Seminera
Matio 16:13–18


Matio 16:13–18

“Hianao no Kristy”

Sary
Jesus talking to the disciples

Nanontany ny mpianany i Jesoa hoe ataon’ny olona sasany ho Iza moa Izy ary inona ny zavatra inoan’ny Apôstôly momba Azy. Namaly tamin’ny fijoroana ho vavolombelona ananany i Petera , izay noraisiny avy tamin’ny fanambarana tamin’ny alàlan’ny Fanahy Masina fa i Jesoa no Kristy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra sy hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alàlan’ny Fanahy Masina.

Miresaka amin’ny Mpamonjy

Alao sary an-tsaina hoe nanana fotoana niresahana tamin’i Jesoa Kristy Mpamonjy ianao sy ny namanao akaiky vitsivitsy.

  • Araka ny hevitrao, ho toy ny ahoana izany miresaka amin’ny Mpamonjy izany?

  • Raha nanontany anao Izy hoe inona no eritreretin’ny olona na lazain’ny olona ankehitriny momba Azy, dia inona no holazainao?

Vakio ny Matio 16:13–14 mba hahitana ny fomba namalian’ny mpianany ny fanontaniana mitovy amin’izany.

Vakio sy asio marika ny fanontanian’ny Mpamonjy manaraka, mahakasika kokoa ny tenany izay hita ao amin’ny Matio 16:15 . Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ny fomba havalinao raha toa ka nametraka io fanontaniana io taminao ny Mpamonjy.

Rehefa manohy mandalina ity lesona ity ianao dia eritrereto izay nataonao na izay azonao atao mba hahazoana na hanamafisana orina mihitsy ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Mpamonjy.

Ny valin-tenin’ny Apôstôly Petera amin’ny fanontanian’ny Mpamonjy ihany no voarakitra ao amin’ny soratra masina.

Vakio ny Matio 16:16 , ary asio marika ny fomba namalian’i Petera.

  • Inona no dikan’ny hoe i Jesoa no “Kristy”?

  • Inona no dikan’ny hoe Izy no “Zanak’ ilay Andriamanitra velona?”

Raha mila fanampiana ianao amin’ny famaliana ireo fanontaniana ireo dia jereo ny “ Jesoa Kristy ” sy “ Ilay Voahosotra ” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Azonao atao ny manisy marika ny Matio 16:17 mba hahatsiarovanao ny nilazan’ny Mpamonjy tamin’i Petera fa “sambatra” izy noho ny fijoroana ho vavolombelona ananany.

Avereno jerena ireto rafi-tantara manaraka ireto ary fantaro ny fomba mety hitahian’ny fitantarana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ao anatin’ireo rafi-tantara ireo.

  1. Niady mafy tamin’ny tsy fahasalamana na aretina izay nametra ny fampihetseham-batanao ianao

  2. Nanjary mpanankarem-be ianao na lasa tena mahantra

  3. Nahatsiaro ho tsy misy miraharaha ianao na toy ny hoe tsy eo amin’ny toerana misy anao

  4. Namoy olon-tiana ianao

  • Ahoana no mety ho maha-hafa ny fihetsikao manoloana ireo toe-javatra ireo raha tsy nanana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ianao?

  • Inona avy ireo zavatra niainanao na niainan’ny olona iray fantatrao ka nanampy ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy?

Fijoroana ho vavolombelona

Alao sary an-tsaina hoe nisy olona nilaza taminao hoe: “Mahafinaritra fa nanana fijoroana ho vavolombelona i Petera, saingy izy dia niaraka tamin’ny Mpamonjy isan’andro. Ahoana no ahafahako mahazo fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy nefa tsy miaraka Aminy mihitsy aho?” Rehefa mandalina ity fizarana amin’ny lesona ity ianao dia eritrereto ny fomba hamalianao izany.

Vakio ny Matio 16:17 , ka tadiavo ny fahamarinana iray momba ny fomba handraisantsika fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. (Fanamarihana: Ny hoe “Bar-jona” dia midika hoe “zanakalahin’i Jona.”)

  • Inona no fahamarinana hitanao momba ny fomba handraisana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy?

Mety hahita fahamarinana mitovy amin’ity manaraka ity ianao: ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy dia tonga amin’ny alàlan’ny fanambarana avy amin’ny Ray any An-danitra.

  • Nahoana no zava-dehibe ny fahalalana fa ny Raintsika any An-danitra no loharanon’ny fanambarana?

  • Inona no mety ho antony hanirian’ny Ray any An-danitra hanambara amintsika ny marina momba an’i Jesoa Kristy?

Ity fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ny Ray ity dia nambara tamin’ny alàlan’ny Fanahy Masina (jereo 1 Korintiana 12:3). Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra hoe:

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Ny fahamarinana manan-danja indrindra azon’ny Fanahy Masina hijoroana ho vavolombelona aminareo dia hoe i Jesoa no Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra velona.

(Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 96)

Tsarovy fa ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy dia tena an’ny tena manokana ary samy hafa ho antsika tsirairay avy.

Soraty ao amin’ny diary fandalinanao hoe iza amin’ireto manaraka ireto no tena mamaritra indrindra ny fahatsapanao:

  • Nahazo fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy tamin’ny alàlan’ny Fanahy Masina aho saingy tiako hatanjaka kokoa izany.

  • Tsy mahatsapa aho fa nahazo fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy tamin’ny alàlan’ny Fanahy Masina.

  • Ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba an’i Jesoa Kristy dia matanjaka araka izay tadiaviko.

  • Tsy azoko hoe nahoana aho no mila fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.

Tadidio hoe aiza no tsapanao fa miaraka amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy manokana ianao rehefa manao ny iray na maromaro amin’ireto sahanasa manaraka ireto. Ny fomba iray handraisantsika fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina dia amin’ny alàlan’ny eritreritra sy fahatsapana. Henoy tsara ny eritreritrao sy ny fahatsapanao izay manampy anao amin’ny fanirianao hahazo na hanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy.

Sahanasa A: Inona no azontsika atao hahazoana na hanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy?

Mamoròna lisitr’ireo fihetsika sasany heverinao sy tsapanao fa azonao atao mba hahazoana na hampitomboana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy. Mba hanampiana ny lisitrao dia eritrereto ny zavatra niainan’i Petera niaraka tamin’ny Mpamonjy ao amin’ny Testamenta Vaovao. Ohatra, avereno jerena ny Lioka 5:1–11 sy Matio 14:22–33 . Fantaro ireo safidy nataon’i Petera tamin’ireo zavatra niainany ireo izay mety ho nanana fiatraikany tamin’ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina rehefa manoratra nyamin’ny fomba ahafahanao manao safidy mitovy amin’izany. Diniho ny fomba anehoan’ny zavatra niainan’i Petera ny maha-zava-dehibe ny fananana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.

Sahanasa B: Tamin’ny fomba ahoana no nahazoan’ny olona iray atokisanao ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy?

Miantsoa, na mandefasa hafatra, na mandefa mailaka amin’ny ray aman-dreny, olona ao amin’ny fianakaviana, na namana atokisana. Angataho izy ireo hizara ny fomba nahazoany fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny antony maha-zava-dehibe izany ho azy ireo. Anontanio ny fihetsika izay tsapan’izy ireo fa tena nanampy tamin’ny fijoroana ho vavolombelona. Henoy tsara ireo fitaomam-panahy tsapanao momba ny fomba ahafahanao manaraka ny ohatra nasehon’izy ireo.

Sahanasa D: Aiza no ahafahako mianatra bebe kokoa momba ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy amin’ny alàlan’ny Fanahy Masina?

Jereo ny horonantsary na vakio na jereo ny ampahan’ny lahateny “Manorina toera-mimanda misy fiainam-panahy sy fiarovana,” nataon’i Loholona Ronald A. Rasband ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ( Liahona, mey 2019, 107–10), ary tadiavo ireo hevi-baovao momba ny fomba sy ny antony hikatsahana fijoroana ho vavolombelona amin’ny alàlan’ny Fanahy Masina.

  • Inona no noeritreretinao sy tsapanao rehefa namaky ilay lahateny na nijery ilay horonantsary?

  • Aiza ihany koa no Mety hahitanao traikefa sy fampahalalana bebe kokoa amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy amin’ny alàlan’ny Fanahy Masina?

  • Nahoana no zava-dehibe ny manohy mampitombo sy manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny?

1. Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao ireto manaraka ireto:

Mieritrereta olona iray izay mety hahazo tombontsoa avy amin’ny zavatra nianaranao. Manorata taratasy fohy ho azy ireo manazava izay nianaranao ka mety hahasoa azy ireo. Azonao atao ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy sy ny fomba nahazoanao izany fijoroana ho vavolombelona izany.

Rehefa vitanao ny taratasinao dia miatoa kely ary henoy ny bitsiky ny Fanahy Masina amin’izay tokony hataonao hahazoana na hanamafisana orina ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao ireo fitaomam-panahy anananao ary manaova drafitra hanaovana zavatra mifanaraka amin’izany.

Tsy voatery hatao: Te hianatra bebe kokoa?

Ahoana no hahafahako mahazo fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy?

Jereo ny horonantsary “La puissance d’un témoignage personnel,” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, manomboka amin’ny kaodim-potoana 9:27 ka hatramin’ny 13:19.

Ahoana no hahafahako manamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananako momba an’i Jesoa Kristy?

Ny Filoha Jean B. Bingham, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany dia nanome ireto hevi-baovao ireto:

Sary
Official Portrait of Sister Jean B. Bingham. Photographed in 2017.

Moa ve miorina amin’ny fototra vatolampin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika? Rehefa manery antsika ireo fitsapana eo amin’ny fiainana, moa ve isika mihazakazaka tsy amim-piheverana mitady boky torolalana na zavatra iray navoaka tao amin’ny internet mba hanampy antsika? Ny fakana fotoana hampiorina sy hanamafy orina ny fahalalantsika sy ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy dia hitondra valisoa lehibe amin’ny fotoan’ny fitsapana sy ny fahoriana. Ny famakiana ny soratra masina isan’andro sy ny fisaintsainana ny tenin’ny mpaminany velona, ny fanaovana vavaka mifono hevitra manan-danja ho an’ny tena manokana, ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo amim-pifantohana isan-kerinandro; ny fanaovana asa fanompoana tahaka izay nataon’ny Mpamonjy—ny tsirairay avy amin’ireo asa atao tsotra ireo dia lasa fototra hiorenan’ny fiainana feno fifaliana.

(Jean B. Bingham, “Ka ho tanteraka ny fifalianareo,” Liahona, nôv. 2017, 87)

Inona no maha-zava-dehibe ny miaina amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy?

Ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa:

Sary
Official portrait of Elder Quentin L. Cook. Called to the Quorum of the Twelve Apostles on 6 October 2007.

Ny fizarana faha-76 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia manazava tsara fa ny “maherifo amin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa” [ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:79 ] dia fitsapana tsotra sy manan-danja eo amin’ireo izay handova ireo fitahian’ny fanjakana selestialy sy ireo izay ho ao amin’ny fanjakana terestrialy ambanimbany kokoa. Mba ho maherifo, isika dia mila mifantoka amin’ny herin’i Jesoa Kristy sy ny sorompanavotany mba handresy ny fahafatesana sy hanadio antsika amin’ny fahotana amin’ny alalan’ny fibebahantsika ary ilaintsika ny manaraka ny fotopampianaran’i Kristy. Ilaintsika ihany koa ny fahazavana sy ny fahalalana momba ny fiainana sy ireo fampianaran’ny Mpamonjy mba hitarika antsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, ka tafiditra ao anatin’izany ireo ôrdônansy masina any amin’ny tempoly. Tsy maintsy mibosesika ao amin’i Kristy isika, mivoky amin’ny teniny, ary maharitra hatramin’ny farany.

(Quentin L. Cook, “Maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa,” Liahona, nôv. 2016, 43)

Inona ilay vatolampy nolazain’i Jesoa fa hanorenany ny Fiangonany?

Rehefa nampianatra an’i Petera momba ny fanambarana ny Mpamonjy dia nampiasa kilalaon-teny tamin’ny anaran’i Petera Izy ka nanambara tamin’i Simona hoe: -Ianao no Petera [Petros], ary ambonin’ity vatolampy ity [petra] no haoriko ny fiangonako- ( Matio 16:18). Ny teny grika hoe petros dia midika hoe vatolampy na vato. Ny teny grika hoe petra dia mety hidika ihany koa hoe “vato,” kanefa ankoatra izany dia mety hilazana ny tany vatovatoina, na vato fototra, na vato lehibe izany. Mianatra isika avy amin’ireo teny ireo fa tsy teo ambonin’i Petera amin’ny maha-olona azy no hanorenana ny Fiangonana, fa teo ambonin’ny vato fototry ny fanambarana.

Hamoaka printy