Seminera
Filipiana 4


Filipiana 4

Mahita fifaliana sy fiadanana ao amin’i Jesoa Kristy

Sary
Zatovovavy misaintsaina.

Inona no mitondra fiadanana sy fampiononana ho anao mandritra ny fotoan’ny rarin-tsaina sy ny fitsapana? Tao amin’ny taratasiny ho an’ny Filipiana, i Paoly dia niresaka matetika momba ny fifaliana sy ny fiadanana. Rehefa namarana ity taratasy ity i Paoly dia nampianatra fa i Jesoa Kristy no loharanon’ny fiadanana sy fifaliana ary nohamafisiny ny zavatra azon’ny Olomasina atao mba hahatsapana ny fifaliana sy “ny fiadanan’ Andriamanitra” (Filipiana 4:7). Rehefa mandalina ianao dia katsaho ny hamantatra ireo fomba ahafahanao mahazo fifaliana sy fiadanana mitombo amin’ny alalan’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainanao manokana.

Ireo zava-tsarotra niainan’i Paoly

Diniho ity sary manaraka maneho ny Apôstôly Paoly ity sy ny sasany amin’ireo zava-tsarotra niainany ary ny mety ho ahiahiny. Tsarovy anefa fa ireo dia ankoatra ny nigadran’i Paoly tao an-tranomaizina nandritra ny nanoratany taratasy ho an’ny Olomasina Filipiana. Eritrereto ny fomba mety ho naha sakana tsy nahatsapan’i Paoly fiadanana sy fifaliana an’ireo zava-tsarotra ireo.

Sary
New Testament Seminary Teacher Manaul - 2023

Mamoròna ao amin’ny diary fandalinanao faribolana iray misy sarin’olona tsotsotra na tsipitsipika maneho anao, tahaka ny an’i Paoly. Tanisao eo ivelan’ny faribolana ny sasany amin’ireo ahiahinao na olanao izay mety hanasarotra ny fahatsapanao fiadanana sy fifaliana indraindray.

  • Aiza no itadiavan’ny olona fiadanana sy fifaliana lehibe kokoa eto amin’ity fiainana ity? Aiza no itadiavanao fiadanana sy fifaliana? Nahomby ve ianao tamin’ny ezaka nataonao?

Hafatra mitondra fifaliana sy fiadanana

Na dia tany an-tranomaizina sy niatrika zava-tsarotra hafa aza i Paoly, dia niresaka matetika momba ny fifaliana sy ny fiadanana tao amin’ny taratasiny ho an’ny Filipiana izy. Raha nilaza tamin’ny Filipiana i Paoly fa nahita fifaliana lehibe tamin’ny hatsaram-panahin’izy ireo sy ny fiahiany azy (jereo ny Filipiana 4:1, 10, 14–16), dia nampahatsiahy azy ireo hatrany ny loharanom-pifaliany faratampony izy.

Vakio ny Filipiana 4:4, 10, 13 dia asio marika hoe iza no nilazan’i Paoly fa loharanon’ny hafaliany sy ny heriny.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no niresaka momba an’i Jesoa Kristy tsy tapaka i Paoly ho loharanon’ny heriny sy ny fifaliany ary fiadanany?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra ny antony mahatonga an’i Jesoa Kristy ho loharanon’ny fiadanana sy fifaliana.

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Russell M. Nelson nalaina tamin’ny janoary 2018

Ry rahalahy sy anabaviko malala, zara raha misy ifandraisany amin’ny toe-javatra mitranga eo amin’ny fiainantsika ilay fifaliana tsapantsika fa tena mifandray kosa amin’ny zavatra ifantohan’ny fiainantsika izany.

Rehefa ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra … sy i Jesoa Kristy ary ny filazantsarany no ifantohan’ny fiainantsika dia afaka mahatsapa fifaliana isika na inona na inona zava-mitranga—na tsy mitranga—eo amin’ny fiainantsika. Tonga avy Aminy sy noho ny Aminy ny fifaliana. Izy no loharanon’ny fifaliana rehetra. …

Tahaka ny anoloran’ny Mpamonjy fiadanana izay “mihoatra ny fahatakarana rehetra” [Filipiana 4:7], dia manolotra fifaliana lehibe sy lalina ary mivelatra izay tsy takatry ny fahaizana sy ny fahatakaran’ny olombelona ihany koa Izy. Ohatra, toa tsy ho vita velively izany hahatsapa fifaliana izany rehefa mijaly noho ny aretina tsy misy fanafany ny zanakao, na rehefa very asa ianao, na rehefa mamitaka anao ny vadinao. Kanefa izany indrindra ilay fifaliana atolotry ny Mpamonjy. Mitohy hatrany ny fifaliana avy Aminy, manao izay hahatonga ny “fijalianao tsy haharitra afa-tsy fotoana fohy” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7] ary hanokana ny fahorianao ho tombontsoanao [jereo ny 2 Nefia 2:2].

(Russell M. Nelson, “Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2016, 81)

  • Inona no zavatra nanan-danja indrindra taminao nampianarin’ny Filoha Nelson? Nahoana?

  • Araka ny eritreritrao, ahoana no mety hisy fiantraikany eo amin’ny fiainanao ny tena fahatakarana sy fampiharana ny fampianaran’ny Filoha Nelson?

  • Ahoana no fomba nitondran’i Jesoa Kristy fiadanana sy fifaliana teo amin’ny fiainanao?

Mitaky ny fifaliana atolotr’i Jesoa Kristy

Na ny Filoha Nelson na ny Apôstôly Paoly dia samy nanome torohevitra manokana mikasika ny zavatra azontsika atao mba hitakiana fiadanana sy fifaliana azo tanterahina avy amin’i Jesoa Kristy.

Vakio ny Filipiana 4:6–9, 11 sy ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Nelson ity, ka tadiavo ny fomba ahafahantsika mahita fiadanana sy fifaliana ao amin’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manisy marika ao anatin’ny soratra masinao na manao lisitra ao anatin’ny diary fandalinanao ny zavatra hitanao. Mariho fa i Joseph Smith dia nilaza ny Filipiana 4:8 ho “fananaran’i Paoly” ary nampiditra izany ho anisan’ny fanekem-pinoana faha telo ambin’ny folo.

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Russell M. Nelson nalaina tamin’ny janoary 2018

Amin’ny fomba ahoana, noho izany, no ahafahantsika mitaky izany fifaliana izany? Azontsika atomboka amin’ny “[fijerena] an’i Jesoa, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy” [Hebreo 12:2] “amin’ny eritreritra rehetra” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36] izany. Afaka misaotra Azy isika amin’ny vavaka ataontsika sy amin’ny alalan’ny fitandremana ireo fanekempihavanana nataontsika Taminy sy ny Raintsika any An-danitra. Rehefa lasa tena misy amintsika ny Mpamonjintsika ary rehefa mitalaho mba hanomezana antsika ilay fifaliany isika, dia hitombo ny fifaliantsika.

(Russell M. Nelson, “Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2016, 81)

1. Ataovy ao anaty diary fandalinanao soratra masina ity sahanasa manaraka ity:

Diniho ny lisitra na fanamarihana avy amin’ny fandalinanao ny Filipiana sy ny tenin’ny Filoha Nelson, ka saintsaino ny zavatra miavaka indrindra aminao sy ny anton’izany. Mitadiava fitsipika iray ary soraty ao anatin’ny diarinao miaraka amin’ny andinin-tsoratra masina izay niaviany izany. Mety ho toy izao ny fanombohan’ny fahamarinana hitanao amin’ny endri-tsoratra matavy:

  • Afaka mifaly sy mandray bebe kokoa ny fiadanan’ Andriamanitra aho rehefa …

Mitadiava fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina mba hampitomboana ny fahatakaranao ny fahamarinana hitanao amin’ny alalan’ny fandalinana fanampiny. Ny fomba sasantsasany azonao anaovana izany dia ny:

  • Fitadiavana soratra masina mifandray amin’ireo soratra masina mifandray amin’izany. Ireo dia mety ho andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana na soratra masina hita ao amin’ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy. Soraty eo akaikin’ilay andininy izay nahitanao ilay fitsipika ireo andinin-tsoratra masina ireo.

  • Famerenana mijery ny Jeunes, soyez forts [Ho zatovo mahery!] (kiboky, 2011), mifantoka amin’ny “Fankasitrahana,” “Fahamarinan-toetra sy tsy mivadi-pitokisana,” na fenitra hafa mifandray amin’ilay fitsipika izay hitanao.

Zarao ny zavatra nianaranao, ao anatin’izany:

  • Ny fitsipika hitanao sy ny andinin-tsoratra masina izay mampianatra izany.

  • Ny zavatra hitanao (soratra masina mifandray, fanampiana amin’ny fandalinana, sy ny sisa) izay nampitombo ny fahatakaranao sy ireo hevi-baovao fanampiny azonao avy amin’ity loharano ity.

  • Ahoana no hanampian’ny fampiharana io fitsipika io anao hahita fifaliana sy fiadanana bebe kokoa ao amin’Andriamanitra.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Inona no azoko atao rehefa sarotra ny mahita fiadanana sy fanantenana?

Ahoana no ahafahako mahita fiadanana ao amin’i Jesoa Kristy ?

Nampianatra ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Ulisses Soares, Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Ny fikatsahana an’i Kristy amin’ny eritreritra rehetra sy ny fanarahana Azy amin’ny fontsika manontolo dia mitaky ny hampifanarahantsika ny saintsika sy ny faniriantsika amin’ny Azy. Io fampifanarahana io no lazain’ny soratra masina hoe “[mitoetra] tsara ao amin’ny Tompo.” [Filipiana 4:1]. Izany fomba fanao izany dia midika fa mampifanaraka tsy tapaka ny fiainantsika amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika ary mifantoka isan’andro amin’izay tsara. Amin’izay irery ihany isika vao hahatakatra ilay “fiadanan’ Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra” sy “hiaro ny fon[tsika] sy ny hevi[tsika] ao amin’i Kristy Jesoa.” [Filipiana 4:7].

(Ulisses Soares, “Mikatsaka an’i Kristy amin’ny eritreritra rehetra,” Liahona, nôv. 2020, 82–83.)

Nampianatra toy izao Rahavavy Jean B. Bingham, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany:

Sary
Sary ôfisialin’ny Rahavavy Jean B. Bingham. Nalaina tamin’ny 2017.

I Jesoa Kristy ihany koa no loharanon’ny fiadanana. Manasa antsika Izy “hiantehitra amin’ny sandri[ny] matanjaka” [“Lean on My Ample Arm,” Hymnsno. 120] ary mampanantena ny “fiadanana … izay mihoatra ny fahalalana rehetra” [Filipiana 4:7], fahatsapana izay tonga rehefa “[m]anambara fiadanana ho an’ny fanahin[tsika]” ny Fanahiny [Almà 58:11] na inona na inona olana manodidina antsika. Na olan’ny tena manokana izany, na olana mianjady amin’ny fianakaviana, na olana eo anivon’ny fiarahamonina, dia ho tonga ny fiadanana rehefa matoky isika fa manana ny hery hampitony ilay fanahintsika marary ny Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra.

(Jean B. Bingham, “Ka ho tanteraka ny fifalianareo,” Liahona, nôv. 2017, 85)

Inona avy ireo fitahiana ho tonga rehefa mikatsaka fiadanana ao amin’i Jesoa Kristy aho?

Nampianatra toy izao ny Filoha Russell M. Nelson:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Russell M. Nelson nalaina tamin’ny janoary 2018

Izao ry rahalahy sy ranabavy malalako dia mitsodrano anareo aho mba ho feno ny fiadanan’i Jesoa Kristy Tompo ianareo. Tsy takatry ny sain’olombelona rehetra ny fiadanany. Mitsodrano anareo aho mba hanana faniriana sy fahafahana bebe kokoa hankatò ireo lalàn’ Andriamanitra ianareo. Mampanantena aho fa rehefa ataonareo izany dia ho tondraky ny fitahiana ianareo, ao anatin’izany ny herim-po be kokoa, fanambarana bebe kokoa ho an’ny tena manokana, firaisan-kina mamy kokoa ao an-tokantranonareo, ary fifaliana, eny fa na dia eo anivon’ireo zavatra mampiahiahy antsika.

(Russell M. Nelson, “Fiaingana vaovao,” Liahona, nôv. 2020, 118)

Hamoaka printy