Lioka 1:39–79
Miravoravoa ary miderà an’ Andriamanitra
Nandritra ny fitondrana vohoka an’i Jesoa dia nitsidika an’i Elizabeta havany i Maria ary niara-niravoravo taminy noho ny fahatsaran’ Andriamanitra. Ity lesona ity dia hanome fahafahana anao hamantatra ny fahatsaran’ Andriamanitra sy hanolotra ny fideranao ho an’izany.
-
Araka ny eritreritrao, nahoana isika no mihira hira ao amin’ny fihirana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho isan’ny fitsaohantsika Azy ireo?
-
Inona ny hira ao amin’ny fihirana na andalana avy ao amin’ny hira ao amin’ny fihirana izay manasongadina ny fahatsaran’Izy ireo?
Makà minitra iray hieritreretana ny zavatra tsapanao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Saintsaino ny antony tokony hideranao Azy ireo ary impiry ianao no maneho ny fahatsapanao momba Azy ireo amin’ny fomba samihafa.
Ato amin’ity lesona ianao dia hanana fahafahana hieritreretana bebe kokoa ny antony sy ny fomba mety hideranao an’ Andriamanitra sy hiravoravoanao amin’ny fiainana sy ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy.
Niara-niravoravo tamin’ny fahatsaran’ Andriamanitra i Maria sy i Elizabeta
Raha mbola bevohoka an’i Jesoa i Maria dia nandeha namangy an’i Elizabeta zokiny izy, izay bevohoka tamin’ny fomba mahagaga ihany koa. Teo am-pahatongavan’i Maria, ny zanak’i Elizabeta, izay ho i Jaona Mpanao Batisa dia “nibitaka noho ny hafaliana tao an-kibon’i [Elizabeta]” ( Lioka 1:44). Izany no nanombohan’ny resadresaka nifanaovan’i Maria sy i Elizabeta izay niravoravoan’i Maria sy niderany an’ Andriamanitra.
Vakio ny Lioka 1:46–55 . Rehefa mandalina ny tenin’i Maria ianao dia miatoa kely ary saintsaino ny dikan’ireo teny na andian-teny manokana. Ny fiatoana sy ny fisaintsainana dia afaka manasa fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina mba hanampy anao hahatakatra lalindalina kokoa ny soratra masina. Ohatra, afaka miato ianao eo amin’ny hoe “fahambani-toetry” na “ankizivaviny” ao amin’ny andininy 48 . Ireo teny ireo dia mety hanome fahatakarana ny fanetren-tenan’i Maria sy ny fanajany an’ Andriamanitra. Ny teny ao amin’ity andininy ity dia afaka manampy anao hahita fa mahafantatra sy tia ny zanany Andriamanitra na manao ahoana na manao ahoana ny toe-piainan’izy ireo. Raha hita fa manampy dia tadiavo ao amin’ny rakibolana na ny Torolalana ho an’ny soratra masina, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, ny dikan’ireo teny izay tsy azonao.
-
Teny inona no nijanonanao ho eritreretina? Inona no nianaranao?
-
Inona avy ireo fahamarinana momba an’ Andriamanitra ianaranao avy amin’ny tenivavolombelon’i Maria?
Afaka miravoravo amin’ny fahatsaran’ Andriamanitra isika
Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Maria ny hoe rehefa mandinika ny fitaoman’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika isika dia afaka miravoravo.
-
Nahoana araka ny eritreritrao no afaka manampy anao hahatsapa firavoravoana ny fahalalana ny fitahian’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao?
Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ny fomba nitahian’ny fahatsiarovany ny fahatsaram-pon’ Andriamanitra taminy.
Rehefa nisaintsaina ireo fanomezana avy tamin’ny Raintsika any An-danitra sy avy tamin’i Jesoa Kristy aho dia lasa fantatro ny fitiavan’Izy Ireo tsy manam-petra sy ny famindrampon’Izy Ireo tsy takatry ny saina ho an’ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra [jereo ny 2 Nefia 26:33 ]. Nanova ahy izany fahalalana izany, ary dia hanova anareo ihany koa.
(Dale G. Renlund, “Saintsaino ny hatsaram-po sy ny halehibeazan’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2020, 44)
Fenoy ireto dingana manaraka ireto hanampiana anao hahafantatra ireo fitahian’ny Ray any An-danitra sy hidera Azy noho ny fahatsarany.
Dingana 1:
Eritrereto izay valinteninao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.
-
Inona avy ireo fitahiana avy amin’ny Ray any An-danitra izay tena ankasitrahanao indrindra?
-
Inona no anampian’ireo fitahiana ireo anao hahatakatra momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?
-
Oviana ianao no nahatsapa fifaliana noho ny fahalalana ireo fitahian’ Andriamanitra ho anao na ho an’ny olona iray fantatrao?
-
Inona no tantara ao amin’ny soratra masina na andinin-tsoratra masina manampy anao haniry hidera an’ Andriamanitra?
Dingana 2: Safidio ny fomba hideranao an’ Andriamanitra. Ireto misy hevitra vitsivitsy azonao isafidianana:
-
Manorata tononkalo na hira.
-
Manaova sary.
-
Manolora vavaka fankasitrahana.
-
Mijoroa ho vavolombelona amin’olona iray.
-
Manorata ao amin’ny diarinao manokana.
-
Zarao ao amin’ny tamba-jotra ifaneraserana ny fahatsapanao momba an’ Andriamanitra.
Afaka maneho ny hevitrao manokana ihany koa ianao. Rehefa avy nanao ny safidinao ianao dia atombohy ny asanao. Raha tsy afaka manomboka dieny izao ianao dia manorata drafitra amin’ny antsipiriany momba ny zavatra hataonao. Ohatra, raha te-hanolotra vavaka fankasitrahana ianao dia azonao atao ny manoratra hoe oviana sy aiza no hivavahanao ary ho an’ny inona no hanehoanao fankasitrahana. Azonao atao ny mizara ny hevitrao amin’ny ray aman-dreny na mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay afaka mampahatsiahy anao hanatanteraka ny drafitrao.
1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny famaritana ny zavatra nataonao mba hiderana an’ Andriamanitra sy ny antony nisafidiananao an’io fomba io.
Tsy voatery atao: Te hianatra bebe kokoa?
Lioka 1:46–55 . Fa nahoana i Maria no midera ny Tompo?
Ny andininy 46–55 ao amin’ny Lioka 1 dia fantatra amin’ny fomba mahazatra hoe Tononkiran’i Maria. Ireo fiderana ireo dia mampifandray ny fahaterahan’i Jesoa Kristy sy ny lasa masina teo amin’i Isiraely. Ireo teny ao amin’izany dia mankalaza ny famindrampon’ny Tompo amin’ny fanolorana tanana indray hitahy sy hanome voninahitra ny olony—indrindra ireo izay “ambany” ( Lioka 1:52).
Lioka 1:53 . Ahoana no fomba hamokisan’ny Tompo ny “noana [amin’ny] soa”?
Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba ny fanasan’ny Mpamonjy hanatona Azy ary hovokisana:
Mivavaka aho izao maraina izao mba ho ren’izay rehetra noana sy mangetaheta ary indraindray mirenireny, ity fanasana avy Aminy ity, ilay Mofon’aina, ilay Loharanon’ny Rano velona, ilay Mpiandry Ondry tsara antsika rehetra, ilay Zanak’ Andriamanitra: “Mankanesa aty Amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, … dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo” [ Matio 11:28–29 ]. Tena “novokisany soa tokoa ny noana,” araka ny fijoroana vavolombelona nataon’i Maria reniny [ Lioka 1:53 ]. Avia ary homàna eo amin’ny latabatry ny Tompo izay hijoroako ho vavolombelona fa ilay Fiangonany marina sy velona tarihin’ny mpaminany marina sy velona.
(Jeffrey R. Holland, “He Hath Filled the Hungry with Good Things,” Ensign, Nov. 1997, 66)
Inona no mety hitranga rehefa mahatsiaro ny fahatsaran’ Andriamanitra isika?
Ny Loholona Dean M. Davies ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra izao manaraka izao momba ny zavatra hitranga rehefa mahafantatra ny fitahian’ Andriamanitra antsika isika:
Isan’andro, fa indrindra indrindra ny andro Sabata, dia manana fahafahana miavaka isika hiaina ny fahagagana sy ny fitalanjonana avy any an-danitra ary hanolotra ny fiderantsika an’ Andriamanitra noho ny fahasoavany masina sy ny famindram-pony mitobaka. …
Rehefa mitsaoka isika, dia mitodika amim-piderana amin’ilay Andriamanitra malalantsika ny fontsika, na maraina, na antoandro, na hariva.
Manamasina sy manome voninahitra Azy tsy tapaka isika, any amin’ny trano fiangonantsika, sy tokantranontsika, sy tempolintsika ary amin’ny asa rehetra ataontsika.
Rehefa mitsaoka isika dia manokatra ny fontsika ho amin’ny hery manasitran’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.
Ny fiainantsika no lasa mariky ny fanehoantsika ny fitsaohantsika.
(Dean M. Davies, “Ireo fitahiana entin’ny fitsaohana,” Liahona, nôv. 2016, 94–95)