Seminera
Jaona 14:15–31; 15:10–14


Jaona 14:15–31; 15:10–14

“Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko”

Sary
i Jesoa mampianatra an’i Petera

Rehefa nankalaza ny Paska tao amin’ny efitrano ambony rihana ny Mpamonjy sy ny Apôstôliny dia nampianatra fahamarinana lehibe an’ireo Apôstôliny ny Mpamonjy. Na dia teo aza ny fijaliany tao Getsemane sy Kalvary izay mbola ho avy, dia nampianatra ireo lehilahy izay tena tiany i Jesoa hoe: “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko” (Jaona 14:15). Ity lesona ity dia afaka hanampy anao haneho ny fitiavanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny fankatoavana ireo didin’Izy ireo.

Ahoana ny fomba hanehoanao fitiavana?

  • Ahoana no ahafahanao milaza fa tia anao ny olona iray? Inona avy ireo teny, na zavatra atao, na fihetsika maneho ny fitiavan’izy ireo?

  • Ahoana no hanehoanao ny fitiavanao ny hafa?

  • Ary ahoana raha tia olona iray ianao kanefa ny fihetsika izay asehonao na ny zavatra izay ataonao dia tsy naneho foana izany fitiavana izany? Inona ny zavatra azonao atao?

Rehefa nanohy nampianatra ireo Apôstôliny nandritra ny Fanasana Farany ny Mpamonjy, dia nampianatra momba ny fitiavany antsika sy ny fomba ahafahantsika maneho ny fitiavantsika Azy Izy.

Vakio ny Jaona 14:15, 21, 23–24 sy ny Jaona 15:10–14 dia tadiavo ny zavatra izay nolazain’ny Mpamonjy fa azontsika atao mba hahafahantsika maneho ny fitiavana Azy sy ny Ray any An-danitra.

  • Inona ny zavatra nasongadin’ny Mpamonjy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny fomba ahafahantsika maneho fitiavana Azy?

  • Inona ny zavatra ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny fitiavan’ny Mpamonjy anao?

  • Inona avy ireo toe-java-nitranga sasantsasany ka mety hanampy, ao anatin’izany ireo fahamarinana izay nampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

Ny rahavavy Carole M. Stephens, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha dia nampianatra momba ny antony manosika an’ Andriamanitra hanome antsika didy sy ny antony mamporisika antsika hankatò azy ireny.

Jereo ny horonan-tsary “Going to Grandma’s” (4:02), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Sary
Carole M. Stephens

Mety hisy fotoana hieritreretantsika fa mametra ny fahafahantsika manokana, sy manaisotra ny fahafahantsika misafidy ary manakantsakana ny fivoarantsika ireo lalàn’ Andriamanitra. Saingy rehefa mikatsaka fahatakarana lalindalina kokoa isika, ka mamela ny Raintsika hampianatra antsika, dia hanomboka hahita fa ireo lalàny dia fanehoany ny fitiavany antsika ary ny fankatoavana ny lalàny dia fanehoantsika ny fitiavantsika Azy.

(Carole M. Stephens, “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko,” Liahona, nôv. 2015, 119)

Ataovy lisitra ny lalàna sy didy vitsivitsy izay tsapanao fa mampiseho ny fitiavan’ny Ray any An-danitra anao. Mba hanampy anao hisaintsaina didy vitsivitsy, dia azonao averina jerena ny Didy Folo (jereo ny Eksôdôsy 20:3–17) na ny Ho zatovo mahery! [kiboky, 2011].

  • Ahoana no maha-“Fanehoana ny fitiavan’[Andriamanitra] antsika” an’ireo didy notanisainao?

  • Ahoana no ahafahan’ny fankatoavanao ireo didy ireo ho “fanehoana ny fitiavana[nao] Azy”?

Misafidiana iray avy amin’ireo didy ao amin’ny lisitrao. Mety ho didy iray izay ezahinao ankatoavina izany na didy iray izay efa nisedran’ny fakam-panahy anao mba hodikaina saingy nisafidy ny hankatò ianao.

Ireto fanontaniana manaraka ireto dia hanampy anao hanao tombana ny antony nanosika anao hitandrina ny didin’ Andriamanitra. Rehefa misaintsaina ny valin-teninao ianao dia zava-dehibe ihany koa ny mahafantatra fa mety hanana antony isan-karazany izay manosika anao hitandrina ny didy ianao. Na inona na inona ny antony izay manosika anao amin’izao fotoana izao, dia tohizo hatrany ny fankatoavanao, ary rehefa mandeha ny fotoana dia hitombo ny fanirianao hankatò noho ny fitiavana.

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona ny antony manosika anao hitandrina io didy io?

  • Inona ny zavatra tsapanao momba ny antony itandremanao ny didy raha ampitahaina amin’ny ohatry ny Tompo tamin’ny fankatoavana tamim-pitiavana?

  • Nahoana no zava-dehibe ireo antony manosika anao hankatò?

  • Inona no torohevitra homenao an’ireo olona izay maniry hankatò am-pitiavana ny didin’ Andriamanitra?

Ny ohatry ny fitiavana nasehon’ny Mpamonjintsika

Nanome ohatra tonga lafatra mikasika ny fomba hankatoavana ny lalàn’ Andriamanitra sy ny didiny amin’ny fitiavana madio i Jesoa Kristy. Taorian’ny Fanasana Farany dia hoy Izy hoe: “Fa mba ho fantatr’izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ary araka izay nandidian’ny Ray Ahy, dia izany no hataoko” (Jaona 14:31). Avy eo dia nandeha i Jesoa mba hijaly noho ny fahotantsika sy ny “fanaintainana, fahoriana ary ny fakam-panahy isan-karazany” (Almà 7:11) izay mianjady amintsika tao amin’ny Sahan’i Getsemane ary koa teo ambonin’ny hajofijaliana.

Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanasa antsika handinika tsara ny zavatra izay azon’ny fitavan’i Jesoa Kristy amporisihana antsika mba hataontsika. Azonao atao ny mijery ny horonan-tsary “Hitoetra amin’ny fitiavako,” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka eo amin’ny minitra faha-14:27 ka hatramin’ny 14:50, na vakio ity teny nambara manaraka ity:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

Moa ve ianao tsy hitia Ilay nitia anao voalohany? [jereo ny 1Jaona 4:19]. Tandremo àry ny didiny [jereo ny Jaona 14:15]. Moa ve ianao tsy mety ho naman’ Ilay nanolotra ny ainy ho an’ireo namany? [jereo ny Jaona 15:13]. Tandremo àry ny didiny [jereo ny Jaona 15:14]. Moa ve ianao tsy hitoetra amin’ny fitiavany ka handray izay rehetra atolony maimaim-poana ho anao? Tandremo àry ny didiny [jereo ny Jaona 15:10].

(D. Todd Christofferson, “Hitoetra ao amin’ny fitiavako,” Liahona, nôv. 2016, 51)

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity:

  • Ahoana no ahafahan’ny fanolorantenanao hankatò bebe kokoa, izay mifototra amin’ny fitiavana, mba hisy fiantraikany amin’ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? (Jereo ny Môzià 5:13.)

Rehefa miezaka mitandrina ireo didy am-pitiavana ho an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ianao, dia hahatsapa bebe kokoa ny fitiavan’Izy Ireo eo amin’ny fiainanao (jereo ny Jaona 14:21). Raha sendra ka sahirana mankatò ianao, na raha maniry ny hankatò mihitsy aza, dia afaka manampy anao ny Ray any An-danitra raha toa ka mangataka Aminy amim-panetren-tena mba hahazo fiovam-po ianao. Tsarovy ihany koa fa ny iray amin’ireo didin’ Andriamanitra dia ny fibebahana, ary afaka mitandrina izany didy izany avokoa isika sady mandresy ihany ny fahalementsika.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Nahoana Andriamanitra no mitaky ny hankatoavantsika ny didiny?

Nampianatra toy izao ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Ny Filoha Dallin H. Oaks

Mitaky antsika hankatò ireo didiny Andriamanitra satria amin’ny alalan’izany fankatoavana izany ihany, ka tafiditra ao anatin’izany ny fibebahana, no ahafahantsika miverina miaina eo anatrehany indray ary ho lasa tonga lafatra tahaka Azy.

(Dallin H. Oaks, “Ireo didy roa lehibe,” Liahona, nôv. 2019, 74)

Manan-danja ve ny antony hankatoavako ny didy?

Tokony samy hanontany tena ny tsirairay amintsika hoe, nahoana isika no mankatò ny didin’ Andriamanitra. Moa ve noho ny fahatahorantsika fanasaziana izany? Moa ve noho ny faniriantsika hahazo valisoa hanana fiainana tsara izany? Moa ve noho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy sy ny faniriantsika hanompo Azy Ireo izany?

Tsara kokoa ny mankatò ny didy satria matahotra fanasaziana isika toy izay tsy mankatò azy mihitsy. Saingy ho faly kokoa isika raha toa ka mankatò an’Andriamanitra satria tia Azy ary te hankatò Azy. Raha mankatò Azy amim-pahalalahana isika, dia hitahy antsika amim-pahalalahana Izy. Hoy Izy hoe, “Izaho, Tompo, … dia finaritra ny hankalaza ireo izay manompo Ahy amin’ny rariny sy amin’ny fahamarinana hatramin’ny farany” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:5]. Ny fankatoavana dia manampy antsika koa hivoatra sy ho lasa hitovy bebe kokoa amin’ny Raintsika any An-danitra. Saingy ireo izay tsy manao na inona na inona raha tsy didiana ary avy eo mankatò an-katerena dia tsy [ha]hazo ny valisoany [jereo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:26–29].

(Fitsipiky ny Filazantsara [2009], 201–2)

Hamoaka printy