Seminera
Matio 5:48


Matio 5:48

“Aoka ho tanteraka ianareo”

Sary
Head and shoulder image of Jesus Christ. Christ is depicted with one arm raised as He participates in the creation of the earth. Galaxies and stars are depicted in the background.

Rehefa avy nampianatra ny fahasambarana sy ny lalàna ambonimbony kokoa ny Mpamonjy dia nanome didy momba ny toetran’ny Rainy any An-danitra Izy. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy anao hahatakatra ny didin’ny Mpamonjy hoe: “ho tanteraka … toy ny fahatanterahan’ny Rai[ntsika] izay any an-danitra” (Matio 5:48).

Niova tahaka ny ahoana ianao?

Mitadiava sarin’ny fahatanoranao, na mieritrereta hoe nanao ahoana ianao tamin’ny mbola kely.

  • Ahoana no nitomboanao na niovanao ara-batana na ara-panahy nanomboka teo?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no ampahany voajanahary sy manan-danja amin’ny drafitry ny Raintsika any An-danitra ny fiovana?

  • Ahoana no nitomboanao tao anatin’izay taona vitsy lasa izay mba ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy bebe kokoa? Raha tsapanao fa tsy ampy ny fitomboanao ara-panahy, inona no nisakana anao, ary inona no azonao atao hanovana izany fomba izany?

Vakio ny Matio 5:48 , ka tadiavo ny fomba namaranan’ny Mpamonjy ny fampianarany tao amin’ny toko 5 . Mariho fa ny teny grika milaza ny hoe tanteraka izay ampiasaina ao amin’ity andininy ity dia azo adika ihany koa hoe feno, vita, na mivoatra tanteraka .

Avy amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 5:48 isika dia mianatra fa nandidy antsika mba ho tanteraka tahaka ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy.

1.

  • Inona amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 5 no tsapanao fa tokony hezahinao izao mba ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra bebe kokoa? Amin’ny fomba ahoana?

  • Inona no tsapanao momba ny didin’ny Mpamonjy mba ho tanteraka?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hisy fiantraikany ratsy amin’ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny tsy fahatakarana io didy io?

Mahatakatra ny dikan’ny hoe “ho tanteraka”

Vakio ity teny manaraka nataon’ny Filoha Russell M. Nelson, sy ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifololahy, ary ny Loholona Gerrit W. Gong ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifololahy manaraka ity, ka mitadiava fanampiana na fankaherezana amin’ny làlana diavintsika mba ho tanteraka tahaka ny Ray any An-danitra.

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

Ao amin’ny Matio 5:48 , ny teny hoe tanteraka dia nadika avy tamin’ny teny Grika hoe teleios, izay midika hoe “feno.” … Ny matoanteny amin’io dia hoe teleiono, izay midika hoe “manaka-davitra, mivoatra tanteraka, mahatanteraka na mahatontosa.” Jereo tsara fa ilay teny dia tsy milaza hoe “fahafahana amin’ny fahadisoana”; fa milaza “fanatanterahana tanjona lavitra.” …

…Tsy tokony ho kivy isika raha toa ka toa [sarotra] sy tsy manam-pahataperana amin’izao fotoana izao ireo ezaka matotra ataontsika mba ho tanteraka. Mbola miandry fotoana ny fahatanterahana. Tsy afaka ny ho tonga amin’ny fahafenoany izany raha tsy aorian’ny Fitsanganana amin’ny maty sy amin’ny alalan’ny Tompo ihany. Miandry ireo rehetra izay tia Azy sy mitandrina ny didiny izany.

(Russell M. Nelson, “Perfection Pending,” Ensign, Nov. 1995, 86, 88)

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Ry rahalahy sy anabavy, maniry ny hanana fiainana tahaka ny an’i Kristy kokoa isika tsirairay avy nefa matetika tsy vitantsika ny miaina azy. … Raha maharitra isika dia ho vita sy tontosa any amin’ny mandrakizay any ny fanadiovana antsika, izay dikan’ny hoe tanteraka ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Izaho dia mijoro ho vavolombelona ny amin’izany anjara goavana izany izay atolotra ho antsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Tompo, izay Izy Tenany aza nanohy “fahasoavana niampy fahasoavana” [ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:13 ] mandra-pandraisany tao amin’ny tsy fahafatesany ny fahafenoan’ny voninahitra selestialy.

(Jeffrey R. Holland, “Aoka ho tanteraka ianareo, amin’ny farany,” Liahona, nôv. 2017, 42)

Sary
Official Portrait of Gerrit W. Gong. Photographed in 2018.

Ny teny hoe fahatanterahana … dia indraindray tsy takatsika ka adikantsika hoe tsy manao hadisoana mihitsy. Mety hoe miezaka mafy ho tanteraka amin’izany fomba izany ianao na ny olona iray fantatrao. Satria toa tsy mora tratrarina hatrany izany fahatanterahana izany, ka na dia ny fiezahana mafy indrindra ataontsika aza dia mety hahatonga antsika hitebiteby, na ho kivy, na ho reraka. Tsy vitantsika ny mifehy ny toe-javatra misy antsika sy ny olona manodidina antsika. Sahiran-tsaina isika noho ny fahalemena sy ny fahadisoana. Raha ny marina, arakaraky ny fiezahantsika mafy no mety hahatsapantsika ho manalavitra ny fahatanterahana izay tadiavintsika. …

Ny tsy fahatakarana ny dikan’ny hoe ho tanteraka dia mety hiafara amin’ny fahalavorariana—fihetsika na fitondran-tena izay mitaky faniriana mendri-piderana ho tsara ary mamadika izany ho fanantenana ny zavatra tsy misy mba ho tanteraka amin’izao fotoana izao. Ny fahalavorariana indraindray dia mipoitra avy amin’ny fahatsapana fa ireo izay tonga lafatra ihany no mendrika hotiavina na hoe tsy mendrika ny ho sambatra isika raha tsy efa tonga lafatra.

(Gerrit W. Gong, “Becoming Perfect in Christ,” Ensign, Jolay 2014, 14–15, 17)

Tsarovy fa ny ezaka ataontsika rehetra hitandremana ny didy sy hibebahana dia tsy ho ampy velively raha tsy noho ny fanadiovana amin’ny fahotana sy ny fitsanganana amin’ny maty izay azontsika avy amin’ny Jesoa Kristy Mpamonjy tamin’ny alàlan’ny Sorompanavotany. (Jereo ny 2 Nefia 25:23 ; Almà 34:9–10 .)

Lasa tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy bebe kokoa

Valio ao anatin’ny diary fandalinanao farafaharatsiny ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

2.

  • Inona no ampianarin’ireo teny nolazain’ireo mpaminany ireo antsika momba ny dikan’ny hoe “aoka ho tanteraka hianareo” ?

  • Inona no ampianarin’ireo mpaminany antsika momba ny tsy hevitr’ireo teny ireo?

  • Inona no anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny fanampiana antsika ho tanteraka?

  • Inona no fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay manome anao fanantenana fa indray andro any dia mety ho tanteraka toa Azy Ireo ianao?

  • Inona ireo ezaka ara-panahy, na ara-batana, na ara-piarahamonina, na ara-tsaina ataonao amin’izao fotoana izao mba ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy bebe kokoa?

Tsy voatery atao: Te hianatra bebe kokoa ve ianao?

Ahoana no ahafahako ho lasa tanteraka?

Nampianatra ny Loholona Scott D. Whiting ao amin’ny Fitopololahy hoe:

Sary
Official Portrait of Elder Scott D Whiting. Photographed in March 2017.

Tsy natao hahatonga anao hahatsapa ho meloka na tsy mendrika na tsy tiana ilay didy ny ho tonga tahaka Azy. Ny traikefantsika manontolo amin’ny fiainana an-tany dia mahakasika ny fivoarana sy fiezahana sy tsy fahombiazana ary fahombiazana. …

Efa tsara ny vitanao, tiana ianao, saingy tsy midika akory izany hoe efa tomombana ianao. Mbola misy asa ilaina vitaina eto amin’izao fiainana izao sy any amin’ny manaraka. Miaraka amin’ny fanampiana masina avy Aminy ihany no hahafahantsika ho tonga tahaka Azy.

Amin’izao fotoana izao, rehefa “[hita fa toa] misamboaravoara ny zava-drehetra; ary … ny tahotra [dia toa] efa tonga amin’ny olon-drehetra,” [ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:91 ], ny hany fanafana, ny hany fanafody, dia ny fiezahana ho tonga tahaka ny Mpamonjy, ilay Mpanavotra ny zanak’olombelona rehetra, ilay fahazavan’izao tontolo izao, ary ny fikatsahana an’ilay nanambara hoe “Izaho no lalana” [ Jaona 14:6 ].

Fantatro fa ny fahatongavana ho tahaka Azy amin’ny alalan’ny fanampiana masina sy tanjaka avy Aminy dia azo tratrarina tsikelikely. Raha tsy izany dia tsy ho nanome antsika izany didy izany Izy [jereo ny 1 Nefia 3:7 ].

(Scott D. Whiting, “Ho tonga tahaka Azy,” Ensign na Liahona, Nov. 2020, 14)

Hamoaka printy