Matio 2:11–23
“Notoroan’ Andriamanitra hevitra”
Rehefa avy nanome ny fanomezana ho an’i Kristy zazakely ireo Magy dia notoroan’ny Tompo hevitra izy ireo mba tsy hiverina any amin’i Heroda mpanjaka. Nisy anjely niseho tamin’i Josefa tamin’ny nofy ary nilaza taminy hitondra ny fianakaviany ho any Egypta. Ireo fampitandremana ireo dia namonjy an’i Jesoa zazakely tamin’ny fandripahan’i Heroda ny zaza rehetra roa taona no ho midina tao amin’ny faritra manodidina an’i Betlehema. Taorian’ny fahafatesan’i Heroda dia notoroan’ny Tompo hevitra i Josefa hiverina any Isiraely. Tahaka ny nitahian’ny Tompo an’ireo Magy sy i Josefa ary i Maria tamin’ny alalan’ny fanambarana dia te hitahy anao ihany koa Izy amin’ny alalan’ny fanambarana. Amin’ity lesona ity ianao dia hahita fomba vitsivitsy ahafahan’ny Tompo mifandray aminao. Hasaina hitady an’io fifandraisany io eo amin’ny fiainanao manokana ihany koa ianao.
Mampitandrina ny Magy sy i Josefa ny Tompo
Eritrereto ireo fomba nifandraisan’ny Ray any An-danitra taminao teo amin’ny fiainanao, ary valio ireto fanontaniana manaraka ireto.
-
Ahoana araka ny eritreritrao no ahafantaranao fa mifandray aminao ny Ray any An-danitra?
-
Inona avy ireo fomba sasany nanomezan’ Andriamanitra anao fanambarana na fitarihana?
-
Eo amin’ny lafiny inona eo amin’ny fiainanao no ahatsapanao fa tena mila ny fitarihan’ny Ray any An-danitra sy torolalana ianao?
Rehefa mandalina ny Matio 2 ianao dia hanana fotoana hianarana momba ny fahazoana fitarihana sy torolalana avy amin’ny Ray any An-danitra.
Tamin’ny fotoana nahaterahan’ny Mpamonjy dia fantatra tamin’ny anarana hoe Heroda Lehibe ny mpanapaka tao Jodia. Lehilahy ratsy fanahy izy. Rehefa nihaona tamin’ny Magy izy dia nangataka azy ireo hiverina ary hampahafantatra azy ny zavatra hitan’izy ireo momba an’i Kristy zazakely (jereo ny Matio 2:8). Noho ny faharatsian’i Heroda dia nampitandrina ny Magy Andriamanitra ary nandefa anjely hampilaza an’i Josefa tao amin’ny nofy.
Rehefa mandalina ny soratra masina ianao dia zava-dehibe ny mamantatra fitsipika. Ny fitsipika dia fahamarinana maharitra afaka manome anao fomba fijery sy manampy anao amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Matetika isika no afaka mitady ireo fitsipika amin’ny alalan’ny famaliana fanontaniana toy ireto:
-
Inona araka ny eritreritrao no soatoavina na votoatin’ny tantara?
-
Nahoana no nampidirin’ny mpanoratra tao anatin’ny rakitsoratra nataony ireo zava-nitranga na andinin-tsoratra ireo araka ny eritreritrao?
-
Inona no lesona tian’ny mpanoratra hianarantsika?
Misafidiana iray amin’ireo fanontaniana etsy ambony, ary valio izany eo am-pisaintsainanao ny Matio 2:11–16 .
1.
-
Inona no fitsipika hitanao avy ao amin’ny Matio 2:11–16 ?
-
Ahoana no ahafahan’ny fitsipika hitanao manampy anao amin’ny fanapahan-kevitra raisina eo amin’ny fiainanao?
Hanoro hevitra antsika ny Tompo
Ao amin’ny Matio 2:11–16 dia mety nahita fitsipika momba ny fampitandremana avy amin’ny Tompo ianao. Ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome fampanantenana momba ny fampitandremana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.
Marina fa tsy maintsy hanao fahadisoana ianareo eo amin’ ny fiainana, kanefa tsy hahavita hadisoana goavana ianareo raha tsy efa nampitandreman’ilay bitsiky ny Fanahy Masina mialoha. Izany fampanantenana izany dia mihatra amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana rehetra.
(Boyd K. Packer, “Torohevitra ho an’ireo tanora,” Liahona, nôv. 2011, 18)
Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona no tian’ny Ray any An-danitra hampitandremana antsika amin’ny alalan’ny Fanahy miteny amintsika ny mombamomba Azy sy ny toetrany?
-
Ahoana no mety hanampian’ny fikatsahana sy ny famaliana ireo bitsika ary ny fampitandreman’ny Fanahy anao amin’ny ankehitriny sy amin’ny hoavy?
Niverina tany Egypta i Josefa sy i Maria ary i Jesoa
Vakintsika ao amin’ny Matio 2:19–23 fa rehefa maty i Heroda dia nanome hafatra hafa an’i Josefa ny Tompo raha mbola tany Egypta izy sy i Maria ary i Jesoa. Ianarantsika avy amin’ity hafatra azon’i Josefa ity fa afaka mahazo fanambarana sy fitarihana isika raha vonona ny hihaino sy hankatò.
Vakio ny Matio 2:19–23 , ka tadiavo ireo antsipiriany izay mampianatra an’ity fitsipika ity.
Ao amin’ny Matio 2 Andriamanitra dia nifandray tamin’ireo Magy sy i Josefa tamin’ny alalan’ny nofy sy ny fitsidihan’ireo anjely. Ny Ray any An-danitra dia mifandray amin’ny zanany amin’ny fomba maro hafa ihany koa, ao anatin’izany ny fitaomam-panahy sy ny fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina. Rehefa mandalina ny filazantsara any an-trano sy any amin’ny seminera ianao dia jereo tsara ihany koa ny zavatra ianaranao avy amin’ny soratra masina sy ny zavatra ampianarin’ny Ray any An-danitra anao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Ny fandalinanao ny filazantsara dia azo hatsaraina sy mivantana kokoa aminao manokana rehefa mihaino izay ampianarin’ Andriamanitra anao amin’ny alalan’ny Fanahiny ianao.
Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto farafahakeliny:
2.
-
Inona avy ireo fomba vitsivitsy ifandraisan’ny Tompo aminao?
-
Inona avy ireo zavatra niainanao izay nampitandreman’ny Fanahy Masina na nitarihany anao? Inona no fiantraikan’ireo zavatra niainanao ireo teo amin’ny fiainanao?
-
Raha toa ka maheno ny feon’ny Mpamonjy miresaka aminao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ianao mandritra ny fandalinanao, inona no ho fiantraikan’izany mandritra ny fianaranao ny seminera?
-
Inona no tsapanao fa azonao atao mba handraisana tsara kokoa ny fitarihana sy ny fanambaran’ny Fanahy Masina izay tian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy homena anao?
Tsy voatery atao: Te hianatra bebe kokoa?
Ahoana no ahafahan’ny Fanahy Masina manampy ahy?
Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:
Manao izay hahatonga ny tsara hahasarika kokoa ary ny fakam-panahy tsy dia hahasodoka ny fananana ny Fanahy Masina ho namana. Io fotsiny dia ampy hahatonga antsika ho tapa-kevitra ny ho mendrika hanana mandrakariva ny Fanahy miaraka amintsika.
(Henry B. Eyring, “Ny Fanahy Masina ho namanao,” Liahona, nôv. 2015, 104)
Nampianatra ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:
Fantatry ny Raintsika any An-danitra fa hiatrika olana sy fahoriana ary disadisa isika eto ambonin’ny tany; fantany fa hitolona amin’ny fanontaniana, fahadisoam-panantenana, fakam-panahy ary fahalemena isika. Mba hanomezana tanjaka sy fitarihana avy any an-danitra ho antsika eto ambonin’ny tany dia nomeny ny Fanahy Masina isika.
(Ronald A. Rasband, “Avelao hitarika anao ny Fanahy Masina,” , mey 2017, 93)
Ahoana no ahafantarako fa miteny amiko ny Tompo?
Raha te hianatra bebe kokoa momba ny fomba ahafahan’ny Fanahy Masina miresaka aminao ianao dia vakio ny lahatsoratra “Eight Ways God Can Speak to You” avy amin’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany (New Era, Sept. 2004, 4–8).
Nahoana i Heroda no nandripaka ny zaza tsy manan-tsiny?
Nitady hamono an’i Jesoa i Heroda mpanjaka, rehefa “nangorohoro” tamin’ny vaovao fa nisy “Mpanjakan’ny Jiosy” iray hafa teraka ( Matio 2:2–3), mba hiarovana ny seza fiandrianany. Satria fantany fa teraka tao Betlehema i Jesoa tokony ho roa taona talohan’izay, dia nandidy ny hamonoana ny zaza latsaky ny roa taona rehetra tao i Heroda (jereo ny Matio 2:4, 7, 12–16). Nalaza ratsy tamin’ny habibiana i Heroda rehefa misy fandrahonana mampiahiahy azy, ary novonoina ho faty mihitsy aza ny vadiny sy ny telo lahy tamin’ireo zanany lahy (jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Heroda”).