Seminera
Lioka 22:28–34, 54–61


Lioka 22:28–34, 54–61

“Nefa Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao”

Sary
Jesoa sy i Petera mandeha eo ambony rano

Vao avy nampiditra ny fanasan’ny Tompo tamin’ny mpianany i Jesoa Kristy no nanomboka niresaka izy ireo ny momba ny hoe iza no hamadika ny Tompo sy ny maha zava-dehibe kokoa ny manompo ny hafa noho ny tompoina. Nandritra ny resaka tao amin’ny efitrano ambony izay nihinanan’i Jesoa sy ny Apôstôly ny Fanasana Farany dia nohazavain’ i Jesoa tamin’i Petera ny fanoherana ho lalovany amin’ny fiainany. Nampianatra an’i Petera ny Mpamonjy fa tsy ho afaka hanampy ny hafa izy raha tsy rehefa avy nanamafy orina ny finoany an’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hamantatra fa ilainao ny miantehitra amin’i Jesoa Kristy sy manamafy orina hatrany ny finoanao Azy.

Manamafy orina ny fahaiza-manaonao

Manaova lisitr’ireo fahaiza-manao izay mety ho very amin’ny olona iray raha toa ka tsy mampiasa na manamafy orina izany hatrany izy ireo (ohatra, ny fahaiza-manao ara-panatanjahantena na ny fahaiza-manoratra).

  • Ahoana no mety hampiharana izany amin’ny fahafahanao manana finoana an’i Jesoa Kristy?

Ao amin’ny lesona anio ianao dia hianatra momba ny fomba tadiavin’i Jesoa Kristy aminao hanamafisanao orina ny fahafahanao hanana finoana Azy.

Makà iray minitra hisaintsainana ny zavatra ataonao na tianao hatao amin’izao fotoana izao mba hampitomboanao ny finoana an’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manoratra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina momba ny zavatra ataonao isan’andro, isan-kerinandro, na isam-bolana mihitsy aza. Ireo zavatra ataonao ireo dia mety ahitana izay tanjona iasanao amin’izao fotoana izao.

Rehefa mandalina ianao anio dia tadiavo ny fiovana na fanatsarana azonao atao mba hanamafisanao orina ny finoana an’i Jesoa Kristy ka hahafahanao miantehitra Aminy na inona na inona toe-javatra iainanao amin’ny fiainana.

Takatr’i Jesoa Kristy izay ilaintsika ary hanampy antsika Izy

I Jesoa Kristy dia nilaza tamin’ireo mpianany ny amin’ny fanjakana hoavy izay miandry azy ireo satria nanohy niara-nandeha taminy tamim-pahatokiana izy ireo (jereo ny Lioka 22:28–30). Na izany aza, nanampy an’i Simona Petera ihany koa ny Tompo hiomana amin’ilay dia ara-panahy feno fanamby izay hatrehiny tsy ho ela.

Vakio ny Lioka 22:31–34, ka tadiavo ny zavatra tian’ny Tompo hanampiana an’i Petera mba ho takany.

Mba hahatakarana bebe kokoa ny dikan’ny hoe naniry “te-hikorokoroka an’i [Petera] toy ny vary” i Satana (andininy 31), dia vakio ny fanazavana ao amin’ny fizarana “Tsy voatery atao: Te hianatra kokoa ve ianao?” any amin’ny faran’ny lesona.

  • Inona no tsikaritrao mikasika ny fahitan’ny Mpamonjy an’i Petera? Inona no maha-samy hafa izany amin’ny fahitan’i Petera ny tenany?

  • Inona no mety ho ifandraisan’ny zavatra nianaranao momba ny fifandraisan’i Petera tamin’i Jesoa Kristy amin’ny fifandraisanao amin’ny Mpamonjy?

  • Rehefa avy nanambara ny finoany sy ny tsy fivadihany tamin’i Jesoa Kristy i Petera dia inona no nambaran’ny Mpamonjy fa hataon’i Petera?

Sary
Petera mandà an’i Jesoa Kristy

Taorian’izay tamin’io alina io ihany, rehefa nosamborina i Jesoa Kristy ary nentina tany amin’ny tranon’ny mpisoronabe mba hotsaraina, dia nanaraka azy teny lavidavitra teny i Petera (jereo ny Lioka 22:54).

Vakio ny Lioka 22:55–62 mba hianarana ny fomba nahatanterahan’ny faminanian’i Jesoa momba an’i Petera.

  • Inona no nianaranao momba ny Mpamonjy tamin’ny fifandraisany tamin’i Petera izay mamela anao hanana finoana an’i Jesoa Kristy?

Manamafy orina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy

Tahaka ny nanampian’ny Mpamonjy an’i Petera hahatakatra ny fanirian’i Satana (jereo ny Lioka 22:31), ny Filoha Russell M. Nelson dia nampitandrina antsika fa “mampitombo ny fanafihany ny finoantsika sy ny an’ny fianakaviantsika amin’ny hafainganam-pandeha tsy misy ohatr’izany ny fahavalo” (Russell M. Nelson, “Lahateny fanokafana,” Liahona, nôv. 2018, 7). Nampianatra ihany koa izy fa “ny fahavalo dia mampitombo avo efatra heny ny ezaka ataony mba hanakorontanana ny fijoroana ho vavolombelona sy hanelingelenana ny asan’ny Tompo” (Russell M. Nelson, “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Liahona, mey 2019, 68).

  • Inona avy ireo fomba sasany tadiavin’i Satana handravana ny finoantsika an’i Jesoa Kristy ankehitriny?

  • Inona no nanampy anao hanamafy orina ny finoanao an’i Jesoa Kristy?

Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ny sasany amin’ireo fomba ahafahantsika manamafy orina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy.

Sary
Loholona Neil L. Andersen

Tsy avy amin’ny kisendrasendra no hitomboan’ny finoanareo fa avy amin’ny safidy.

Ny fomba fiainantsika dia na mampitombo na mampihena ny finoantsika. Ny vavaka, ny fankatoavana, ny fahadiovan’ny eritreritra sy ny fihetsika, ny fanetrentena, ary ny tsy fitiavan-tena dia mampitombo ny finoana. Raha tsy ao ireo, dia mihena ny finoana. Nahoana moa ny Mpamonjy no nilaza tamin’i Petera hoe: “Izaho nangataka ho anao, mba tsy ho levona ny finoanao”? (Lioka 22:32). Satria misy fahavalo iray izay faly amin’ny fandravana ny finoantsika! Aza mijanona miaro ny finoanao.

(Neil L. Andersen, “Ny finoana dia tsy avy amin’ny kisendrasendra fa avy amin’ny safidy,” Liahona, nôv. 2015, 66)

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nianaranao androany mikasika ny zavatra irin’i Jesoa Kristy ho anao?

  • Inona no zavatra hatombokao na hotohizanao mba hampatanjahana ny finoanao an’i Jesoa Kristy?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no hitahy anao ny finoana matanjaka kokoa an’i Jesoa Kristy?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Lioka 22:31. Inona no tian’ny Mpamonjy holazaina rehefa nilaza tamin’i Petera Izy fa te “hikorokoroka [azy] toy ny vary” i Satana?

Rehefa mikorokoroka vary, dia sarahina amin’ireo izay tsy ampiasaina amin’ilay zavamaniry ny voam-bary sarobidy. Nampiasa an’io fanoharana io i Jesoa mba hanampiana an’i Petera (ary isika tsirairay avy) hahafantatra ny ezak’i Satana handrava ny finoantsika sy hanakanana antsika tsy ho ampahany manan-danja amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

Inona no mampatanjaka ny finoako an’i Jesoa Kristy?

Nampianatra toy izao ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Zananilahy izay Mpamonjy sy Mpanavotra antsika no ivon’ ny finoantsika. Izany dia tohanan’ ny fahalalantsika fa naverina tamin’ ny laoniny teto ambonin’ ny tany ny filazantsara, fa tenin’ Andriamanitra ny Bokin’ i Môrmôna, ary misy mpaminany sy apôstôly amin’ izao andro izao mihazona ny fanalahidin’ ny fisoronana. Ankamamiantsika ny finoantsika, miezaka isika hanamafy orina ny finoantsika, mivavaka mba hanana finoana lehibe kokoa, ary manao izay rehetra tratran’ ny herintsika mba hiarovana ny finoantsika. …

… Miroboka ao anatin’ ireo zavatra izay tena nanampy anareo hanorina ny fototry ny finoanareo ianareo: mampihatra finoana an’ i Kristy, mivavaka, mandalina ny soratra masina, mibebaka, mitandrina ny didy, ary manompo ny hafa.

(Neil L. Andersen, “Fitsapana ny finoanao,” Liahona, nôv. 2012, 39–40)

Inona no mety hanimba ny finoako an’i Jesoa Kristy?

I Ahmad S. Corbitt, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy maneran-tany, dia nampianatra hoe:

Sary
Ahmad S. Corbitt

Ry namako isany, ny fakana sary an-tsaina na ny fijerena zavatra amin’ny nahim-po izay tsy mifanaraka amin’ilay tena maha anareo anareo, indrindra ny pôrnôgrafia dia mampalemy ny finoanareo an’i Kristy ary raha tsy misy ny fibebahana dia mety hanimba izany.

(Ahmad S. Corbitt, “Afaka manangona an’i Isiraely ianao!,” Liahona, mey 2021, 62)

Lioka 22:32. Inona no azontsika ianarana mikasika ny fiovam-po avy amin’ny fahatakarana ny tenin’ny Mpamonjy milaza fa mbola tsy niova fo tanteraka i Petera?

Nampianatra toy izao ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Ny Loholona David A. Bednar

Mahaliana tokoa, fa ity Apôstôly mahery ity dia niresaka sy niaraka tamin’ny Mpampianatra, sy vavolombelona tamin’ny fahagagana maro, ary nanana fijoroana ho vavolombelona matanjaka mikasika ny maha-Andriamanitra ny Mpamonjy. Kanefa na i Petera aza dia nila torolalana fanampiny avy amin’ i Jesoa mikasika ny hery manova fo sy manamasina ananan’ny Fanahy Masina ary ny andraikiny hanompo amim-pahatokiana.

Ny toetra fototry ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy dia mitaky fiovana fototra sy maharitra amin’ny toetrantsika ifotony, izay tanteraka amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Ny fiovam-po tena marina dia mitondra fiovana eo amin’ny finoanao, sy ny fonao, ary ny fiainanao mba hanekenao sy hankatoavanao ny sitrapon’ Andriamanitra (jereo ny Asan’ny Apôstôly 3:19; 3 Nefia 9:20) ary mitaky fanoloran-tena avy amin’ny fo mba ho tonga mpanara-dia an’ i Kristy.

(David A. Bednar, “Miova fo ho an’ny Tompo,” Liahona, nôv. 2012, 106–7)

Hamoaka printy