Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Lioka 2:10–12


Fifehezana fotopampianarana: Lioka 2:10–12

Teraka ho Mpamonjy sy Tompo i Jesoa Kristy

Sary
Fahaterahan’i Jesoa Kristy

Tamin’ny lesona teo aloha dia nianatra ny fijoroana ho vavolombelona izay nataon’ny anjely tamin’ny mpiandry ondry ianao fa i Jesoa Kristy dia Zanak’ Andriamanitra sy Mpamonjy an’izao tontolo izao (jereo ny Lioka 2:10–12). Ity lesona ity dia natao mba hahafahanao maneho ny fahatakaranao an’io fotopampianarana io rehefa mampihatra ireo fitsipika izay mifehy ny fahazoana fahalalana ara-panahy eo amin’ny fiainana andavanandro ianao.

Ianaro tsianjery sy hazavao

Jereo ny sary maneho ny fahaterahan’ny Mpamonjy ary tonòny ilay toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny n-soratra masina izay hita ao amin’ny Lioka 2:10–12: “Fa Mpamonjy no teraka ho anao anio, ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.” Averimbereno hatrany mandra-pahazoanao antoka fa tadidinao tsara ilay izy.

1. Ataovy ao anaty diary fandalinanao soratra masina ity sahanasa manaraka ity:

Jereo ny sary maneho ny fahaterahan’ny Mpamonjy. Manorata fehezan-teny roa na telo manazava ny antony nahatonga ilay tranga naseho an-tsary eto ho “vaovao mahafaly lehibe … ho an’ny olona rehetra” (Lioka 2:10).

Fizàrana mampihatra

Makà minitra vitsy hamerenana mijery ireo fitsipika ao amin’ireo andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” izay hita ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Isaky ny fitsipika tsirairay dia asio marika farafaharatsiny ny fehezan-teny iray izay tsapanao manazava ilay hevitra.

Diniho ireto fanontaniana manaraka ireto:

Vao tsy ela ny iray amin’ireo namanao izay tsy mpivavaka no nahita misiônera anankiroa niresaka tamin’olona vitsivitsy tao amin’ny valan-javaboary. Nanontany anao ilay namanao hoe: “Fa maninona ireo misiônera avy ao amin’ny fiangonanareo no mivoaka mitory momba an’i Jesoa? Toa manery ny olon-kafa hanaraka ny finoanareo ianareo. Maninona no tsy avelanareo ho faly tsotra izao fotsiny izy ireo?”

Ataovy ao an-tsaina io trangan-javatra io ka halalino ireto fitsipika manaraka momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy ireto ary diniho tsara fa ny fomba ahafahan’izany manampy anao hamaly ny fanontaniana izay napetrak’ilay namanao.

Manao asa amim-pinoana

“Manao asa amim-pinoana isika rehefa misafidy ny hatoky an’ Andriamanitra sy hitodika any Aminy” (Tahirin-kevitra fototra momba ny Fifehezana Fotopampianarana, “Mahazo fahalalana ara-panahy,” andiam-pehezan-teny 5

  • Inona ny fehezan-teny hitanao ao amin’ny andiam-pehezan-teny 5–7 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” izay afaka manampy anao tsara amin’ity tranga iray ao anatin’ilay rafi-tantara ity?

  • Ahoana no ahafahan’ny fanaovana asa amim-pinoana manampy anao rehefa mitady valiny ho an’ny namanao ianao?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

“Mba hijerena ireo [hevi-dehibe sy fanontaniana] amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay, dia raisintsika izany ao anatin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny famonjena sy ny fampianaran’ny Mpamonjy” (Tahirin-kevitra Fototra momba ny Fifehezana Fotopampianarana, “Mahazo fahalalana ara-panahy,” andiam-pehezan-teny 8).

Avereno jerena ny Lioka 2:10–12. Saintsaino ny zavatra ampianarin’io andalan-tsoratra masina io miaraka amin’ny zavatra efa fantatrao momba an’i Jesoa Kristy.

  • Inona avy ireo anjara asan’ny Mpamonjy ao amin’ny drafitry ny famonjena?

  • Nahoana no zava-dehibe ho an’ireo izay mbola tsy mahalala momba an’i Jesoa Kristy ny mianatra momba Azy?

  • Nahoana no zava-dehibe amintsika tokoa ny mizara ny hafatry ny filazantsarany amin’ny olona rehetra, ao anatin’izany ireo kristiana hafa izay efa nanaiky Azy?

  • Ahoana no ahafahanao mampiasa ny valin’ny fanontaniana teo aloha mba hamalianao ny fanontanian’ny namanao?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Mba hanampiana antsika hahazo fahalalana ara-panahy, dia “nametraka loharanom-pahalalana tamin’alalan’ny fahamarinana sy fitarihana tamin’ny zanany” ny Tompo (Tahirin-kevitra fototra momba ny Fifehezana Fotopampianarana, “Mahazo fahalalana ara-panahy,” andiam-pehezan-teny 11).

Avereno jerena ny iray na maromaro amin’ireto loharanom-pitaovana tena tsara manaraka ireto, ka tadiavo ny fampahalalana izay afaka manampy anao hamaly ny fanontaniana izay napetraky ny namanao taminao.

Diniho ireo fampianarana izay entin’ireo loharanom-pitaovana mahakasika ny fomba izay ahafahan’ny Mpamonjy sy ireo fampianarany mitondra fifaliana ho an’ny olona.

  • Inona no nianaranao momba ny Mpamonjy sy ny fampianarany izay afaka mitondra fifaliana ho an’ny olona eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny fiainana ho avy?

  • Inona avy ireo zavatra niainanao manokana niaraka tamin’ny Mpamonjy na ireo fampianarany izay nitondra fifaliana ho anao?

  • Ahoana no ahafahan’ny valinteninao amin’ireo fanontaniana ireo manampy anao hamaly ilay fanontaniana izay napetraky ny namanao taminao?

2. Diniho ny fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana izay ampianarina ao amin’ny Lioka 2:10–12 ary soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny valiny homenao ny namanao.

Hamoaka printy