Seminera
Jaona 17


Jaona 17

Ny Vavaka Fanalalanana lehibe nataon’ny Mpamonjy

Sary
Jesoa Kristy mivavaka miaraka amin’ireo mpianany

Mahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy manokana

Mieritrereta olo-malaza iray teo amin’ny tantaran’ny firenenao.

  • Inona avy ireo zavatra fantatrao momba io olona io?

  • Ahoana no hamariparitanao ny fahasamihafana misy eo amin’ny fahalalanao momba ilay olo-malaza sy ny fahalalanao olona akaiky ao amin’ny fianakavianao?

Makà fotoana kely hanoratana ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra tsapanao momba ny fahalalanao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mifototra amin’ny zava-misy fantatrao momba Azy Ireo fotsiny ihany ve izany, sa lasa an’ny tena manokana kokoa noho izany? Ahoana araka ny eritreritrao no mety hitahiana ny fiainanao raha fantatrao amin’ny sehatra manokana kokoa Izy Ireo?

Nivavaka ho an’ny mpianany i Jesoa

Ny alina talohan’ny nijaliany tao Getsemane sy ny namadihana Azy ary ny nanomboana Azy teo amin’ny hazo fijaliana dia nanao vavaka masina tamin’ny feo mafy izay fantatra amin’ny hoe Vavaka Fanalalanana lehibe ny Mpamonjy. Nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra Izy nitalaho ho an’ny mpianany, anisan’izany ireo mpanara-dia Azy izay miaina amin’izao androntsika izao (jereo ny Jaona 17:20). Andramo alaina sary an-tsaina ny mety ho fihetseham-pon’ireo Apôstôly raha nandre an’i Jesoa nivavaka ho azy ireo tamin’io alina masina io.

  • Inona no azontsika ianarana mikasika ny Mpamonjy avy amin’ny ohatra nasehony tamin’ny fivavahana ho an’ireo mpianany sy ireo rehetra izay manaraka Azy talohan’ny nijaliany tao Getsemane sy ny fisamborana Azy?

Ny ⁠Jaona 17:3 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Hianatra bebe kokoa mikasika ity andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity ianao ao amin’ny lesona izay hatao manaraka.

Vakio ny Jaona 17:1–3, ka tadiavo ireo fitahiana nangatahan’i Jesoa Kristy ho an’ny mpianany tao anatin’ny vavaka.

  • Inona no irin’i Jesoa Kristy ho an’ny mpianany?

Ny andian-teny hoe “fiainana mandrakizay” (andininy 2–3) dia matetika diso no andraisana azy ka adika hoe miaina mandrakizay fotsiny ihany. Nivavaka ny Mpamonjy mba hahazoantsika mihoatra noho izany. Ny “fiainana mandrakizay” dia ilay karazana fiainana izay iainan’ny Ray any An-danitra. … Ny fiainana mandrakizay, na ny fisandratana, dia ny fiainana eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny fitohizan’ny fianakaviana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4)” (Gospel Topics, “Eternal Life,” topics.ChurchofJesusChrist.org). Raiso ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny andininy 3 io famaritana io.

  • Araka ny andininy 3, inona no iray amin’ireo zavatra takina amintsika mba hahazoana ny fiainana mandrakizay?

Fahamarinana iray ianarantsika avy amin’ny vavaky ny Mpamonjy ny hoe mba hahazoana ny fiainana mandrakizay dia tsy maintsy mahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no ilaintsika ny mahafantatra marina ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba hahazoana ny fiainana mandrakizay?

Ny Loholona Michael John U. Teh ao amin’ny Fitopololahy dia nanazava ny maha zava-dehibe ny fahafantarana ny Mpamonjy:

Sary
Loholona Michael John U. Teh

Mila miaiky isika fa ny mahafantatra ny Mpamonjy no zava-katsahina manan-danja indrindra eo amin’ny fiainantsika. Tokony ho apetraka ho ambonin’ny zavatra hafa rehetra izany.

(Michael John U. Teh, “Ny Mpamonjintsika manokana,” Liahona, mey 2021, 99)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-katsahina manan-danja indrindra eo amin’ny fiainantsika ny mahafantatra ny Mpamonjy?

  • Inona no mety hanasarotra ny fanaovana ambonin’ny zavatra rehetra ny fahalalana ny Mpamonjy mihoatra noho ny zava-katsahina hafa eo amin’ny fiainanao?

Saintsaino kely ny fomba nitomboan’ny fifandraisanao akaiky tamin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na ny namanao. Inona no nataonao mba hahafantarana azy ireo bebe koa? Nisy zava-niainana lehibe nanampy anao tena hahafantarana azy ireo ve? Naharitra hafiriana no nivoatra ilay fifandraisana?

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto farafahakeliny:

  • Ahoana no ahafahanao mampihatra ireo fihetsika izay nanampy anao hanana fifandraisana akaiky amin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na namana iray mba hamantaranao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Inona no zavatra niainanao ka nanampy anao ho lasa nahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Inona no nianaranao tamin’ireo zavatra niainanao ireo?

Mahafantatra ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny vavaka nataony

Ny fomba iray hamantarana ny Mpamonjy dia amin’ny alalan’ny vavaka ataony. Makà minitra vitsivitsy hianarana bebe kokoa momba ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fandalinana ny zavatra nangatahiny tamim-bavaka tao amin’ny Jaona 17. Ireto ny sasany amin’ireo andininy azonao safidiana mba hifantohana Jaona 17:4–11, 20–26.

2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina farafahakeliny ny telo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no ianaranao momba ny fifandraisan’i Jesoa Kristy amin’ny Rainy avy amin’io vavaka io?

  • Inona no fitahiana irin’i Jesoa Kristy ho antsika?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no hivavaka ho anao Izy mba hahazoana ireo fitahiana manokana ireo?

  • Inona no nianaranao momba an’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra ka manampy anao haniry hahafantatra Azy Ireo bebe kokoa?

Alaivo sary an-tsaina hoe toy ny ahoana ny manakaiky ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy ka azo lazaina fa iray amin’izany ny fifandraisanao amin’Izy Ireo. Hanao ahoana izany aminao? Ho tsara kokoa amin’ny fomba ahoana ny fiainanao? Tena tia anao ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary maniry ny ho anisany tafaray aminao. Nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy mba hanampiana anao hanana fifandraisana akaiky amin’ Izy Ireo. Tadidio fa mitaky fotoana sy ezaka ny fifandraisana toy izany mba hivoatra, mandritra ity fiainana ity sy any amin’ny manaraka.

Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra tianao hatao mba hahafantarana bebe kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ampidiro ao ny eritreritrao momba ny fomba ahafahanao mamantatra fa mihamatanjaka ny fifandraisanao amin’Izy Ireo ary ny fomba inoanao fa hitahian’izany fifandraisana izany ny fiainanao.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Inona no azontsika atao mba hahafantarana bebe kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Nampianatra toy izao ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

Sary
Ny Filoha Henry B. Eyring

Raha te hijanona ho akaikin’ny olona izay tena tianao ianao, nefa tsy manana fifandraisana akaiky aminy dia fantatrao ny fomba hanaovana izany. Hahita fomba hiresahana amin’izy ireo ianao, hihaino azy ireo ianao ary hahita hevitra mba hanaovana zavatra miaraka amin’izy ireo. Arakaraka ny nisian’izany rehetra izany no nahatonga izany haharitra sy hahalalim-paka ny fifankatiavana misy eo aminareo. Raha betsaka ny fotoana tsy nifampiresahana, tsy nifampihainoana ary tsy nifanaovana zavatra dia hihena ilay fifankatiavana.

Andriamanitra dia tonga lafatra sy mahavita ny zava-drehetra fa izaho sy ianao kosa dia mety maty. Raintsika anefa Izy, tia antsika Izy ary manome fahafahana mitovy ho antsika mba hanakaiky bebe kokoa Azy tahaka ny mety hataon’ny namana be fitiavana iray. Ary hanao izany amin’ny fomba toy izany koa ianao: miteny, mihaino ary manao zavatra.

(Henry B. Eyring, “To Draw Closer to God,” Ensign, mey 1991, 66)

Ny Loholona Scott Grow ao amin’ny Fitopololahy dia nanazava hoe:

Sary
Loholona C. Scott Grow

Ry tanora namako, afaka manomboka mahafantatra an’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny vavaka. …

Rehefa mandalina irery ny soratra masina isan’andro sy miaraka amin’ny fianakaviana ianao dia hianatra hamantatra ny feon’ny Fanahy ary ho lasa mahafantatra an’ Andriamanitra. …

Rehefa mikatsaka ny sitrapon’ Andriamanitra isika amin’ny fanompoana amim-pahatokiana Azy sy ny mpiara-belona amintsika dia mahatsapa ny fankasitrahany ary lasa tena mahafantatra Azy isika.

Milaza amintsika ny Mpamonjy fa ny fomba tena tsara indrindra hahafantarana an’ Andriamanitra dia fahatongavantsika tahaka Azy. Hoy ny nampianariny: “Koa, tokony ho karazana olona toa inona moa ianareo? Lazaiko aminareo marina tokoa, ho toa Ahy” [3 Nefia 27:27].

Tena ilaina ny fahamendrehana mba hahatongavana tahaka Azy. …

Fantatr’ Andriamanitra ianareo ary manasa anareo Izy mba hahafantatra Azy. Mivavaha amin’ny Ray, halalino ny soratra masina, katsaho ny sitrapon’ Andriamanitra, miezaha ny ho tonga tahaka ny Mpamonjy, ary manaraha ireo mpampianatra marina. Raha manao izany ianareo dia ho lasa mahafantatra an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy, ary handova ny fiainana mandrakizay.

(C. Scott Grow, “Ary izao no fiainana mandrakizay,” Liahona, mey 2017, 121–24)

Hamoaka printy