Seminera
Fifehezana fotopampianarana—Jaona 17:3


Fifehezana fotopampianarana—Jaona 17:3

Lasa Mahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy

Sary
zatovovavy mamaky ny soratra masiny

Tao amin’ny lesona teo aloha, ny “Jaona 17,” dia nianatra ianao fa afaka mandroso mankany amin’ny fiainana mandrakizay isika amin’ny alalan’ny fahalalana ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny fehezan-teny manan-danja izay ao amin’ny Jaona 17:3, hanazava ny fotopampianarana, sy hampihatra ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy eo amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Ianaro tsianjery sy hazavao

Tanisao mafy imbetsaka ny toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Jaona 17:3 sy ny fehezan-teny manan-danja ao amin’ilay soratra masina: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy.” Soraty ao amin’ny taratasy hafa ny andalan-tsoratra masina Jaona 17:3 ary ireo litera voalohany amin’ny teny tsirairay ao amin’ilay andinin-tsoratra masina: A i n f m d n m A i A t s m s J K. Ampiasao ireo litera voalohany ao amin’ilay toko sy andininy ka ezaho tanisaina ilay andalan-tsoratra masina sy ny fehezan-teny manan-danja ao amin’ilay soratra masina. Rehefa lasa mahatoky tena kokoa ianao, dia andramo tanisaina tsianjery ilay andalan-tsoratra masina sy ilay fehezan-teny.

1. Vitao ao anatin’ny diary fandalinanao ity manaraka ity:

Mba hanampiana anao hahatakatra bebe kokoa ny hevitr’ity andinin-tsoratra masina ity, dia hazavao amin’ny teninao manokana ireo fahamarinana izay ampianarina ao amin’ny Jaona 17:3. Ampiaraho ao ireto zavatra manaraka ireto:

  1. Ny hevitry ny andian-teny hoe “fiainana mandrakizay.”

  2. Fomba sasantsasany ahafahantsika “mahafantatra” ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy.

Fizàrana mampihatra

Avereno jerena ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Saintsaino ny fomba izay mety hanazavanao ireo fitsipika ireo amin’ny olona tsy mbola nahare izany mihitsy teo aloha.

Vakio ity rafi-tantara manaraka ity:

Taorian’ny fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona, dia nahatsikaritra ianao fa toa nalahelo i Julia namanao. Rehefa niara-nody taminy ianao dia nilaza izy fa tsapany nandritra ny fivoriana androany fa tsy mahafantatra ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy araka faniriany izy. Nanazava ny fahatsapany ho irery sy ny faniriany mafy mba hifandray amin’Izy ireo toa an’ireo sasany izay nizara ny fijoroany ho vavolombelona izy. Nanapa-kevitra ny hisaintsaina sy hivavaka ianao mandritra ny andro vitsivitsy manaraka mikasika ny fomba hanampiana an’i Julia.

Ampiasao ireo fitsipika fahazoana fahalalana ara-panahy sy ireto fanontaniana ary ireto sahanasa manaraka ireto mba hanampiana anao handinika ny zavatra izay mety holazainao sy hataonao mba hanampiana an’i Julia. Azonao atao ny manoratra izay nianaranao sy izay mety ho fahatsapana tonga aminao eo am-panomananao.

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Nahoana araka ny hevitrao ny Ray any An-danitra no maniry antsika hahafantatra Azy sy ny Zanany Jesoa Kristy?

  • Nahoana ianao no maniry ahafantatra Azy ireo araka izay azonao atao mandritra ity fiainana ity?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofinidin’ Andriamanitra

  • Ahoana ny fomba ahafahan’ny fianarana ny vavaky ny Mpamonjy ao amin’ny Jaona 17:3 manampy an’i Julia amin’ny faniriany?

Manaova lisitra an’ireo loharanom-pahalalana tsara izay afaka manampy an’i Julia hahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Ahoana ny fomba ahafahan’i Julia mampiasa ireo loharano izay azo ampiasaina mba hanampy azy hahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy bebe kokoa? (Ohatra, inona ireo teny manan-danja azony karohana ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, ao amin’ny Sujet de l’Evangile, na ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na ao amin’ny application Médiathèque de l’Evangile?)

Makà minitra vitsivitsy handalinana ireo loharanom-pahalalana notendren’ Andriamanitra mba hianarana bebe kokoa momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny fomba ahafantarana Azy ireo bebe kokoa.

Manao asa amim-pinoana

  • Nahoana ny fiezahana hahafantatra ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy no asa amim-pinoana?

  • Inona ny zavatra nataonao na nataon’ny olona iray fantatrao mba hamantarana ny Ray any An-danitra sy Jesoa Kristy bebe kokoa ka azonao hatoro an’i Julia?

  • Inona ireo fehezan-teny hitanao ao amin’ny andiam-pehezan-teny 5-7 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) izay afaka manampy ny olona nanao zavatra marina kanefa mbola tsy mahatsapa ho akaikin’ Andriamanitra araka ny faniriany?

2. Raketo ao anaty diary fandalinanao soratra masina ny zavatra azonao zaraina mba hanampiana an’i Julia namanao.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Inona no atao hoe fiainana mandrakizay?

Ny fiainana mandrakizay dia andian-teny ampiasaina ao amin’ny soratra masina entina ilazana ny fahatsaran’ny fiainana izay iainan’ny Raintsika Mandrakizay. … Ny fiainana mandrakizay, na ny fisandratana, dia fiainana eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny fitohizan’ny fianakaviana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4).

(Sujet de l’Evangile,“Vie éternelle,” topics.ChurchofJesusChrist.org)

Ahoana no ahafahantsika mahafantatra ny Ray sy ny Zanaka amin’ny tenantsika manokana?

Ny Loholona Robert D. Hales (1932–2017) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namaly io fanontaniana io.

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2003

Tamin’ny fanambarana manokana. Ny fanambarana manokana dia fomba iray ahafahan’ny Ray any An-danitra manampy antsika ahafantatra Azy sy ny Zanany, hianatra sy hiaina ny Filazantsara, haharitra hatramin’ny farany am-pahamarinana, ary ho mendrika ny fiainana mandrakizay—ny hiverina indray eo anatrehan’Izy Ireo.

(Robert D. Hales, “Personal Revelation: The Teachings and Examples of the Prophets,” Liahona, Nov. 2007, 87)

Inona no tokony hataoko raha tsy azoko antoka fa mino an’ Andriamanitra aho?

Hoy ny Loholona Robert D. Hales (1932–2017) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2003

Raha tsy tsaroanao fa mino an’ Andriamanitra ianao na raha nitsahatra nino ianao na raha mino ianao saingy tsy misy faharesen-dahatra marina, dia asaiko ianao hikatsaka fijoroana ho vavolombelona momba an’ Andriamanitra amin’izao fotoana izao. …

… Afaka hitahy ny fianakavianao, ny taranakao, ny namanao, ny fiainanao manokana—ny olon-tianao rehetra ianao amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona manokana anananao momba an’ Andriamanitra. Ny fahafantaranao manokana an’ Andriamanitra dia tsy fanomezana lehibe indrindra izay azonao atolotra ihany, fa hitondra fifaliana lehibe indrindra izay tsy mbola nanananao ihany koa.

… Mampanantena aho fa raha tena mikatsaka Azy amin’ny fanetren-tena, fahadiovam-po, sy fahazotoana tanteraka ianao sy ireo olon-tianao, dia hahafantatra am-pahatokiana ihany koa ianao. Ho avy ny tenivavolombelonao.

(Robert D. Hales, “Seeking to Know God, Our Heavenly Father, and His Son, Jesus Christ,” Liahona, Nov. 2009, 32)

Hamoaka printy