Seminera
Matio 5:13–16


Matio 5:13–16

“Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao”

Sary
labozia mirehitra

Iza no olona ohatra tsara ho anao teo amin’ny fiainana amim-pahamarinana? Tamin’ny fomba ahoana no nitondran’ny ohatra nasehon’izy ireo anao ho akaiky kokoa an’ Andriamanitra? Rehefa avy nampianatra ny fahasambarana, izay manampy antsika hahatakatra ny toetran’ Andriamanitra i Jesoa Kristy, dia nampianatra fa afaka mitahy ny hafa ny ohatry ny fahamarinana asehontsika. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hampihatra ity fahamarinana ity ary hanombantombana ny asa ataonao sy ny fihetsikao mba hanehoana taratra kokoa ny fahazavan’i Jesoa Kristy.

Fanasin’ny tany

Matetika ny Mpamonjy no nampiasa fampitahana na fanoharana mba hampianarana hevitra tsotra misy dikany lalina. Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia eritrereto ny fomba hahafahan’ireo zavatra noresahin’i Jesoa hanampy anao hahatakatra izay nampianariny.

Vakio ny Matio 5:13, ka tadiavo ny fomba namaritan’i Jesoa Kristy ny mpianany.

  • Inona no fiantraikan’ny sira amin’ny tsiron’ny sakafo?

  • Ankoatra ny fampiasana izany hanatsarana ny tsiron’ny sakafontsika, inona koa no azo ampiasaina ny sira?

Efa ela ny sira no nampiasaina mba hitehirizan-javatra, sy hanomezan-tsiro ary hanadiovana. Nanana dikany ara-pivavahana ihany koa ny sira ho an’ireo Isiraelita. … Raha ny sira no lasa matsatso, dia lasa tsy misy asany izy, na “tsy misy heriny hanaovana na inona na inona intsony” (Matio 5:13). Mitranga izany rehefa mifangaro na ifindran’ny singa hafa izany.

(Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao [2019], 31)

1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona araka ny eritreritrao no nampianarin’ny Mpamonjy tamin’ny fampitahana ny mpianany tamin’ny sira?

  • Inona avy ireo zavatra manokana mety handoto antsika ara-panahy?

Makà fotoana kely hisaintsainana ao am-ponao ny fomba hitondranao ny tsara indrindra amin’ireo manodidina anao amin’ny maha-fanasin’ny tany anao. Diniho ihany koa hoe inona ny fakam-panahy atrehanao sy ny fomba ahafahanao mitazona ny tenanao ho madio. Raha namela ny fahalotoana hiditra teo amin’ny fiainanao ianao dia azo esorina izany amin’ny alalan’ilay fanomezana dia ny fibebahana, izay azo amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Fahazavan’izao tontolo izao

Vakio ny Matio 5:14–16, ka tadiavo ny zavatra andrasan’i Jesoa Kristy amintsika amin’ny maha-mpianany antsika.

Ny Matio 5:14–16 dia andinin-tsoratra masina fehezina. Hevero ny hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana.

  • Inona no fitsipiky ny fahamarinana azonao fantarina avy amin’ny Matio 5:14–16

Tao amin’ny Matio 5:14–16 ianao dia mety nahita fitsipika mitovy amin’ity: Ny ohatra feno fahamarinana asehontsika dia afaka mandrisika ny hafa hanome voninahitra ny Ray any An-danitra.

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe manome voninahitra ny Ray any An-danitra?

Rehefa niaraka tamin’ny Nefita ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty dia nampianatra azy ireo bebe kokoa momba ny fahazavana tokony haingain’ireo mpianany ambony Izy. Hevero ny hampifandray ny Matio 5:14–16 amin’ny 3 Nefia18:24–25 .

Vakio ny 3 Nefia 18:24–25 hitadiavana ny fahazavana tokony haingain’ireo mpianatra marina ambony.

I Jesoa Kristy no tena Fahazavan’izao tontolo izao, ary rehefa manaraka Azy isika sy tonga tahaka Azy kokoa dia maneho taratra ny fahazavana izay omeny antsika isika. (Jereo ny Jaona 1:4, 9; 8:12; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:24; 93:2.)

Ny tandindona nampiasain’ny Mpamonjy

Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manampy anao hieritreritra lalindalina kokoa momba ny tandindona nampiasain’ny Mpamonjy tao amin’ny Matio 5:14–16.

2. Misafidiana iray amin’ireto fanoharana manaraka ireto ao amin’ny Matio 5:14–16 ary valio ireo fanontaniana mifanaraka aminy ao amin’ny diary fandalinanao.

Tanàna eny an-tampon-tendrombohitra:

Sary
tanàna eny an-tampon-tendrombohitra
  • Sarotra afenina amin’ny fomba ahoana ny fanarahana an’i Jesoa Kristy, toy ny tanàna eny an-tampon-tendrombohitra?

  • Fahiny dia naorina teny an-tampon-tendrombohitra ny tanàna mba hiarovana amin’ny fanafihana mety hitranga. Ahoana no ahafahan’ny fiainana ny filazantsara amim-pahasahiana manome fiarovana amin’ny fitaoman-dratsy?

  • Inona no ampianarin’ity fanoharana ity anao momba ny fomba andrasan’ny Mpamonjy hiainanao ny fiainanao amin’ny maha-mpianany anao?

Labozia:

Sary
labozia mirehitra.
  • Ahoana no ahafahanao ho toy ny jiro ao amin’ny efitrano maizina iray ary mampamirapiratra ny hazavan’ny Mpamonjy amin’ny rehetra?

  • Inona no mety hahatonga ny olona sasany hanafina ao ambany harona (vata famarana) ny fahazavana omen’ Andriamanitra azy ireo?

  • Inona no ampianarin’ity fanoharana ity anao momba ny fomba andrasan’ny Mpamonjy hiainanao ny fiainanao amin’ny maha-mpianany anao?

Vakio ity teny nambara manaraka ity izay nambaran’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany, ka tadiavo izay azonao ianarana momba ny fahazavan’i Jesoa Kristy.

Sary
Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf

Isaky ny mampitodika ny fonareo amin’ Andriamanitra ianareo ao anatin’ny vavaka feno fanetrentena, dia miaina ny fahazavany ianareo. Isaky ny mikatsaka ny teniny sy ny sitrapony ao anatin’ny soratra masina ianareo dia mihamamiratra ilay fahazavana. Isaky ny mahatsikaritra olona iray mila fanampiana ianareo ka mahafoy ny tontolo mampiadana anareo mba hanampy amim-pitiavana dia mivelatra sy mitombo ilay fahazavana. Isaky ny manohitra fakam-panahy ary misafidy ny fahadiovana ianareo, isaky ny mikatsaka na manolotra famelana ianareo, isaky ny mijoro ho vavolombelona amin-kerimpo momba ny fahamarinana ianareo, dia roahin’ny fahazavana ny haizina ary sarihiny ireo olona hafa izay mikatsaka fahazavana sy fahamarinana ihany koa.

(Dieter F. Uchtdorf, “Mpihazona fahazavana avy any an-danitra,” Liahona, nôv. 2017, 80)

  • Ahoana araka ny hevitrao no ifandraisan’io fanambarana io amin’ny Matio 5:14–16?

Ampahatsiahivo fa nampianatra antsika mivantana i Jesoa mba ho “fanasin’ny tany” sy “fahazavan’izao tontolo izao” taorian’ny nampianarany ny fahasambarana—ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izay manampy antsika ho tonga tahaka Azy bebe kokoa (jereo ny Matio 5:3–12).

3. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto farafahakeliny:

  • Nahoana ny fanaovana zavatra sy ny fananana toetra tahaka ny an’i Kristy no manampy antsika handrisika ny hafa hanakaiky bebe kokoa ny Ray any An-danitra?

  • Inona avy ireo zavatra azonao atao mba ho ohatra marina maneho ny Mpamonjy amin’ny hafa?

  • Raha misafidy iray amin’ireo Fahasambarana tamin’ny lesona teo aloha ianao mba hampiharinao amin’ny fiainana dia amin’ny fomba ahoana no hanampian’io toetra io anao mba ho fanasin’ny tany na ho fahazavan’izao tontolo izao?

Tsy voatery atao: Te hianatra bebe kokoa ve ianao?

Inona no fiantraikan’ny zavatra ataoko amin’ny tsiroko amin’ny maha fanasin’ny tany ahy?

Nampianatra ny Filoha James E. Faust (1920–2007) tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Sary
Filoha James E. Faust

Ny sakafo mahavelona izay mitazona antsika ho salama ara-panahy, dia mety ho very hery sy tanjaka raha tsy miaina amim-pahamendrehana ny fitarihana masina izay ilaintsika isika. … Mila mihazona ny saintsika sy ny vatantsika tsy ho voaloton’ny karazana fiankinan-doha sy ny zava-manimba rehetra isika. Tsy hisafidy ny hihinana sakafo simba na voaloto mihitsy isika. Ao anatin’izany fomba fisafidianana izany ihany koa no tokony hitandremantsika mba tsy hamaky na hijery zavatra tsy tsara. Ny ankabeazan’ireo fahalotoana ara-panahy eo amin’ny fiainantsika dia vokatry ny fampiasana ny Internet, ny kilalao atao amin’ny solosaina, ny fandaharana misy amin’ny fahitalavitra sy ny sarimihetsika izay manolotra fatratra na maneho an-tsary ireo toetra ambany indrindra ananan’ny olombelona. Koa satria miaina anaty tontolo toy izany isika dia mila mampitombo ny tanjatsika ara-panahy.

(James E. Faust, “Être disciple,” Liahona, Nov. 2006, 55)

Ahoana no hampitomboako ny fahazavako?

Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring hoe:

Sary
Ny Filoha Henry B. Eyring

Isaky ny misafidy ny hiaina bebe kokoa tahaka ny Mpamonjy ianareo dia hohamafisina ny fijoroana ho vavolombelona anananareo. Ho avy ny fotoana hahafantaranareo manokana fa Izy no Fahazavan’Izao Tontolo Izao. Hahatsapa ny fitomboan’ny fahazavana eo amin’ny fiainanareo ianareo. Tsy ho tonga anefa izany raha tsy misy ezaka. Kanefa ho avy izany rehefa mitombo ny fijoroana ho vavolombelona anananareo ary misafidy ny hikolokolo izany ianareo. Izao no fampanantenana azo antoka avy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: “Izay avy amin’ Andriamanitra dia hazavana; ary izay mandray hazavana sy mitoetra ao amin’ Andriamanitra dia handray hazavana misimisy kokoa; ary izany hazavana izany dia mihamamiratra hatrany hatrany mandra-pitataovovonan’ny andro” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:24]. Ho tonga fahazavana ho an’izao tontolo izao ianareo rehefa mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananareo amin’ny hafa. Hisy fiantraikany amin’ny hafa ny fahazavan’i Kristy eo amin’ny fiainanareo. Hahita fomba mba hikasihan’izany fahazavana izany an’ireo izay tianao ny Tompo.

(Henry B. Eyring, “Fijoroana ho vavolombelona mitombo,” Liahona, mey 2011, 128)

Nampianatra ny Filoha Thomas S. Monson hoe:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

Tonga teto an-tany isika tsirairay rehefa avy nomena ny Hazavan’i Kristy. Rehefa manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy isika sy miaina araka ny fomba niainany sy nampianarany, dia hirehitra ao anatintsika izany hazavana izany ka hanazava ny lalana ho an’ny hafa.

(Thomas S. Monson, “Aoka ianao ho ohatra sy fahazavana,” Liahona, nôvambra 2015, 86)

Hamoaka printy