Seminera
Matio 15:1–9


Matio 15:1–9

Moa ve ianao “mandika ny didin’ Andriamanitra noho ny fomban-drazanao”?

Sary
Jesus talking to Pharisees in Jerusalem. Movie still from The Life of Jesus Christ Bible Videos.

Rehefa nanontany ny antony nahatonga ny mpianatr’i Jesoa tsy nanaraka ny fomban-drazana ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo dia novalian’ny Mpamonjy tamin’ny feo mahery ireo olona manao ny fomban-drazana ho fialan-tsiny ahafahana mandika ireo didin’ Andriamanitra. Ity lesona ity dia hanampy anao hamantatra hoe inona amin’ireo fomban-drazanao no hanampy anao hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy ary inona amin’izy ireny no mety hampisaraka anao Aminy.

Fomban-drazana

Vakio ireto rafi-tantara manaraka ireto.

  • Ny fianakavian’ny zatovovavy anankiray dia manana fomban-drazana izay manindraindra ny fianarana. Andrasana aminy ny hahazo vokatra tsara hatrany rehefa manao fampiasana sy fitsapam-pahaizana izy.

  • Nandritra ny taranaka nifandimby dia nanao laharam-pahamehana ny fivavahana isa-maraina sy isan-kalina hatrany ny fianakavian’ny zatovolahy iray.

  • Misy hetsika lehibe ara-tsosialy iray izay hanaovan’ny zatovovavy maro fitafy tsy maotina. Tsy maintsy manapa-kevitra ny amin’ny akanjo hanaovany amin’io fotoana io ny zatovovavy iray.

  • Nandritra ny taona maro dia maro tamin’ireo zatovo tao anatin’ny paroasy iray manokana no tsy nandray anjara tamin’ny fo madio ny fanatrehana ny Sekoly Alahady. Anisan’izany ny fahatarana, ny tsy fifantohana, ary ny fandefasana hafatra na ny filalaovana amin’ny finday mandritra ny fotoam-pianarana.

  • Fomba amam-panao ao amin’ny sekoly anankiray ny hoe ny mpianatra zokiny dia mampijaly ireo mpianatra zandriny.

Valio ireto fanontaniana manaraka ireto, izay mifandray amin’ireo rafi-tantara teo aloha.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ireo fomban-drazantsika?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hahatonga ny fomban-drazantsika hisy fiantraikany amin’ny fahafahantsika hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy?

  • Nahoana no mety ho sarotra amin’ny olona sasany ny mandanjalanja ireo fomban-drazany na manova ireo fomban-drazany izay tsy mety?

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia hianatra ireo fampianarana sasantsasany izay nataon’i Jesoa Kristy momba ny fomban-drazana ihany koa. Ny fomban-drazana dia “finoany sy fanao izay miampita amin’ny taranaka mifandimby” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Fomban-drazana ,” ChurchofJesusChrist.org). Tanisao ao amin’ny diary fandalinanao ireo fomban-drazana sasany izay tsy afaka miala amin’ny fiainanao.

Ireo fampianarana nataon’ny Mpamonjy momba ny fomban-drazana

Mba hahatakarana ny zavatra izay nampianarin’ny Mpamonjy dia mety hanampy ny fahafantarana ilay sahan-kevitra, na ny lafin-kevitra, ao amin’ny Matio 15 .

Vakio aloha ny Matio 15:1–9 . Rehefa avy eo dia vakio ity fanampiana avy amin’ny sahan-kevitra manaraka ity, rehefa izany dia vakio indray ilay soratra masina teo ihany, sady mariho ny tombony entin’ny fahatakarana ilay sahan-kevitra.

Fanampiana avy amin’ny sahan-kevitra ho an’ny Matio 15: Tamin’ny andron’ny Mpamonjy, ny mpitarika jiosy dia nampianatra ny lalàn’i Mosesy sy ny lalàna am-bava izay tsy nomen’ Andriamanitra akory fa fomba nentim-paharazana teo amin’ny vahoaka. Tafiditra tao anatin’izany ohatra ny fanisana ireo dian-tongotra natao amin’ny andro Sabata sy ny fanasana tanana im-betsaka mialoha ny sakafo, izay nampiseho ny fahadiovana ara-panahin’ny olona. Ny ampahany tamin’ireo lalàna nentim-paharazana ireo dia nampiasaina tamin’ny antony feno fitiavan-tena. Ohatra, ny hoe hajao ny rainao sy reninao dia didy tao anatin’ny lalàn’i Mosesy (jereo Eksodosy 20:12), saingy nampiasain’ny olona sasany ny lalàna am-bava mba hanamarinana ny fandikany ity didy ity tamin’ny filazana fa ny volany na ny loharanon-karenan’izy ireo dia natokana ho “fanatitra” ho an’ Andriamanitra ( Matio 15:5) ary noho izany dia tsy azo entina hanampiana ny ray aman-drenin’izy ireo. Ireo fanovana ireo dia tsy tao anatin’ny tanjona izay nokendrena tamin’ireo lalàna sy didy ireo tany am-boalohany ary tsy nahafaly an’ Andriamanitra mihitsy izany.

Vakio ny Matio 15:1–9 , ka tadiavo ny zavatra izay nampianarin’ny Mpamonjy momba ny fomban-drazana.

  • Inona araka ny hevitrao no ampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? Mitadiava fahamarinana iray na roa izay hitanao.

Tsy voatery hatao: Te hianatra bebe kokoa?

Inona avy ireo fomban’izao tontolo izao izay tokony hialako eo amin’ny fiainako?

Ao amin’ny fanambarana izay nataony ao amin’ny “Repentance and Change” (Ensign na Liahona, Nov. 2003, 39), Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanome ohatra maro momba ny fomba “fitondran-tena izay [mety] hifanohitra amin’ireo didy izay misy ao amin’ny filazantsara sy ny fanekempihavanana ary ny kolontsaina.” Ny fitondran-tenantsika dia mety tsy hitovy amin’ny fomban’izao tontolo izao raha ny fahadiovam-pitondrantena sy ny pôrnôgrafia, ny fandehanana am-piangonana, ny fahamarinana sy laharana na toerana ara-tsosialy misy no asian-teny.

Ao amin’ny lahateniny hoe “Ny Kolontsain’i Kristy” ( Liahona, nôv. 2020, 48–50), Ny Loholona William K. Jackson avy ao amin’ny Fitopololahy dia nampitaha ireo kolontsain’izao tontolo izao amin’ny kolontsain’i Kristy. Hevero ny mijery na mamaky ireo fizarana rehetra ao amin’ny lahateny nataony, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Azo atao ve ny mitazona ireo fomba amam-panaon-drazana no sady manaraka ny Mpamonjy?

Ity horonantsary manaraka ity dia manome ohatra amin’ny fomba fampiarahana ny fitazonana ireo fomba amam-panaon-drazana no sady manaraka ny Mpamonjy.

Hamoaka printy