Seminera
Matio 26:26–30; Lioka 22:19–20


Matio 26:26–30; Lioka 22:19–20

Ny Fanasan’ny Tompo

Sary

Teo amin’ny toerana iray fantatra amin’ny anarana hoe efitrano ambony rihana, dia “nipetraka nihinana … mbamin’ny mpianatra roa ambin’ny folo lahy” ny Mpamonjy (Matio 26:20) ary nankalaza ny fetin’ny Paska farany tamin’ny fiainany teto an-tany Izy. Nandritra iosakafon’ny Paska farany io dia nampianatra ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo i Jesoa Kristy ho toy ny fomba vaovao ahafahan’ireo mpianatra mahatsiaro Azy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra sy hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fahatsiarovana ny Mpamonjy rehefa mandray fanasan’ny Tompo.

Ny maha-zava-dehibe ny fanasan’ny Tompo

Inona no mety havalinao raha misy olona iray mametraka ity fanontaniana ity aminao:

  • Nahoana no mankany am-piangonana isaky ny Alahady ireo mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany?

Antony iray manan-danja hankanesantsika any am-piangonana ny fandraisana fanasan’ny Tompo. Rahavavy Cheryl A. Esplin, izay tao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga Maneran-tany teo aloha, dia nizara ny resadresaka nifanaovan’ny raim-pianakaviana 96 taona iray sy ny zanany lahy izay nampiseho ny anjara asa fototra tanan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo ka mahatonga antsika ho any am-piangonana.

Nanorina ny fanasan’ny Tompo i Jesoa Kristy

Nankalaza ny fetin’ny Paska i Jesoa Kristy talohan’ny nijaliany tao Getsemane sy ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana. Lasa fantatra amin’ny hoe Fanasana Farany io fotoana io. Rehefa niara-nihinana ny sakafon’ny Paska tamin’ireo apôstôliny ny Mpamonjy, dia nanorina ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo Izy.

Vakio ny Matio 26:26–30 sy ny Lioka 22:19–20 , dia tadiavo ny zavatra izay nampianarin’ny Mpamonjy an’ireo Apôstôly momba ny tanjon’ny fanasan’ny Tompo. Mety ho tianao ny hanipika ireo teny na andian-teny manan-danja.

  • Inona no tanjon’ny Mpamonjy tamin’ny fanorenana ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo?

Ny fahamarinana iray izay azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia ny hoe Nanorina ny fanasan’ny Tompo i Jesoa Kristy mba hanampiany antsika hahatsiaro Azy.Na dia tsy mbola niaina ny fijaliana sy ny fahoriana tamin’ny Sorompanavotana nataony aza ny Mpamonjy, dia natao mba hanampiana ireo Apôstôliny hahatsiaro Azy sy ny fanomezany ny Sorompanavotany ny ôrdônansy sy ny tandindona izay nampianariny azy ireo.

  • Inona avy ireo andinin-tsoratra masina na ireo zavatra niainanao manokana nanampy anao hieritrertitra ny sorona nataon’ny Mpamonjy ho anao?

  • Inona ny zavatra tsapanao momba ny Mpamonjy rehefa mamaky ireo andinin-tsoratra masina ireo na misaintsaina ireo zavatra niainana ireo ianao?

  • Ahoana no ahafahan’ireo tandindon’ny fanasan’ny Tompo ireo manampy anao hahatakatra kokoa ny zavatra izay nataon’ny Mpamonjy sy ireo izay mbola azony atao ho anao?

Mamorona rindran-damina ho an’ny lesona

Alaivo sary an-tsaina ohatra fa nasaina nampianatra momba ny fanasan’ny Tompo mandritra ny fifanakalozan-kevitra fandalinana soratra masina izay ho atao any an-tokantranonao ianao. Ampiasao ireo adininin-tsoratra masina vao nianaranao sy ireo toko sy andininy ary zavatra hafa izay nosafidinao (tahaka ireo lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana farany), mba hiomanana hanampy ny hafa hahatakatra sy hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fanasan’ny Tompo.

Ny drafitry ny lesonao dia tokony hahitana ireto manaraka ireto: (1) andinin-tsoratra masina iray na mihoatra izany na teny nolazain’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana momba ny fanasan’ny Tompo mba hianarana sy hosaintsainina, (2) fanontaniana roa farafahakeliny izay mety hapetrakao mba hampitomboana ny fahatakarana, ary (3) fanasana hampihatra ireo fahamarinana izay hifanakalozanareo hevitra. Ampiasao ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy rehetra mba hitarika anao amin’ny famoronana ny rindran-daminao.

  • Inona ny atao hoe fanasan’ny Tompo?

  • Ahoana no ahafahan’ny fanasan’ny Tompo manampy antsika hahatakatra kokoa ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany?

  • Inona no nanampy anao hiaina zavatra manan-danja teo am-pandraisanao ny fanasan’ny Tompo?

  • Mety hiova toy ny ahoana ny fiainanao raha mahatsiaro an’i Jesoa Kristy matetika kokoa ianao?

1. Raketo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny rindran-damin’ny lesonao:

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Inona no ifandraisan’ny Paska amin’ny fanasan’ny Tompo?

Nahoana isika no mampiasa rano fa tsy divay amin’ny fanasan’ny Tompo?

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:1–2 dia milaza fa tsy maninona na inona na inona zavatra ampiasaina amin’ny fanasan’ny Tompo rehefa atao amin’ny “maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahi[tr’i Kristy]” ( andininy 2) izany. Amin’izao fotoana izao, dia mangataka antsika ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana mba hampiasa rano rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.

Inona ny zavatra azoko atao mba hampisy lanjany kokoa ny fanasan’ny Tompo?

Ny Filoha Steven J. Lund, Filohan’ny Zatovolahy Maneran-tany dia nampianatra fa:

Sary
Official portrait of Steven J. Lund. President, Young Men General Presidency. Sustained April 2020.

Isaky ny mihazona ny lovia fampiasa amin’ny fanasan’ny Tompo ny diakona iray dia tsaroantsika ilay tantara masin’ny Fanasana Farany, sy ny Getsemane, sy ny Kalvary ary ilay zaridaina nisy ny fasana. Rehefa nilaza tamin’ireo Apôstôliny ny Mpamonjy hoe: “Izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy” [Lioka 22:19], dia niresaka tamin’ny tsirairay amintsika ihany koa Izy. Niresaka momba ny fahagagana tsy manam-piafarana izay ho atolony amin’ny maha-diakona sy mpampianatra ary mpisorona any aoriana azy Izy rehefa manolotra ny tandindony sy manasa ireo zanany mba hanaiky ny fanomezany mitondra fanavotana.

Ireo tandindona rehetra amin’ny fanasan’ny Tompo dia manondro izany fanomezana izany. Mandinika ilay mofo izay novakiany tamin’izany isika—ary ny mofo izay potipotehan’ireo mpisorona eo anoloantsika amin’izao. Mieritreritra ny dikan’ilay rano voatokana tamin’izany sy ankehitriny isika rehefa miampita avy eo am-bavan’ireo mpisorona ho ao anaty fontsika sy any an-danitra amin’ny fomba manetriketrika ny vavaky ny fanasan’ny Tompo, izay fanavaozana ireo fanekempihavanana mampifandray antsika amin’ny herin’ny famonjen’i Kristy mihitsy. Afaka mieritreritra isika ny hoe midika inona ny diakona mitondra ny tandindona masina mankeo amintsika, mijoro amin’ny toerana izay mety hijoroan’i Jesoa raha teo Izy, manolo-tena ny hanamaivana ny enta-mavesatra sy ny fanaintainantsika.

(Steven J. Lund, “Mahita fifaliana ao amin’i Kristy,” Liahona, nôv. 2020, 36)

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nizara ity torohevitra manaraka ity:

Sary
Official Portrait of President Dallin H. Oaks taken March 2018.

Mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo—ary indrindra indrindra mandritra ny fanatanterahana nyfanasan’ny Tompo—dia tokony hifantoka amin’ny fitsaohana ary tsy hanao zavatra hafa isika, indrindra fa ny fitondrantena izay mety hanelingelina ny fitsaohan’ny hafa. Eny fa na dia ny olona tafalatsaka ao anaty torimaso mangina aza dia tsy tokony hanelingenina ny hafa. Ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia tsy fotoana famakiana boky na gazetiboky. Ry tanora, tsy fotoana fibitsibitsihana amin’ny finday izany na fandefasana hafatra ho an’olona any amin’ny toeran-kafa. Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia manao fanekempihavanana masina fa hahatsiaro mandrakariva ny Mpamonjy. Mampalahelo tokoa ny mahita mibaribary olona mandika izany fanekempihavanana izany mandritra ilay fivoriana izay hanaovan’izy ireo izany mihitsy.

(Dallin H. Oaks, “Ny fivoriana fanasan’ny Tompo sy ny fanasan’ny Tompo,” Liahona, nôv. 2008, 18–19)

Hamoaka printy