Seminera
Matio 1:18–25; Lioka 1:26–35


Matio 1:18–25; Lioka 1:26–35

Jesoa Kristy: Zanak’ Andriamanitra sy i Maria

Sary
Frontal head and shoulders portrait of Jesus Christ. Christ is depicted wearing a pale red robe with a white and blue shawl over one shoulder. Light emanates from His face.

Nilaza tamin’i Maria ny anjely Gabriela fa ny zaza izay ho ao an-kibony dia “Zanaky ny Avo Indrindra” (Lioka 1:32). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny fomba mahatonga ny toetoetra nolovain’i Jesoa tamin’ny reny mety maty sy ny Ray tsy mety maty manome Azy manokana fahafahana manampy antsika handresy ireo olan’ny fiainana an-tany rehetra.

Mandresy ireo olana

Jereo ity sary manaraka ity ary eritrereto izay hitodihanao rehefa misy olana mitranga.

Sary
A stick figure being confused.
  • Inona avy hoy ianao ny sasany amin’ireo olana fahita matetika atrehin’ireo olona mitovy taona aminao?

  • Aiza no itodihan’ny tanora rehefa miezaka miatrika ireo olana ireo izy ireo?

Nizara izao fijoroana ho vavolombelona manaraka momba an’i Jesoa Kristy izao ny Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Official Portrait (as of June 2016) of Elder Ronald A. Rasband of the Quorum of the Twelve Apostles.

I Jesoa Kristy mandrakariva no vahaolana. Manome tanjaka ho antsika ny fitiavantsika Azy, sy ny finoantsika Azy ary ny fianteherantsika Aminy rehefa mahatakatra ny asa nanirahany Azy sy ny filazantsarany isika.

(Ronald A. Rasband, “I Jesoa Kristy no vahaolana,” [takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony, Feb. 8, 2019], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no i Jesoa Kristy no vahaolana hatrany rehefa miatrika olana na manam-panontaniana isika eo amin’ny fiainana?

Makà fotoana kely hieritreretana momba ny finoanao sy ny fahatokianao an’i Jesoa Kristy. Impiry ianao no miantehitra Aminy eo amin’ny fahazoana hery sy fanohanana?Rehefa mandalina ianao anio dia mikatsaha fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina hanampy anao hianatra fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy izay hampitombo ny finoanao Azy ary hitarika anao hitodika any Aminy hahazoana fiadanam-po sy hery matetika kokoa.

Ny ray aman-drenin’i Jesoa Kristy

I Jesoa Kristy irery ihany no afaka manampy antsika amin’izay olana atrehantsika sy fanontaniana ananantsika atrehantsika eo amin’ny fiainana an-tany amin’ny ampahany noho ny toetra nolovainy tamin’ny ray aman-dreniny.

Halalino ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ka tadiavo ireo fampianarana momba ny ray aman-drenin’ny Mpamonjy:

  • Inona no nianaranao momba ny Ray sy ny renin’i Jesoa Kristy?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe, I Jesoa Kristy dia Zanakalahy masin’ Andriamanitra Ray sy zanak’i Maria.

Sary
Diagram with the words Mary and Heavenly Father and arrows pointing to the words Jesus Christ.

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Russell M. Nelson ity, ka tadiavo ireo toetra nolovain’i Jesoa Kristy avy tamin’ny Ray any An-danitra sy avy tamin’i Maria.

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Nandova ny hery hiaina mandrakizay i Jesoa tamin’ny Rainy tsy mety maty. Avy amin’ny reniny mety maty no nandovany ny fahafatesan’ny vatana.Ireo toetra miavaka ireo dia tena nilaina tamin’ny asa nanirahana Azy mba hanonitra ny fahotan’ny zanak’olombelona rehetra. Noho izany dia teraka Jesoa ilay Kristy mba ho faty (jereo ny 3 Nefia 27:13–15). Maty Izy mba hahavelomantsika. Teraka izy mba hahafahan’ny olombelona rehetra miaina any ankoatry ny fasana.

(Russell M. Nelson, “Christ the Savior Is Born,” New Era, Dec. 2006, 5)

  • Inona no zavatra ianaranao mikasika an’i Jesoa Kristy avy amin’io fanambarana io?

Avy amin’i Maria reniny, vehivavy mety maty, no nandovan’i Jesoa ny toetra mety maty ka ao anatin’izany ny fahafatesana ara-batana. Avy amin’ Andriamanitra, Raintsika any An-danitra, no nandovan’i Jesoa ny tsy fahafatesana, ny fahafahana miaina mandrakizay amin’ny fitsanganan’ny maty. Izy ihany koa dia niaina fijaliana, fakam-panahy ary alahelo mifandray amin’ny fiainana an-tany ary nizaka fanaintainana sy fijaliana noho ny Sorompanavotana izay tsy zakan’ny olombelona mety maty (jereo ny Môzià 3:7).

Vakio ny Môzià 7:33 , ka tadiavo ireo hevi-baovao momba ny fomba ahafahantsika mahazo ny fanampian’ny Mpamonjy amin’ireo olantsika eto an-tany.

  • Inona no nianaranao avy amin’ity andininy ity momba ny fomba ahafahantsika mahazo ny fanampian’ny Mpamonjy?

1. Vitao ao amin’ny diary fandalinanao ity sahanasa manaraka ity:

Mamoròna hafatra anao manokana momba ny Mpamonjy ka atombohy amin’ny andian-teny hoe “Noho Izy.” Azonao atao ny mameno ilay andian-teny amin’ny fanambarana iray na maromaro momba ny fahafahan’ny Mpamonjy manokana manampy anao na nanampy anao tamin’ny fiainana. Mampiasà fitaovana ara-java-kanto hanatsarana ny zavatra noforoninao raha ampy ny fotoana sy ny fitaovana anananao.

Tsy voatery atao: Te hianatra bebe kokoa?

Matio 1:18 . Inona ny dikan’ny hoe “hita fa nitoe-jaza avy tamin’ny Fanahy Masina” i Maria?

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) hoe:

Sary
Photograph of President Ezra Taft Benson. He is seated in a leather chair in front of a fireplace. His hands are clasped in front of him and he is wearing a large turquoise ring on one finger. Official portrait. 1986

Mahatonga ny firazanan’i Jesoa Kristy ho tsy misy isalasalana ny tenivavolombelon’ireo vavolombelona notendrena. Andriamanitra no Rain’ny nofo tabernakeliny, ary i Maria, vehivavy mety maty, no reniny. …

… Tsy zanakalahin’i Josefa izy, na nateraky ny Fanahy Masina. Zanakalahin’ilay Ray Mandrakizay Izy!

(Ezra Taft Benson, “Five Marks of the Divinity of Jesus Christ,” Ensign, Dec. 2001, 10, 11)

Ny filoha Harold B. Lee (1899–1973) dia nampitandrina momba ny fiezahana hanazava ny antsipiriany rehetra manodidina ny fahaterahan’ny Mpamonjy tamin’ny fomba mahagaga.

Sary
Head and shoulders portrait of LDS Church President Harold B. Lee.

Raha hendry ny mpampianatra amin’ny firesahana momba ny [nahatongavan’i Jesoa Kristy tao an-kibo] izay efa nolazain’ny Tompo saingy kely dia kely, dia hajanon’izy ireo eo amin’ireo teny izay voarakitra momba io lohahevitra io ao amin’ny Lioka 1:34–35 ihany ny fifanakalozan-kevitr’izy ireo momba izany. … Aoka ny Tompo hijanona amin’izay nolazainy mahakasika ity fanambarana ity ary hiandry ny fotoana izay hitany fa mety hilazany amintsika bebe kokoa momba izany.

(The Teachings of Harold B. Lee, ed. Clyde J. Williams [1996], 14)

Inona no toetra nolovain’i Jesoa avy tamin’ny ray aman-dreniny ahafahany manao zavatra?

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) hoe:

Sary
Photograph of President Ezra Taft Benson. He is seated in a leather chair in front of a fireplace. His hands are clasped in front of him and he is wearing a large turquoise ring on one finger. Official portrait. 1986

Rehefa nanetry tena mba hateraky ny vehivavy mety maty ilay Andriamanitra Lehibe eo amin’izao rehetra izao, dia natolony ho amin’ny rofy amin’ny fiainana an-tany ny tenany, mba “hiaretany ny fakam-panahy sy ny fanaintainan’ny vatana, dia hanoanana, hetaheta ary harerahana na dia mihoatra noho izay azon’ny olona zakaina aza izany kanefa tsy hatramin’ny fahafatesana” ( Môzià 3:7). Nolovainy tamin’ny reniny mety maty ireo rofy ireo. Saingy satria Andriamanitra no rainy, dia nanana hery izay tsy mbola nananan’olombelona teo aloha na hatramin’izay i Jesoa Kristy. Andriamanitra tonga nofo Izy, na dia ilay Zanak’ Andriamanitra aza. Ireo hery ireo dia nahafahany nanatanteraka fahagagana, famantarana, zavatra mahatalanjona, Sorompanavotana lehibe, ary ny Fitsanganana amin’ny maty, izay marika famantarana ny fahamasinany avokoa.

(Ezra Taft Benson, “Five Marks of the Divinity of Jesus Christ,” Ensign, Dec. 2001, 10)

Matio 1:25 . Inona no dikan’ny hoe “tsy nahalala azy” i Josefa?

Ny teny hoe mahalala na nahalala ao amin’ny Baiboly dia azo ilazana ny firaisana ara-nofo (jereo ny Genesisy 4:1). Tsy niray ara-nofo tamin’i Maria talohan’ny nahaterahan’i Jesoa i Josefa. Manamafy io antsipiriany io fa tsy izy no rain’i Jesoa ary fahagagana ny fiforonan’i Jesoa tao an-kibo.

Hamoaka printy