Seminera
Lioka 2:1–14


Lioka 2:1–14

“Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio”

Sary
toerana nahaterahan’i Jesoa

Nandeha nankany Betlehema, izay toerana nahaterahan’i Jesoa, i Josefa sy Maria. Nisy anjely iray nanambara ny fahaterahan’ny Mpamonjy tamin’ny mpiandry ondry tany akaikin’i Betlehema (jereo ny Lioka 2:9-12), “ary nisy anjely maro be avy any an-danitra niseho tampoka … ka nidera an’ Andriamanitra nanao hoe: Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’ Andriamanitra! Ary fiadanana ho ety ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany” (Lioka 2:13-14). Ity lesona ity dia natao hanampiana anao handinika indray ireo tranga tamin’ny fahaterahan’ny Mpamonjy ary hampahafantatra anao ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Lioka 2:10-12. Hianaranao ao ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpamonjinao Azy sy ny zavatra nanavotany anao mba hahafahanao, tahaka ireo anjely, manome voninahitra sy mankalaza an’ Andriamanitra ny noho ny fanomezany ny Zanany.

Ny nahaterahan’i Jesoa Kristy

  • Inona avy ireo antsipiriany tianao indrindra mikasika ny nahaterahan’i Jesoa Kristy?

  • Inona no maha-zava-dehibe an’ireo zavatra ireo aminao?

Vakio ny Lioka 2:1–14, jereo ireo tranga nanan-danja taminao na ireo zavatra vaovao tsy tsikaritrao fahiny tamin’ny tantaran’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy.

  • Inona no tsikaritrao tamin’ny tantaran’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy ka nanan-danja taminao?

Fa Mpamonjy no teraka

Vakio indray ny Lioka 2:10–12, ka jereo ny fomba nanambaran’ny anjely ny fahaterahan’i Jesoa.

Ny Lioka 2:10–12 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Hianatra bebe kokoa mikasika io andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana io ianao ao amin’ny lesona manaraka.

  • Inona no anarana voalohany niantsoan’ny anjely an’i Jesoa Kristy rehefa nanambara ny fahaterahan’i Jesoa tamin’ny mpiandry ondry izy?

  • Nahoana no zava-dehibe ny hoe amin’ireo anarana maro niantsoana an’i Jesoa dia io no anarana nampiasain’ny anjely tamin’ny fanambarana ny fahaterahany?

Mety hanampy ny mahafantatra fa ao amin’ny Baiboly dikan-teny Grika, ny teny nampiasaina ilazana ny hoe Mpamonjy dia midika ihany koa hoe mpanafaka na mpiaro.

Iray amin’ireo fahamarinana ampianarin’io andalan-tsoratra masina io ny hoe i Jesoa Kristy no Mpamonjy an’izao tontolo izao.

Mila Mpamonjy isika

Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ity zavatra nitranga manaraka ity:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

Fotoana vitsy lasa izay dia nisy olona iray izay mpikambana tao amin’ny Fiangonana nandritra ny taona maro nanontany ahy hoe: “Nahoana aho no mila an’i Jesoa Kristy? Mitandrina ny didy aho; olona tsara aho. Nahoana aho no mila Mpamonjy?” Tsoriko fa ny tsy fahatakaran’io mpikambana io ny tena fototry ny fotopampianarantsika, ilay singa iorenan’ny drafitry ny famonjena dia nahatonga ahy ho tankina tanteraka.

(D. Todd Christofferson, “Why We Need Jesus Christ,” Ensign, Dec. 2020, 19– 20.)

Makà fotoana hieritreretana izay mety ho navalinao, araka ny eritreritrao sy fahatsapanao manokana, raha toa ka ianao no teo amin’ny toeran’i Loholona Christofferson.

Afaka mianatra mikasika ny filantsika Mpamonjy isika amin’ny alalan’ny fianarana soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany (jereo nyJakôba 7:11).

Fahaizana mandalina soratra masina izay afaka manatsara ny fahatakaranao ny fotopampianarana sy fitsipika ny fandrafetanao ireo soratra masina mifandray ao amin’ny soratra masinao. Mba hampifandraisanao soratra masina dia mamoròna rohy ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile na ampifandraiso ireo soratra masina mifandray amin’ny alalan’ny fanoratana ny toko sy andinin’ny soratra masina iray eo akaikin’ny andalan-tsoratra masina iray hafa.

Mianara soratra masina telo na efatra amin’ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto mba hanampy anao hamaly ny fanontaniana hoe “Nahoana aho no mila Mpamonjy?” sy ny hoe “Hamonjy ahy amin’ny inona Izy?” Hevero ny hampifandray ireo andalan-tsoratra masina ireo amin’ny alalan’ny fanaovana rohy mampifandray azy amin’ny Lioka 2:10–12ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile na amin’ny alalan’ny fanoratana ny toko sy andinin’ny Lioka 2:10–12eo akaikin’ireo soratra masina halalininao.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no andalan-tsoratra masina nofidinao?

  • Ahoana no hanampian’ireo soratra masina ireo anao amin’ny famaliana ny fanontaniana “Nahoana aho no mila Mpamonjy?” sy ny hoe “Hamonjy ahy amin’ny inona Izy?”

Ny zavatra omen’ny Mpamonjy anao

Jereo ilay horonantsary “Why We Need a Savior—A Christmas Message about Our Savior Jesus Christ” (2:15), ka tadiavo ny antony ilantsika Mpamonjy. Io horonantsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Ny Loholona Christofferson dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana sasany raisintsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

Noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka manarina ny tenantsika amin’ireo safidy ratsy isika. Noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia voarina ny vokatry ny fahotana sy ny fahadisoan’ny hafa teo amintsika ary ireo tsy rariny hafa rehetra. Mba hositranina sy hohamasinina dia mila Mpamonjy isika.

(D. Todd Christofferson, “Why We Need Jesus Christ,” Ensign, des. 2020, 22)

Ao amin’ny Lioka 2:10dia nanambara ny anjely hoe: “Milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe.”

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto farafahakeliny:

  • Ahoana no nahitanao “fifaliana lehibe” ao amin’ny Mpamonjy anao, dia i Jesoa Kristy?

  • Inona no azontsika atao mba hampitomboana ny fifaliantsika ao amin’ny Mpamonjy?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Inona no antony nandehanan’i Maria sy i Josefa tany Betlehema ka nampadoavina hetra azy?

I Aogosto Kaisara dia Mpanapaka Romana mahay sy mavitrika, ary ny fotoana nanjakany, tamin’ny taona 31 talohan’i J.K. ka hatramin’ny 14 taorian’i J.K., dia voamariky ny filaminana sy ny fanarahan-dalàna. Ny “fandoavan-ketra” voalaza ao amin’ny Lioka 2:2 dia fisoratana anarana [na fanisam-bahoaka] mikendry ny fandoavan-ketra any aoriana, fisoratana anarana izay mitaky ny fahatongavan’ny mpandoa hetra manokana mba hanome ireo fampahalalana ilaina. Noho i Josefa sy i Maria samy taranak’i Davida Mpanjaka dia tsy maintsy nandeha nankany Betlehema izy ireo, izay tanàna fiavian’i Davida Mpanjaka. … Ireo mpaminany fahiny dia samy nanambara fa ny Mesia dia ho teraka ao Betlehema, any amin’ny tanin’i Jerosalema (jereo ny Mika 5:2; Almà 7:10). Betlehema dia eo amin’ny 137–145 kilaometatra atsimon’i Nazareta, lalana farafahakeliny efatra ka hatramin’ny dimy andro raha mandeha an-tongotra, na mihoatra raha mihevitra ny toe-batan’i Maria.

(Testamenta Vaovao: boky torolalana ho an’ny mpianatra [2014], 143)

Hamoaka printy