Seminera
Jaona 14–16


Jaona 14–16

Ny andraikitry ny Fanahy Masina

Sary
ilay fanasan’ny Tompo tamin’ny Fiaraha-misakafo Farany

Nandritra ny asa fanompoan’ny Mpamonjy dia nankafy ny herin’ny Fanahy Masina ny Apôstôly, saingy mbola tsy nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina izy ireo, izay hamela azy ireo, amin’ny alalan’ny fahamarinany, hanana ny Fanahy Masina ho namana mandrakariva (jereo ny Bible Dictionary, “Holy Ghost”). Nampanantena i Jesoa Kristy fa hitahy azy ireo amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina aorian’ny fiakarany any an-danitra. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hamantatra ny fomba hanatanterahan’ny Fanahy Masina ny anjara asany samihafa eo amin’ny fiainanao.

Ahoana no ahafahan’ny Fanahy Masina manampy anao?

  • Inona no takatrao mikasika ny fomba ahafahan’ny Fanahy Masina manampy anao?

  • Inona no zavatra niainanao niaraka tamin’ny Fanahy Masina?

Jereo ity horonantsary manaraka ity, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny mari-potoana 1:58 ka hatramin’ny 3:10, ahitana ny Loholona Gary E. Stevenson mizara ny zavatra izay niainany fony izy zazalahy.

  • Inona no fanontaniana anananao momba ny anjara asan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika?

Rehefa mandalina ianao dia tadiavo ny valin’ireo fanontaniana anananao momba ny Fanahy Masina sy ny fomba ahafahan’ny anjara asan’ny Fanahy Masina manampy anao amin’ny zavatra ilainao manokana.

Nampianatra mikasika ny Fanahy Masina tamin’ny Apôstôliny i Jesoa

Taorian’ny nizaran’ny Mpamonjy ny fanasan’ny Tompo, ary noho ny fahafantarany fa tsy ho ela Izy dia hijaly noho ny fahoriantsika sy ny fakam-panahy ary ny fahotantsika ary avy eo dia homboana amin’ny hazo fijaliana, dia notohizany ny fampianarana ny Apôstôliny.

Vakio ny Jaona 14:16–17 ka tadiavo ny fampanantenana nomen’ny Mpamonjy ireo Apôstôliny.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nampanantena ny Apôstôliny i Jesoa Kristy fa handray ny fanomezana avy amin’ny Fanahy Masina izy ireo raha vao miala ety an-tany Izy?

Adikao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity tabilao manaraka ity. Mamelà toerana ho an’ny tsanganana fahatelo, izay hampinao refaveo. Fenoy avy amin’izay hitanao ao amin’ireo andininy voatanisa ny tabilao.

(Ireo) Andininy

Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia mandefa ny Fanahy Masina ho antsika mba …

(Ireo) Andininy

Jaona 14:16–17

Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia mandefa ny Fanahy Masina ho antsika mba …

(Ireo) Andininy

Jaona 14:26

Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia mandefa ny Fanahy Masina ho antsika mba …

(Ireo) Andininy

Jaona 14:27

Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia mandefa ny Fanahy Masina ho antsika mba …

(Ireo) Andininy

Jaona 15:26

Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia mandefa ny Fanahy Masina ho antsika mba …

(Ireo) Andininy

Jaona 16:7–8

Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia mandefa ny Fanahy Masina ho antsika mba …

(Ireo) Andininy

Jaona 16:13–14

Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia mandefa ny Fanahy Masina ho antsika mba …

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no hamintinanao ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy mikasika ny antony nandefasan’ny Ray sy Izy ny Fanahy Masina ho antsika?

  • Ahoana no ahafahan’ireo fampanantenana sy fahamarinana ireo manampy anao eo amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao?

  • Nahoana no manampy anao hahafantatra fa tia anao Izy Ireo ny fahafantarana fa nirahin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny Fanahy Masina? Inona no asehon’izany anao mikasika ny zavatra irin’izy ireo ho anao?

Vavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina

Nampianatra ny Mpamonjy fa ny Fanahy Masina dia hijoro ho vavolombelona sy hanome voninahitra Azy (jereo ny Jaona 15:26; 16:13–14).

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Ny fahamarinana manan-danja indrindra azon’ny Fanahy Masina hijoroana ho vavolombelona aminareo dia hoe i Jesoa no Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra velona.

(Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 96)

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto farafahakeliny:

  • Oviana ianao no nahatsapa ny Fanahy Masina nampianatra sy nijoro ho vavolombelona nanambara ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy taminao? Ahoana no fomba nampianaran’ny Fanahy Masina sy nijoroany ho vavolombelona taminao?

  • Inona no mety hataon’ny olona iray mba hanasana ny Fanahy Masina hampianatra azy ireo momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? (jereo ny Jaona 7:17; 14:13).

Zavatra niainana manokana niaraka tamin’ny Fanahy Masina

Asio tsanganana fahatelo eo amin’ny tabilaonao, ary asio hoe “Ahoana no nanaovan’ny Fanahy Masina izany tamiko na tamin’ny olona iray fantatro.” Ho an’ny andalan-tsoratra masina tsirairay ao amin’ilay tabilao dia eritrereto ary soraty izay zavatra niainanao, na ny an’ny fianakavianao, na olona ao amin’ny soratra masina, niaraka tamin’ny Fanahy Masina nahatanteraka izany anjara asa izany. Raha toa ka tsy tsaroanao na tsy tadidinao ny zavatra niainana manokana ho an’ny anjara asan’ny Fanahy Masina tsirairay izay nasongadin’ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo dia tsy maninona izany. Rehefa miezaka ny ho mahatoky sy mikatsaka ireo traikefa ireo eo amin’ny fiainanao ianao dia hanampy anao hamantatra izany ny Ray any An-danitra.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Inona no ataon’ny Fanahy Masina?

Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe:

Sary
Ny Filoha Dallin H. Oaks

Ny mpikambana fahatelo ao amin’ Ny Andriamanitra dia ny Fanahy Masina, izay antsoina ihany koa hoe ny Fanahin’ny Tompo ary ny Mpampionona. Izy no mpikambana ao amin’ Ny Andriamanitra izay fitaovana hahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana. Amin’ny maha olona fanahy Azy (jereo ny F&F 130:22), dia afaka mitoetra ao anatintsika Izy ary manatanteraka ilay anjara asa tena ilaina amin’ny maha mpampita vaovao Azy eo amin’ny Ray sy ny Zanaka ary ny zanak’ Andriamanitra eto an-tany. Soratra masina maro no mampianatra fa ny iraka nampanaovina Azy dia ny hijoro ho vavolombelona ny amin’ny Ray sy ny Zanaka (jereo ny Jaona 15:26; 3 Nefia 28:11; F&F 42:17). Nampanantena ny Mpamonjy fa ny Mpampionona dia hampianatra antsika ny zavatra rehetra, sy hampahatsiaro ny zavatra rehetra, ary hitari-dalana ho amin’ny fahamarinana rehetra (jereo ny Jaona 14:26; 16:13). Noho izany ny Fanahy Masina dia manampy antsika hanavaka ny marina sy ny sandoka, mitarika antsika ao amin’ireo fanapahan-kevitra lehibe raisintsika, ary manampy antsika ao anatin’ireo olan’ny fiainana an-tany. Izy ihany koa ny fomba ahafahana manamasina antsika, dia ny fanadiovana antsika amin’ny ota (jereo ny 2 Nefia 31:17; 3 Nefia 27:20; Môrônia 6:4).

(Dallin H. Oaks, “Ny Andriamanitra sy ny drafitry ny famonjena,” Liahona, mey 2017, 102)

Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa ny Fanahy Masina no miresaka amintsika?

Nampianatra toy izao ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Ny Filoha Dallin H. Oaks

Izany lalam-pifandraisan’ny tena manokana amin’ny Raintsika any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izany no loharanon’ny tenivavolombelontsika ny amin’ny fahamarinana, sy ny fananantsika fahalalana, ary ny fitarihana antsika manokana avy amin’ilay Ray any An-danitra be fitiavana. Fitaovana manan-danja eo amin’ny drafitry ny filazantsara mahatalanjona izany, izay mamela antsika zanany tsirairay handray fijoroana ho vavolombelon’ny tena manokana ny amin’ny fahamarinana.

(Dallin H. Oaks, “Ireo lalam-pifandraisana roa,” Liahona, nôv. 2010, 83)

Jaona 14:27. Ahoana no ahatsapako fiadanana avy amin’ny Fanahy Masina raha toa ka miady amin’ny tsy fahasalaman’ny saina aho?

Raha sendra olana amin’ny tsy fahasalaman’ny saina toy ny fanahiana na fahaketrahana ianao dia mety ho tena sarotra aminao ny mahatsapa ny Fanahy Masina. Tsy fahadisoanao izany. Fantatry ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany ireo olana ireo ary te hanampy anao Izy Ireo. Diniho ny famerenana ny iray na roa amin’ireto loharanom-pahalalana manaraka ireto mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa momba ny fomba hahatsapana fiadanana avy amin’ny Fanahy Masina rehefa miady amin’ny olana amin’ny tsy fahasalaman’ny saina ianao.

  • Horonantsary: ​​“Tahaka ny Vilany Ariana” (11:36; hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org)

  • Reyna I. Aburto, “Na inona re miseho, mitoera eto!,” Liahona, nôv. 2019, 57–60

  • Debra Theobald McClendon, “Discerning Your Feelings: Anxiety or the Spirit?,” Ensign, Apr. 2019, ChurchofJesusChrist.org

  • Lyle J. Burrup, “Anxiety and Anxiety Disorders,” Ensign, Mar. 2017, 54–61

  • MentalHealth.ChurchofJesusChrist.org

Jaona 16:7. Inona no tian’ny Mpamonjy holazaina rehefa nilaza Izy hoe: “Raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpampionona”?

Noho ny antony sasantsasany izay tsy nohazavaina feno ao amin’ny soratra masina dia tsy niasa tamin’ny fahafenoany teo anivon’ny Jiosy ny Fanahy Masina nandritra ireo taona izay niainan’i Jesoa teto an-tany (Jaona 7:39; 16:7). Ireo teny natao ny amin’ny hoe tsy tonga ny Fanahy Masina raha tsy taorian’ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty dia tsy maintsy ho nilaza izany fotoampitantanana manokana izany ihany, satria tena mazava tokoa fa niasa ny Fanahy Masina tamin’ireo fotoampitantanana teo aloha. Ankoatra izay, dia ny tsy naha-teo ny fanomezana ny Fanahy Masina ihany no tiana holazaina amin’izany satria niasa ny herin’ny Fanahy Masina nandritra ireo asa fanompoana nataon’i Jaona Mpanao Batisa sy i Jesoa Kristy; fa raha tsy izany dia tsy nisy olona nahazo fijoroana ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana nampianarin’ireo lehilahy ireo (Matio 16:16–17; jereo koa 1 Kor. 12:3).

(Torolalana ho an’ny soratra masina, “ Fanahy Masina ”)

Hamoaka printy