Seminera
Lioka 1:1–38


Lioka 1:1–38

“Tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’ Andriamanitra”

Sary
The angel Gabriel (Noah) appearing to Mary and declaring to her that she would become the mother of Jesus Christ. Mary is depicted seated on a round stone ledge. The ledge borders a tree and flowers. The angel Gabriel is depicted wearing white robes. A stone wall and stairways are in the background. There are flowers in the foreground. Luke 1:26-38

Tonga tany amin’i Maria hanambara ny fahaterahan’i Jesoa Kristy ny anjely Gabriela. Nijoro ho vavolombelona izy fa “tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’ Andriamanitra” (Lioka 1:37). Ny valin-teny mifono fahatokiana nomen’i Maria dia afaka manampy anao hianatra ny fomba hamaliana ny sitrapon’ny Tompo ao anatin’ny fahatokiana bebe kokoa Azy.

  • Iza avy no holazainao fa vehivavy manana hery mitarika lehibe indrindra eo amin’ny fiainanao?

Ao anatin’ity lesona ity dia hianatra bebe kokoa momba an’i Maria, renin’i Jesoa Kristy ianao.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tokony hiheverana an’i Maria ho iray amin’ireo vehivavy manana hery mitarika lehibe indrindra eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao?

Ny fiainan’i Maria sy ny asa nanirahana azy dia nambara tao anatin’ny faminaniana taona maro talohan’ny nahaterahany. Halalino ireto faminaniana manaraka momba an’i Maria ireto ka tadiavo ny zavatra ampianarin’izany anao momba azy.

  • Inona no nianaranao momba an’i Maria avy amin’ireo soratra masina ireo?

Fampahafantarana ny Filazantsaran’i Lioka

Ny fitantarana nahafantaran’i Maria fa ho renin’i Jesoa Kristy izy dia voarakitra ao amin’ny Filazantsara’i Lioka.

Mpitsabo i Lioka (jereo ny Kolosiana 4:14) ary “mpitondra ny hafatr’i Jesoa Kristy” ( Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 1:1 [ao amin’ny Lioka 1:1, fanamarihana eny ambanin’ny pejy a]). Maro amin’ireo zava-niseho teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy no tsy hita afa-tsy ao Filazantsaran’i Lioka ihany, tafiditra ao anatin’izany ny fanambaran’ny anjely tamin’i Maria fa ho renin’ny Zanak’Andriamanitra izy. Fantatra amin’ny hoe ny Fiarahabana io zava-niseho io.

Rehefa mandalina ity tantara ity ianao sy ny ohatra feno fahatokiana nasehon’i Maria dia diniho tsara ny zavatra nianaranao sy ireo bitsika ara-panahy voarainao.

Niseho tamin’i Maria ny anjely Gabriela

Vakio ny Lioka 1:26-37 mba hitadiavana ireo antsipirian-javatra manodidina ny fanambarana nataon’ny anjely tamin’i Maria.

  • Inona avy ireo antsipirian-javatra avy amin’ilay fanambarana izay nanaitra anao?

  • Inona no fanontaniana anananao momba ny zavatra novakinao?

Ny fahamarinana iray mety tsikaritrao tao anatin’ity tantara ity dia ny hoe: tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’ Andriamanitra.Ny filoha Russell M. Nelson dia nizara ny iray amin’ireo fomba hiantefan’izany fahamarinana izany aminao:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Hangatahina ianao mba hanaiky hanao asa sarotra atao sy ho tonga fitaovana eo am-pelatanan’ny Tompo. Ary hanome fahafahana anao hanatontosa ny zavatra izay heverina fa tsy ho vita velively Izy.

(Russell M Nelson, “Becoming True Millennials” [fampaherezam-panahy ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony, 10 jan. 2016], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)

  • Inona no mety angatahin’ny Tompo mba hataonao izay heverinao ho toy ny tsy ho azo tanterahina?

  • Nahoana ireo zavatra ireo indraindray no heverina ho toy ny tsy ho azo tanterahina?

Indraindray rehefa miatrika asa izay heverintsika ho toy ny tsy ho azo tanterahina isika dia mety manampy ny mijery ireo ohatra nasehon’ny hafa izay niatrika tamim-pahatokiana ny toe-javatra sarotra niainan’izy ireo.

Vakio ny Lioka 1:38 , ary tadiavo ny valin-teny nomen’i Maria rehefa nahafantatra izy fa ho renin’i Jesoa.

  • Inona tao anatin’ny vali-ntenin’i Maria no manampy anao hahatakatra momba Azy?

  • Araka ny eritreritrao, inona avy ireo fahamarinana manampy ny olona iray hatoky ny Tompo toa an’i Maria, na dia mety ho toy ny tsy ho azo tanterahina aza ny zavatra angatahiny?

Mieritrereta zavatra iray nasain’ny Tompo nataonao kanefa toy ny tsy ho azo tanterahina izany. Rehefa mamaky bebe kokoa ny teny nambaran’ny Filoha Nelson ianao dia tadiavo ireo zavatra manokana azonao atao mba hanampiana anao hahatanteraka ilay zavatra izay toy ny tsy ho azo tanterahina izany:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Ahoana no hanatanterahanao zavatra izay toy ny tsy ho azo tanterahina izany? Amin’ny alalan’ny fanaovana izay rehetra ilaina mba hampiorim-paka ny finoanao an’i Jesoa Kristy na inona izany na inona amin’ny alalan’ny fampitomboana ny fahatakaranao momba ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny sy amin’ny alalan’ny fikatsahana tsy tapaka ny fahamarinana. … Rehefa angatahina ianao hanatanteraka zavatra tsy ho vita dia ho afaka ny handroso amim-pinoana sy faharetana tsy tapaka ka hanao amim-pifaliana ireo zavatra rehetra izay tratry ny herinao mba hanatanterahana ireo tanjon’ny Tompo.

Hisy ireo andro izay hahakivy tanteraka anao. Koa, mangataha risi-po mba tsy hilavo lefona!

(Russell M Nelson, “Becoming True Millennials” [fampaherezam-panahy ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony, 10 jan. 2016], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)

1.

  • Inona ny fihetsika iray voalaza tao amin’ny teny nambaran’ny Filoha Nelson izay tianao hatsaraina kokoa ao aminao?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no afaka manampy anao hanatanteraka zavatra izay toy ny tsy ho azo tanterahina eo amin’ny fiainanao ny fivoaranao eo amin’io lafiny io?

Tsy voatery atao: Te hianatra bebe kokoa ve ianao?

Inona no antony hianarana ny Filazantsaran’i Lioka?

Mampiavaka manokana ny filazantsaran’i Lioka ireo tantara sasantsasany malaza indrindra mahakasika ny maha-kristianina: ireo toe-java-nitranga nanodidina ny fahaterahan’i Jaona Mpanao Batisa (jereo ny Lioka 1:5–25, 57–80); ny tantara efa fantatra hatry ny ela momba ny Krismasy (jereo ny Lioka 2:1–20); ny tantaran’i Jesoa tamin’izy 12 taona tao amin’ny tempoly (jereo Lioka 2:41–52); ireo fanoharana toy ny Samaritana tsara fanahy (jereo ny Lioka 10:30–37), ilay zanaka adala (jereo ny Lioka 15:11–32), ary ilay lehilahy manankarena sy i Lazarosy (jereo ny Lioka 16:19-31); ny tantaran’ireo boka folo (jereo ny Lioka 17:11–19); ary ny tantaran’ny Tompo efa nitsangana tamin’ny maty niaraka nandeha tamin’ireo mpianany teny an-dalana nankany Emaosy (jereo ny Lioka 24:13–32).

Ny endrika hafa mampiavaka azy koa dia ny fampidiran’i Lioka ireo fampianaran’i Jaona Mpanao Batisa izay tsy hita any amin’ireo Filazantsara hafa (jereo ny Lioka 03:10-14); ny fanamafisany ny fanaovan’i Jesoa Kristy vavaka tsy tapaka (jereo ny Lioka 3:21 ; 5:16 ; 9:18, 28–29 ; 11:1); ary ny fampidirany ny momba ny fiantsoana ireo Fitopololahy sy ny fanofanana azy ireo ary ny asa fitoriana nataon’izy ireo (jereo ny Lioka 10:1–22). Ankoatra izany, i Lioka irery ihany no mpanoratra Filazantsara izay nirakitra an-tsoratra ny hoe nandatsaka ny rany tao Getsemane ny Mpamonjy ary nisy anjely nanompo Azy (jereo ny Lioka 22:43-44).

Lioka 1:26.

Iza ilay anjely Gabriela?

Ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44) dia nampianatra ny mombamomba ny anjely Gabriela:

Sary
Half-length frontal portrait of the Prophet Joseph Smith, Jr. Joseph’s head is turned to the side in a three-quarter view, right hand on hip and his left hand holds sheets of papers. He is depicted wearing a dark brown suit and a white shirt and tie.

I Noa … no Gabriela; manarakaraka an’i Adama izy amin’ny fahefana ao amin’ny fisoronana; nantsoin ’Andriamanitra tamin’io anjara fanompoana io izy ary izy no rain’ny velona rehetra tamin’ny androny ary nomena azy ny fanapahana.

Lioka 1:27.

Inona no dikan’ny hoe “nampakarin’i … Josefa” i Maria?

Tany Israely fahiny, rehefa avy nifanarahana ny fanambadiana dia ahitana dingana roa ny fampakarana: ny fifamofoana (izay antsoina ihany koa hoe fifanekena mialoha ny hivady; jereo ny Matio 1:18) sy ny fanatanterahana ara-pomba ny fanambadiana. Na dia noraisina ho toy ny mpivady ara-dalàna aza ny mpifamofo (jereo ny Deoteronomia 22:23–24), dia nisy fampiharana fitsipika hentitra mifehy ny fahadiovam-pitondrantena teo anelanelan’ny fotoana maha-mpifamofo sy ny ny fanatanterahana ara-pomba ny fanambadiana (jereo ny Matio 1:18-25 ; jereo koa ny New Testament Student Manual[2014], 13).

Lioka 1:30–35.

Inona no fantatsika momba ny naha-bevohoka an’i Maria tamin’ny fomba mahagaga?

Rehefa nanontany i Maria hoe ahoana no ahafahany ho lasa renin’i Jesoa, “fa tsy mahalala lahy aho” ( Lioka 1:34), Nampahafantatra azy fotsiny i Gabriela fa hanaloka azy ny Fanahy Masina ary ny zanany dia ho Zanak’ Andriamanitra (jereo ny Lioka 1:35). Ireo soratra masina hafa miresaka momba ny fahatongavan’i Jesoa Kristy tao am-bohoka dia manamafy koa fa Zanak’ Andriamanitra Izy nefa tsy manambara ny fomba nitrangan’io fahagagana io (jereo ny Matio 1:18–20 ; 1 Nefia 11:14-15, 18-21 ; Almà 7:10).

Hamoaka printy