 43:11 ; 49:26 ; 1 Kor. 10:1–4 ; 1 Tim. 1:1 ; Apokalypsy 1:8 ; 2 Ne. 22:2). Miasa eo ambany fitarihan’ny Ray i Jesoa ary mifandrindra tanteraka Aminy. Ny olombelona rehetra dia rahalahiny sy anabaviny, satria Izy no zokiny indrindra amin’ny zanak’i Elohima ara-panahy. Misy toko sy andinin-tsoratra masina sasany miantso Azy amin’ny ilay teny hoe Andriamanitra. Ohatra, ilay soratra masina milaza hoe “Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany” ( Gen. 1:1), kanefa i Jesoa no Mpahary izany teo ambanin’ny fitarihan’ Andriamanitra Ray ( Jaona 1:1-3, 10, 14 ; Heb. 1:1–2).

(Torolalana ho an’ny soratra masina, “ Andriamanitra, Ny Andriamanitra ,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org)

Ny Môzia 15:1 sy ny Jaona 20:26–28 dia mirakitra ohatra roa hafa izay milaza an’i Jesoa ho Andriamanitra.

Tamin’ny fomba manokana inona avy no naneken’i Jesoa Kristy hiambany?

Ny Eveka Richard C. Edgley, Mpanolotsaina taloha tao amin’ny Episkôpa Mpiahy, dia nampianatra hoe:

Sary
FInal official portrait of Elder Richard C. Edgley of the Presiding Bishopric 2000. Released at the April 2012 general conference.

Nidina Izy mba hateraky ny vehivavy mety maty. ’

Nidina Izy mba hisy olona hanao batisa Azy, na dia tanteraka sy tsy nisy ota aza Izy.

Nidina Izy mba hanompo ny ambany indrindra amin’ny ambany. ’

Nidina Izy mba hanaiky ny sitrapon’ny Ray, nitondra fijaliana mba halaim-panahy, nesoina, nokapohina, noroahina, ary nandà tena na dia nanana ny hery rehetra aza Izy.

Nidina Izy mba hotsarain’izao tontolo izao, na dia Izy aza no Mpitsara an’izao tontolo izao.

Nidina Izy mba hampiakarina amin’ny hazo fijaliana ary hovonoina noho ny otan’izao tontolo izao, na dia tsy misy olona mahafaka ny ainy aza.

(Richard G. Scott, “The Condescension of God,” Ensign, Dec. 2001, 20)

Inona no antony naneken’i Jesoa Kristy hidina ambany dia ambany ?

Ny Eveka Richard C. Edgley, Mpanolotsaina taloha tao amin’ny Episkôpa Mpiahy, dia nanazava hoe:

Sary
FInal official portrait of Elder Richard C. Edgley of the Presiding Bishopric 2000. Released at the April 2012 general conference.

Raha nidina Izy dia tsy noho ny adidy, na ny voninahitra, fa noho ny fitiavana ihany. Ny fiambaniany mba hanavotra antsika tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana nataony no sarany nefainy mba hanolorany famonjena sy fisandratana.

(Richard C. Edgley, “The Condescension of God (Ny fiambanian’ Andriamanitra),” Ensign, Dec. 2001, 19)

Hamoaka printy