Seminera
Lioka 2:40–52


Lioka 2:40–52

“Nitombo ka nihanahery” i Jesoa

Sary
Jesus teaching in the temple as a young boy.

Fony zatovolahy ny Mpamonjy dia nampianatra ny filazantsara tamin-kery ka nahatalanjona ireo mpampianatra tao amin’ny tempoly mihitsy ny “fahalalany sy ny famaliany” (Lioka 2:47). Ity lesona ity dia natao hanamafisana ny fanirianao hitovy amin’i Jesoa Kristy amin’ny fikatsahana hitombo ara-tsaina, ara-batana, ara-panahy ary ny ara-piarahamonina. Hanana fotoana hanombanana ireo tanjonao amin’izao fotoana izao ihany koa ianao ao amin’ny Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo (2019) na hamorona vaovao.

Nihalehibe sy nivoatra i Jesoa tao anatin’ny fahatanorany

Halalino ireto sary tamin’ny fahatanoran’ny Mpamonjy ireto. Eritrereto ny zavatra lazain’ny antsipiriany tsirairay ao anatin’ireo sary ireo momba an’i Jesoa.

Sary
Jesus Christ depicted as a young boy in the carpenter shop of Joseph. Joseph is standing behind the young Christ. Christ is reading the scriptures from a scroll resting on a table. There are wood shavings on the table.
Sary
Christ as a youth learning carpentry skills in a carpenter’s shop. Joseph, the husband of Mary, is watching him.
Sary
Jesus Christ depicted as a child with his mother Mary. Christ is kneeling beside Mary and resting His clasped hands on Mary’s lap. Mary has her head bowed as she and the young Christ pray. There is an oil lamp burning on a table next to the mother and son.
Sary
Jesus Christ at age twelve in the temple at Jerusalem during the Feast of the Passover. A group of learned Jewish doctors are gathered around Christ. The doctors are expressing astonishment at the wisdom and understanding of the young Christ. (Luke 2:41-50)
  • Ahoana no mety ahafahan’ny fahalalana ny toetoetran’i Jesoa tamin’ny fahatanorany hanampy anao amin’ny maha-zatovo anao?

Vitsy ny antsipiriany ananantsika mahakasika ny fahatanoran’i Jesoa, saingy ireo izay voarakitra ao amin’ny soratra masina dia afaka ny ho fitahiana lehibe sy ho fitarihana ho anao eo am-pikatsahanao ny hivoatra. Rehefa mianatra momba ny fahatanoran’ny Mpamonjy ianao dia tadiavo ireo fahamarinana izay afaka manampy anao hahafantatra izay lafiny tokony hifantohanao rehefa miezaka ny ho tonga tahaka ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy kokoa ianao.

Vakio ny Lioka 2:40–52 sy ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 3:24–26 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina), ary tadiavo ny antsipiriany momba ny toetoetran’ny Mpamonjy tamin’ny fahatanorany. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

Azonao atao ihany koa ny mijery ny “Young Jesus Teaches in the Temple” (2:30), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Mariho fa ny andian-teny hoe “nitombo ka nihanahery” ( Lioka 2:40 ; jereo ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 3:24 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina]) dia midika hoe nitombo na nihanahery ara-panahy i Jesoa. Mety hanampy ny fahalalana fa araka ny Dikantenin’i Joseph Smith ny Lioka 2:46 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina ), dia tsy nihaino ireo mpampianatra, na mpanora-dalàna i Jesoa zatovo, na nametraka fanontaniana tamin’izy ireo, fa “ireo dia nihaino Azy sady nametraka fanontaniana Taminy.”

Eritrereto ireto fanontaniana ireto:

  • Inona no ampianarin’ity tantara ity anao momba ny toetoetran’i Jesoa fony izy tanora?

  • Inona no ampianarin’ny andininy faha-52 anao momba ny fomba nitomboan’i Jesoa sy nivoarany tamin’ny fahatanorany?

Ao amin’ny Lioka 2:52 dia mianatra isika fa manaraka ny ohatr’i Jesoa Kristy isika rehefa mivoatra ara-tsaina, ara-batana, ara-panahy ary ara-piarahamonina.

  • Inona avy ireo ohatra vitsivitsy avy amin’ny soratra masina izay nanehoan’i Jesoa Kristy ny fahaizany amin’ireo lafiny efatra ireo?

  • Inona avy ireo antony vitsivitsy mahatonga anao hanaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy amin’ireo lafiny efatra amin’ny fiainana ireo?

Hamoaka printy