Seminera
Tombano ny fianaranao faha-5


Tombano ny fianaranao faha-5

Matio 21–26; Marka 11–14; Lioka 19–21; Jaona 12–13

Sary
Young woman sitting on a bed reading scriptures.

Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanao tombatombana ireo tanjona napetrakao sy ny fivoaran’ny tena manokana izay niainanao nandritra ny fianaranao ny Testamenta Vaovao.

Inona no nianaranao?

Makà iray minitra handinihana ny zavatra nianaranao vao haingana avy tamin’ny fandalinanao ny Testamenta Vaovao. Mety hanampy anao ireto sary manaraka ireto. Mety ilaina ihany koa ny mijery ny zavatra nosoratanao vao haingana ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina. Afaka manampy anao hanombantombana ny fivoaranao vokatry ny zavatra nianaranao ity sahanasa manaraka ity.

Sary
Jesus turning over a table of a money changer in the temple. Outtakes include images of Christ alone and with the crowd of merchants and buyers fleeing, people buying goods, and people looking.
Sary
Jesus washing Peter’s feet. Outtakes show similar scenes.
Sary
The resurrected Jesus Christ (wearing white robes with a magenta sash) standing above a large gathering of clouds. Christ has His arms partially extended. The wounds in the hands of Christ are visible. Numerous angels (each blowing a trumpet) are gathered on both sides of Christ. A desert landscape is visible below the clouds. The painting depicts the Second coming of Christ. (Acts 1:11)

1. Eritrereto sy valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nianaranao vao haingana momba an’i Jesoa Kristy izay manan-danja indrindra aminao? Inona avy ireo tantara ao amin’ny soratra masina nanampy anao hanana io fahatakarana momba Azy io?

  • Inona ny zavatra nataonao mba ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy feno fanoloran-tena bebe kokoa?

  • Inona no dingana manaraka azonao atao mba ho lasa mpanara-dia ny Mpamonjy tsaratsara kokoa?

Tiavo Andriamanitra ary tiavo ny namanao

Vao haingana ianao no nandalina ny fampianaran’i Jesoa fa ny didy roa lehibe indrindra dia ny mitia an’ Andriamanitra amin’ny fontsika rehetra sy ny fanahintsika rehetra ary ny saintsika rehetra sy ny fitiavana ny namantsika tahaka ny tenantsika (jereo ny Matio 22:36–39).

Raha afaka miresaka amin’ny olona eo akaiky eo ianao dia angataho izy ireo hamaly ity fanontaniana manaraka ity mba hahazoanao hevi-baovao fanampiny. Raha irery ianao, dia eritrereto ny fomba hamalianao ilay fanontaniana.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no ireo didy ireo no didy roa lehibe indrindra?

Vao haingana koa ianao no nianatra momba an’i Jesoa nanasa ny tongotry ny mpianany sy nanome azy ireo didy vaovao mba hifankatiavany tahaka ny nitiavany azy ireo (jereo ny Jaona 13).

Tao anatin’ireo fianarana roa ireo dia mety ho nasaina nanao drafitra ianao mba hampiharana ny fampianaran’ny Mpamonjy sy hanarahana ny ohatra nasehony.

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao farafahakeliny ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nanao ahoana ny zavatra niainanao rehefa nanatanteraka ny fampianaran’ny Mpamonjy?

  • Inona no tsapanao momba ny fitiavan’i Jesoa Kristy anao sy ny fitiavany ny hafa rehefa novalianao ireo fanasana nomena tao an-dakilasy?

  • Inona no tianao hatao na tianao tohizana vokatry ny fampianaran’ny Mpamonjy?

Ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany

Ny fomba tsara hanatsorana ny fampianarana ny filazantsara dia ny manazava izany amin’ny fomba tsotra takatry ny ankizy. Mba hanampiana anao hanazava ireo lafin-javatra manan-danja amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany amin’ny teninao manokana dia manorata famintinana toy ny hoe manoratra izany ho an’ny ankizy ianao.

Ny hamaly fanontaniana roa no tanjon’ny famintinana ataonao:

  • Inona no azontsika atao hiomanana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany?

  • Nahoana no ho be voninahitra ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany? (Tsarovy fa tamin’ny lesona teo aloha ianao dia mety efa namaky ny fanasan’ny Loholona Neil L. Andersen mba haka sary an-tsaina sy hamerina hijery ireo vanim-potoana be voninahitra manodidina ny Fiaviana Fanindroany [jereo ny “Ho tonga anie ny Fanjakanao,” Liahona, mey 2015, 122].)

Ireto loharanom-pahalalana manaraka ireto dia mety hanampy anao amin’ny famerenana ny zavatra nianaranao.

3. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny famintinana nataonao. Alaivo antoka fa mamaly ireo fanontaniana roa voatanisa tany am-piandohan’ity sahanasa ity ny famintinana nataonao.

Hamoaka printy