Seminera
Jaona 14:1–6; 15:1–11


Jaona 14:1–6; 15:1–11

“Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana”

Sary
Jesoa Kristy mijery renirano iray

Nandritra ny takariva farany niarahany tamin’ireo mpianany dia nampianatra azy ireo momba ny toetrany sy ny asa nanirahana Azy i Jesoa Kristy. Nampianariny fa Izy no làlana miverina mankany amin’ny Ray any An-danitra, ary nampitahainy tamin’ny sampam-boaloboka ny fifandraisany amin’ny mpianany. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hisaintsaina ny fifandraisanao amin’i Jesoa Kristy, ny fomba ahafahanao manaraka Azy sy mandray ny heriny ary ny fanohanany.

Natao hanampiana ny mpianany hahatakatra ny fifandraisan’izy ireo sy ny fiankinany amin’ny Mpamonjy ny sasany amin’ireo fampianarana farany nataony tamin’izy ireo. Nampitaha ny tenany tamin’ny lalana ny Mpamonjy, ary koa tamin’ny voaloboka na hazo misy rantsana. Makà fotoana hieritreretana ireo lafin-javatra eo amin’ny fiainanao izay mety ilanao fanampiana. Mety mahatsapa angamba ianao fa mila fanampiana rehefa miezaka ny hiverina any amin’ny Ray any An-danitra. Mety hahatsapa ianao fa mila hery lehibe kokoa hiatrehana ireo olana eo amin’ny fiainanao. Rehefa mandalina ny fampianaran’ny Mpamonjy ianao dia tadiavo ny zavatra nianaranao momba Azy sy ny fomba ahafahany manampy anao.

Alalino ny iray na izy roa amin’ireto fizarana anankiroa manaraka ireto. Aza adinoina ny misaintsaina ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy manampy anao eo amin’ny fiainanao andavanandro.

I Jesoa Kristy no “làlana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6)

Sary
lalan-tany mamakivaky ala

Vakio ny Jaona 14:1–6, ka tadiavo ny fomba nampanantenan’ny Mpamonjy fa hanampiany ireo izay manaraka Azy.

  • Inona ireo fahamarinana nampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  • Ahoana no niantsoan’ny Mpamonjy ny tenany ao amin’ny andininy 6?

  • Inona no ampianarin’ireo anarana fiantsoana ireo anao momba an’i Jesoa Kristy sy ny fifandraisanao Aminy?

Raha toa ianao ka namorona ny lisitr’ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy sy ireo anjara asany isan-karazany tao amin’ny lesona teo aloha dia azonao atao ny manampy izany amin’ireo zavatra hitanao ao amin’ny Jaona 14.

Ny Bokin’i Môrmôna dia afaka mampitombo ny fahatakaranao ny zavatra izay ianaranao ao amin’ny Testamenta Vaovao. Vakio ny Môzià 3:17, ary eritrereto ny fomba anampian’ity andininy ity antsika hahatakatra bebe kokoa ny Jaona 14:6.

Nampianatra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany, hoe:

Sary
Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf

Tian’ Andriamanitra ianao hahita ny lalanao miverina mankany Aminy, ary ny Mpamonjy no lalana [jereo ny Jaona 14:6]. Tian’ Andriamanitra ianao hianatra amin’i Jesoa Kristy Zanany ary hiaina ilay fiadanana sy fifaliana lehibe izay azo amin’ny fanarahana ny lalana izoran’ny mpianatry ny Tompo.

(Dieter F. Uchtdorf, “Mandray fijoroana ho vavolombelona momba ny fahazavana sy ny fahamarinana,” Liahona, nôv. 2014, 21.)

  • Oviana ianao na ny olona fantatrao no nahatsapa ilay fiadanana sy fifaliana lalina avy amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy?

Mba hahitana ohatra iray momba ny olona iray izay nahita ny Mpamonjy ary notahiana noho ny fanarahana Azy, dia jereo ny horonan-tsary “Jesus Christ Is the Way (Jesoa Kristy no lalana)” (5:02) raha azo atao, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Inona avy ireo fomba vitsivitsy ahafahantsika manaraka ny Mpamonjy mba hiverenana any amin’ny Ray any An-danitra?

  • Ahoana no ahafantarantsika milaza fa mandeha amin’ny lalana marina isika?

I Jesoa Kristy no “voaloboka” (Jaona 15:5)

Sary
voaloboka eo amin’ny hazom-boaloboka

Nampiasa fampitahana i Jesoa Kristy hampianarana ny mpianany mikasika ny fifandraisan’izy ireo Aminy. Vakio ny Jaona 15:1–11, dia tadiavo io fampitahana io.

Raha toa ianao ka namorona ny lisitr’ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy sy ireo anjara asany isan-karazany tao amin’ny lesona teo aloha dia azonao atao ny manampy izany amin’ireo zavatra hitanao ao amin’ny Jaona 15.

  • Inona araka ny eritreritrao no ampianarin’i Jesoa Kristy amin’io fampitahana io?

  • Inona no fahamarinana azonao ianarana avy amin’io fampitahana io momba ny fifandraisantsika amin’i Jesoa Kristy?

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa ny fanasan’ny Mpamonjy mba hitoetra ao Aminy dia fanasana ho antsika mba “hitoetra, … hijanona mandrakizay” (“Abide in Me,” Liahona, mey 2004, 32). Nanazava ny antony maha-zava-dehibe ho antsika ny manaiky ny fanasan’ny Mpamonjy mba hitoetra ao Aminy ny Loholona Holland. Azonao atao ny mijery ilay horonan-tsary “Demeurez en moi” manomboka eo amin’ny mari-potoana faha-13:26 ka hatramin’ny 14:23, na vakio ity teny nambara manaraka ity.

Sary
Ny Loholona Jeffrey R. Holland

Hoy i Jesoa hoe: “Raha misaraka Amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona” [Jaona 15:5]. Mijoro ho vavolombelona aho fa izany no fahamarinana avy amin’ Andriamanitra. I Kristy dia zava-drehetra ho antsika ka tokony “hitoetra” ao Aminy mandrakariva isika, tsy voahozongozona, amim-pahatokiana, mandrakizay. Mba hampitsiriana ny voan’ny filazantsara sy hitahian’izany ny fiainantsika dia tsy maintsy mifamatotra Aminy mafy isika, dia ny Mpamonjy antsika rehetra, ary amin’ny Fiangonany, izay mitondra ny anarany masina. Izy no voaloboka izay loharanon-kery tena izy ho antsika ary ilay hany loharanon’ny fiainana mandrakizay. Tsy haharitra fotsiny isika ao Aminy fa hahery sy handresy ihany koa amin’ity asa masina izay tsy handiso fanantenana antsika velively ity.

(Jeffrey R. Holland, “Abide in Me,” Liahona, May 2004, 32)

Ny Bokin’i Môrmôna dia afaka manampy anao hampitombo ny fahatakaranao ny zavatra ianaranao ao amin’ny Testamenta Vaovao. Vakio ny Almà 26:12, ary eritrereto ny ifandraisan’izany amin’ny Jaona 15:1–11.

  • Inona avy ireo vokatra sasany (na fitahiana) hitanao teo amin’ny fiainanao rehefa niezaka nitoetra tao amin’i Jesoa Kristy ianao?

  • Inona avy ireo zavatra azonao atao mba hanampiana anao hitoetra ao amin’i Jesoa Kristy?

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona ny zavatra nianaranao na tsapanao momba an’i Jesoa Kristy?

  • Mahatsapa ho marisika ny hanao inona ianao rehefa avy nianatra izany mikasika Azy?

  • Araka ny eritreritrao, dia hanova ny fifandraisanao Aminy amin’ny fomba ahoana ny fanaovana izany?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Inona no dikan’ny hoe misy fitoerana maro ao an-tranon’ny Ray any An-danitra?

Nampianatra toy izao ny Mpaminany Joseph Smith (1805–44):

Sary
Ny Mpaminany Joseph Smith

[Ilay teny nambara hoe] “Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro” [Jaona 14:2] … dia tokony ho hoe—“Ao amin’ny fanjakan’ny Raiko misy fanjakana maro,” mba hahafahanareo ho mpandova an’ Andriamanitra sy mpiara-mandova amiko. … Misy fitoerana ho an’ireo izay mankatò lalàna selestialy iray, ary misy fitoerana maro hafa ho an’ireo izay tsy manaja ilay lalàna, ny olona tsirairay samy ao amin’izay tokony hisy azy avy.

(Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 219)

Hamoaka printy