Lioka 2:1–39; Matio 2:1–12
Vavolombelon’ny Mpamonjy
Ireo mpiandry ondry, ny Magy, sy i Simeona, ary i Ana dia vavolombelon’ny fahaterahan’ny Mpamonjy. Rehefa mianatra ny zavatra niainan’izy ireo ianao, dia afaka mampitombo ny hetaheta hikatsaka sy hampitombo ary hifaly ny amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy.
Ny Fanahy Masina dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy
Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no atao hoe fijoroana ho vavolombelona?
-
Inona no azonao atao mba hampahomby sy hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao?
-
Fantatra anefa indraindray fa ny hafa dia afaka manampy anao hampitombo ny fijoroana ho vavolombelona, fa maninona ny ray aman-dreninao, ny iray tampo aminao na ny namanao no tsy afaka manome anao fijoroana ho vavolombelona?
Miseho ho azy ny fijoroana ho vavolombelona rehefa hamafisin’ny Fanahy Masina ny fahamarinana eo amin’ireo tena mikatsaka izany fatratra. Aza kivy raha toa ka ela ny fahazoanao fijoroana ho vavolombelona. Rehefa tsy mitsahatra mikatsaka fijoroana ho vavolombelona amin-kitsimpo ianao dia hamaly anao amin’ny fotoany sy ny fombany ny Tompo.
Vakio ny Jaona 15:26 sy ity tenin’ny Filoha Russell M. Nelson manaraka ity, ary tadiavo ny zavatra ampianarin’izany mikasika ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.
Ny fahamarinana manan-danja indrindra azon’ny Fanahy Masina hijoroana ho vavolombelona aminareo dia hoe i Jesoa no Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra velona.
(Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 96)
Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto, ary soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny hevitrao:
-
Nahoana araka ny eritreritrao no izany no fahamarinana tena manan-danja indrindra hijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona aminao?
-
Ahoana no ahafahanao manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpamonjy?
Hianatra mikasika ireo vavolombelon’ny fahaterahan’ny Mpamonjy isika ato amin’ity lesona ity. Rehefa mandalina ny tantaran’izy ireo ianao dia tadiavo ny fomba nahalalan’ireo vavolombelona ireo ny Mpamonjy sy ny zavatra nataony tamin’ny fijoroana ho vavolombelona voarain’izy ireo. Ataovy ao an-tsainao ity fahamarinana ity rehefa mandalina ianao: Ny fijoroana ho vavolombelona ananako manokana momba an’i Jesoa Kristy dia azo avy amin’ny tenivavolombelon’ny Fanahy Masina.
I Simeona sy i Ana
Valo andro taorian’ny nahaterahan’i Jesoa, dia noentin’i Maria sy i Josefa tany amin’ny tempoly i Jesoa zazakely araka ny lalàna Jiosy (jereo ny Eksodosy 13:2). I Simeona sy i Ana, izay tao amin’ny tempoly dia nanaiky an’i Jesoa ho Mpamonjiny.
Vakio ny Lioka 2:25–33, 36–38 , hitadiavana ny porofo maneho fa nanampy an’i Simeona sy i Ana ny Fanahy Masina handray tenivavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Ny fehezan-teny hoe “niandry ny fampiononana ny Isiraely” ao amin’ny andininy faha-25 dia maneho ny fiandrasana ny fiavian’ilay Mesia izay ho avy.
1.
-
Ahoana no nanampian’ny Fanahy Masina an’i Simeona hahazo fijoroana ho vavolombelona momba an’i Kristy?
-
Inona no nataon’i Ana izay nanampy azy hahazo tenivavolombelona momba ny Tompo?
-
Inona no azonao ianarana avy tamin’i Simeona sy i Ana izay afaka manampy anao hikatsaka fijoroana ho vavolombelona manokana momba an’i Jesoa Kristy, sy hampitombo izany ary hifaly amin’izany?
Ankoatra an’i Simeona sy i Ana, dia toa nahazo fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ihany koa ireo mpiandry ondry sy ireo Magy. Azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’izy ireo fa mety hisy fiatraikany amintsika ny fandraisana fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpamonjy. Raha te hianatra bebe kokoa mikasika ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao ianao dia halalino ny momba ny mpiandry ondry ao amin’ny Sahanasa A. Raha toa kosa ka te hanatsara ny fitsaohanao sy hieritreritra fanomezana ho an’ny Tompo ianao dia halalino ny momba ny Magy ao amin’ny Sahanasa B.
Sahanasa A: Ireo mpiandry ondry (
Lioka 2:15–20
)—Fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao
Ny alin’ny fahaterahan’ny Mpamonjy tany Betlehema dia nisy mpiandry ondry niandry ny ondriny teny an-tsaha manodidina ny tanàna. Nisy anjely niseho tamin’izy ireo ka nanambara ny fahaterahan’i Jesoa Kristy, izay nitondra “fifaliana lehibe” ho an’ny “olona rehetra” ( Lioka 2:10).
Vakio ny Lioka 2:15–20 , ka tadiavo ny fomba namalian’ireo mpiandry ondry ny hafatr’ilay anjely.
dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao farafahakeliny ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:
2. Raha nisafidy an’ity ianao,
-
Araka ny hevitrao, nahoana ireo mpiandry ondry no nizara tamin’ny hafa ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba ny Mpamonjy?
-
Inona no azonao ianarana avy amin’io tantara io momba ny amin’ny zavatra mitranga rehefa mandray ny fijoroana ho vavolombelona izay anao manokana momba an’i Jesoa Kristy ianao?
-
Oviana ianao no naniry hizara amin’ny hafa ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany? Zarao ny zavatra niainanao iray rehefa nizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao ianao.
Sahanasa B: Ireo Magy (
Matio 2:1–12
)— Manatsara ny fitsaohana
Nandeha nitady ny Mpamonjy ireo Magy nanomboka tamin’ny fotoana nahaterahany mandrapahatonga Azy ho ankizy kely (jereo ny Matio 2:1–2).
Vakio ny Matio 2:9-11 , hijerena ny zavatra nataon’ireo Magy rehefa nahita ny Mpamonjy izy ireo.
dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao farafahakeliny ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:
2. Raha nisafidy an’ity ianao,
-
Inona no azonao ianarana avy amin’ny ohatry ny Magy?
-
Inona no fiantraikan’ny fijoroana vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy amin’ny fanirianao hitsaoka Azy?
-
Nanome fanomezana ny Magy mba hitsaohana an’i Jesoa zazakely. Inona avy ireo fomba sasany ahafahanao mitsaoka ny Mpamonjy?
Ny fijoroana ho vavolombelona anananao
Diniho ireo fahatsapana voarainao avy tamin’ny Fanahy Masina nandritra ity lesona ity. Eo am-pandalinanao ny fiainan’ny Mpamonjy izay voarakitra ao amin’ny Testamenta Vaovao dia diniho tsara ny fomba hanambaran’ny Fanahy Masina aminao ny momba an’i Jesoa Kristy.
Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy Mpamonjy na izay fantatrao momba Azy. Afaka mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao amin’ny fomba maro ianao. Ohatra, azonao atao ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao sy ny sarin’ny Mpamonjy eny amin’ny tambajotra ifaneraserana, na soraty ao anatin’ny tahadikana Bokin’i Môrmôna ny fijoroana ho vavolombelona anananao ary omeo ny ny namana iray na olona ao amin’ny fianakaviana izany.
Tsy voatery atao: Te hianatra bebe kokoa?
Inona no atao hoe fijoroana ho vavolombelona?
Ny fijoroana ho vavolombelona dia tenivavolombelona ara-panahy nomen’ny Fanahy Masina. Ny fototra iorenan’ny fijoroana ho vavolombelona dia ny fahalalana fa velona sy tia ny zanany ny Ray any An-danitra, fa velona i Jesoa Kristy, ilay Zanakalahin’ Andriamanitra, ary nanatanteraka ny Sorompanavotana tsy misy fetra Izy, fa mpaminan’ Andriamanitra i Joseph Smith izay nantsoin’ Andriamanitra hamerina amin’ny laoniny ny filazantsara, fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no Fiangonana marin’ny Mpamonjy eto an-tany, ary ny Fiangonana dia tarihin’ny mpaminany velona ankehitriny. Miainga eo amin’io fototra io no hitomboan’ny fijoroana ho vavolombelona ka ho tafiditra ao anatin’izany ireo fitsipiky ny filazantsara rehetra.
(Gospel Topics (Lohahevitra momba ny filazantsara), “Testimony (Fijoroana ho vavolombelona),” topics.ChurchofJesusChrist.org)
Inona no fiantraikan’ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy eo amintsika?
Ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanazava ny fomba hijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona momba an’i Kristy:
Ny Fanahy Masina no mijoro ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy no Zanaka Malalan’ny Ray any An-danitra izay tia antsika sy maniry ny hahazoantsika ny fiainana mandrakizay miaraka Aminy ao anatin’ny fianakaviana. Na dia vao manomboka manana izany fijoroana ho vavolombelona izany fotsiny aza isika, dia mahatsapa faniriana ny hanompo Azy sy hitandrina ny didiny. Rehefa mikiry ny hanao izany isika, dia mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina mba hanome antsika hery ao anatin’ny asa fanompoana ataontsika. Lasa mahita ny fiasan’ny tanan’ Andriamanitra mazava kokoa isika, tena mazava tokoa ka amin’ny farany dia tsy vitan’ny hoe hahatsiaro Azy fotsiny isika, fa hianatra hitia Azy sy ho lasa tahaka Azy bebe kokoa amin’ny alalan’ny herin’ny Sorompanavotana.
(Henry B. Eyring, “O Remember, Remember (Ô Tsarovy, Tsarovy),” Ensign , Nov. 2007, 68–69)
Inona no fanomezana azonao atolotra an’i Jesoa Kristy?
Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:
Ny fanomezana tsara indrindra azonao omena ny Tompo dia ny mitandrina ny tenanao mba tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao, ary mendrika ny hiditra ao amin’ny tranony masina. Ny fanomezana hatolony anao dia ny fiadanana sy ny fiarovana noho ny fahafantarana fa mendrika ny hihaona Aminy ianao, na rahoviana na rahoviana no hahatongavan’izany fotoana izany.
(Russell M. Nelson, “Ny hoavin’ny Fiangonana: Manomana izao tontolo izao amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany,” Liahona, aprily 2020, 15)
Nampianatra ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
Isika ihany koa, tahaka ireo Magy dia afaka mikatsaka an’i Kristy sy manome Azy ny fanomezana manan-danja indrindra: fo torotoro sy fanahy manenina. Tokony homentsika Azy ny fitiavantsika. Tokony hanolotra ny fahavononantsika hitondra ny anarany sy handeha eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra isika. Tokony hampanantena isika fa hahatsiaro Azy mandrakariva, sy hanaraka ny ohatra nasehony, ary hanao ny tsara (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempivavahana 20:77, 79 ; Asan’ny Apostpoly 10:38).Tsy afaka hanolotra azy ny fahalavorariana eo amin’ny zavatra rehetra mba ho fanomezana ho Azy isika satria fanomezana mihoatra ny azontsika atolotra izany, raha ny amin’izao fotoana izao aloha. Nefa mitaky antsika Izy ny mba hanomezantsika Azy ho fanomezana ny ezaka tsara indrindra vitantsika handehanana eo amin’ny lalana nomaniny sy nampianariny.
(Dieter F. Uchtdorf, “True Gifts of Christmas (Fanomezana marina amin’ny Noely),” New Era, Dec. 2018, 3)
Nahoana i Maria no nanolotra domoina na voromailala tao amin’ny tempoly?
Ny lalàn’i Mosesy dia milaza fa ny vehivavy dia maloto aorian’ny fiterahany. Mba ho lasa madio dia mila manolotra zanak’ondry iray ao amin’ny tempoly ny reny tera-bao iray hatao fanatitra hodorana, ary voromailala na domoina iray ho fanatitra noho ny ota (jereo ny Levitikosy 12:5–6). “Ary raha tsy tratry ny ananany ny Zanak’Ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy” ( Levitikosy 12:8). Ny nitondran’i Maria domoina na voromailala ho solon’ny zanak’ondry dia manambara mazava fa i Jesoa Kristy dia nateraka reny sahirana.